Mpivahiny isika, mila miantoraka amin'Andriamanitra tompon'ny lanitra sy ny tany. Tsy afaka misaraka ny fitiavantsika an'i Marie renin'Andriamanitra sy i Jesoa ilay tena Andriamanitra. Raha milaza fa tia ny zanany isika dia tokony hitia azy Marie Reny koa. Maro ny fanajana sy vavaka azo atao miaraka amin'u Masina Marie ; fa i Jesoa no tetezana mampifandray antsika amin'ny Ray... Katesizy momba ny vavaka miombona amin'i Masina Marie, iarahana amin'i P. Celestin Ravonjiarimalala.
Ny lagaly dia aretina misy mandavan-taona, tao anatin'ny fotoana fohy izay dia mihamaro ny olona marariny. Ny lagaly dia aretin-koditra, ary mifindra, indrindra ho an'ireo manana hoditra marefo. Bibikely atao hoe "sarcopte" ny mitondra ny lagaly, izay miditra amin'ny maso-koditra. Ny fifampikasohana no mampifindra aza haingana, ny fitsaboana azy dia tsy maintsy atao amin'ny iray trano. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" eto amin'ny radio Don Bosco.
Alahady voalohany fiavian’ny tompo – taona D : ho avy i kristy amin’ny farandro ; Asehoy anay, ry Tompo ny famindram-ponao! ary omeo anay ny famonjena avy aminao. Miditra amin'ny fotoanan'ny fiaviana isika izay fotoana mialoha ny fankalazana ny nahaterahan'i Jesoa Kristy, izany hoe afaka herinandro efatra. Mampalahelo fa ny fiverenan'i Jesoa kristy dia ampifandraisintsika amin'ny loza hitranga amin'ny fiafaran'izao tontolo izao, ny voalazan'ny Evanjely anefa nambara mba hankahery antsika sy hampifoha. Jesoa ilay ho avy no fahazavana lehibe, anefa tsy maintsy mivonona isika, amim-bavaka sy amim-pinoana...
Ny vavaka dia loharanon'ny fahamasinana sy ny asa fanirahana. ; hoy i Jesoa (Jn 15,5) " raha tsy Izaho dia tsy mahefa inona na inona ianareo". Amin'io toko faha 15 io Joany dia milaza mazava fa i Jesoa no Foto-boaloboka ary ny Rainy no mpamboly. Izy no loharano ipoiran'ny fiainana sy ny fitomboana ara-panahy ; izany no mitory ny fifandraisan'ny Trinite Masina... Katesizy momba ny vavaka sy ny Trinite Masina, iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.
Ny fanaovana Batemy dia iraka lehibe nampanaovin'i Jesoa ny Apôstôly, mampiharihary ny anjara toeran'ny Trinite Masina ao amin'ny finoana Kristianina ; sady manipika mazava tsara ny iraka iraisan'ny Eglizy manontolo, araka ny voalaza hoe " Manaova Batemy azy amin'ny anaran'ny RAY sy ny ZANAKA ary ny FANAHY MASINA. Mazava fa ny Batemy no fidirana voalohany amin'ny fiombonana... Katesizy momba ny vavaka sy ny Trinite Masina, iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.
Anisany mbola vitsy mpahalala ny mahakasika ny fianarana sy ny tontolon'ny asa sôsialy. Tsara ny manamarika fa tsy asa soa ny asa sôsialy fa fanampiana ary ihany koa fikatsahana ny fampivoarana sy hampiroborobo ny fiovana eo amin'ny maha olona sy ny tontolo ara-tsôsialy, ny famahana ny olana mifandraika amin'ny fifandraisan'ny olombelona, ny fahaiza-manao ary koa ny fanafahana ny tsirairay na vondron'olona mba hanatsarana ny fiainany amin'ny ankapobeny.
7 desambra 2024 — Sabotsy, Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo— Manandrata feo eny amin’ny tendrombohitra, ianao izay mitory teny soa; indro fa tonga amin’ny heriny ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 9, 35 — 10, 1 sy 6-8)
6 desambra 2024 — Zoma, Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo— Indro avy ny Tompontsika miaraka amin’ny heriny, ary hohazavainy ny mason’ireo mpanompony — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 9, 27-31)
Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco