♦ Samy nodidin'ny HCC hiala tsy ho parlemantera intsony na ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa, na Razafimahefa Herimanana izay Filohan'ny Antenimieran-doholona teo aloha... ♦ Nampita hafatra ankolaka ho an'ireo nitsikera ny tolom-bahoaka eto amin'ny firenena ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina nandritra ny fahatsiarovana ny tolom-panafahana 1947... ♦ Miaina anaty rano ny any Ambilobe vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza, miantso vonjy ankoatra izay ireo mponin'i Toamasina izay milomano anaty rano... ♦ Tamin'ny alalan'ny fahita-lavitra no nanarahan'ny Papa François ny lalan'ny Hazofijaliana omaly Zoma Masina...
Ny fandresena ny fahantrana sy ny fikarohana ny fitsaboana ary ny fanampiana ny ray aman-dreny no ilaina hamafisina, aoka hanangana tontolom-piainana miaro ny aina amin'ny alalan'ny soatoavina Malagasy fototra dia ny fihavanana. Misaotra an'ireo fikambanana miaro sy manampy ny ray aman-dreny mitondra vohoka isika ka hanampy azy ireo handray am-pitokiana ilay fanomezana kely vaovao dia ny zaza hateraka. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa.
Tsimok'aretina anisan’ny miparitaka be indrindra eto Madagasikara ny VIH/SIDA amin’izao fotoana. Tanora maro ary tsy mifidy saranga no voan’ity aretina ity. Antony iray mahatonga ny firoboroboany be loatra ny fivoaran’ny teknôlôjia sy ny fiparihan'ny zava-madomelina eto amintsika. Ny fandaharana dia hiarahana amin’ny Taranaka Sambatra sy ny Centre Arrupe Madagascar. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco.
Reny sy mpampianatra ny Eglizy ka adidiny ny mikolokolo sy mikarakara ny zanany rehetra na lehibe na kely na mbola any am-bohoka, mpampianatra sy mpaminany ka tsy mitsahatra manoro ny marina na amin'ny fotoana na tsy amin'ny fotoana, ary ny marina dia i Kristy. Izy no maha olon'afaka antsika (Jo 17, 17). Reny natao hamelona ny olom-pirenena sy ny vahoaka ny mpitondra firenena, manana adidy hiaro ny aina. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa.
Manana ny anjara toerany amin’ny fihariana sy ny toekarena eny ambanivohitra ny fiompiana sy ny famokarana tantely. Manodidina 10.300 ny isan’ny mpiompy araka ny tarehimarika tamin’ny taona 2012, ary nisy zanatohatra tantely iray hetsy teo ho eo kosa nanerana an’i Madagasikara. Miovaova ny lanjan’ny vokatra nahondran’i Madagasikara.
♦ Nampahatsiahy ny maha zava-dehibe ny fanosorana maha pretra, ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Raoelison Jean de Dieu, nandritra ny Sorona Masina fanamasinana menaka, teto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, teny amin'ny EKAR Antanimena... ♦ Mihena hatrany ny herin'ilay rivodoza Gamane, any amin'ny tapany avaratry ny nosy. Betsaka ny fahasimban'ny fotodrafitrasa naterany. Tanàna maro no dibo-drano ao amin'ny Faritra Sava sy Diana ary Analanjirofo...
Ao anatin'ny Herinandro Masina dia tokony hanana ny lanjany ny fanantenana sy ny famonjena, izay mifanaraka tsara amin'ny loha-hevitry ny fandaharana teo aloha. Ny fifananjana dia miainga amin'ny fomba fiankanjo, fiteny. Ny fifampitokisana no mitondra eo amin'ny fahamarinana mitarika fifankatiavana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Resahina be ankehitriny ny hoe famerana isan-jaza, fanabeazana aizana ; mila mitandrina anefa fa amin'ny ireny fomba fanabeazana aizana ireny dia misy amin'izy ireny tsy hoe manakana ny tsirinaina lahy sy vavy fa ilay efa mitsaika no potehin'ilay fomba dia mivoaka ilay zaza. Ny toe-tsaina ankehitriny vokatry ny fanatontoloana no mamporisika ny olona hanala zaza. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa.
♦ Miisa 891 ireo Pachypodium na Vontaka tratra tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato, saika hahondra an-tsokosoko any ivelany... ♦ Very hasina ny fierenena no sady afa-baraka, hoy ny Fikambanan'ny Zanaky ny Faritra Atsimo Atsinanana, manoloana ny antsojay mihatra amin'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena amin'izao... ♦ Nahazo ivon-toerana "Centre Bébé Kangourou", hikarakarana manokana ireo zaza teraka tsy tonga volana sy tsy ampy lanja, ny hôpitaly eny Anosy Avaratra, Antananarivo Avaradrano...
♦ Mbola nitoetra ao amin'ny Kaominina Ampisikinana, Distrikan'i Vohemar, ilay Cyclone Tropical Gamane, tamin'ny 9 ora maraina teo. Mihatra hatrany ny filazana loza mitatao ho an'ny Faritra Diana sy Sava, na dia mihena aza ny heriny... ♦ Nisokatra androany ary haharitra 12 andro ny fandraisana ny antotantaratasy firotsahan-ko fidiana ho Solombavam-bahoaka... ♦ Hanao hetsika fanentanana hiantohana ny Paka hieren-doza amin'ity taona ity, ny fitantanana ankapoben'ny fiarovana ny loza an-dalambe na ny DSGR. Hiasa avokoa ireo ivon-toerana fitsarana fiarakodia manerana ny nosy, amin'ny faran'ny herinandro izao...
♦ Hipaka anio ao amin'ny morontsirak'i Sava, amin'ny tanjaka Cyclone Tropical, ilay rivodoza Gamane niforona tao amin'ny Ranomasimbe Indiana... ♦ Manentana ny tsirairay handray andraikitra amin'ny fiainam-pirenena amin'ny maha olom-pirenena ny FFKM, amin'ny fifidianana ho avy. Isan'izany ny fijerena sy ny fanamarinana ny anarana ao anatin'ny lisitry ny mpifidy... ♦ Tsy mandray anjara araka ny tokony ho izy amin'ny fitomboan'ny arin-karena faobe sy ny fampihenana ny tahan'ny fahantrana, ny firafitry ny tanan-dehibe eto Madagasikara, araka ny fanadihadiana nataon'ny Banky Iraisam-pirenena...
Ny zoma 29 marsa no fahatrsiarovana ny tolom-panafahana ny Malagasy. Manana anjara toerana lehibe ny vehivavy manoloana ny tolom-panafahana sy ny fitiavana tanindrazana. Tanjona ny hampahafantarana ny zava-nisy tamin'izany taona 1947 izany, ary manana adidy amin'izany ny vehivavy satria koa ny ao an-tokantrano no hiantombohan'ny fanabeazana ny taranaka. Nanomboka ny 6 Aogositra 1896 dia lasa zanan-tany frantsay isika. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco