♦ Ho voavaha tsy ho ela ny olan'ny fahatapahan-jiro eny amin'ny Cité R+1 eny Ankatso faharoa... ♦ Atsaraina ny fitantanana ny fako ao Antananarivo Renivohitra misy tetik'asa iarahana amin'ny fitondrana Japoney... ♦ Mbola tsy mety tapitra ny resaka momba ny fanemorana ny fifidianana ben'ny tanàna izay hatao ny 11 desambra izao... ♦ Manodidina ny 100 isa ireo olona voasambotra noho ny fihetsiketsehana nisy tany Grande Bretagne ny faran'ny herinandro teoo... ♦ Nahazo fiaramanidina mpiady maromaro avy amin'i Etazonia i Ukraine...

Araka ny voarakitra ao anatin'ny Salamo dia toe-po tsotra sy mahitsy no tokony hoentina mivavaka. Ny hoe "tsotra sy mahitsy" dia tsy mila olona mihatsara ivelatsihy, misaro-tava, manafin-kilemana ; tsy mila olona manamboatra endrika, izany hoe raha vavaka no resahana dia tsy ilaina ireny mpanao "beauté" sy "esthétique" ireny satria tsy mila "maquiage" na zavatra amboamboarina Andriamanitra... Katesizy momba ny vavaka miaraka amin'ny Salamo, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.

Alahady faha-18 mandavantaona — B : Ray aman-dreny mpamelona Andriamanitra ; Raha misy tia Ahy dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko, ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy. Izay manatona an'i Jesoa Kristy, tsy mba ho noana intsony, ary izay mino Azy tsy hangetaheta. Ny fimonomononana dia toetra andavanandron'ny tanora miala sakana, tsy mety manaiky sy mandray ny zava-misy, tsy mahatsapa izay tsara mahasoa azy, ary mikomy sy midongy amin'ny ray aman-dreny toa ity voalaza amin'ny vakin-teny voalohany ity izay toetran'ny vahoaka nanoloana an'i Môizy. Avy amin'ny teny hebrio "manne - o" izay midika hoe "inona itony" no niavian'ny anaran'io mofo avy any an-danitra io....

Tokony ho tsapatsika fa tsy miteny irery na manao antso an'efitra isika na miresaka amin'ny rivotra rehefa mivavaka fa tena misy sofina mihaino sy olona manongilantsofina. Tsy hoe ren'Andriamanitra fotsiny ny vavaka ataontsika fa tena mihaino ny vavaka ataontsika izy. Raha mifandray amin'Andriamanitra isika dia tsy hoe foana ny olana fa kosa mitodika sy mitarika antsika makany amin'ny tsara kokoa. Katesizy momba ny vavaka miaraka amin'ny Salamo, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.

♦ Hoarenina ny ONE eny Antaninareina. Dingana manaraka hoy ny Ministry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy ny firesahana amin'ny mpiara-miombon'antoka... ♦ Mbola ambany ny tahan'ny Malagasy manao fiantohana ny ainy sy ny fananany. Tsy misy afa-tsy 1% ny anjara entiny ao amin'ny PIB... ♦ Hanamarika ny faha-30 taona niakarany an-tsehatra etsy Antsahamanitra ny tarika Tirike sy ny mpandihiny. Fampisehoana hatao rahampitso tolakandro... ♦ Nohamafisin'ny fahefana misahana ny fifidianana any Venezuella omaly ny voka-pifidianana ka nahalany indray ny filoha amperin'asa Nicolas Maduro, hitondra ny tany sy ny fanjakàna indray...

Ny tratra dia tokony tsy hisy fanaintainana mihitsy, ary tokony tsy hisy hanelingelina ny fiaina. Ny tratra dia tsy azo orina ; ny fanaintainana eo amin'ny tratra dia tsy aretina fa fambaran'aretina : mety ho olan'ny fo, avokavoka, taovam-pandevonan-kanina. Ny dona am-bona ihany koa anefa mety hiteraka fanaintainana eo amin'ny tratra fa ny tsara indrindra dia ny fanatonana mpitsabo. Mety ho vokatry ny sita ihany koa io fanaintainana io. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.

♦ Nanatrika ny fanokafana ny fihaonambe eran-tany momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona ho an'ny Saleziana tao Rome omaly ny Kardinaly Angel Fernandez Artime. Fihaonambe hatramin'ny alarobia izao miompana amin'ny loha-hevitra hoe " Mamolavola ho an'ny ho avy mamiratra"... ♦ Hiara-hiasa hiantoka ny fampiasam-bola sy ny fintantanana ny loza mety hitranga ny EDBM sy ny trano fiantohana ARO. Nosoniavina omaly teny Antaninarenina ny fifanarahana momba izany... ♦ Hanao fihaonambe eto Antananarivo ny sabotsy 31 aogositra izao ny Kômity Iombonan'ny Mpiasa Malagasy na ny K.I.M.M. Marary ny tontolon'ny asa eto Madagasikara hoy izy ireo nandritra ny fihaonana teny Faravohitra...

Ny fifandraisana hita ao amin'ny vavaka na ny Salamo dia fifandraisana manokana, ilay atao amin'ny teny vahiny frantsay hoe "relation interpersonnel. Ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra dia akaiky, toy ny fifandraisan'ny mpifankatia, findraisan'ny ray aman-dreny sy ny zanaka ; eo anatrehan'Andriamanitra isika dia malala. Tsapan'ny olona tsara io fifandraisana io ao amin'ny Salamo, Andriamanitra tsy mba mandao. Katesizy momba ny vavaka miaraka amin'ny Salamo, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.

♦ Nanatrika ny fanokafana ny fihaonambe eran-tany momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona ho an'ny Salezianina tao Roma androany, ny Kardinaly Ángel Fernández Artime. Fihaonambe miompana amin'ny lohahevitra: “Mamolavola ho an'ny hoavy mamiratra"... ♦ Hiara-miasa amin'ny fiantohana ny fampiasam-bola sy ny fitantanana ny loza mety hitranga ny EDBM sy ny trano fiantohana ARO... ♦ Hanao fihaonambe eto Antananarivo, ny sabotsy 31 aogositra 2024, ny Kômity Iombonan'ny Mpiasa Malagasy, na ny KIM. Marary ny tontolon'ny asa eto Madagasikara, hoy izy ireo androany...

♦ Notanterahana nanomboka ny 31 jolay ary nifarana androany 2 aogositra 2024, ny fivorian'ny Diôsezin'i Tsiroanomandidy. Foto-kevitra niainana tamin'izany ny hoe: “Eglizy iraka”... ♦ Samy hanatontosa ny JMJ, ireo Vikaria efatra mandrafitra ny Diôsezin'i Mahajanga, mandritra ity volana aogositra ity... ♦ Notanterahana tany Roma nanomboka ny 29 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2024, ny andiany faha-13 amin'ny fivahinianana masina ataon'ny fikambanana iraisam-pirenen'ny mpiservy...

♦ Manomboka androany any Roma ny fihaonambe maneran-tany momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, ho an'ny Saleziana. Manana solontena any an-toerana ny avy aty Madagasikara... ♦ Malaina ny hiatrika fifidianana ny fitondrana ankehitriny raha ny zava-misy amin'izao, hoy ny antoko MFM. Nambaran'izy ireo fa efa nampoizina ny fihemoran'ny fifidianana Ben'ny Tanana, izay mety ho amin'ny 11 desambra 2024... ♦ Namoaka fanambarana manoloana ny fandratrana mpianatra teny Vontovorona omaly, ny Seces Sampana Antananarivo...

♦ Tokony hotanterahana amin'ity taona ity ny fifidianana, hoy ny Kmf/Cnoe. Nambaran'io firaisamonim-pirenena io fa efa zara raha mandeha ny fampandehanan-draharaha eny anivon'ny Kaominina... ♦ Nahazo vola maherin'ny 16 tapitrisa Ariary, ny lehilahy iray nilaza fa mahatafiditra mpiasam-panjakana teo anivon'ny Minisiteran'ny Asa Vaventy. Olona 12 no voasolokiny... ♦ Mpianatra iray no naratra mafy omaly nandritra ny hetsika fitakiana vatsim-pianarana teny amin'ny Oniversite Polytechnique Vontovorona. Voalazan'ireo mpianatra tifitra nataon'ny mpitandro ny filaminana no nahatonga ny ratra...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 aogositra 2025

• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...