♦ Andalam-piforonana ho rivodoza ilay tangoron-drahona faharoa tany atsinanan'ny fari-dranomasina Indiana. Tombanana hitombo hery sy hanohy ny diany hanakaiky ny morontsiraka avatra atsinanana izy ato anatin'ny roa andro manaraka... ♦ Tsy afa-bela amin'ireo hambana avy any ivelany isika, dia ireo ady sy olana samihafa eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena, ary mila miomana hatrany ihany koa amin'ireo hambana anaty, toy ny fiovaovan'ny toetrandro, hoy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, androany...

Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 11, 1-2. 8-19)

Manantena ilay tanàna mafy orina manana an’Andriamanitra ho tompo-marika sy ho mpanao azy izy.

Ry kristianina havana,
ny finoana no santatry ny zavatra antenaina,
sy porofon’ny zavatra tsy hita.
Nanam-pinoana ny Ntaolo ka izany no nahatsara laza azy.
Ny finoana no naneken’i Abrahama ny fiantsoan’Andriamanitra azy,
handeha ho any amin’ny tany izay horaisiny ho lova,
ka niainga izy nefa tsy fantany akory izay alehany.
Ny finoana no nitoerany tany amin’ny tany nampanantenaina
toy ny any an-tany fivahiniana, tranolay no nitoerany;
toy izany koa i Isaaka sy i Jakôba
izay mpandova izany tany nampanantenaina izany koa;
fa nanantena ilay tanàna mafy orina
manana an’Andriamanitra ho tompo-marika sy ho mpanao izy.
Ny finoana koa no nahazoan’i Sarà hery hanana anaka,
na dia efa antitra tsy tokony hiteraka intsony aza izy,
satria nino izy fa mahatoky Ilay nampanantena.
Koa dia taranaka maro toy ny kintana eny an-danitra,
sy tsy hita isa hoatra ny fasika eny amoron-dranomasina
no avy amin’ny olona anankiray izay efa toy ny maty.
Ireo rehetra ireo dia maty tamin’ny finoana,
nefa tsy mbola nahazo ny nampanantenaina,
fa nahatazana azy lavitra fotsiny,
dia niarahaba azy tamin-karavoana sy fiekena hoe:
vahiny sy mpivahiny izy no ety an-tany.
Manambara mazava izay milaza izany
fa mitady tanindrazana honenany izy.
Ary raha ny tany nialany no heverina amin’izany
dia ho azony atao ny miverina any indray;
fa tany tsara lavitra no iriny, dia ny lanitra izany.
Ka noho Andriamanitra efa namboatra tanàna ho azy,
dia tsy menatra Izy hantsoina hoe: Andriamanitr’izy ireo.
Ny finoana no nanoloran’i Abrahama an’i Isaaka ho sorona,
raha nozahan-toetra izy.
Dia izy izay nandray ny teny fampanantenana,
sy nilazana hoe:
Avy amin’i Isaaka no hiavian’ny taranakao;
eny, natolony io zanany lahitokana io;
satria ninoany fa na dia maty aza izy
dia hain’Andriamanitra atsangana,
ka dia noraisiny indray ny zanany,
ary tandindon-javatra izany.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Lioka (Lk. 1, 69-70. 71-72. 73-75)

Hisaorana anie ny Tompo Andriamanitr’i Israely noho Izy namangy ny vahoakany.

Fa Izy nanolotra antsika herim-pamonjena
avy amin’ny fianakaviana iray,
dia ny an’i Davida mpanompo tiany,
fa izany tokoa no efa nolazainy.
Fa teniny nentin’ny mpaminany
dia ireo olo-masina fahagola.

Ny vonjiny hanala amin’ny fahavalo,
hanafaka antsika amin’ny mpankahala.
Noho Izy nandala ny razantsika
dia indro tsaroany ny fanekeny.

Fa teny nomeny an’i Abrahama
ny hanafaka antsika amin’ny fahavalo.
Amin’izay isika afa-manompo Azy
tsy anatin’ny tahotra sy ahiahy,
fa entin’ny fo tia sy mahatoky
ho eo anatrehany lalandava.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao;
ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 4, 35-40)

Iza ity no manaiky Azy ny rivotra sy ny ranomosina?

Tamin’izany andro izany, hariva ny andro,
ary i Jesoa niteny tamin’ny mpianany hoe:

“Andeha isika hita ho eny an-dafin-drano.”

Dia nilaozan’izy ireo teo ny olona
ka nentiny tamin’izao tao an-tsambo kely i Jesoa,
ary nisy sambo kely maromaro koa niaraka taminy.
Ary nisy tafio-drivotra mahery
nampisavoana ny onjan-drano hatrany anaty sambo kely,
ka efa nihafeno rano izy.
Fa i Jesoa kosa natory teo amin’ny sisin’ny sambo kely tambonin’ny ondana,
ka nofohazin’izy ireo Izy nilazany hoe:

“Ry Mpampianatra ô,
tsy mampaninona Anao va raha maty izahay?”

Dia nifoha Izy ka niteny mafy ny rivotra,
ary nilaza tamin’ny ranomasina hoe:

“Mangina, mitonia.”

Dia nitsahatra ny rivotra,
ary nitony dia nitony ny andro.
Ary hoy Izy tamin’izy ireo:

“Nahoana no saro-tahotra ianareo?
Tsy mbola manam-pinoana ihany va ianareo?”

Ary natahotra dia natahotra izy ireo
ka nifampilaza hoe:

“Iza moa io, fa ny rivotra sy ny ranomasina avy
no manaiky Azy?”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 10, 32-39)

Niaritra ady mafy ianareo. Aza miala amin’ny fahasahianareo.

Ry kristianina havana, tsarovy ny andro fahiny,
niaretanareo ady mafy tamim-pijaliana,
nony efa nohazavaina ianareo;
fa mbetika nalam-baraka sy nampahoriana ianareo
sady naseho ho fizahan’ny olona;
mbetika kosa niaraka ory tamin’izay nampijaliana toy izany.
Fa sady nangoraka izay nifatotra ianareo
no nanaiky an-kafaliana ny fandrobana ny fanananareo,
satria fantatrareo fa manam-pananana tsara lavitra
sy maharitra mandrakizay ianareo.
Koa aza miala amin’ny fahasahianareo,
fa misy valiny lehibe izany.
Ilainareo tokoa ny faharetana,
mba hahazoanareo izay nampanantenaina anareo,
rahefa nanao ny sitra-pon’Andriamanitra ianareo.
Raha afaka kelikely foana, dia ho tonga Ilay ho avy,
fa tsy hiatoato Izy.
Ary ny oloko marina ho velona amin’ny finoana,
fa izay mihataka kosa tsy mba ankasitrahan’ny foko.
Raha isika, dia tsy mba anisan’izay mihataka ho very isika,
fa naman’ireo mino mba hamonjy ny fanahy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 36, 3-4. 5-6. 23-24. 39-40)

Ny famonjena ny olo-marina dia avy amin’ny Tompo.

Miantehera amin’ny Tompo; manaova ny tsara;
monena amin’ny tany; miraota amin-toky.
Eny, ny Tompo no iravoy:
dia homeny anao izay irin’ny fonao.

Ankino amin’ny Tompo ny lalanao;
miantehera aminy: fa Izy no hanao ny fanananao ny rariny ho mazava atsinanana;
ny fahamarinanao ho mitatao vovonana.

Eo anoloan’ny Tompo no amindran’ny olombelona:
izay amin’ny lalana tiany no ankahereziny.
Ka raha solafaka, tsy midaraboka,
fa tantazan’ny tanan’ny Tompo.

Ny famonjena ny olo-marina dia avy amin’ny Tompo:
fa Izy no mandany amin’ny andro fahoriana.
Ny Tompo mitahy sy manafaka azy,
manafaka azy amin’ny ratsy fanahy.
Eny, Izy no mamonjy azy noho izy ireo mifefy aminy.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao Aho, ry Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany,
fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 4, 26-34)

Mamafy voa ny mpamafy ary matory; ny voa mitsimoka sy mitombo nefa tsy fantany izay faniriny.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:

“Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy anankiray
mamafy voa amin’ny tany,
ka izy matory sy mahatsiaro isan’alina sy isan’andro,
ary ny voa mitsimoka sy mitombo,
nefa tsy fantany izay faniriny;
fa mahavokatra ho azy ny tany,
ka tahony no voalohany, dia salohiny no manarakaraka,
vao ventim-bary amin’ny salohiny no farany.
Ary rahefa vokatra dia jinjaina miaraka amin’izay,
satria tonga ny taom-pijinjana.”

Ary hoy indray Izy:

“Amin’inona no hanoharantsika ny fanjakan’Andriamanitra,
ary fanoharana inona no hanehoantsika azy?
Tahaka ny voantsinapy izy,
izay kely indrindra amin’ny voa rehetra ambonin’ny tany raha vao afafy,
fa tonga lehibe indrindra amin’ny anana rehetra kosa
rahefa voafafy sy mitombo,
ary mandrantsana vaventy
ka azon’ny voro-manidina ialofana ny alokalony.”

Dia fanoharana maro toy izany no nitoriany teny taminy,
araka izay takatry ny sain’izy ireo.
Ary tsy niteny taminy afa-tsy tamin’ny fanoharana Izy,
fa nony mangingina vao nanambara tamin’ny mpianany
ny hevitr’ireo rehetra ireo.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 10, 19-25)

Aoka isika hitoetra tsy azo hozongozonina amin’ny fanarahana ny fanantenantsika, fa mahatoky Ilay nanao ny fampanantenana.

Ry kristianina havana,
noho ny Ran’i Jesoa, izay nahafaka malalaka antsika
hiditra amin’ny fitoerana masina,
mihazo ny lalam-baovao sy velona nosantarany
ho antsika mamaky ny efitra lamba,
izany hoe ny Nofony,
sy noho isika manana Mpisorombe mitandrina ny tranon’Andriamanitra,
dia aoka isika hanatona amin’ny fo mahitsy sy amim-pinoana feno,
ary amin’ny fo voafafa
ho afaka amin’ny fieritreretana mipentina ota,
sy amin’ny vatana voasasa tamin’ny rano madio.
Aoka isika hitoetra tsy azo hozongozonina
amin’ny fanarahana ny fanantenantsika,
fa mahatoky Ilay nanao ny fampanantenana.
Ary aoka hifandinika isika mba hampandroso
ny fitiavana sy ny asa soa.
Aza manary ny fiangonantsika, toy ny fanaon’ny sasany;
fa mifamporisiha tsara,
indrindra izao hitanareo fa efa antomotra ny Andro.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 23, 1-2. 3-4ab. 5-6)

Izany no taranaka mikatsaka ny Tavanao, ry Tompo.

Ny tany, ny hareny: Azy Tompo avokoa,
dia izao rehetra izao ary izay monina ao.
Naoriny ambonin’ny rano izy ireny,
napetrany tsara eo ambonin’ny ony.

Koa zovy no hiakatra hihaona amin’ny Tompo;
hanorim-ponenana an-toerany masina?
Ny olon-tsy meloka, ny olo-mahitsy,
sy izay tsy mianiana tsy tò amin’ny hafa.

Dia izy no hany hotsofina rano;
ny Tompo Mpamonjy hanome rariny azy.
Fa izy no dimbin’ireo izay nizaha
ny Endrik’ilay Andriamanitra Tompo!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao,
ary fanazavana ny lalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 4, 21-25)

Entina hapetraka eo ambony fanaovan-jiro ny jiro ary araka izay famarana hamaranareo ihany no hamarana ho anareo koa.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:

“Moa entina hapetraka ao ambanin’ny vata famarana
na ambanin’ny farafara va ny jiro?
Moa tsy hapetraka amin’ny fanaovan-jiro va izy?
Fa tsy misy takona izay tsy haseho,
na miafina izay tsy haposaka.
Izay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino.”

Dia hoy indray Izy:

“Diniho izay renareo.
Araka izay famarana hamaranareo ihany
no hamarana ho anareo,
ary homena mihoatra aza ianareo.
Fa izay manana dia homena,
ary izay tsy manana kosa,
na dia izay ananany aza dia hoesorina aminy.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 10, 11-18)

Nandavorary mandrakizay ireo nohamasininy Izy.

Ny mpisorona rehetra dia mijoro isan’andro hanao ny raharahany,
sy manolotra matetika ireny sorona tsy nahafa-pahotana akory ireny;
fa i Jesoa Kristy kosa,
indray mandeha monja no nanolotra sorona noho ny ota,
dia mipetraka mandrakizay eo ankavanan’Andriamanitra;
ka hatramin’izao Izy,
dia miandry ny hanaovana ny fahavalony ho fitoeran-tongony rahatrizay.
Fanatitra iray monja
dia ampy handavorariany mandrakizay izay nohamasininy.
Ary asehon’ny Fanahy Masina amintsika koa izany;
fa rahefa voalazany hoe:

“Fanekena toy izao no hataoko
amin’ny fianakavian’i Israely
rahefa afaka izany andro izany”,

dia hoy indray ny Tompo:

“Halatsako ao an-tsainy ny lalàko,
ary hosoratako ao am-pony ka havelako ny hadisoany,
ary tsy ho tsaroako ny fahotany”;

ka rahefa voavela ny fahotana,
dia tsy ilaina intsony ny sorona noho ny ota.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 109, 1. 2. 3. 4)

Ianao mpisorona mandrakizay araka ny fanaon’i Melkisedeka.

Tenin’ny Tompo amin’ny Tompoko:
Mipetraha ankavanako,
mandra-panaoko ny fahavalonao
ho fitoeran-tongotrao!

Ny tehinao mahery ahinjitry ny Tompo.
Avy ao Siôna, manjakà hatr’anivom-pahavalo

Fa Anao ny fiandrianana
hatramin’ny andro nahaterahanao.
Fa Izaho niteraka Anao teo am-Bohitra Masina;
toy ny mazava atsinanana miteraka ny ando.

Hoy ny fianianan’ny Tompo
ka tsy hanenenany:
Ianao Mpisorona mandrakizay
araka ny fanaon’i Melkisedeka.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy,
ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 4, 1-20)

Niainga hamafy ny mpamafy.

Tamin’izany andro izany i Jesoa
nampianatra teo amoron-dranomasina
ka nisy vahoaka be nitangorona teo aminy,
Izy moa niakatra nipetraka teo an-tsambo kely
teo ambonin’ny ranomasina,
ny vahoaka rehetra kosa teny amoron-dranomasina.
Ary nampianatra azy zavatra maro tamin’ny fanoharana Izy
ka nilaza tamin’ny fampianarany hoe:

“Mihainoa: Indro niainga hamafy ny mpamafy,
ka nony namafy izy,
ny sasany latsaka teny amoron-dalana dia tonga ny voro-manidina ka nitsindroka azy.
Ny sasany latsaka tamin’ny tany be vato sy marivo nofo,
ka nitsimoka vetivety satria tsy nisy tany lalina,
fa nony niposaka ny masoandro,
sady nasian’ny hainandro izy no tsy latsapaka ka maina.
Ny sasany latsaka tany anaty tsilo,
ary nitombo ny tsilo ka nangeja azy, dia tsy namoa izy.
Ary ny sasany latsaka tamin’ny tany tsara,
dia naniry sy nitombo, ary namoa,
ka ny sasany avo telopolo heny,
ny sasany avo enim-polo heny,
ny sasany avo zato heny.”

Ary hoy Izy:

“Izay manan-tsofina hihainoana, aoka hihaino.”

Nony efa nitokana Izy,
dia nanontany Azy ny amin’ny fanoharana ireo momba Azy
mbamin’ny roa ambin’ny folo lahy.
Ary hoy Izy taminy:

“Ianareo no nomena hahalala ny zava-miafina
amin’ny fanjakan’Andriamanitra,
fa amindry zareo any ivelany kosa ny zavatra rehetra
dia natao amin’ny fanoharana
mba hahita maso izy fa tsy hahalala,
ary handre sofina fa tsy hahafantatra,
fandrao hibebaka izy ka havela ny helony.”

Dia hoy Izy:

“Tsy azonareo va izany fanoharana izany?
Koa hataonareo ahoana àry no fahalala ny fanoharana rehetra?
Ny mpamafy dia mamafy ny teny.
Ireto eo amoron-dalana dia ny olona izay amafazana ny teny;
fa raha vao nahare izy,
dia tonga i Satana ka manesotra ny teny voafafy tao am-pony.
Toy izany koa, ireo mandray ny voa amin’ny tany be vato
no izay vao mandre ny teny, dia mandray azy an-kafaliana;
nefa tsy miorim-paka ao anatiny izy,
ka tsy maharitra ela;
fa nony tonga ny fahoriana sy ny fanenjehana noho ny teny,
dia tafintohina miaraka amin’izay izy.
Ireto mandray ny voa ao anatin’ny tsilo
no izay mihaino ny teny fa ny fiahiana izao fiainana izao
sy ny fitaky ny harena mbamin’ny fanirian-javatra hafa,
dia miditra mamono ny teny, ka tonga tsy mamoa izy.
Ary ireo mandray ny voa amin’ny tany lonaka
no izay sady mihaino ny teny no mandray azy ka mamoa,
ny sasany avo telopolo heny, ny sasany enim-polo heny,
ary ny sasany zato heny.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Mety hivoatra "tempête tropicale" manomboka rahampitso ilay tangoron-drahona ao amin'ny Ranomasimbe Indiana. Hikorontana ny toetr'andro any avaratra, avaratra-atsinanana, ary afovoany atsinanana, hoy ny Météo androany... ♦ Fotoana tokony hanovàna Governemanta izao vanim-potoana mialoha fifidianana izao, hoy ny mpamakafaka pôlitika, Moussa Soalihy. Nambarany fa tsy teknisiana intsony no tena ilaina ho hita taratra ao anatin'ny Governemanta fa ireo mpanao pôlitika manohana ny filoha... ♦ Tsy misy ahiana ny famatsiana PPN, na eo aza ny fitokonan'ireo mpamily amin'ny RN2, hoy ny eo anivon'ny MICC. Niaiky ny Ministera anefa, fa mety hisy fiantraikany amin'ny vidin'entana, raha ho lavareny ny fitokonana...

Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 10, 1-10)

Inty aho tonga, hanao ny sitraponao Andriamanitra ô!

Ry kristianina havana,
ny Lalàna moa dia tsy misy afa-tsy aloky ny soa ho avy,
fa tsy ny tena endri-javatra,
ka ireny sorona tsy niova sy fanatitra isan-taona ireny
dia tsy nahalavorariany izay olona nanatona velively akory.
Raha tsy izany, tsy ho nitsahatra nanatitra va ny olona?
satria efa voadio indray mandeha ny mpanatitra,
dia tsy ho nahare intsony hoe nanota izy tamin’ny fieritreretany.
Nefa isan-taona dia nahatsiaro ny fahotany ihany ny olona
tamin’ireny sorona ireny,
satria aiza izay ran-janak’omby sy ran’osilahy
no hahafaka ny fahotana?
Noho izany indrindra,
nony niditra tamin’izao tontolo izao i Kristy
dia nanao hoe:

“Tsy nilainao ny sorona sy ny fanatitra,
fa namboatra vatana ho Ahy Ianao;
tsy sitrakao ny sorona dorana sy ny sorona noho ny ota,
ka hoy Aho hoe: Intý aho tonga
— fa Izaho no voalaza ao amin’ny horonam-boky —
hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô!”

Voalohany aloha lazainy hoe:

Samy tsy nilainao sy tsy sitrakao
na ny fanatitra na ny sorona dorana,
na ny sorona noho ny ota,

— dia zavatra natolotra araka ny Lalàna avokoa ireny; —
manaraka izany tohiziny hoe:

Inty Aho tonga hanao ny sitraponao;

ka manafoana ny voalohany Izy amin’izany
mba hanorenany ny faharoa,
ary ny herin’izany sitrapo izany
no nanamasina antsika,
tamin’ny nanoloran’i Jesoa Kristy ny Vatany
indray mandeha monja.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 39, 2 sy 4ab. 7-8a. 10. 11)

Inty aho, Tompo, tonga hanao ny sitra-ponao.

Niandry aho ka niandry ny Tompo:
ka niondrehany, nohenoiny talaho,
ny vavako nasiany hira vao:
fiderana ny Andriamanitsika!

Tsy sitrakao ny sorona sy ny fanatitra,
nosokafanao manko ny sofiko.
Tsia, tsy misy ilainao izay sorona dorana sy fanonerana:
ka hoy aho hoe: Inty aho tamy!

Torìko ao am-Piangonam-be
ny fahamarinanao.
Fantatrao, ry Tompo:
tsy akomboko ny molotro.

Tsy afeniko ato anatiko ny fahamarinanao;
ambarako ny toetra mahatoky sy famonjenao;
tsy takonako amin’ny Fiangonam-be
ny hatsaram-po sy fahamarinanao! 

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy,
ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 31-35)

Izay manao ny sitra-pon’Andriamanitra no rahalahiko, anabaviko ary reniko.

Tamin’izany andro izany,
tonga ny renin’i Jesoa sy ny rahalahiny,
nijanona teo alatrano, ka naniraka nampiantso Azy.
Fa nisy olona maro nanodidina Azy,
dia nilazana Izy natao hoe:

“Indreo ao alatrano ny reninao sy ny rahalahinao,
mitady Anao.”

Fa novaliany hoe:

“Iza moa no reniko sy rahalahiko?”

Dia nijery izay nipetraka nanodidina Azy Izy
ka nanao hoe:

“Ireo no reniko sy rahalahiko;
fa na iza na iza manao ny sitrapon’Andriamanitra,
dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Ndeha isika hifanentana momba ny ady amin'ny kolikoly sy ny fanovana toe-tsaina. Manahirana ny mihevitra ny hoe : ny fanomezana homena ny mpampianatra avy amin'ny mpianatra ve endrika fanabeazana sa endrika kolikoly. Maro ireo ray aman-dreny no manome fanomezana, izay hampitondrainy ny zanany ho an'ny Mpampianatra ; misy manome vola anaty valopy misy manome zavatra mivaingana ho mariky ny fiarahabana noho ny taona vaovao. Misy manome amin'ny saina madio sy fitiavana, fahalalam-pomba. Maro ireo manome satria mitsinjo ny fianaran'ny zanany amin'ny lafiny fifandraisana : mba ho voakarakara kokoa manoloana ny hafa, izay mety ho tandindon'ny kolikoly... Fandaharana "ampela miary".

Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 9, 15. 24-28)

Nanolotra ny Tenany indray mandeha monja Izy mba hanala ny ota ary mba hiseho fanindroany ho an’ireo miandry Azy.

Ry kristianina havana,
i Kristy no Mpanalalana amin’ny fanekena vaovao,
mba hahazoan’izay voaantso
ny lova mandrakizay nampanantenaina azy,
rahefa nisy fahafatesana hanalana ny fahotana
natao tamin’ny fanekena taloha.
Fa tsy mba fitoerana masina nataon-tanana
sy tandindon’ny tena izy fotsiny no nidiran’i Kristy,
fa tany an-danitra mihitsy,
mba hiseho eo anatrehan’Andriamanitra
ho antsika ankehitriny.
Ary tsy mba toy ny mpisorombe niditra isan-taona
tao amin’ny fitoerana masina
sy nitondra ran-javatra hafa Izy,
ka hoe hanolo-tena matetika;
raha izany dia ho nijaly matetika Izy
hatrizay nanaovana izao tontolo izao;
fa indray mandeha monja Izy no niseho
tamin’izao andro farany izao,
mba hamongotra ny fahotana
tamin’ny nanolorany ny tenany ho sorona.
Ary toy ny nandraiketana ny olona ho faty indray mandeha
sy hotsaraina rahefa afaka izany
no nanoloran’i Kristy ny Tenany indray mandeha koa
mba hanala ny fahotan’ny maro,
sy mbola hisehoany tsy amin’ota fanindroany
mba hamonjy izay miandry Azy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 97, 1. 2-3ab. 3de-4. 5-6)

Ihirao hira vao ny Tompo fa nahavita zava-mahagaga.

Ihirao hira vao ny Tompo:
fa nahavita zava-mahagaga!
Namonjy Azy ny tanany havanana,
nanampy Azy ny sandriny masina.

Ny Tompo manambara ny famonjeny,
sy naneho ny fahamarinany tamin’ireo firenena!
Tsarovy, ry tranon’i Israely,
ny hatsaram-po sy fahamarinany!

Zahao, ry vazan-tany rehetra,
ny famonjen’ny Andriamanitray!
Mihobia ny Tompo, ry tany tontolo!
Mientàna, mihobia sy miantsà!

Miantsà ny Tompo amim-baliha,
amim-baliha sy hira fiantsana,
amin’antsiva sy feon’anjomara!
Mihobia anoloan’ny Tompo Mpanjaka!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao,
ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 22-30)

Ho rava ny herin’i Satana.

Tamin’izany andro izany, ny mpanora-dalàna
izay nidina avy tany Jerosalema kosa nanao hoe:

“Efa azon’i Belzeboba Izy,
ary ny filohan’ny demony no androahany ny demony.”

Nantsoin’i Jesoa izy ireo
ka nanaovany fanoharana hoe:

“Hataon’i Satana ahoana no fandroaka an’i Satana?
Raha misy fanjakana miady an-trano,
dia tsy haharitra izany fanjakana izany;
ary raha misy fianakaviana miady an-trano,
dia tsy haharitra izany fianakaviana izany:
koa raha mitsangan-kanohitra ny tenany àry i Satàna,
ka miady an-trano,
dia tsy maharitra izy fa rava ny heriny.
Tsy misy olona afa-miditra ao an-tranon’ny olo-mahery
sy mandroba ny entany,
raha tsy afatony aloha ilay mahery,
vao robainy ny ao an-tranony.
Lazaiko marina aminareo
fa hahazo famelan-keloka ihany ny zanak’olombelona
amin’ny fahotany rehetra, sy ny fitenenan-dratsy rehetra
izay itenenany ratsy an’Andriamanitra;
fa izay hiteny ratsy ny Fanahy Masina
no tsy hahazo famelan-keloka na oviana na oviana,
fa manam-pahotana mandrakizay.
Satria hoy izy ireo hoe:
manana fanahy maloto Izy.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 13, 15-17. 20-21)

Andriamanitry ny fiadanana izay nanatsoaka tamin’ny fahafatesana an’ilay Mpiandry ondry lehibe no hanomana anareo amin’ny asa soa rehetra.

Ry kristianina havana,
aoka isika hanolotra fanati-piderana ho an’Andriamanitra
amin’ny alalan’i Jesoa mandrakariva;
izany hoe, ny vokatry ny molotra mankalaza Azy.
Ary aza manadino ny fanaovan-tsoa sy ny fiantrana,
fa ny fanatitra toy ireny no ankasitrahan’Andriamanitra.
Maneke ny lehibenareo, ary ankatoavy ny teniny,
fa miambina ny fanahinareo toy ny olona mbola hampamoahina izy ireo,
mba ho an-kafaliana no hanaovany an’izany, fa tsy ho amin’alahelo,
fa tsy mahasoa anareo izany.
Ary enga anie ka ny Andriamanitry ny fiadanana,
izay nanatsoaka tamin’ny fahafatesana an’ilay Mpiandry ondry lehibe
noho ny ran’ny fanekena mandrakizay, dia i Jesoa Tompontsika,
no hanomana anareo amin’ny asa soa rehetra,
mba hanatanterahanareo ny sitra-pony,
amin’ny fanaovanareo ao anatinareo izay tsara eo imasony,
amin’ny alalan’i Jesoa Kristy:
ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amen.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 22, 1-3a. 3b-4. 5. 6)

Ny Tompo miandry ahy, tsy orin’inona aho.

Ny Tompo miandry ahy: tsy orin’inona aho;
izaho ampiraotiny amin’ny vilo-maitso,
entiny amin’ny rano manala sasatra,
velombelominy fanahy.

Tarihiny amin’ny lala-marina noho ny Anarany!
Na mamaky lohasaha maizina aza aho, tsy matahotra izay loza:
satria Ianao miaraka amiko:
ny kibay aman-tehinao mampatoky ahy.

Rosoanao sakafo eo imason’ny rafiko aho:
ka ny loha mitavona ilo, ny kapoaka safomorona!
Eny, hatsaram-po sy hasambarana
no manjohy amin’ny fiainana tontolo.

Ny tranon’ny Tompo no fonenana
taona maro mifandimby.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo. Izaho mahalala azy, ary izy manaraka ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 30-34)

Tahaka ny ondry tsy mana-mpiandry izy ireo.

Tamin’izany andro izany,
niverina teo amin’i Jesoa ny Apôstôly,
dia nilaza taminy ny zavatra rehetra nataony sy nampianariny.
Ary hoy Izy taminy:

“Avia ianareo, ndeha mitokana any amin’ny tany mangingina,
ka mialà sasatra kely”:

fa maro ny olona mifamoivoy ka tsy nisy hihinanany akory.

Dia niara-niondrana an-tsambo kely izy ireo
ka lasa nitokana any amin’ny tany mangingina.
Fa hitan’ny olona ny nandehanany ary maro no nahalala ny halehany,
ka nidodododo nandeha an-tongotra avy amin’ny tanàna rehetra,
sy tonga tany talohany.
Ary nony nivoaka avy tao an-tsambo i Jesoa
dia nahita ireto vahoaka betsaka ka nangoraka azy,
satria tahaka ny ondry tsy mana-mpiandry izy ireo,
dia nampianatra azy zavatra maro Izy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany 8, 23b — 9, 3

Nahita hazavan-dehibe ny vahoaka, tany Galilean’ny Jentily.

Toy ny nanotofan’ny andro taloha
fahafahambaraka ny tany Zabolôna sy ny tany Neftali
no hamenoan’ny andro farany voninahitra,
ny lalan’ny ranomasina, ny tany an-dafin’i Jordany,
ary ny faritanin’ny firenena.
Ny vahoaka nandeha tamin’ny haizim-pito,
nahita mazava lehibe;
ary ireo nonina tamin’ny tany aloky ny fahafatesana,
namirapiratan’ny mazava.
Nampitombo ny vahoakanao ianao,
ary nataonao lehibe ny hafaliana;
ka mifaly eo anatrehanao,
toy ny fifaliana raha fararano izy,
toy ny fihobiana an-kafaliana, raha mizara babo.
Satria ny jioga nanavesatra azy,
ny tsora-kazo nikapohana ny lamosiny,
ny tehin’ny mpitoraka azy, dia samy notapahinao,
toy ny tamin’ny andron’i Madiàna.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 26, 1. 4. 13-14

Ny Tompo no faniloko sy vonjiko.

Ny Tompo faniloko sy vonjiko:
iza no hatahorako?
Ny Tompo no mandan’ny aiko:
zovy no hangovitako?

Fangatahana tsy mahasasatra ahy,
hany ataoko aminao, ô ry Tompo:
ny honina ao an-tranon’ny Tompo
amin’ny andro rehetra iainako.

Matoky aho fa ny hasoan’ny Tompo
ho hitako any amin’ny tanin’ny velona.
Mahandrasa ny Tompo, marisiha;
mahereza fo, mahandrasa ny Tompo!

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty 1, 10-13. 17

Aoka hiray teny daholo ianareo, ka tsy hisy fisarahana ao aminareo.

Ry kristianina havana,
mihanta aminareo
amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika aho,
mba hiray teny daholo ianareo,
ka tsy hisy fisarahana eo aminareo,
fa ho tafakambana tsara amimpiraisan-tsaina
sy hevitra avokoa ianareo.
Reko tamin-dry i Klôe anie ny aminareo e,
fa hoe misy fifandirana ao aminareo;
izany hoe, ny sasany aminareo manao hoe:

“Izaho an’i Paoly”;

ny sasany kosa manao hoe:

“Izaho an’i Apôlô”,

na:

“Izaho an’i Sefasy”.

Voazarazara va i Kristy?
Ary i Paoly va no voafantsika tamin’ny Hazofijaliana ho anareo?
Sa tamin’ny anaran’i Paoly no natao Batemy ianareo?
Tsy ny hanao Batemy no nanirahan’i Kristy ahy,
fa ny hitory ny Evanjely.
Tsy tamin’ny lahateny kanto anefa,
fandrao foanan’izany ny Hazofijalian’i Kristy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesoa
ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin’ny olona.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 4, 12-23

Tonga tao Kafarnaôma Izy mba ho tanteraka ny teny nolazain’i Izaia mpaminany.

Tamin’izany andro izany,
nony ren’i Jesoa fa natao an-tranomaizina i Joany,
dia lasa Izy nankany Galilea;
ka nony niala tao Nazareta dia tonga tao Kafarnaôma,
tanàna amoron-dranomasina
ao amin’ny sisintanin’i Zabolôna sy Neftalî
ka nonina tao,
mba ho tanteraka ny teny nolazain’i Izaia Mpaminany hoe:

Ny tanin’i Zabolôna sy ny tanin’i Neftalî,
ny lalana ao amoron-dranomasina,
any an-dafin’i Jordany, i Galilean’ny Jentily;
ny olona izay nitoetra tao amin’ny maizina
dia nahita fahazavana lehibe,
ary ireo izay nitoetra tao amin’ny tany aloky ny fahafatesana
no niposahan’ny mazava.

Hatramin’izay dia nanomboka nitory teny i Jesoa
ka nanao hoe:

“Mibebaha ianareo,
fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra”.

Ary raha nitsangantsangana
teny amoron’ny ranomasin’i Galilea i Jesoa,
dia nahita olona mirahalahy,
dia i Simôna ilay atao hoe Piera sy Andre rahalahiny,
nanarato tao amin’ny ranomasina,
fa mpanarato izy ireo.
Dia hoy Izy taminy:

“Avia hanaraka Ahy,
fa hataoko mpanarato olona ianareo”.

Dia nandao ny haratony niaraka tamin’izay izy ireo,
ka nanaraka Azy.
Dia mbola nandroso ihany Izy,
ka nahita olona mirahalahy hafa koa,
dia i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahiny
izay teo an-tsambo niaraka tamin’i Zebede rainy,
nanamboatra ny haratony;
ary nantsoiny izy mirahalahy.
Nandao ny haratony sy ny rainy niaraka tamin’izay izy ireo
ka nanaraka Azy.
Ary i Jesoa nitety an’i Galilea manontolo,
nampianatra tao amin’ny sinagôgan’ny olona,
sy nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra
ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin’ny olona.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

 

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesoa
ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin’ny olona.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 4, 12-17

Tonga tao Kafarnaôma Izy mba ho tanteraka ny teny nolazain’i Izaia mpaminany.

Tamin’izany andro izany,
nony ren’i Jesoa fa natao an-tranomaizina i Joany,
dia lasa Izy nankany Galilea;
ka nony niala tao Nazareta dia tonga tao Kafarnaôma,
tanàna amoron-dranomasina
ao amin’ny sisintanin’i Zabolôna sy Neftalî
ka nonina tao,
mba ho tanteraka ny teny nolazain’i Izaia Mpaminany hoe:

Ny tanin’i Zabolôna sy ny tanin’i Neftalî,
ny lalana ao amoron-dranomasina,
any an-dafin’i Jordany, i Galilean’ny Jentily;
ny olona izay nitoetra tao amin’ny maizina
dia nahita fahazavana lehibe,
ary ireo izay nitoetra tao amin’ny tany aloky ny fahafatesana
no niposahan’ny mazava.

Hatramin’izay dia nanomboka nitory teny i Jesoa
ka nanao hoe:

“Mibebaha ianareo,
fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra”.

 

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Manambana ny faritra avaratra sy avaratra atsinanan'ny nosy ireo tangoron-drahona roa ao amin'ny Ranomasimbe Indiana. Mety hikambana ho iray izy ireo rahampitso alarobia ka hamorona andro ratsy hoy ny Météo... ♦ Nitokona tsy niasa omaly ireo mpamily fiarabe mpitatitra entana amin'ny lalam-pirenena faharoa. Milaza ny hampiato ny hetsika izy ire, taorian'ny omaly, ka manome 5 andro ny Fanjakàna hitondrana vahaolana... ♦ Tsy mbola misy mangirana hatramin'izao ireo fitakiana nalefan'ny SSM any amin'ny mpitondra mahefa momba ny zon'ny mpiasa. Handray fanapahan-kevitra izy ireo, raha dia ny 18 febroary izao, hisian'ny hetsika manaraka...

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...