Boky Fahendrena (Fah. 1, 13-15 ; 2, 23-25)
Tsy nanao ny fahafatesana Andriamanitra, ary tsy sitrany ny fahaverezan’ny velona.
Noarìny ho amin’ny fiainana ny zavatra rehetra, ka mahasoa ny zava-boaarin’izao tontolo izao;
tsy misy foto-pahalevonana ao aminy, ary tsy mba manjaka eto ambonin’ny tany ny fahafatesana.
Satria tsy mety maty ny fahamarinana.
Noarìn’Andriamanitra ho tsy mety maty ny olombelona, ary nataony mitovy tarehy amin’ny Tenany:
Fa ny fialonan’ny demony no nidiran’ny fahafatesana amin’izao tontolo izao:
dia hanandrana izany, ry zareo izay azy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 29, 2 sy 4. 5-6. 11 sy 12a ary 13b.
na:
Izaho midera ny Tompo nanafaka ahy:
tsy navelany hifaly ny rafiko.
Ny fanahiko efa tany an-tSeoly
dia nakarinao, ry Tompo ô!
izaho efa tany am-pasana
dia novelominao indray!
Antsao ny Tompo, ianareo mpivavaka;
isaory ny Anarany masina.
Mandalo ihany ny hatezerany,
ny fanambinany kosa maharitra:
hariva aho nitomany,
fa nony maraina, velon-kira.
Tompo ô, aoka Ianao handreny,
miantrà re, tongava hamonjy.
Dia navadikao ho dihy
ilay hira fitarainako;
Ry Tompo Andriamanitro ô.
Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (2 Kôr. 8, 7. 9. 13-15)
Ry kristianina havana,
aoka ho araka ny fahambonianareo amin’ny zavatra rehetra,
dia amin’ny finoana, amin’ny teny, amin’ny fahalalana, amin’ny fahazotoana
na amin’inona na amin’inona, ary amin’ny fitiavana anay,
no ho fahambonianareo koa amin’ity fahasoavam-piantrana ity.
Satria fantatrareo ihany ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika,
fa na dia mpanan-karena aza Izy, dia tonga mahantra noho ny aminareo,
mba hampanan-karena anareo amin’ny fahantrany.
Satria tsy mety raha ny sasany, alàm-pahoriana, ianareo, tra-pahoriana;
fa ny fitoviana ihany e.
Amin’izao fotoana izao aloha,
ny ambim-bavanareo no hanentsina ny tsy ampy amin’izy ireo;
dia toy izany koa, ny ambim-bavan’izy ireo no hameno ny tsy anananareo kosa;
ary amin’izany dia hisy fitoviana;
araka ny voasoratra hoe:
Ny nanangona be tsy nanana ambiny;
ny nanangona kely, tsy nanan-tsy ampy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao; Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 5, 21-24. 35b-43)
Tamin’izany andro izany,
dia niondrana tamin’ny sambo kely i Jesoa ka nony tafita,
dia nitangoronan’ny vahoaka teo amoron-dranomasina Izy.
Dia avy ny anankiray amin’ny lehiben’ny sinagôga atao hoe Jaïra,
ka nony nahita Azy dia niankohoka tamin’ny tongony izy,
sady nihanta mafy taminy nanao hoe:
“Marary efa ho faty ny zanako vavy,
ka andeha re mba hametra-tanana aminy Ianao,
mba ho sitrana sy ho velona izy”.
Dia nandeha niaraka taminy Izy
ary be ny vahoaka nanaraka Azy sy nifanety taminy.
Dia tonga kosa ny avy any an-tranon’ilay lehiben’ny sinagôga
ka nanao taminy hoe:
“Maty ny zanakao vavy,
ka nahoana ianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany?”
Fa nony nandre izany teny izany i Jesoa
dia nilaza tamin’ilay lehiben’ny sinagôga hoe:
“Aza matahotra, fa minoa fotsiny ihany”.
Ary tsy nisy navelany hanaraka Azy
afa-tsy i Piera sy i Jakôba ary i Joany rahalahan'i Jakôba.
Ary nony tonga tany an-tranon’ilay lehiben’ny sinagôga izy ireo,
dia olona nikorontana sy nitomany ary ninaonaona be ihany no hitan’i Jesoa.
Ary niditra Izy ka niteny tamin’ireo hoe:
“Nahoana ianareo no mitabataba sy mitomany?
Tsy maty razazavavy, fa matory”.
Dia nihomehy Azy fatratra ny olona;
fa Izy kosa nandroaka azy rehetra,
dia nitondra ny ray aman-drenin-drazazavavy mbamin’ireo nanaraka Azy
niditra tao amin’izay niamparan-drazazavavy,
ary nandray ny tanany sy nilaza taminy hoe:
“Talità, komy”
izany hoe:
“Ry zazavavy, hoy Aho aminao: mitsangàna”.
Niaraka tamin’izay dia nitsangana razazavavy ka namindra,
fa efa roa ambin’ny folo taona izy,
dia talanjona indrindra ny olona.
Fa noraràny mafy izy ireo mba tsy hatao fantatr’olona izany,
ary nasainy nomen-kanina razazavavy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao; Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 5, 21-43)
Tamin’izany andro izany,
dia niondrana tamin’ny sambo kely i Jesoa ka nony tafita,
dia nitangoronan’ny vahoaka teo amoron-dranomasina Izy.
Dia avy ny anankiray amin’ny lehiben’ny sinagôga atao hoe Jaïra,
ka nony nahita Azy dia niankohoka tamin’ny tongony izy,
sady nihanta mafy taminy nanao hoe:
“Marary efa ho faty ny zanako vavy,
ka andeha re mba hametra-tanana aminy Ianao,
mba ho sitrana sy ho velona izy”.
Dia nandeha niaraka taminy Izy
ary be ny vahoaka nanaraka Azy sy nifanety taminy.
Ary nisy vehivavy anankiray nitsi-drà roa ambin’ny folo taona,
izay efa niaritra zavatra mafy betsaka tamin’ny mpitsabo maro
sy nandany ny fananany rehetra,
nefa tsy nihatsara velively, fa vao mainka niharatsiratsy kokoa aza.
Nony nahare ny amin’i Jesoa izy,
dia nisisika tamin’ny vahoaka ka nanendry ny akanjony avy ao ivohony,
fa hoy izy:
“Na dia ny fitafiany ihany aza no voakasiko, dia ho sitrana aho”.
Dia ritra niaraka tamin’izay ny loharanon’aretiny,
ka tsaroany tao amin’ny tenany fa sitrana izy.
Teo no ho eo ihany dia fantatr’i Jesoa fa nisy hery nivoaka tamin’ny Tenany,
ka nitodika ny vahoaka Izy nanao hoe:
“Iza no nanendry ny fitafiako?”
Ary hoy ny mpianany taminy:
“Hitanao izao vahoaka mifanety aminao izao
ka Ianao manontany hoe: Iza no nanendry Ahy?”
Dia nijerijery manodidina Azy Izy hizaha ilay vehivavy izay nanao izany.
Natahotra ravehivavy sy tera-kovitra satria fantany izay tonga taminy,
ka nanatona Azy sy niankohoka teo anatrehany izy,
dia nilaza ny marina rehetra.
Ary hoy Izy taminy:
“Anaka, ny finoanao no nahavonjy anao;
mandehana amim-piadanana ary sitràna amin’ny aretinao”.
Raha mbola niteny i Jesoa,
dia tonga kosa ny avy any an-tranon’ilay lehiben’ny sinagôga
ka nanao taminy hoe:
“Maty ny zanakao vavy,
ka nahoana ianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany?”
Fa nony nandre izany teny izany i Jesoa
dia nilaza tamin’ilay lehiben’ny sinagôga hoe:
“Aza matahotra, fa minoa fotsiny ihany”.
Ary tsy nisy navelany hanaraka Azy
afa-tsy i Piera sy i Jakôba ary i Joany rahalahan'i Jakôba.
Ary nony tonga tany an-tranon’ilay lehiben’ny sinagôga izy ireo,
dia olona nikorontana sy nitomany ary ninaonaona be ihany no hitan’i Jesoa.
Ary niditra Izy ka niteny tamin’ireo hoe:
“Nahoana ianareo no mitabataba sy mitomany?
Tsy maty razazavavy, fa matory”.
Dia nihomehy Azy fatratra ny olona;
fa Izy kosa nandroaka azy rehetra,
dia nitondra ny ray aman-drenin-drazazavavy mbamin’ireo nanaraka Azy
niditra tao amin’izay niamparan-drazazavavy,
ary nandray ny tanany sy nilaza taminy hoe:
“Talità, komy”
izany hoe:
“Ry zazavavy, hoy Aho aminao: mitsangàna”.
Niaraka tamin’izay dia nitsangana razazavavy ka namindra,
fa efa roa ambin’ny folo taona izy,
dia talanjona indrindra ny olona.
Fa noraràny mafy izy ireo mba tsy hatao fantatr’olona izany,
ary nasainy nomen-kanina razazavavy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Andrasana amin'ity herinandro ity ny fotoana hamoahan'ny HCC ny voka-pifidianana solombavambahoaka natao ny 29 mey lasa teo... ♦ Hisy ny fiovàna amin'ny vidin-tsolika eto Madagasikara. Na izany aza tsy hihoatra ny 200 Ariary isaky ny litatra, ny mety hiakarany na hidinan'izany vidin-tsolika izay... ♦ Hiroso amin'ny fanasaziana ireo mpanjono mbola minia mampiasa haratobe ny tompon'andraikitry ny jono any amin'ny Faritra Anôsy... ♦ Niverina indray ny savorovoro sy korontana ao Nouvelle Calédonie. Nisy ireo trano nirehitra alina....
Ny vavaka dia fofon'ain'ny finoana. Ny olona mino sy matahotra an'Andriamanitra no miantsoantso mamoaka feo avy ao am-pony toa miantso vonjy. Amin'izao taonan'ny vavaka izao dia mifototra amin'ny mistery ny vavaka na ny zava-miafina fonosin'ny vavaka no resahin'ny Papa François amin'ny katesizy. Ny vavaka no mamelona ny finoantsika, koa aoka samy hiezana hanatsara ny fomba fivavahana. Katesizy momba ny vavaky ny olomarina, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Anatin'ny iray volan'ny teny Malagasy isika amin'ny volana jona ity. Fahiny dia tamin'ny teny Grika ny nankalazana ny Lamesa, ary rehefa nihitatra ny fiangonana dia tamin'ny teny Latina ; tamin'ny Konsily Vatikana-II no nanapahana hevitra fa hatao amin'ny tenin-drazana ny Sorona Masina, ary io no nahafahana nampihatra ny teny Malagasy ihany ho amin'ny fankalazana eto Madagasikara. Ny Eokaristia dia entina hilazana ny Sorona Masina, ny kôminio, ny Vatsy Masina homena ireo marary... Fandaharana "hono hoy aho mopera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Ny vavaka nataon'i Jesoa dia mariky ny fifandraisana sy ny fifankahazoana lalina tao aminy sy Andriamanitra Ray ; noho izany , izay tia vavaka tsy tapaka dia miombona tanteraka amin'i Jesoa sy amin'Andriamanitra Rainy. Miafina ao natin'ny misterin'ny fahariana ho antsika olombelona manokana, ny vidin'ny fahoriana amam-pijaliana ; ny fangalana ny taolan-tehezan'i Adama hanamboarana an'i Eva dia nisy ratra miafina. Katesizy momba ny misterin'ny fahariana, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
♦Nahomby ny tetik'asa CASEF nandritra ny 7 taona niasany tamin'ny Faritra 16 teto Madagasikara... ♦ Efa miomana amin'ny fiatrehana ny fivoriana an-tampony momba ny "diniky ny ho avy" atao any Etazonia ny ministeran'ny raharaham-bahiny... ♦ Tsy ataon'ny fitondram-panjakàna Malagasy laharam-pahamehana ny fiarovana ny zon'ny ankizy, hoy ny Vovonan'ny Firaisamonim-pirenena misahana izany... ♦ Nandefa miaramila fanampiny any amin'ny faritra Tchassiv mba iarovana ity tanàna stratejika, any amin'ny sisin-tany Atsinanana manakaiky ny tanànan'i Dombass ity ny tafika Okraniana... ♦ Niharan'ny tifitra ny biraon'ny vokovoko mena iraisam-pirenena tany Gaza, omaly tolak'andro ; 22 isa no maty ary 45 naratra...
Mety hanimba ny hoditra ny fampiasana fanafody tsy voalanjalanja. Ny mahatonga ny hodipotsy dia "champignon" na "levure" izay efa mipetraka sy miaina amin'ny faritry ny hoditra, ka rehefa feno ny fepetra dia mivadika ho "patogène" izy, ka io ilay hodipotsy. Ireo fepetra ireo dia ny hamandoana sy ny hafanana no mampirongatra azy, eo koa ny fidinan'ny hery fiarovana, havizanana, fitondrana vohoko, tsy fahampian'ny vitamina E-A-D. Ny hodipotsy dia tsy mangidihidy... Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.
Andriamanitra no vonjintsika sy arontsika ; Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy amin’ny Anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra ary voninahitra anie any amin’ny Avo indrindra! Ho an'ny olomarina dia tsy hakasika azy ireny akory ny fahafatesana, ho an'ny tsara dia tsy hakasika azy ny ratsy. Ny fisokafana amin'ny sitrapon'Andriamanitra sy ny fahasoavany no mampandresy ny olona sy mampiadana antsika. Azo oharina amin'ilay sambo kely ny fiainantsika ka ny tafio-drivotra no endrika hisehoan'ireo olana maro samihafa, ka Andriamanitra Ray sy Zanaka sy Fanahy Masina ihany no afaka mampitony izany... Mila matoky azy Andriamanitra isika, ary mitoky amim-pinoana...
♦ Namoaka ny andiany faharoa nisalotra ny anarana "Voromahery" ny Institut Supérieur Saint Thomas d'Aquin tantanan'ny Saleziana Don Bosco any Fianarantsoa... ♦ Hatsaraina ny fitantanana ny loza sy ny tandin-dondoza, ka hisy ny fandraisana fepetra amehana mandritra ny fotoan'ny hisehoan'ny loza... ♦ Hanao hetsika filatsahana an-tsitrapo eto Madagasikara ireo tanora Malagasy am-pielezana miisa 10, tafiditra anatin'ny tetik'asa Loharano... ♦ Miha mafy ny disadisa misy eo amin'ny Corée Atsimo sy Corée Avaratra, nisy miaramila Kôreana Tavaratra saika hiditra an-keriny tao amin'ny sisin-tany mampisaraka ny firenena roa tonta omaly... ♦ Olona miisa 30 indray no namoy ny ainy omaly tany amin'ny faritr'it Gaza...
Manambara ny misterin'ny fahariana vaovao ny vavak'i Jesoa satria ao Izy no miezaka manavao ny zavatra rehetra sy hamerina amin'ny laoniny ny fahariana taloha izay niantsoana ny olombelona ho amin'ny fifampizarana sy fahasambarana. Tsarovy fa na ho aiza isika na ho aiza dia tsy misy famonjena raha tsy misy fijaliana. Mila mifampitondra am-bavaka isika satria Jesoa aza Andriamanitra nivavaka mba hatontosa ny famonjena, maika fa isika? Katesizy momba ny misterin'ny fahariana, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
♦ Mahatratra 8 miliara Dolara ny trosan'i Madagasikara akehitriny, raha ny fantatra nandritra ny latabatra boribory androany teny amin'ny UCM Ambatoroka... ♦ Miisa 70.000 ireo horonan-tsary mamoafady nataon'ny ankizy Malagasy, miparitaka any amin'ny tambazotran-tserasera any ivelany, raha ny nambaran'ny fiarahamonim-pirenena misahana ny fiarovana ny zon'ny ankizy... ♦ Tsy mankasitraka ny fanovana ny lalàna mifehy ny asa, ny Randrana Sendikaly...
♦ Navoaka amin'ny fomba ôfisialy sy fomban'ny Fiangonana androany, ireo mpiofana ho pretra sy relijiozy 14 mirahalahy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco, nahazo ny diplaoma Licence amin'ny taranja filôzôfia... ♦ Hotanterahana amin'ny 13 sy 14 jolay 2024 ny lanonana fanamasinana sy fametrahana an'i Mgr Herizo Rakotohasimbola, ho Evekan'i Maintirano... ♦ Nahatratra 105 ny fanamasinana ho pretra tany Frantsa tamin'ity taona 2024 ity...
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco