♦ Homarihina ny 15 sy 16 jona 2024 ny Andro Maneran-tany faha-58 ho an'ny Fifandraisan'ny Mpiara-belona, eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Miisa 38 ireo fankalazana mandritra ny taon-Jobilin'ny Fanavotana ny taona 2025... ♦ Mankahery ny rehetra hanao asa soa pastôraly bebe kokoa, ny Papa François, amin'ny fanamarihana ny Andro Maneran-tany faha-8 ho an'ny Mahantra, amin'ny volana nôvambra 2024...

♦ Kandidà roa avy amin'ny Vovonana Firaisankina no miakatra fitsarana raharaham-pifidianana eny amin'ny HCC, nanomboka ny antoandro teo. Tomefy olona ny efitranom-pitsarana eny an-toerana... ♦ Miakatra fampanoavana ao Antsirabe androany ireo olona roa notazonin'ny zandary, noho ny raharaham-pifidianana tany Faratsiho. Iray amin'ireo natolotra ny fampanoavana ny lehiben'ny sampana informatika eo anivon'ny CED Faratsiho... ♦ Homarihina rahampitso sy ny alahady izao ny Andro Maneran-tany faha-58 ho an'ny Fifandraisan'ny Mpiara-belona...

Mamolavola ireo tanora ao aminy momba ny famokarana miaro ny tontolo iainana sy ny fampiarahana ny fambolen-kazo amin'ny famokarana ny tambazotra Sendikan'ny Orina Ambanivohitra na ny Réseau SOA. Efa misy ny sehatr'asa atao momba izany ho an'ireo tantsaha mpamokatra mivondrona ao aminy, ka anjaran'ny tanora indray no misitraka izany...

♦ Hiakatra fitsarana eny amin'ny HCC Ambohidahy anio, ny raharaham-pifidianana tany Faratsiho... ♦ Nangataka ny hanafoanan'ny HCC ny fifidianana Solombavam-bahoka farany teo ny RMDM. Tsy fifidianana no natao fa fangalaram-bato ka tsy nahomby tamin'ny fikarakarana ny CENI, hoy ny Rodoben'ny mpanohitra... ♦ Niharan-doza tany Miarinarivo ny tarika Sahondrafinina Zanany, mpanao Hira Gasy. Mpikambana iray ao amin'ny tarika no namoy ny ainy...

Rafitra fototra eo amin'ny fiaraha-monina ny fianakaviana, izay mitana anjara toerana lehibe eo amin'ny fananganana sy ny fampandrosoana ny olona. Io no faribolana ara-tsosialy voalohany izay hivoarantsika, ary misy fiantraikany lehibe eo amin'ny fivoarantsika manokana, ny fifandraisantsika eo amin'ny samy olona ary ny fahasambarantsika amin'ny ankapobeny. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

Ny vavaka dia antso miantefa any amin'Andriamanitra. Ny fanambarana nataon'i Jesoa, izay fototry ny vavaka ataontsika kristiana dia misy endrika telo mifameno sy mifampiankina, izany hoe iray ihany satria Andriamanitra no ambarany : fanambarana ny zava-nitranga, izy norototoina tao am-bohoka hatramin'ny nitsanganany ho velona ; fanambarana ny Teniny ; fanambarana ny tenany, ny maha Izy Azy zanak'Andriamanitra. Katesizy momba ny misterin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.

♦ Tapitra androany ny fe-potoana nahafahana nametraka fitoriana teny amin'ny HCC. Miantso ireo mpitsara tsy hampiady ny Malagasy, fa hijery ny tombontsoam-pirenena, ny antoko Vonona Hijoro ho an'i Madagasikara... ♦ Tokony hofoanan'ny HCC ny voka-pifidianana Solombavam-bahoka teo, hoy ny RMDM androany. Nambaran'ny Rodoben'ny mpanohitra fa tsy fifidianana no natao fa fangalaram-bato, ka tsy nahomby ny CENI tamin'ny fikarakarana... ♦ Niharan-doza tany Miarinarivo androany ny Tarika Sahondrafinina Zanany. Mpitendry lokanga iray ao amin'ny tarika no maty noho ny ratra nahazo azy...

♦ Mankalaza miaraka ny andro eran-tany ho an'ny tontolo iainana sy ny andro eran-tany ho an'ny ady atao amin'ny fihangazàn'ny tany sy ny hain-tany isika eto Madagasikara manomboka androany. Ao Toliara, Faritra Atsimo-andrefana no hanaovana ny hetsika momba izany... ♦ Distrika maro any amin'ny tapany atsimon'ny nosy no lasibatry ny andiam-balala amin'izao fotoana izao. Nisy ny fivoriana vonjy maika niarahan'ny ministeran'ny fambolena sy ny fiompiana tamin'ireo mpiara-miombon'antoka ara-teknina sy ara-bola manoloana ny ady atao... ♦ Hanome lanja ny vokatra vita malagasy amin'ity volana jona ity ny Sendikan'ny Indostria eto Madagasikara (SIM). Hetsika marolafy no entin'izy ireo manatanteraka izany...

Ankatoky ny fetin'ny ray isika ; firariantsoa no atao ho azy ireny, mba ho toy ny hazo hamoa voatsara hitondra fiainana. Hirariana ho toy izany ny lehilahy rehetra, raim-pianakaviana. Adidy lehibe no iandraiketan'ny raim-pianakaviana ka mila fankaherezana sy fitiavana izy ireny.  Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Tsy antenaina hitondra fiovana amin'ny fifandanjan-kery eny Tsimbazaza ny fisian'ny kandidà tsy miankina maro, lany ho solombavambahoaka hoy ny filoha nasionalin'ny HIFFIM. Miray hevitra amin'ny fitondrana ihany ny ankamaroan'izy ireo hoy Andriamatoa Alain Andriamiseza... ♦ Niverina an-tanindrazana omaly tetsy amin'ny seranam-piaramanidina ety Ivato ny delegasiôna mandrafitra ny Barean'i Madagasikara. Izy ireo izay avy niatrika ny lalao fifanitsanana ahafahana mandray anjara amin'ny mondial 2026, tatsy Johanesbourg Afrika-Atsimo... ♦ Mizotra am-pilaminana ny adina ara-panatanjahantena ho an'ny fanadinana Baccalauréat, eny amin'ny foibem-panadinana ANS Ampefiloha...

Ny fomba naharian'Andriamanitra antsika olombelona mihitsy no mahatonga antsika hikaroka Azy. Ao anatintsika ao dia misy hetaheta sy faniriana lalina, mety ho fahatsiarovana io na embona izay mitarika sy mandrisika antsika hivoaka amin'ny tenantsika, hanao dingana, hitady ilay afaka hanome antsika io hetaheta sy faniriana io. Mivavaka isika satria ao anatintsika ao misy faniriana an'Andriamanitra. Katesizy momba ny misterin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.

♦ Noravan'ny vatan-dehilahy am-polony nirahan'ilay olona milaza ho tompon'ny tany, ny fefy fanitso nataon'ireo olona tompon-tany ety Ivato. Tany mirefy 1 hekitara sy sasany io ifanolanana io... ♦ Tsy tokony ho sodokan'ny fahazoana ny maro an'isa eny amin'ny Antenimieram-pirenena ny mpitondra, hoy ny Filoha Nasiônalin'ny Vovonana HIFFIM, Alain Andriamiseza... ♦ Azo hitarafana ny fahazoan'ny antokon'ny fitondrana ny maro an'isa eny amin'ny Antenimieram-pirenena ny vokatra navoakan'ny CENI omaly, hoy ny mpamakafaka pôlitika iray...

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...