Ny hoe "mivoaka itany" dia dingam-piainana ny zaza, fanombohan'ny fahavelomana sy ny fiainana eo anivon'ny fiaraha-monina sy ny tontolo iainana. Ny fitondrana vohoka tamin'ny malagasy dia 10 volana araka ny fanisàna andro malagasy. Herinandro eo ho eo ny fifanana ao anaty "komby" ary eo amin'ny havalon'andro no hirisoana amin'ny "mivoaka itany". Ny fomba hatao mandritra ny "mivoaka itany" dia haingoina ny olon-dehibe velon-dray aman-dreny hitrotro ilay zaza izay hotronon'ny zatovo lahy na vavy mitondra fitaovana samihafa. Raha lahy ilay zaza hoentina hivoaka itany dia zatovo lahy mitondra famaky sy tady mahazaka ary mizana no manaraka aoriana, raha vavy kosa dia zatovo vavy mitondra saronkarona no manotrona azy...

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’i Timôte (1 Tim. 4, 12-16)

Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao: hahavonjy ny tenanao sy izay mihaino anao ianao.

Ry malala,
aoka tsy hisy olona hanamavo anao noho ny fahatanoranao,
fa aoka ho fakan-tahaka ho an’ny mpino ianao,
amin’ny teny, amin’ny fitondran-tena, amin’ny fitiavana,
amin’ny finoana, ary amin’ny fahadiovana.
Mandra-piaviko,
milozoha amin’ny famakiam-boky sy fananarana ary fampianarana.
Aza atao tan-tsirambina ny fanomezam-pahasoavana ao anatinao,
izay nomena anao tamin’ny faminaniana maro
mbamin’ny fametrahan-tanan’ireo Pretra tafangona.
Diniho izany zavatra izany,
ary araiketo amin’izany ny tenanao manontolo,
mba hiharihary amin’ny olona ny fandrosoanao.
Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao
ary mahareta tsara amin’izany,
fa raha manao izany ianao,
dia hahavonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 110, 7-8. 9. 10

Lehibe ny asan’ny Tompo.

He marina sady mahitsy ny Tompo.
Ka ny lalany azo itokisana.
Marim-pototra tsy mba mikoro
ka maharitra mandrakizay.

Nandray famonjena ny olom-boafidy.
Fanekem-baovao no iorenany,
ka mijoro ho mandrakizay.
Eny masina ny Anarany.

Ny tahotra santatry ny fahendrena,
izay manoa ny Tompo ho velona.
Ka ho feno ny fahalalana.
Tsisy fetra ny lazan’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 7, 36-50)

Voavela ny heloka betsaka vitany satria be fitiavana izy.

Tamin’izany andro izany,
nisy Farisianina nanasa an’i Jesoa hiara-mihinana aminy,
ka niditra tao an-tranon’ilay Farisianina Izy,
dia nipetraka nihinana.
Ary indro nisy vehivavy ratsy fitondran-tena tao an-tanàna
nahalala fa nihinana tao an-tranon’ilay Farisianina i Jesoa
ka dia nivimbina tavoara alabastra feno diloilo manitra,
dia nijanona teo ivohony tanilan’ny tongony sady nitomany
ka kotsan’ny ranomasony ny tongony,
fa nofaohiny tamin’ny volon-dohany sy norohany,
ary nohosorany diloilo manitra.

Nony nahita izany ilay Farisianina nanasa Azy,
dia nanao anakampo hoe:

“Raha mpaminany Izy
dia ho nahalala ny toetran’itý vehivavy mikasika Azy,
fa hoe mpanota io.”

Ary i Jesoa niteny taminy nanao hoe:

“Ry Simôna,
misy zavatra holazaiko aminao.”

Dia hoy izy:

“Lazao, ry Mpampianatra.”

Ary hoy i Jesoa:

“Nisy olona roa lahy nananan’ny mpampanjana-bola anankiray trosa,
ny iray nananany denie dimanjato, ary ny iray dimampolo.
Noho izy ireo samy tsy nanan-kaloa,
dia nafoiny ny trosa tamin’izy roa lahy.
Koa iza amin’ireo no ho tia azy kokoa?”

Dia hoy i Simôna namaly Azy:

“Ataoko fa ilay namoizany bebe kokoa.”

Ary hoy Izy taminy:

“Marina ny anao.”

Dia nitodika an-dravehivavy izy ka nanao hoe:

“Hitanao va io vehivavy io?
Niditra teto an-tranonao Aho,
fa ianao tsy nanome rano hanasako tongotra,
izy kosa nanondraka ny tongotro tamin’ny ranomasony
sy namaoka azy tamin’ny volon-dohany.
Ianao tsy nanoroka Ahy,
izy kosa tsy nitsahatra nanoroka ny tongotro hatrizay nidirako.
Ianao tsy nanosotra diloilo ny lohako,
izy kosa nanosotra diloilo manitra ny tongotro.
Noho izany dia lazaiko aminao
fa voavela ny heloka be nataony satria be fitiavana izy;
fa izay amelana kely no kely fitiavana.”

Dia hoy Izy tamin-dravehivavy:

“Voavela ny helokao.”

Ary izay niara-nihinana taminy nanao anakampo hoe:

“Iza moa itý
no mamela na dia ny heloka aza?”

Fa hoy Izy tamin-dravehivavy:

“Ny finoanao no nahavonjy anao,
mandehana amim-piadanana.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

20 septambra 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahefatra amby roapolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 7, 31-35)

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’i Timôte (1 Tim. 3, 14-16)

Lehibe tokoa ny mistery fototry ny fivavahana.

Ry malala, manoratra izany aminao aho,
na dia manantena hankatý aminao faingana aza,
satria amin’izay, raha tahiny tratra ela aho,
dia misy hahafantaranao izay fitondran-tena tsy maintsy ataonao
ao amin’ny ankohonan’Andriamanitra,
dia ny Eglizin’Andriamanitra velona,
izay andry sy fiorenan’ny marina.
Ary tsy azo lavina,
fa lehibe tokoa ny mistery fototry ny fivavahana,
dia ilay naseho teo amin’ny nofo,
nohamarinina tao amin’ny Fanahy,
niseho tamin’ny anjely,
notorìna tamin’ny Jentily,
ninoana tamin’izao tontolo izao,
ary nakarina tamim-boninahitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 110, 1-2. 3-4. 5-6

Lehibe ny asan’ny Tompo.

Izaho midera ny Tompo amin’ny foko tontolo
am-pivorian’ny olo-marina sy am-Piangonam-be!
Lehibe ny asan’ny Tompo,
mampisaina izay rehetra tia Azy.

Voninahitra sy fiamboniana no vitan’ny Tompo
maharitra mandrakizay ny fahamarinany.
Nahefa zava-mahagaga tsy very tadidy Izy.
Mangoraka sy antra ny Tompo.

Manome hanina ny matahotra Azy Izy,
fa mahatsiaro ny fanekeny mandrakizay.
Naneho asa mahery tamin’ny vahoakany Izy,
fa nanome azy ny lovan’ireo firenena.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 7, 31-35)

Nitsoka sodina izahay, fa tsy nandihy ianareo; nanao hira mampalahelo izahay, nefa tsy nitomany ianareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:

“Hohariko amin’iza re ny olona amin’itý taranaka itý,
ary tahaka an’iza izy?
Tahaka ny ankizy mipetraka eny an-kianja izy, izay mifampilaza hoe:

‘Nitsoka sodina izahay, fa tsy nandihy ianareo;
nanao hira mampalahelo izahay, nefa tsy nitomany ianareo.’

Fa tonga i Joany Batista tsy nihinana mofo na nisotro divay,
lazainareo hoe:

‘Azon’ny demony izy.’

Tonga indray ny Zanak’Olona mihinana sy misotro,
ataonareo hoe:

‘Lehilahy tendan-kanina sy mpisotro io,
sady sakaizan’ny poblikanina sy ny olon-dratsy fiaina.’

Fa ny Fahendrena efa nohamarinin’ny zanany rehetra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Hihazo ny Diôsezin'Antsirabe anio zoma Mgr Jean Pascal Andriantsoavina. voatendry ho Evekan'Antsirabe izy ary tontosa ny 5 septambra teo ny Sorona Masina fitsofan-drano azy... ♦ Tsy anjaran'ny HCC ny manadihady ny fahamarinan'ny zom-pirenena malagasy ananan'ny filoha teo aloha Andry Rajoelina. Ny fahafenoan'ireo antontantaratasy voaray no nankatoavana ny firotsan-ko fidiany, hoy ny filohan'ny HCC, Florent Rakotoarisoa... ♦ Nisedra olana ireo mpanao gazety sasantsasany omaly nandritra ny fandrakofana vaovao teny amin'ny Lapam-panjakàna Mahazoarivo. Efa voasoratra mialoha mantsy ireo mpanao gazety afaka niditra teny an-toerana...

♦ Napetraka tamin'ny fomban'ny Fiangonana omaly ho Eveka vaovaon'ny Diôsezin'Antsirabe, Mgr Jean Pascal Andriantsoavina. Misy ny akon'izany avy any Antsahasoa-Antsirabe... ♦ Notànana vonjimaika ary hiakatra fampanoavana anio eny amin'ny Fitsaràna i Foutsy Tsotsy, anisan'ireo "lanceur d'alerte" eo anivon'ny Tambajotran-tserasera. Efa nampanantsoina noho ny resaka fanehoan-kevitra tao amin'ny Facebook izy ny zoma teo... ♦ Mpiofana kabary miisa 56, eo anivon'ny fikambanan'ny mpikabary katôlika indray no navoaka tamin'ny fomba ôfisialy ny sabotsy teo. Andiany faha-18 ao amin'ny MPIKALO izy ireo, nampisalorana ny anarana andiany Masindahy Paoly...

Ny Fikambanana Masoandro Mody no mandray an-tanana ireo olona mararin'ny "alzheimer", ny volana septambra no nofaritan'ny firenena mikamba hanentanana sy hampahafantarana ny olona mikasika ity aretina ity. Iharan'ny herisetra ny olona tratry ny aretina Alzheimer satria sady iharan'ny herisetra ara-tsaina no mety ho lasibatry ny herisetra ara-batana ihany koa. Tsy ny olona antitra rehetra no tratran'io aretina io, fa izay olona voakasiky ny fahasimban'ny "hippocampe" ihany ; ny "alzheimer " dia miteraka fahaverezan'ny fitadidiana. Mety hampiakatra ny tranga ny : diabeta sy ny tosi-dra, raritsaina...

Ny aretina "alzheimer" dia aretina manafika ny atidoha, izay misy faritra mikoloko ny fitadidianana. Ny volana septambra no nofaritan'ny firenena mikamba hanentanana sy hampahafantarana ny olona mikasika ity aretina ity. Tsy ny olona antitra rehetra no tratran'io aretina io, fa izay olona voakasiky ny fahasimban'ny "hippocampe" ihany ; ny "alzheimer " dia miteraka fahaverezan'ny fitadidiana. Raha misy tranga hafahava dia tsara raha manantona mpitsabo. Mety hampiakatra ny tranga ny : diabeta sy ny tosi-dra, raritsaina...

♦ Mizotra araka ny tokony hoy izy ny fanohizana ireo foto-drafitr'asa efa natomboky ny Fanjakàna, isan'ny fanamboarana ny fitanterana mikorisa amin'ny tariby hoy ny Sekreteram-panjakàna misahana ny tanàna vaovao. Mitohy ny asa mandra-pahatongan'ny governemanta vaovao... ♦ Mitsipaka ny tsy fanarahan-dalàna amin'ny endriny samihafa ny komitin'ny Fanavotam-pirenena. Tokony esorina any amin'ny biraom-panjakàna samihafa ny sarin'ny filoham-pirenena teo aloha hoy izy ireo nandritra ny fanambarana nataony teny Andraharo... ♦ Nahazo fampitandremana amin'ny fitokonana ataony ny mpitarika ny SECES Sampana Antananarivo. Tsy misy ambadika pôlitika nefa ny fitakiana atao hoy Dokotera Sammy Gregoire...

♦ Naneho ny heviny manoloana ny tsikera momba ny toe-draharaham-pirenena amin'izao fotoana izao ny Praiministra Ntsay Christian. Avelao ny Malagasy hisafidy malalaka ny filoha hitondra azy hoy izy tety Ivato... ♦ Mitondra ny anjara birikiny amin'ny fanampiana ny tantsaha ny Fanjakàna hoy ny Ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana nandritra ny fanokafana ny Foara an'Analamanga tanterahana eny amin'ny kianjan'i Barea Mahamasina... ♦ Nankalaza ny andro afrikana ho an'ny fitsaboana nentim-paharazana i Madagasikara omaly. Nivoitra nandritra izany fa mbola mampiasa ny fitsaboana nentim-paharazana ny 80% amin'ny afrikana...

♦ Tsy ekena ny hisian'ny tetezamita, ary tsy misy ambonin'ny lalàna, fa tany tan-dalàna i Madagasikara. Avelao ny Malagasy haneho ny safidy malalaka, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian... ♦ Tontosa teny amin'ny Sekoly Ambony manofana ho Pôlisim-pirenena androany, ny famoahana ny andiany Vina, tamin'ireo mpianatra ho pôlisy isaky ny sokajiny... ♦ Ampirisihana ny tanora Mlagasy hirona amin'ny fambolena sy ny fiompiana ary ny asa tanana; isan'ny tanjona hanatanterahana ny Foaran'Analamanga izany...

19 septambra 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahefatra amby roapolo Mandavantaona — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 7, 11-17)

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...