Fotona nifampirariantsoa sy nifampiarahabana noho ny nahatrarana ny taona vaovao 2020 teo amin'i Papa François sy ireo masoivoho vahiny miasa ao Vatican, ny alakamisy 9 janoary.

Tsaroana amin'izao 10 janoary izao i Masindahy Guillaume de Bourges. Teraka tamin'ny taona 1110 avy amin'ny fianakavian'ny Comte tao Nevers i Guillaume. Bodouin de Corbeil sy Estachie de Chatillon no ray aman-dreniny. Olona tia vavaka sy nifototra tamin'ny fianarana ary tia mandini-tena ihany koa i Guillaume.

Namerina indray ny fanentanana ny rehetra handalina ka hahatsapa ny maha zava-dehibe ny Sakramentan'ny Batemy i Papa François.

Naneho ny firaisampony amin'ny vahoaka aostraliana manoloana ireo fahavoazana goavana ateraky ny doro tanety sy ny doro ala any Australie ny Papa François, tao anatin'ny Audience Générale tamin'ny alarobia 8 janoary teo.

Maro ireo olomasina mitondra ny anarana hoe Julien fa ny tsarovana ny 09 janoary dia i Masindahy Julien d'Antioche, vadin'i Masimbavy Basilisse. Izy ireo dia antsoina hoe mpivady virjiny, relijiozy martiry. Na dia maty tamim-pitiavam-bavaka aza i Basilisse dia nantsoina tamin'ireo anarana mitovy ireo izy roa.

(08-01-2020) Midika zava-dehibe eo amin'ny fiainan'ny Malagasy ny lokon'ny sainam-pirenena, ny fotsy, ny mena ary ny maintso.

Nampahafantarin'ny sampana miandraikitra ny litorjia ao Vatican, omaly 7 janoary, ny fandaharam-potoanan'i Papa François hatramin'ny volana febroary.

I Masindahy Lucien de Beauvais no ankalazaina ny 08 janoary. Nipoitra avy amina fianakaviana romanina i Lucien. Lucius mitovy amin'ny anaran-drainy no fiantso azy fa novany ho Lucien io tamin'ny fotoana nihainoany ny fampianaran'i Masindahy Pierre. Nitety an'i Italie izy nitory ny Vaovao Mahafaly.

I Masindahy Raymond de Penyafort no ankalazaina ny 07 janoary. Teraka tokony ho tamin'ny 1175 tao amin'ny lapam-pianakaviana tao Vilafranca de Penedès akaikin'i Barcelone i Raymond. Fianakavian'ny mpanjaka tao Aragon sy ny Comte tao Bercelone izy.

Mankalaza ny fetin'ny Noely ny fiangonana tatsinanana amin'ity anio ity. Niarahaba sy nirarisoa ho an'ireo mpino rehetra manaraka izany tetiandro izany i Papa François, omaly.

Ny 06 janoary no ankalazaina ny fisehoan'i Jesoa Zanak'Andriamanitra eo amin'izao tontolo izao, Ilay Mesia, Teny tonga nofo eo amin'izao tontolo izao novangian'ireo Majy antsoina koa hoe Epifania. Marihana fa noho ity daty ity andro fiasana no mahatonga ny firenena sasany hankalaza azy ny alahady faharoa aorian'ny Noely.

I Masindahy Édouard no tsaroana isaky ny 05 janoary. Teraka teo anelanelan'ny taona 1002 sy 1004 i Édouard. Ny taona 1003, rehefa nanafika an'i Angleterre ny Danois dia nentin'i Emma reniny nandositra i Édouard sy i Alfred rahalahiny, nialokaloka tany amin'i Richard II tao Normandie. Ny taona 1041 dia niverina tany Angleterre izy.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...