Bokin’i Daniely Mpaminany (Dan. 7, 13-14)
Nijery tamin’ny fahitana amin’ny alina aho,
ka indro nisy toy ny Zanak’olona tamy, teny ambonin’ny rahon’ny lanitra;
nandroso Izy nankeo amin’ilay Anti-dahy, ka nentina ho eo anatrehany;
dia nomena Azy ny fahefana sy ny voninahitra, amam-panjakana,
ary nanompo Azy avokoa ny vahoaka amam-pirenena sy ny samihafa fiteny rehetra.
Fahefana mandrakizay tsy manam-pahataperana ny fahefany,
ary tsy ho levona na oviana na oviana ny Fanjakany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 92, 1ab. 1d-2. 4. 5
Manjaka ny Tompo, mitafy fiandrianana;
ny Tompo mitafy sy misikina hery
izao rehetra izao nataony mafy orina,
tsy mba hihontsona rahoviana.
Ny fiketrahanao mijoro hatrizay,
Ianao moa efa hatramin’ny mandrakizay.
Tompo ô, ny ony manandratra,
ny ony manandratra ny feony:
Ny ony manandratra ny firohondrohony.
Mihoatra ny feon’ny rano anefa,
mihoatra ny onjan-driaka marevaka:
marevaka ny Tompo ao ambony ao.
Ny fiketrahanao, ry Tompo, mafy orina;
ary ireo masina no an-tranonao
midera Anao amin’ny taona mifandimby.
Boky Fanambaràna nosoratan’i Masindahy Joany Apôstôly (Apok. 1, 5-8)
Homba anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’i Jesoa Kristy
Ilay vavolombelona mahatoky, Lahy matoa amin’ny maty,
ary Filohan’ny mpanjakan’ny tany.
Ho an’Ilay tia antsika anie, ka nanasa ny otantsika tamin’ny Rany,
sy nanao antsika ho fanjakana ama-mpisoron’Andriamanitra Rainy,
eny, ho Azy anie ny voninahitra amam-pahefana mandrakizay. Amen.
Indro Izy avy, eo amin’ny rahona, ka hahita Azy ny maso rehetra,
na dia ny an’ireo nandefona Azy aza;
ary handòn-tratra ny firenena rehetra ambonin’ny tany amin’ny fahitana Azy.
Eny. Amen. Izaho no Alfà sy Omegà, fiandohana sy fiafarana,
hoy ny Tompo Andriamanitra,
dia Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, mahefa ny zavatra rehetra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo, hosoavina anie ny fanjakan’i Davida Raintsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 18, 33b-37)
Tamin’izany andro izany, dia niteny tamin’i Jesoa i Pilaty nanao hoe:
“Moa Mpanjakan’ny Jody va Ianao?”
Jesoa namaly hoe:
“Anao samy irery izany teny izany,
sa an’olon-kafa nilaza Ahy taminao?”
Dia namaly i Pilaty nanao hoe:
“Fa izaho angaha Jody?
Ny firenenao sy ny mpisoronao no nanolotra Anao tamiko,
ka inona no nataonao?”
Jesoa namaly hoe:
“Tsy anisan’izao tontolo izao ny Fanjakako;
fa raha anisan’izao tontolo izao ny Fanjakako, dia ho niady ny oloko,
ka tsy ho voarain’ny Jody Aho;
fa tsy anisan’izao tontolo izao ny Fanjakako”.
Dia hoy i Pilaty taminy:
“Koa Mpanjaka izany Ianao?”
Ary novalian’i Jesoa hoe:
“Efa voalazanao: Mpanjaka Aho.
Teraka Aho, sy tonga taty an-tany mba hanambara ny marina,
ka izay rehetra mpanaraka ny marina, dia mihaino ny feoko”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Mirona kokoa amin'ny fotoam-pifidianana Ben'ny Tanàna sy mpanolontsaina ny sain'ny Malagasy amin'ny ankapobeny. Raha tiana hatezana ny fiaraha-miasa dia tsy maintsy asongadina ny fifampitokisana, ny fandalàna ny fahamarinana, ireo miorina amin'ny fifankatiavana no miteraka fifandrasiana tsara rindra. Ny tena safidy marina dia izay manome tombony ny "soa" sy "mampivelatra" fa tsy ny mihanona amin'ny "mahafinaritra" fotsiny. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny kristianina dia manana ny finoana fa rehefa tapitra ny fiainan'ny nofo dia misy ny fiainan'ny fanahy ao aorian'ny fahafatesana. Tsy avy dia sambatra anefa ny fanahy raha toa ka mbola misy pentina, noho izany tsy maintsy midio. Araka ny lovam-panahy ao amin'ny fampianaran'ny Eglizy dia misy ny afo fandiovana. Volana novambra isika izao ka ity volana ity dia nantsoina hoe volan'ny fanahy ao amin'ny afo fandiovana. Ilaina araka izany ny mitondra am-bavaka ny fanahin'ireo havantsika efa nodimandry mba hampitony azy ireo sy mba hanampy antsika izay mbola velona ihany koa. Misy ny fizarana sy ny fampianaran'ireo Olomasina sy ny vavaka azo hatao mahakasika izay afo fandiovana izay.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco