21 aogositra 2024 — Victoire Rasoamanarivo, Olontsambatra — Fahatsiarovana — Didy vaovao no omeko anareo, hoy ny Tompo mifankatiava toy ny nitiavako anareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 1-8)
20 aogositra 2024 — Talata, Herinandro Tsotra faharoapolo Mandavantaona — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo, Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 19, 23-30)
19 aogositra 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra faharoapolo Mandavantaona — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, sy hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 19, 16-22)
18 aogositra 2024 — Alahady Tsotra faharoapolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana; hamasino amin’ny fahamarinanao izahay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 51-59)
♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'Ambatondrazaka i Mompera Orthasie Marcellin Herivonjilalaina, Rektoran'ny Seminera Zokiny fandalinana filôzôfia, ao Toamasina... ♦ Nomarihana tamin'ny fanombohan'ny volana aogositra teo ny JMJ andiany fahatelo ho an'ny Diôsezin'Ambanja...
♦ Miaina fahasahiranana maro ny vahoaka Malagasy amin'izao fotoana izao, hoy ny Docteur Pasitora Rakotozafy Denis, Filohan'ny FFKM. Hisy fivoriana ato ho ato hataon'ny FFKM, handinihana ny raharaham-pirenena... ♦ Tsy manana kaopia nahaterahana ny 26 %-n'ny zaza latsaky ny 5 taona eto Madagasikara. Efa misy ny ezaka hampakarana ny tahan'ny fananana kaopia, hoy ny Vovonan'ny fiarahamonim-pirenena misehatra amin'ny ankizy...
♦ Efa miroso amin'ny fandrafetana ny Governemanta vaovao ny Filohan'ny Repoblika sy ny Praiminisitra, ary tafiditra ao anatin'izany ny tomban'ezaka izay notakiana tamin'ireo Minisitra nametra-pialana... ♦ Manao ny adisisika amin'ny fampodiana an-tanindrazana ireo varika sy sokatra tra-tehaka tany Thailande ny volana mey teo, ny Tendrom-pitsarana miady amin'ny kolikoly, raha nandray ireo delegasiôna avy amin'ny Fitsarana Thailandais...
Ao amin'ny Testamenta Taloha dia in-telo ihany no ampiasaina ny teny hoe " Ry Tompo Andriamanitr'i Abrahama sy i Isaaka ary i Israely" indrindra ny teny hoe "Israely". Tari-dalana amin'ny Eokaristia Masina izay fanaontsika ny Sorona nataon'i Elia 1 Mpanjaka 18, 20,-39. "Valio aho ry Tompo, valio aho". Olona manan-daza tamin'ny fomba fivavahana i Elia, nanohitra ny tsy rariny. Ny vavaka no maniraka antsika hanompo ny manodidina. Katesizy momba ny vavak'i Elia, iarahana amin'i P. Ramamonjisoa Herizo Elie.
Amin'ny vavaka nataony i Elia dia niantso ny Andriamanitry ny razany izay nanao fanekem-pihavanana tamin'izy ireo ary tsy mitsahatra manavao mandrakariva ny fampanantenana tao amin'izany fanekem-pihavanana izany. Tsy hoe nanangana ny ôtelin'ny Tompo fotsiny izy fa nitarika ny vahoaka hanana jery todika amin'ny efa lasa ary nanampy azy ireo mba handeha lavidavitra amin'izay fanomezan-danja ny lasa izay. Katesizy momba ny vavak'i Elia, iarahana amin'i P. Ramamonjisoa Herizo Elie.
♦ Ho fantatra amin'ny herinandro ho avy ny mpikambana handrafitra ny Governemanta vaovaon'ny Praiminisitra Ntsay Christian, hoy ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina androany... ♦ Efa vonona ny tetibola 52 Miliara Ariary, hiatrehan'ny CENI ny fanomanana ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina amin'ny 11 desambra 2024, hoy ny filohan'ity andrim-panjakana ity... ♦ Ho vaindohan-draharahan'ny Tale jeneraly vaovaon'ny Bianco, Razakamanantsoa Gaby Nestor, ny ady amin'ny kolikoly amin'ny sehatry ny fananan-tany. Tontosa androany ny lanonam-pitsarana nametrahana azy...
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (1 Kôr. 4, 9-15)
Ry kristianina havana, izahay Apôstôly, araka ny fijeriko ny tenanay,
dia hoatra ny nasehon’Andriamanitra ho olona faraidiny sy toy ny voaheloka ho faty,
natao fizàhan’izao tontolo izao, na anjely, na olombelona.
Izahay moa, adala noho ny amin’i Kristy, ianareo kosa hendry ao amin’i Kristy!
Izahay osa, fa ianareo no matanjaka;
izahay faneso, ianareo kosa fanaja.
Mandraka ankehitriny, dia noana izahay, mangetaheta, tsy manan-katafy,
fatsahana totohondry, tsy manana antom-ponenana, ary misasatra miasa amin’ny tananay.
Ozonina izahay, misaotra; enjehina, mandefitra; endrikendrehina, milefaka;
mova tsy izahay iny no fakon’izao tontolo izao,
sy faditry ny olona rehetra, mandraka ankehitriny izao.
Tsy ny hampahamenatra anareo anefa no nanoratako an’izany,
fa ny hananatra anareo, toy ny zanako malalako.
Satria na dia ho iray alina aza ny mpampianatra anareo ao amin’i Kristy,
dia tsy maro ray ianareo,
fa izaho ihany no niteraka anareo tamin’ny Evanjely ao amin’i Kristy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 144, 17-18. 19-20. 21
Marina amin’ny lalany rehetra ny Tompo,
ary tsara fo amin’ny asany rehetra!
Ny Tompo eo anilan’izay rehetra miantso Azy:
dia izay rehetra miantso Azy amim-pahamarinana.
Tanterahiny izay sitraky ny matahotra Azy;
henoiny ny tarainany, vonjeny izy ireo!
Ny Tompo miambina izay rehetra tia Azy
ny ratsy fanahy kosa, aringany avokoa!
Ny vavako hiteny fiderana ny Tompo;
ny nofo rehetra hisaotra ny Anarany Masina!
Isaorana ny Tompo! Isaorana ny Anarany:
mandrakizay, mandrakizay!
Aleloia. Aleloia.
Asehoy ahy, ry Tompo ny lalanao, ary tariho amin’ny lala-mahitsy aho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 1-5)
Indray Sabata, raha nandeha namaky ny tanimbary i Jesoa,
dia nioty salohim-bary ny mpianany, ka nohaniny nony efa nokosokosohiny tamin’ny tanany.
Dia hoy ny Farisianina sasany taminy:
“Nahoana ianareo no manao ny tsy fanao amin’ny Sabata?”
Ary i Jesoa namaly azy hoe:
“Tsy novakinareo va izay nataon’i Davida raha noana izy mbamin’izay nanaraka azy,
fa niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy ka naka ny mofo alahatra,
dia nihinana izany sy nanome izay nanaraka azy koa,
nefa tsy misy mahazo mihinana azy afa-tsy ny mpisorona ihany?”
Sady nampiany hoe:
“Ny Zanak’Olona no tompon’ny Sabata.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (1 Kôr. 4, 1-5)
Ry kristianina havana, aoka hataon’ny olona ho mpandraharahan’i Kristy izahay,
sy mpitandrina ny misterin’Andriamanitra.
Ary raha mpitandrim-pananana, dia ny ho samy mahatoky no ilaina indrindra.
Raha ny amiko, dia tsy mampaninona ahy na hotsarainareo aho, na hotsarain’ny andron’ny olona;
fa na izaho aza tsy mitsara tena.
Satria tsy hitako izay tsiniko nefa tsy mahamarina ahy izany,
fa ny Tompo no mpitsara ahy.
Noho izany, aza mitsara alohan’ny fotoana, dia mandra-pahatongan’ny Tompo;
fa Izy no hampiharihary ny zavatra takona ao amin’ny maizina,
ka hampiseho ny hevitry ny fo,
ary amin’izay vao samy hahazo izay dera tandrifin’azy tsirairay avy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 36, 3-4. 5-6. 27-28. 39-40
Miantehera amin’ny Tompo, manaova ny tsara;
monena amin’ny tany; miraota amin-toky.
Eny, ny Tompo no iravoy:
dia homeny anao izay irin’ny fonao.
Ankino amin’ny Tompo ny lalanao;
miantehera aminy: fa Izy no hanao;
ny fanananao ny rariny ho mazava atsinanana;
ny fahamarinanao ho mitataovovonana.
Halaviro ny ratsy, ataovy ny tsara,
raha tahiny te-haharitra mandrakizay.
Fa ny Tompo dia tia ny rariny,
ka tsy mandao ny mpivavaka aminy.
Ny famonjena ny olo-marina dia avy amin’ny Tompo;
fa Izy no màndany amin’ny andro fahoriana.
Ny Tompo mitahy sy manafaka azy,
manafaka azy amin’ny ratsy fanahy.
Aleloia. Aleloia.
Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 5, 33-39)
Tamin’izany andro izany,
ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna dia nanontany an’i Jesoa nanao hoe:
“Nahoana ny mpianatr’i Joany sy ny an’ny Farisianina no mifady hanina matetika sy mivavaka lalandava,
fa ny anao kosa mihinana sy misotro ihany?”
Ary hoy Izy tamin’izy ireo:
“Moa ianareo mahazo mampifady hanina ny zatovon’ny mpampakatra,
raha mbola eo aminy koa ny mpampakatra?
Fa ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra aminy,
ka amin’izay vao hifady hanina izy ireo.”
Dia nanao fanoharana taminy indray Izy nanao hoe:
“Tsy misy olona manampina lamba tonta amin’ny tapa-damba nalaina tamin’ny vaovao,
fa raha izany, ny vaovao moa rovitra, ny tonta koa tsy hifanendrika amin’ny tapa-damba vaovao.
Tsy misy manisy divay vaovao amin’ny siny hoditra tonta koa,
fa raha izany dia ho simban’ny divay vaovao ny siny hoditra ka ny divay moa raraka, ny siny hoditra koa very maina;
fa siny hoditra vaovao no tokony hasiana ny divay vaovao, dia samy haharitra izy roroa.
Ary tsy misy olona vao avy nisotro divay tranainy ka hangataka ny vaovao,
satria hoy izy hoe: ‘Ny tranainy no tsaratsara kokoa.’”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco