Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 49, 1-6)
Mihainoa ahy, ry nosy;
mitandrema ianareo, ry firenena lavitra!
Ny Tompo efa niantso ahy hatrany am-bohoka,
efa nilaza ampahibemaso ny anarako, hatrany an-kibon’i neny.
Nataony sabatra maranitra ny lelako;
nalofany tamin’ny aloky ny tanany aho,
nataony zana-tsipìka maranitra aho,
nafeniny tao amin’ny tranon-jana-tsipìkany.
Ary hoy Izy tamiko:
“Mpanompoko ianao, ry Israely,
izay hataoko reharehako.”
Dia hoy kosa aho:
“Foana ny nisasarako;
zava-poana sy tsinontsinona no nandaniako ny heriko.”
Fa ao amin’ny Tompo ny rariny ananako,
ao amin’Andriamanitro ny valisoa ho ahy.
Ary ankehitriny miteny ny Tompo,
izay namorona ahy hatrany am-bohoka mba ho mpanompony,
hampody an’i Jakôba aminy indray,
ary mba ho tafakambana aminy indray i Israely.
Ary mahazo voninahitra eo imason’ny Tompo aho,
ary Andriamanitro no heriko.
Hoy Izy:
“Mbola zavatra kely foana no maha-mpanompoko anao,
hanangana ny firenen’i Jakôba indray
sy hampody ireo sisa voatahiry amin’i Israely;
fa hatsangako ho fahazavan’ny firenena ianao,
mba hitaran’ny famonjeko hatrany amin’ny faran’ny tany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 138, 1-3. 13-14ab. 14d. 15
Tompo ô, dinihinao aho
ka fantatrao tokoa!
Mipetraka aho, mitsangana: fantatrao;
mbola lavitra ny hevitro dia tsinjonao.
Voadinikao aho na mamindra na miato;
tsy misy manavao Anao ny momba ahy.
Ianao nahary ahy tongotra aman-tanana
sy namboatra ahy tao an-kibon’ineny:
midera Anao aho izay voaarinao,
izay asan-tananao mampitolagaga.
Fantatrao manontolo ny tenako,
tsy niafina taminao ny momba ahy,
fony izaho niforona tao amin’ny miafina,
sy nitenona tao anatin’ny tany.
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 13, 22-26)
Tamin’izany andro izany, i Paoly nilaza hoe:
“I Davida no natsangan’Andriamanitra ho mpanjakan’ireo razantsika,
fa izy ilay nankatoaviny tamin’ny teny hoe:‘Efa hitako i Davida zanak’i Jese, lehilahy araka ny foko,
izay hanao ny sitrapoko rehetra’.Avy tamin’ny taranany no namoahan’Andriamanitra an’i Jesoa,
araka ny nampanantenainy,
ho Mpamonjy an’i Israely.
Talohan’ny nahatongavany anefa,
dia i Joany no nitory batemim-pibebahana tamin’ny vahoaka Israely rehetra;
ary rehefa nadiva ho tapitra ny dian’i Joany, dia hoy izy:‘Tsy izaho no ilay andrasanareo,
fa indro avy ao aoriako Izy,
ka tsy mendrika hamaha ny kofehin-kapany akory aho’,Ry havana taranak’i Abrahama,
sy ireo matahotra an’Andriamanitra eo aminareo koa,
ho antsika indrindra no nampitondrana ny tenin’izao famonjena izao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Ianao, anaka, hantsoina hoe mpaminanin’ny Avo indrindra: handeha eo anoloan’ny Tompo ianao, hamboatra ny Lalany.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 1, 57-66. 80)
Tamin’izany andro izany,
nony tonga ny andro hiterahan’i Elizabeta, dia tera-dahy izy.
Ary nahare ny miara-monina aminy sy ny havany,
fa efa nankalazain’ny Tompo ny famindram-pony taminy,
ka dia niara-nifaly taminy.
Nony afaka havaloana,
dia tonga izy hamora ny zaza,
ary Zakaria, araka ny anaran-drainy no ndeha hataony anarany.
Fa niteny ireniny nanao hoe:
“Tsia, tsy izany,
fa hatao hoe Joany izy.”
Fa hoy izy ireo taminy:
“Tsy misy na dia iray aza amin’ny havanao
manana izany anarana izany.”
Ary nanao baikon’ny moana tamin’ny rainy izy ireo
nanontany izay tiany hatao anarany.
Dia nangataka fafana izy ary nanoratra hoe:
“Joany no anarany”; ka gaga daholo izy rehetra.
Niaraka tamin’izay dia nisokatra ny vavany, ary nivaha ny lelany,
dia niteny izy ka nisaotra an’Andriamanitra.
Azon’ny tahotra avokoa ny mponina rehetra teny manodidina,
ary niely hatraiza hatraiza tany amin’ny tendrombohitr’i Jodea
izany zava-mahatalanjona rehetra izany.
Ary izay rehetra nahare dia nandatsaka izany tao am-pony, ka nanao hoe:
“Ho inona re, ity zaza ity?
Fa nomba azy ny tanan’ny Tompo.”
Dia nitombo sy nihanahery fanahy ny zaza,
ary nitoetra tany an’efitra,
ambara-pahatongan’ny andro hisehoany amin’i Israely.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Jôba (Jôb. 38, 1. 8-11)
Namaly an’i Jôba ny Tompo tao anatin’ny tafio-drivotra ka nanao hoe:
“Iza no nanidy ny ranomasina tamin’ny varavarana,
fony izy nivoaka nisavoamboana avy any am-bohoka;
raha nanao ny rahona ho fitafiany Aho,
ary ny zavona matevina ho lambam-pandriany;
raha nampanaiky azy ny didiko sy nanisy hidy amam-baravarana taminy,
ka nilaza taminy hoe:
Hatreto alehanao, ka tsy hihoatra,
fa eto no hijanona ny fianjonanjonan’ny onjanao”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 106, 23-24. 25-26. 28-29. 30-31
Ireo midina an-dranomasina an-tsambo
sy manao ny asany eny ambony rano
dia mahita ny asan’ny Tompo,
ny zava-mahagaga ataony amin’ny lalina.
Mitony izy, dia avy ny tadio,
ny onja misavoana manakatra ny lanitra
dia midina hatrany amin’ny hantsana
ny ainy tsy metimety, toy ny ho lasana.
Dia mitaraina amin’ny Tompo fa mijaly,
ka afahany amin’ny fahoriany:
ny rivo-mahery tonga tsiotsioka,
ny alon-drano nitrena sina tampoka.
Faly ireo fa nitony ireny,
izy koa tody an-tseranana irìna.
Aoka izy hisaotra ny Tompo tia,
mpanao zava-mahagaga ho an’ny olona.
Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (2 Kôr. 5, 14-17)
Ry kristianina havana,
terin’ny fitiavan’i Kristy antsika izahay,
satria fantatray marina fa maty ho an’ny olona rehetra ny olona iray,
ka dia maty koa izy rehetra;
ary maty ho an’ny olona rehetra Izy,
mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona,
fa ho an’Izay maty sy mitsangana ho azy ireo.
Koa dia tsy mahalala olona araka ny nofo intsony izahay;
ary na dia nahalala an’i Kristy araka ny nofo aza izahay,
dia tsy araka izany intsony no ahalalanay Azy ankehitriny.
Noho izany, na iza na iza ao amin’i Kristy,
dia zava-boaary vaovao izy,
ka lasa ny zavatra taloha,
fa indro tonga vaovao ny zavatra rehetra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy amin’ny Anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra ary voninahitra anie any amin’ny Avo indrindra!
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 4, 35-40)
Tamin’izany andro izany,
dia fanoharana maro no nitorian’i Jesoa teny tamin’ny vahoaka.
Ary nony hariva ny andro, dia hoy Izy tamin’ny mpianany:
“Andeha isika hita ho eny an-dafin-drano”.
Dia nilaozan’izy ireo teo ny olona
ka nentiny tamin’izao an-tsambo kely i Jesoa,
ary nisy sambo kely maromaro koa niaraka taminy.
Ary nisy tafio-drivotra mahery nampisavoana ny onjan-drano hatrany anaty sambo kely,
ka efa nihafeno rano izy.
Fa i Jesoa kosa natory teo am-body sambo kely tambonin’ny ondana,
ka nofohazin’izy ireo Izy nilazany hoe:
“Ry Mpampianatra ô!
tsy mampaninona Anao va raha maty izahay?”
Dia nifoha Izy ka niteny mafy ny rivotra,
ary nilaza tamin’ny ranomasina hoe:
“Mangina, mitonia”.
Dia nitsahatra ny rivotra, ary nitony dia nitony ny andro.
Ary hoy Izy tamin’izy ireo:
“Nahoana no saro-tahotra ianareo?
Tsy mbola manam-pinoana ihany va ianareo?”
Ary natahotra dia natahotra izy ireo ka nifampilaza hoe:
“Iza moa io, fa ny rivotra sy ny ranomasina avy no manaiky Azy?”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Tsy tokony hifehy antsika ny fitaovam-pifandraisana na eo aza ny fivoarana mirimorimo misy ankehitriny. Nanamarika ny andro eran-tany faha-58 ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona ny teto amin'ny Diosezin'Antananarivo omaly alahady sy tamin'ny sabotsy lasa teo... ♦ Tsy azo ovaina na ahodina ny safidim-bahoaka hoy ny filoham-pirenena tany Toamasina raha nitokana foto-drafitr'asa vita tany izy ny sabotsy teo... ♦ Miantso ireo tanora miatrika ny adina ara-panatanjahantena amin'ny fanadinana bakalôreà ny mpitsabo mba hisakafo maraina. Miisa dimy isan'andro ireo mpiadina safotra ho an'ny eny amin'ny foibem-panadinana Ankatso... ♦ Manameloka ny herisetra misesisesy amoizana ain'olona am-polony, atsy RDC, i Papa François...
Fiainana voalohany ny fahariana satria vao noharin'Andriamanitra ny zava-manana aina rehetra, anisan'izany isika olombelona, niara-teraka taminy koa ny aina. Hoy ny Boky Fahendrena 1, 13 - 14 : "fa tsy nanao ny fahafatesana Andriamanitra, ary tsy sitrany ny fahaverezan'ny velona. Nohariana ho amin'ny fiainana ny zavatra rehetra" ; 2, 23 "satria noharin'Andriamanitra ho tsy mety maty ny olombelona, ary nataony mitovy tarehy amin'ny tenany... Katesizy momba ny misterin'ny fahariana, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Zava-dehibe ho an'ny tsirairay ny fananana ny hatsaran-toetra sy hatsaram-panahy. Misy ambaratonga 13 ao amin'ny afo fandiovana, araka ny tsy fitandramantsika ny hatsaram-panahy : ny tahotra an'Andriamanitra, fihantrana sy fangorahana, finoana, fanantenana, fanekena, fivalozana, fitiavam-bavaka, fahadiovana, fahamalinanan, heripo amam-panahy, fahononantena, fahalavorariana, fahamarinana. Fandaharana "hono hoy aho mopera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Ny tokony handraisantsika an'Andriamanitra dia toy ny namana, eo mandrakariva, tsy manary ary azo antsoina amin'ny fotoana rehetra. Ny zava-dehibe tsara ho fantatra dia ny hoe : ankoatra ireo fangatahana ataontsika, rehefa manao ilay "Rainay any an-danitra" isika, dia afaka mangataka, afaka manazava, afaka mitantara amin'Andriamanitra ny zavatra rehetra, na dia mahatsiaro tena fa diso aza... Katesizy momba ny misterin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
♦ Nafahan'ny Fitsaràna noho ny fisalasalàna ireo olona roa, notoriana noho ny raharaham-pifidianana tany Faratsiho. Nivoaka omaly ny fanapahan-kevitry ny Fitsaràna any Antsirabe momba izany... ♦ Nahazo ny fanohanan'ny CNUCED ny fikasàna hananganana ny Vondron'ny tany mpamokatra lavanila. Mitohy ny adisisika ataon'i Madagasikara hitsanganan'io Vondrona io, hiarovana ny vidin'ny lavanila... ♦ Hanamarika ny faha-40 taonany ny Faculté DEGS eo anivon'ny Oniversiten'i Fianarantsoa. Hisy ny hetsika hanamarihana izany manomboka ny 21 jona izao any an-toerana... ♦ Mandroso ny dingana hampidirana an'i Moldavie sy i Ukraine ao anatin'ny Vondrona erôpeana, nankatoavin'ireo firenena 27...
Ny fihinanana "Calcium" tsy voalanjalanja sy tsy nakana hevitry ny mpitsabo dia mety hiteraka olana ara-pahasalamana hafa indray. Ny antony : tsy ampy vitamina "D", hiazona sy handevina ny "Calcium" ; olan'ny voa sy ny fantson'amany, marary sarakaty ; tsy fahampian'ny "proteine" sy "magnesium"... Fambara : savolaina sy mikaikona matetika ny nofo sy ozatra ; manana olana amin'ny fitadidiana ; ratsy torimaso... Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.
Ny voa mitsimoka sy mitombo ho Azy ; Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandrina izay nolazain’ny Zanakao. Kely amin’ny voa rehetra ambonin’ny tany ny voan-tsinapy fa tonga lehibe indrindra amin’ny anana rehetra rehefa voafafy. Ny Fanjakan'ny lanitra dia tsy fanjakan'ny mpanefoefo, na an'ny matanjaka fa fanetretena. Ny ahitana ny Fanjakan'Andriamanitra dia ao anatin'ny olona tsirairay. Miezaha mamolatena sy manova toetra fa izany no fanomanana ny Fanjakan'Andriamanitra. Ny hoe mamolatena dia ireo vonona manao sesitany ny vatany, izany hoe sahy manambara sy miaina ny Fanjakàn'Andriamanitra, miady amin'ny fanangolen'ny fanahy na ireo mamono ny aina...
♦ Homarihina mandritra ny roa andro ny andro maneran-tany ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona ho an'ny Diôsezin'Antananarivo. Hisy ny velan-kevitra hotanterahina eny Analakely, anio... ♦ Fitoriana momba ny raharaham-pifidianana miisa 3 no notsaraina teny amin'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana Ambohidahy omaly... ♦ Mangataka ny hanaovana fikaonandoham-pirenena ho an'ny fanorenana ifotony ny fikambanana ACS ivondronan'ireo Senatera sy mpikamban'ny filan-kevitra ambon'ny tetezamita teo aloha. Tsy hampilamina ny firenena ny vokam-pifidianana farany teo, hoy izy ireo, omaly... ♦ Tsara fanombohana i Allemagne mpampiantrano tamin'ny lalao voalohan'ny Euro 2024...
Mivoatra ara-tantara ny fanatonan'ny olombelona an'Andriamanitra, ary lavorary sy tonga lafatra ao amin'i Jesoa kristy. Teo amin'ny Testamenta taloha, tao anatin'ny tahotra sy horohoro no nanatonan'ny olombelona an'Andriamanitra, izany hoe toy ny mpanompo, tsy manana ny tena fahafahany, fa ao amin'ny fampianaran'i Kristy dia afaka mifandray am-pitokisana tanteraka amin'ny isika, toy ny fifandraisan'ny Ray sy ny Zanaka. Katesizy momba ny misterin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
♦ Fitoriana mahakasika ny hosoka, ny fanaovana herisetra, mikasika ny lisi-pifidianana no nataon'ireo kandidàn'ny Firaisankina roa lahy teny amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana, androany... ♦ Mangataka ireo ray aman-dreny ara-panahy sy ara-drazana mba hitarika ny fikaonan-doham-pirenena ho an'ny fanorenana ifotony, ny fikambanana ACS, ivondronan'ireo Senatera sy mpikamban'ny Filankevitra Ambonin'ny Tetezamita teo aloha...
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco