Vakiteny voalohany

Bokin’i Esdrasa (Esdr. 9, 5-9)

Tsy nahafoy anay tao anatin’ny fahandevozana ny Andriamanitray.

Izaho Esdrasa,
efa mby amin’ny fotoan’ny fanatitra hariva vao tafarina tamin’ny fahoriako;
ary amin’ireto akanjoko sy kapaotiko rovitra,
dia rafitra nandohalika sy nanandratra ny tanako aho
nankany amin’ny Tompo Andriamanitro, nanao hoe:

“Andriamanitro ô,
safo-kenatra sy mangaihay loatra aho,
tsy sahy miandrandra mankany aminao Andriamanitro,
fa nitombo nihoatra ny lohanay ny helokay,
ary niakatra nanakatra ny lanitra ny fahotanay.
Hatramin’ny andron’ny razanay ka mandraka androany,
dia efa meloka loza erý izahay;
ary noho ny helokay ihany no nanolorana anay mbamin’ny mpanjakanay sy ny mpisoronay,
ho eo an-tanan’ny mpanjaka hafa,
ho matin-tsabatra, ho babo, horobaina, ary hangaihay tahaka ny amin’izao anio izao.
Nisy andro anefa
nanehoan’ny Tompo Andriamanitray ny famindram-pony taminay,
dia navelany hisy sisa afaka izahay,
ka nomeny fialofana eo amin’ny fitoerany masina,
mba hanazavan’Andriamanitray ny masonay,
sy hamelombelomany kely ny ainay ao anatin’ny fahandevozanay.
Fa andevo izahay,
nefa tsy nahafoy anay tao anatin’ny fahandevozanay ny Andriamanitray.
Nitarika ireo mpanjakan’i Persa hanisy soa anay Izy,
hamelombelona ny ainay,
mba hanaovanay ny tranon’Andriamanitray, sy hamboaranay ny rava eo,
dia hanomezany anay fonenana voafefy amin’i Jodà sy i Jerosalema.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo: Tôb. 13, 2. 4. 6. 7. 8

Lehibe Ianao, ry Tompo, ao amin’ny mandrakizay.

Isaorana ilay Andriamanitra velona mandrakizay,
Ilay mandrakizay ny fanjakany!
Fa mikapoka Izy ka mamindra fo,
mampidina an-tSeoly ka mampiakatra!
Ary tsy misy olona izay afaka amin’ny tanany!

Aharihario ny halehibiazany!
Asandrato eo anoloan’ny miaina rehetra Izy!
Fa Izy no Tompo sy Andriamanitsika,
Raintsika amin’ny taona rehetra.

Raha miverina aminy amin’ny fo tontolo ianareo,
sy manao ny marina eo anoloany amin’ny fanahy tontolo,
dia hiverina aminareo koa Izy,
sy tsy hanafin-tava aminareo intsony.

Jereo ny nataony anareo:
ka mankalazà Azy amin’ny vava tontolo!
Isaory ny Tompon’ny fahamarinana!
Hirao ny Mpanjaka mandrakizay!

Izaho mankalaza Azy atý an-tany namaboana ahy,
maneho ny hery sy halehibiazany amin’itý firenena mpanota:
“Miverena, ry mpanota, manaova ny marina eo anoloany:
sao mba ho sitrany ianareo ka hamindrany fo!”

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raiso ny tenin’Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin’olombelona anefa, fa araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 1-6)

Nirahiny izy ireo hitory ny fanjakan’ny lanitra sy hanasitrana ny marary.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa namory ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy
ka nanome azy hery sy fahefana handroaka ny demony rehetra
sy hanasitrana ny aretina.
Ary naniraka azy hitory ny fanjakan’Andriamanitra
sy hanasitrana ny marary.
Dia hoy Izy taminy:

“Aza mitondra na inona na inona any amin’izay halehanareo any,
na tehina, na kitapo, na mofo, na vola, ary aza mitondra akanjo roa.
Ary na aiza na aiza trano hidiranareo,
dia itoero mandra-pialanareo amin’izany tanàna izany.
Ary raha misy mandà tsy handray anareo,
dia mialà amin’izany tanàna izany,
ka na ny vovoka amin’ny tongotrareo aza dia ahintsano
ho fiampangana azy ireo.”

Dia nandeha nitety vohitra ny mpianatra,
ka nitory ny Evanjely sy nanasitrana hatraiza hatraiza.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

26 septambra 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 8, 19-21)

Vakiteny voalohany

Bokin’i Esdrasa (Esdr. 6, 7-8. 12b. 14-20)

Noravahan’izy ireo ny tranon’ny Tompo, dia nataony ny Paka.

Tamin’izany andro izany,
nanoratra tamin’ireo mpitondra faritany terý am-pitan-drano
i Dariosa mpanjaka nanao hoe:

“Avelao hotohizana ny asa amin’ny tranon’Andriamanitra;
aoka ny governoran’ny Jody sy ny loholon’ny Jody
hanorina izany tranon’Andriamanitra izany indray amin’izay fitoerany teo.
Ary izao no didy omeko anareo ny amin’izay tokony hataonareo amin’ireo loholon’ny Jody,
hanorenana indray ny tranon’Andriamanitra io:
ny haren’ny Mpanjaka, ny hetra aloan’ny any an-dafin’ny ony,
no handoavana izay lany marina amin’ireo olona ireo, mba tsy hiatoato izy.
Didy nomeko izaho Dariosa itý;
ka tsy maintsy toavina an-tsakany sy an-davany.”

Ka dia rafitra nanao ny trano ireo loholon’i Israely,
ka nandroso tsara ny asa,
noho ny faminanian’i Akjea mpaminany,
sy i Zakaria zanak’i Adao.
Nanao izy dia nahavita araka ny didin’Andriamanitr’i Israely sy araka ny didin’i Sirosa,
i Dariosa, i Artakserksesa mpanjakan’i Persa.
Tamin’ny andro fahatelon’ny volana Adara,
taona fahenina nanjakan’i Dariosa mpanjaka, no nahavitan’ny trano.
Ary ny zanak’i Israely, ny mpisorona, ny Levita,
ary ny olona sisa tamin’ny zanaky ny fahababoana,
dia samy nitokana ny Tranon’Andriamanitra tamin-kafaliana.
Izao no naterin’ny olona hitokanana io tranon’Andriamanitra io:
ombalahy zato, ondralahy roan-jato, zanak’ondry efa-jato
ary osilahy roa ambin’ny folo, araka ny isan’ny fokon’i Israely,
ho sorona noho ny ota, ho an’i Israely rehetra.
Dia notendreny ny mpisorona, araka ny antokony avy,
sy ny Levita araka ny fizarany avy,
hanao ny fanompoana an’ilay Andriamanitra izay ao Jerosalema,
araka ny voasoratra ao amin’ny Bokin’i Môizy.
Tamin’ny andro fahefatra ambin’ny folon’ny volana voalohany,
dia nanao ny Paka ny zanaky ny fahababoana.
Fa efa samy nanamasina ny tenany ny mpisorona sy ny Levita tsy an-kanavaka,
ka samy efa madio avokoa.
Dia namono ny Paka izy ireo, ho an’ny zanaky ny fahababoana rehetra,
sy ho an’ny rahalahiny mpisorona, ary ho an’ny tenany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 121, 1-2. 3-4a. 4b-5

Faly aho nilazana hoe: andao ho any an-tranon’ny Tompo.

Faly aho nilazana hoe:
andao ho any an-tranon’ny Tompo;
ny tongotray indro mijadona
eto am-bavahadinao, ry Jerosalema.

Ry jerosalema ilay voaorina
ho tanàna tsara rafitra,
hiakaran’ireo foko,
dia ny fokon’ny Tompo.

Fa didy, ry Israely,
ny midera ny Anaran’ny Tompo;
ao no mijoro ny fiketraham-pitsarana,
ny fiketrahan’ny tranon’i Davida.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 8, 19-21)

Ny reniko sy ny havako dia ireo izay mihaino ny tenin’Andriamanitra sy manatanteraka azy.

Tamin’izany andro izany,
tonga hankao amin’i Jesoa ny reniny sy ny rahalahiny,
fa tsy afa-nihaona taminy noho ny habetsahan’ny vahoaka,
ka nisy nilaza taminy hoe:

“Ao alatrano ny reninao sy ny rahalahinao te-hihaona aminao.”

Dia novaliany hoe:

“Ny reniko sy ny rahalahiko,
dia izay mihaino sy mankatò ny tenin’Andriamanitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Mbola hanohy ny fihaonana samihafa efa nantombony ny vondron'ireo kandidà ho filoham-pirenena amin'ity herinandro ity. Andrasana aorian'izay ny fanambaràna mety ho ataon'izy ireo... ♦ Fotoana efa tokony imasoan'ny rehetra amin'ny fifidianana izao hoy ny mpanao pôlitika Andry Vorisoa. Izy izay mivondrona ao amin'ny vovonana manohana ny kandidà laharana fahatelo... ♦ Tratehaka ary miandry ny fotoam-pitsarana azy eny Tsiafahy ny rain-dahiny amin'ny fanaovana hosoka eny amin'ny Fitsaràna. Mampitandrin hatrany ireo manan-draharaha ny lehiben'ny firaiketan-draharaham-pitsaràna eo anivon'ny Fitsaràna ambaratonga voalohany eny amin'ny Fitsaràna Anosy Herinatrehana Iham Ellah...

♦ Nampahafantatra ny voka-pikarohana nataony ny foibe fikarohana ho an'ny Fampandrosoana ao amin'ny Université Catholique eto Madagasikara eny Ambatoroka. Fikarohana momba ny fanabeazana sy ny fahasalamana... ♦ Niharan'ny herisetra na fanoitohinana ara-nofo avokoa ny 75% amin'ny vehivavy mpanao gazety nanaovan'ny ONG Sifaka fanadihadiana... ♦ Mijery ny fomba rehetra tsy hampiakatra ny vidim-bary sy mba hahampy ny varin'ny vahoaka ny Ministeran'ny Varotra sy ny Fanjifàna... ♦ Mitohy ny fikatsaham-bahaolana ara-diplômasia amin'ny fanonganam-panjakàna nitranga tany Niger. Manohy ny fanelanelanana ataony ny amerikana momba ity raharaha ity...

♦ Miantso fitoniana manoloana ny fiatrehan'ny firenena fifidianana ny Ministry ny fiarovam-pirenena. Samy tokony hitandro ny soa iombonana ny rehetra hoy ny jeneraly Rakotoarijaonina Josoa... ♦ Nampahafantarina omaly tetsy amin'ny CCI Ivato ny Vovonana manohana ny kandidà Andry Rajoelina na ny UPAR. Hanao izay hampandaniana io kandidà io amin'ny fihodinana voalohany izy ireo... ♦ Azo atao tsara ny manodina ho lafarinina ny vokatra maro ankohatra ny varimbazaha. Miantso ny Malagasy hampiasa izany ny ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana miaraka amin'ny ONN... ♦ Notafihan'ny miaramila Ukrenien tamin'ny alalan'ny misila ny toby fibaikoana an'ny tafika an-dranomasina Rosianina tao Sebastopol...

♦ Kihon-dàlana lehibe atrehan'ny firenena sy ny vahoaka Malagasy ny fanatanterahana fifidianana, ka samy manana andraikitra amin'ny fitandroana ny fahalemana ny rehetra, hoy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena... ♦ Hampandany ny kandidà fahatelo, Andry Rajoelina, ny vovonana UPAR, izay vao nijoro sy nampahafantarina androany... ♦ Solontenan'i Madagasikara manatrika ny fihaonana an-tampony ho fampandrosoana ny indostria aty Afrika, atao any New York, ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny...

♦ Nosokafana androany ary haharitra 3 andro ao Mahajanga ny fihaonan’ny fikambanana masina hivondronan’ny tokantrano kristianina avy amin’ny Arsidiôsezy Avaratra… ♦ Nifantoka tamin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly ao amin’ny kolontsaina sy ny fampanaraham-bolontany ny Evanjely ny votoatin’ny katesizin’ny Papa François ny alarobia 20 septambra 2023… ♦ Nanomboka androany ny fitsidihana apôstôlika faha-44 ataon’ny Ray Masina any Marseille…

25 septambra 2023 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 8, 16-18)

Vakiteny voalohany

Bokin’i Esdrasa (Esdr. 1, 1-6)

Aoka hiakatra any Jerosalema ny olona rehetra, na iza na iza, hanorina ny tranon’ny Tompo.

Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Sirosa mpanjakan’i Persa,
dia namporisihin’ny Tompo ny fanahin’i Sirosa mpanjakan’i Persa,
mba hahatanteraka ny tenin’ny Tompo
nolazainy tamin’ny vavan’i Jeremia:
ka nasainy natao kabary sy nolazaina an-tsoratra,
hiely eran’ny fanjakany izao teny izao:

“Izao no lazain’i Sirosa mpanjakan’i Persa:
Efa nomen’ny Tompo Andriamanitry ny lanitra ahy
ny fanjakana rehetra eto an-tany,
ary efa nandidy ahy Izy,
hanao trano ho Azy any Jerosalema, any Jodà.
Ka iza aminareo no vahoakany?
Homba azy anie ny Andriamanitr’izy ireo,
ary aoka hiakatra any Jerosalema any Jodà izy,
ka hanao ny tranon’ny Tompo Andriamanitr’i Israely,
dia ilay Andriamanitra izay ao Jerosalema.
Aoka ny olona rehetra sisan’i Jodà ao amin’ny fonenana itoerany,
na iza na iza, dia hoampian’ny olona ao amin’io fonenana io,
amin’ny volafotsy, volamena, fanaka, biby fiompy,
mbamin’ny fanomezana an-tsitra-po
hanaovana ny tranon’Andriamanitra any Jerosalema.”

Dia nitsangana ny loham-pianakavian’i Jodà sy i Benjamina,
ny mpisorona sy ny levita,
dia izay rehetra namporisihin’Andriamanitra ny fanahiny,
ka lasa nandeha hanao ny tranon’ny Tompo any Jerosalema.
Samy nanampy azy ireo avokoa ny olona nifanakaiky taminy,
tamin’ny fanaka, volafotsy, volamena, fanaka hafa, biby fiompy
ary zavatra saro-bidy,
mbamin’ny fanomezana an-tsitrapo rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 125, 1-2ab. 2de-3. 4-5. 6

Lalina tokoa ny nataon’ny Tompo taminay.

Raha nampody ny babo nankao Siôna Izy Tompo,
mova tsy ohatra ny olona lasa nofy izahay!
Tolatolaky ny hehy aoka izany erý tamin’izay.
Tsy niato ny hira sy kalo teo am-bavanay.

Takoritsika re izao nataon’ny firenena:
“Fa mba lalina indray itý nataon’ny Tompo azy ireo!
Eny, lalina ho’aho itý nataon’ny Tompo aminay!
Ka dia faly tokoa, haravoana moa raha ny anay.”

Ampodio, ry Tompo, ny namanay mbola babo.
Ho toa rano mahery mamaky efitra ireny!
Raha mamafy no sendra tomany sy ranomaso,
mbola hijinja ao anatin’ny hafaliana aoriana.

Raha mandroso no sendra ka velon-tsento tomany,
ireo mpamboly mivoaka mandeha mamafy ny voa!
Mbola hiverina avy any ireo velon-kira,
fa milanja ny vokatra lasa mody any an-trano.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 8, 16-18)

Tsy misy olona mampirehitra jiro ka manarona azy, na mametraka azy ao ambany farafara, fa eo ambony fanaovan-jiro no apetrany mba hahitan’izay miditra ny mazava.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:

“Tsy misy olona mampirehitra jiro ka manarona azy,
na mametraka azy ao ambany farafara;
fa ao ambony fanaovan-jiro no apetrany,
mba hahitan’izay miditra ny mazava.
Fa tsy misy takona izay tsy haseho,
na miafina izay tsy ho fantatra sy haharihary.
Koa tandremo àry ny fihainonareo,
fa izay manana no homena,
ary izay tsy manana no halaina aminy hatramin’izay heveriny ho ananany aza.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

24 septambra 2023 — Alahady Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — Taona A — Mitenena, Tompo, fa mihaino ny mpanomponao, Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 20, 1-16a)

♦ Mitohy amin'ny fiarahamonim-pirenena indray ny fivoriana mikaton-trano, ataon'ireo ho kandidà ho Filoham-pirenena... ♦ Manamafy ny tokony hikatsahana ny fitoniana eto amin'ny firenena, ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Ramilison Harifidy... ♦ Isan'ny laharam-pahamehana ho an'ny Tonia Mpampanoa Lalàna eo anivon'ny fitsarana ara-bola, ny famoahana didy raikitra amin'ny teny malagasy...

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...