♦ Lany filoha hitantana ny Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) ny mpitandrina Andriamampianina Zaka Hary Masy. Tontosa alina tany Taolagnaro ny fifidianana. Izy no handimby ny mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammy... ♦ Miray feo ny firaisamonim-pirenena misehatra amin'ny fifidianana eto Madagasikara fa tokony ampahafantarina amin'izay ny daty hanaovana ny fifidianana Loholona amin'ity taona ity. Mila hajaina ny dingana voarakitry ny lalàna hoy ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena... ♦ Nivoaka androany ny valin'ny fanadinana bakalôrea ho an'ny Faritany Toamasina. Nahatratra 55,36% ny taha-pahafaham-panadinana tamin'ity taona ity...

Masina Maria ilay olombelona toa antsika ihany dia manana finoana, azon'ny olombelona rehetra alain-tahaka. Masina Maria dia môdeli-pinoana, ny fomba niainany dia ny finoana no mialoha ny fahagagana, izay mahatonga io tranga farany io ho tanteraka. Masina Maria dia tsy miandry fahagagana vao hino, ary izany no nampitombo finoana tsikelikely ny Apôstôly... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

• Mitaky ny hamoahana ny datim-pifidianana Loholona, izay tokony hatao amin'ity taona ity ny KMF CNOE... • Fahombiazana no amehezana ny fitaterana an-tariby, tao anatin'izay efatra andro nisokafany izay... • Mbola ambany ny tahan'ny fisoratan'ny mpianatra anarana any an-tsekoly, amin'izao folo andro mahery kely tsy hanombohan'ny taom-pianarana vaovao izao...

♦ Niroso tamin'ny famindram-pitantanana ireo faritra arovana miisa 52 ny teo anivon'ny Ministeran'ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovain-jafy sy ireo mpitantana faritra arovana... ♦ Miisa 1.213 zazavavy sy tovovavy no tonga niatrika ny lasy nasiônalin'ny fikambanan'ny Fanilon'i Madagasikara, nahatonga solontena tamin'izany ny Diôsezy 19 amin'ny 22 manerana ny nosy... ♦ Distrikan'i Ikongo tsy mbola tapitra ny ady amin'ny tazomoka, tsy mbola foana tanteraka izany ary mitohy ny fandraisana an-tanana maimaimpoana ataon'ny fitondram-panjakàna an'ireo marary eny anivon'ny tobi-pitsaboana... 

♦ Hisy ny tombana anatiny hanatsaràna ny zotram-pifidianana eto Madagasikara karakarain'ny CENI Foibe sy ny rantsamangaika eny anivon'ny Distrika, Faritra, ary Faritany, izay atao any Mahajanga... ♦ Manana antontan-taratasy lasitra fiaraha-miasa momba ny zo sy ny fahasalamanaa ara-pananahana ho an'ny vehivavy sy ny tanora i Madagasikara vita sonia omaly ny fiaraha-miasa miaraka amin'ny IPAS momba izany... ♦ Mahatonga ny tsy fahatokisan'ny vahoaka ny mpitondra ny tsy fanomezana vaovao haingana sy mari-pototra amina trangan-javatra iray miseho eto amin'ny firenena hoy ny S.E anivon'ny Transparency International Initiative Madagascar...

I Masina Maria dia mpanalalana (médiatrice), sady mpisolovava (paraclet) miankina tanteraka amin'ny Fanahy Masina sy Jesoa Zanany. Masina Maria dia mpiara-miasa voalohany amin'Andriamanitra amin'ny famonjena ny olombelona. Masina Maria dia renin'Andriamanitra no sady mpikambana voalohany ao amin'ny Eglizy, io no mamaritra fa olombelona tanteraka i Masina Maria na niteraka ny zanak'Andriamanitra aza... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

• Hotanterahana any Mahajanga ny 27 hatramin'ny 29 aogositra ho avy izao ny atrikasa hanaovana tombana anatiny, hanatsarana ny zotram-pifidianana eto Madagasikara. Mikarakara ny CENI Foibe sy ny rantsamangaika eny anivon'ny Distrika, Faritra ary Faritany... • Manana antontan-taratasy lasitra, fiaraha-miasa eo amin'ny Antenimieram-pirenena sy ny fikambanana IPAS Francophone, momba ny zo sy ny fahasalamana ara-pananahana ho an'ny vehivavy sy ny tanora i Madagasikara. Antontan-taratasy nosoniavina androany... • Mety hidangana ny vidim-bary amin'ny fotoanan'ny maitso ahitra, hoy ny Solombavam-bahoaka Fetra Rakotondrasoa. Manaitra ny tompon'andraikitra voakasik'izany izy, handray fepetra...

♦ Mitaraina ho misy mpandrahona ho faty ilay mpanao gazety vahiny Gaella Borgia, iraky ny fahitalavitra TV5-Monde eto Madagasikara. Namoaka fampitam-baovao mifandraika amin'izany koa ny RSF eto Madagasikara... ♦ Manantena fihatsaràn'ny karaman'ny mpiasa mitovy amin'ireo firenena ao anatin'ny SADC ny Sendikà Fisemare amin'izao hitantanantsika ity vondrona ara-toe-karena ity izao... ♦ Efa niverina amin'ny laoniny ny fitanteran'olona amin'ny Teleferika ny maraina teo, raha niato izany. Nisy antony ny fiatoana omaly, hoy ny Sekreteram-panjakàna miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana...

♦ Nosokafana omaly ny 8km vita amin'ny lalam-be migodàna mankany Toamasina. Nahazo famatsiam-bola fanampiny avy amin'ny mpamatsy vola ny fanohizana ny fanamboarana hoy ny filoham-pirenena omaly... ♦ Misy ny fivoriamben'ireo fiaraha-monim-pirenena eo anivon'ny SADC, eto Antananarivo, taorian'ny fihaonana an-tampon'ity vondrona ity, ny alahady teo. Mpikamban'ny firaisamonim-pirenena maro aty atsimon'i Afrika no mandray anjara amin'izany... ♦ Efa kely amin'izao ny tahirin-drano any amin'ny farihin'ny Tsiazompaniry, hanondrahana ny lemak'Antananarivo. Tokony ho ampy hiomanana amin'ny fotoam-pambolena anefa izany, hoy ny APIPA...

Misy hatsaram-panahy efatra ao amin'i Masina Maria : ny fanekena izay natao, nanasongadina ny finoana, fananana fanantenana, ny fitiavany miredareda mba hamerenana ny ain'Andriamanitra ao amin'ny fanahintsika olombelona. Tsy nanolotra sorona hafa akory, i Masina Maria ankoatra izay nataon'i Kristy, nanolatra ny tenany ho famonjena ny olombelona. Miankina amin'ny zanany i Masina Maria fa tsy mahaleontena... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

• Notokanana androany ny ampahany voalohany amin'ny lalambe migodana, mampitohy an'Antananarivo sy Toamasinana, mirefy 8 kilometatra. Hihena ny fotoana hanaovana ny halaviran-dalana rehefa vita tanteraka ny fotodrafitrasa hoy ny Filoham-pirenena androany... • Tanterahana eto Antananarivo mandritra ny dimy andro ny fihaonambe na ny Forum an'ny firaisamonim-pirenena ao amin'ny SADC. Fihaonana mifanindran-dalana amin'ny Fihaonana an-tampon'ny SADC andiany faha-45 natao teto amintsika... • Nanomboka androany ary hitohy rahampitso ny fiofanana ho an'ny mpikatroka ao amin'ny Malagasy Karaté Do na ny MAKA. Fiofanana atao eny amin'ny kianja mitafo Ankorondrano...

• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...