10 aogositra — Teraka tao Huesca tao Espagne ny taona 210 i Laurent. Orence no anaran-drainy ary i Patience no reniny, mba hafahany mandalina sy mampitombo ny fahalalany momba ny fombam-pivavahana dia nalefa nandranto fianarana tany Saragosse izy ary tany no nahafantarany an’i Sixte II talohan’ny naha papa azy.

09 aogositra — Teraka tao Breslau tao Allemagne ny 12 oktobra 1891 i Masimbavy Thérèse Bénédicte de la Croix. Edith Stein moa no tena anarany ary jody ny ray aman-dreniny.

08 aogositra — Dominique de Guzman dia teraka tao Caleruega diosezin’i Osma tao Espagne tamin’ny taona 1170. Tao amin’ny sekoly Palancia izy no nandranto ny fianarana ny teôlôjia sy ny filôzôfia, ny taona 1196 izy niaraka tamin’ny dadatoany ary nikatroka tao amin’ny katedraly tao Osma ka niara-niaina tao izy ireo.

07 aogositra — Teraka tao Vicence ny 1480 i Gaëtan. Compte tao Thiène ny rainy ary Gaspard no anarany, Maria Porto kosa no anaran’ny reniny. Tia vavaka tokoa io reniny io ka raha mbola tany ambohoka i Gaëtan dia efa natolony eo ambany fiahian’i Masina Maria.

06 aogositra — Ankalazaina amin’izao ny fiovan’ny Tompo tarehy tao an-tendrombohitra. Ity fiovan’ny Tompo tarehy ity moa izany dia fiovana hita maso amin’ny vatan’i Jesoa nandritra ny fiainany teto an-tany.

05 aogositra — Teraka tany Ecosse i Masindahy Abel, mpitoka-monina bénédictin izy io, na dia teo aza ny toe-panahy tsara nananan’i Abel dia maro ireo nihetraketraka sy nanararoatra izany.

04 aogositra — I Masindahy Jean-Marie Vianney dia teraka tao Dardilly akaikin’i Lyon, tamin’ny 08 mey 1786. Jean-Marie Baptiste Vianney moa no tena anarany ary fantatsika amin’ny hoe Curé d’Ars izy, noho izy nitondra ny fiangonana nandritra ny 41 taona tao Ars-en-Dombes, lasa Ars-sur-Formans ankehitriny.

03 aogositra — Niaina tany amin’ny taonjato voalohany i Lydie avy any Grèce, Asie izy ary nitoetra tao Phillipie. Tao amin’ny seranana atao hoe Égée no nivaro-damba sy nivaro-jaky, ary teo no nifankahitany tamin’i Masindahy Paoly sy i Masindahy Lioka ary i Silasy araka ny voalazan’ny Asan’ny Apôstôly 16, 14-15.

02 aogositra — Teraka tao Paris ny 12 aogositra 1858 i Auguste, Polonais ny rainy, Władysław no anarany, printsy izy io, ary ny reniny kosa Espagnole, Maria Amparo no anarany, zanaky ny mpanjakavavin’i Espagne Maria Christina.

01 aogositra — Teraka ny 27 septambra 1696 tao Naples i Alphonse. Marie Antoine Jean Côme Damien Michel Gaspard de Liguori no tena anarany. Manamboninahitra tantsambo ny rainy, ary taranaka espagnol ny reniny.

31 jolay — Teraka tao Loyola tao Espagne ny taona 1491 i Masindahy Ignace. Niasa tao amin’ny lapan’i Ferdinand V izy, avy eo dia nirotsaka ho tafika mpitaingin-tsoavaly. Tsy dia noraharahiny loatra izany hoe fiainana maha kristianina izany fa dia ny fieboeboana sy ny rendrarendra no tena nitarika azy teo amin’ny fiainany.

30 jolay — Teraka tao Corneli tamin’ny taona 405 i Pierre. Fanta-daza ny fianakaviany. Mbola kely izy dia efa liana tamin’ny fivavahana ary nanampy an’i Cornelius, evaka tao amin’io tanana io, ary io moa no nanamasina azy ho diakra tao Imola.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...