♦Tsy misy andininy ao amin'ny Lalam-panorenana manome fahefana olona na vondrona hafa handray ny andraikitry ny filoham-panjakàna vonjy maika, ankoatry ny Governemanta, miara-misahana izany hoy ny HCC... ♦ Zava-dehibe ny fanajàna ny Lalàm-panorenana sy ny tetiandrom-pifidianana ary manipika hatrany ny fanohanany ny zotram-pifidianana mifanaraka amin'ny fenitra iraisam-pirenena, mangarahara, azo antoka, mampiaty ary milamina ny mpiara-miombon'antoka iraisam-pirenena... ♦Hifarana anio, ny fiofanana omena ny mpitandron'ny filaminana sy ireo mpandraharahan'ny fonja karakarain'ny ENAM Androhibe sy ny Ministeran'ny Fitsaràna, izay eo ambany fanohanan'ny vondrona SADC...
♦ Manaraka akaiky ny fivoaran'ny toe-draharaha eto Madagasikara ireo mpiara-miombona antoka iraisam-pirenena. Zava-dehibe, hoy izy ireo, ny fanajana ny Lalam-panorenana sy ny tetiandrom-pifidianana... ♦ Nanao jery todika ny asa vitany nandritra ny folo taona ny fandaharan'asa FORMAPROD eto Analamanga. Nakatona androany ny sehatr'asa ho an'ny eto Analamanga... ♦ Manofana ireo mpitandro ny filaminana sy ireo mpandraharahan'ny fonja, ny Sekolim-pirenena ho an'ny fitantanan-draharaham-panjakana eto Madagasikara, na ny ENAM eny Androhibe sy ny Minisiteran'ny Fitsarana...
Ny 20 aogositra 2023 no nanononan'i Frera Razafimandimby Michel Fabrice ny voady mandrakizay maha Salezianina azy. Ny lehibem-pikambanana eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy, i Mompera Bizimana Innocent no nitarika ny lamesa tao amin'ny Paroasy Masindahy Joany Bosco Ankofafa Fianarantsoa.
♦ Milaza ho manana depiote maro an'isa efa nitsipaka ny Governemanta ireo solombavambahoaka manentana ny fandaharana "Angaredona" izay mandeha amina haino aman-jery maromaro eto Antananarivo nanomboka ny maraina teo... ♦ Miverina indray ny fanotofana tany amin'ny toerana maro eto Antananarivo amin'izao, na teo aza ilay didim-panjakàna mampiato izany. Namerina nampahatsiahy ny tompon'andraikitra fa hogiazana ireo fitaovana tratra manao izany manomboka izao... ♦ Olona miisa 5 no maty vokatry ny filentehan'ny lakana nitondra olona miisa 12, tany Betania-Morondava omaly, vokatry ny haavon'ny onjan-dranomasina. Mbola nampitandrina momba ny alondrano amin'ny morontsiraka ny Météo...
♦ Fiaraha-monim-pirenena 41 indray no nanao fanambaràna miaraka omaly, fa tsy manaraka ny Lalam-panorenana ny fanapahan'ny HCC, izay nanome fahefana ny Governemanta ifarimbonana hitantana ny firenena... ♦ Kandidà roa amin'ireo 13 isa ihany no nandefa solontena nihaona tamin'ireo mpikamban'ny CENI teny Alarobia, omaly, momba ny fiomanana mankany amin'ny fifidianana. Tsy miteraka olana amin'ny fomba fiasa izany hoy ny teo anivon'ny CENI... ♦ Tsy mbola niverina ny fampianarana eny amin'ny Anjerimanontolo Ankatso omaly, izay fotoana voatondro hiverenan'izany, araka ny fanapahan-kevitry ny filan-kevitra siantifika. Nihemotra amin'ny herinandro indray izany, raha ny hita teny an-toerana...
♦ Natomboka androany ny fihaonana voalohany teo amin'ireo solontenan'ireo kandidà ho Filoham-pirenena, miaraka amin'ireo Mpikambana Maharitra eo anivon'ny CENI. Tsy nisy afa-tsy solontena roa no namaly ny antso... ♦ Namoaka fanambarana indray ny firahahamonim-pirenena Rohy, ary nilaza fa tsy maintsy miverina amin'ny fanapahan-keviny, mametraka ny Filohan'ny Antenimieran-doholona ho Filohan'ny Repoblika ny HCC... ♦ Mbola tsy niverina, amin'ny ankapobeny, ny fampianarana teny amin'ny Oniversiten'Antananarivo, raha ny fanadihadiana natao teny Ankatso androany...
♦ Tontosa omaly ny fametrahana araka ny fomban'ny Eglizy an'i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, ho Evekan'Antsirabe... ♦ Ny famelan-keloka no rivotra mamelona, manadio ny rivotra voaloton'ny fankahalana, hoy ny Papa François, tamin'ny fampianarany nandritra ny vavaka Angelus omaly... ♦ Tsy amin'ny fampiasan-kery na amin'ny fampiasana fitaovam-piadiana no hanorenana ny ho avy, fa amin'ny alalan'ny halemem-panahy, hoy ny Papa François, nandritra ny fihaonany, tao Roma, tamin'ireo vondron'olona mpino avy any Corée Atsimo, ny 16 septambra 2023...
23 septambra 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahefatra amby roapolo Mandavantaona — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 8, 4-15)
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’i Timôte (1 Tim. 6, 13-16)
Ry malala,
izao no ananarako anao eo anatrehan’Andriamanitra,
mpamelona ny zavatra rehetra, sy i Kristy Jesoa,
izay vavolombelona nanao ilay fanekena fatratra faha-Pôntsy-Pilaty:
tahirizo tsy hanam-pentina na hisy tsiny ny didy,
hatramin’ny fisehoan’i Jesoa Kristy Tompontsika
izay hasehon’Andriamanitra amin’ny fotoany,
dia ilay Andriamanitra sambatra,
Mpandidy tokana, Mpanjakan’ny mpanjaka, Tompon’ny tompo.
Izy irery no manana ny tsy fahafatesana,
mipetraka ao amin’ny fahazavana tsy hay hatonina,
tsy misy olombelona nahita Azy na mety hahita Azy,
ary Azy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 99, 2. 3. 4. 5
Hobio Izy Tompo, ry tany tontolo,
ka fo falifaly anompoana ny Tompo.
Tongava eo aminy mihira, miravo.
Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra:
fa Azy isika satria noarìny,
sy tena vahoakany, ondry fiandriny.
Ireo vavahadiny idiro amin-tsaotra,
ny ao an-kianjany idiro amin-dera:
derao Izy Tompo; ny Anarany isaory.
Miaiky isika fa tsara ny Tompo!
fa mandrakizay ny fitiavany antsika,
amin’ny taona rehetra ny fahamarinany.
Aleloia. Aleloia.
Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 8, 4-15)
Tamin’izany andro izany,
nisy vahoaka betsaka tafavory avy amin’ny tanàna maro hanatona an’i Jesoa,
dia nanao fanoharana Izy hoe:
“Nivoaka ny mpamafy hamafy ny voany;
ary nony namafy izy,
ny sasany latsaka tany amoron-dalana ka sady voahitsakitsaka
no notsindrohin’ny voro-manidina;
ny sasany latsaka tamin’ny vato ka nalaky nitsimoka,
nefa nalazo satria tsy nisy mando;
ny sasany latsaka tamin’ny tsilo ka niara-naniry tamin’ny tsilo,
dia voagejany;
ary ny sasany latsaka tamin’ny tany tsara ka naniry,
dia namoa injato heny.”
Rahefa nilaza izany Izy dia niantso hoe:
“Aoka hihaino izay manan-tsofina hihainoana.”
Nanontanian’ny mpianany Azy izay hevitr’izany fanoharana izany,
ka izao no navaliny azy:
“Ianareo no nomena ny hahalala ny zava-miafina amin’ny fanjakan’Andriamanitra,
fa ny hafa kosa dia fanoharana no atao aminy,
mba hijery izy fa tsy hahita,
ary handre fa tsy hahafantatra.
Ka izao àry no hevitr’izany fanoharana izany:
Ny voa dia ny tenin’Andriamanitra.
Ireo teny an-dalam-be no izay nandre,
fa avy ny demony ka nanesotra ny teny ao am-pony,
sao mino izy ka ho voavonjy.
Ireo latsaka tamin’ny vato no izay nandre sady nandray ny teny an-kafaliana,
nefa tsy latsa-paka izy ka tsy maharitra amin’ny finoana,
fa miala nony mby amin’ny andron’ny fakam-panahy.
Ireo latsaka tamin’ny tsilo no izay nandre,
fa nony mandeha izy dia poritin’ny fiahiana sy ny harena
ary ny fahafinaretan’izao fiainana izao, ka tsy mahavanom-boa.
Fa ireo latsaka amin’ny tany tsara kosa
no izay mihaino ny teny amin’ny fo marina sy tsara,
ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
22 septambra 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahefatra amby roapolo Mandavantaona — Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 8, 1-3)
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’i Timôte (1 Tim 6, 2d-12)
Ry malala,
fantatrao izay tokony hampianarina sy hatorotoro tsara ny olona.
Raha misy mampianatra zavatra hafa noho izany,
ka tsy manaiky ny teny marin’i Jesoa Kristy Tompontsika,
sy ny fampianarana mampanaja an’Andriamanitra,
dia olona mpieboebo foana izany,
sy tsy mahalala na inona na inona,
fa adalan’ady hevitra aman’ady teny,
izay miteraka fialonana, fifandirana, fanaratsiana,
fiahiahian-dratsy, fifanoherana tsy misy farany,
fanaon’ny olona efa ratsy saina sy nialan’ny fahamarinana,
ka manao ny fivavahana ho filan-karena.
Eny, harem-be tokoa ny fahazotoa-mivavaka omban’ny fianìnana;
satria tsy nitondra na inona na inona isika
no niditra tamin’izao tontolo izao,
ka iaraha-mahita fa tsy hahatondra na inona na inona koa no hiala eto:
koa rahefa manan-ko hanina sy hitafiana,
dia aoka hianina amin’izany.
Fa izay te-hanan-karena,
dia tafalatsaka amin’ny fakam-panahy
sy ny fandrika amam-pilàna maro tsy misy heviny sy mampidi-doza,
izay mandentika ny olona amin’ny fandringanana amam-pahaverezana.
Satria ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra,
ka ny sasany nentin’izany, dia efa nivily lavitry ny finoana,
sy nandefona ny tenany tamin’ny fijaliana maro.
Koa aoka àry ianao, ry olon’Andriamanitra,
handositra izany zavatra izany,
fa hikatsaka fahamarinana, fahazotoa-mivavaka,
finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy.
Miadia ny ady tsaran’ny finoana,
ary mahazoa ny fiainana mandrakizay, izay niantsoana anao,
sy nanaovanao fanekem-pinoana fatratra teo imason’ny vavolombelona maro.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 48, 6-7. 8-10. 17-18. 19-20
Nahoana aho moa no hatahotra loza
hihevitra hoe tsy ho tafarina intsony?
Ireo fahavaloko mirehareha,
fa manana ka manontany ny ory.
Fa angaha misy olona maha-avo-tena,
na hoe afa-mahaloa tamby amin’ny Tompo?
Satria lafo loatra tokoa ny avotr’aina,
tsy voavidim-bola na oviana na oviana.
Raha misy misondrotra manan-daza.
Angaha ny hareny manaraka azy?
Raha maty izy
hankaiza ny fahamboniany?
Endrey izany lazany teo aloha
nohasohasoiny any an-tampon-doha.
Izao tafaray amin’ny Razany izy,
tsy hahita mazava mandrakizay.
Aleloia. Aleloia.
Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 8, 1-3)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa lasa nitety ny tanàna sy ny vohitra,
nampianatra sy nitory ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra.
Nanaraka Azy ny roa ambin’ny folo lahy sy ny vehivavy sasany
nositraniny tamin’ny fanahy ratsy sy ny aretina,
dia i Maria atao hoe Madelenina izay nivoahana demony fito,
i Joàna vadin’i Kozà mpitandrina ny fananan’i Herôda,
ary i Sozàna mbamin’ny maro hafa koa
izay nanampy Azy tamin’ny fananany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
21 septambra 2023 — Masindahy Matio, Apôstôly Evanjelista — Fankalazana — Midera Anao izahay, ry Andriamanitra, ary manaiky fa Ianao no Tompo. Ny antokon’ny Apôstôly be voninahitra dia midera Anao, Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 9-13)
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco