I Jesoa Kristy no Mpiandry ondry mandrakizay ary izy no lohan'ny Eglizy. Nifidy ny Apôstôly Izy ho mpiandry ondry hiara-hiasa aminy ary nirahiny ho an'ny amin'ny vazan-tany eran'izao tontolo izao. Ny Papa sy ny Eveka ihany no antsoina hoe Mpiandry ondry fa ny sisa rehetra dia mpiara-miasa amin'izy ireo avokoa. Rafitra an-tanan-tohotra "hierarchique" ny ao amin'ny Eglizy Katôlika fa tsy demôkratika... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
• Nihaona teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha androany ny Filoham-pirenena Malagasy Andry Rajoelina sy ny Filohan'i Slovenie Natasa Pirc Musar. Nisongadina nandritra izany fa mifototra amin'ny lafin-javatra telo lehibe ny fiaraha-miasa eo amin'ny tany roa tonta... • Tsy mifanaraka amin'ny fiainam-bahoaka ireo fepetra raisin'ny mpitondra ankehitriny hoy ny MMM. Takian'ity antoko ity ny hisian'ny fanitsiana ny teti-bolam-panjakana mba hifanaraka amin'ny zava-misy eto amin'ny firenena... • Mandray anjara amin'ny fanamarihana ny andron'ny 5 jona, andro maneran-tany ho an'ny tontolo iainana, ny Fikambanan'ny Mpanao Gazety mikirakira ny tontolo iainana na ny AJE...
♦ Noraisin'ny filoha Malagasy teny Iavoloha ny filoha Slôveniana Natasa Pirc Musar ny antoandro teo. Andrasana ny mety ho fehin-kevitry ny roa tonta, amin'izao fihaonana izao... ♦ Mbola tsy ampy 160.000 taonina isan-taona, tsy fahampiana ny famokarana trondro eto Madagasikara. Mamporisika ny rehetra hiditra amin'ity sehatra ity ny Ministeran'ny jono... ♦ I Sainte Marie no mandray ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho an'ny tontolo iainana. Fanamby napetraka ny haha-môdely amin'ny nosy tsy misy fako plastika ny any an-toerana... ♦ Hiatrika fifidianana filoham-pirenena ny any Korea-Atsimo, miisa 3 ireo kandidà hifaninana amin'izany...
♦ Nigadona eto Madagasikara tamin'ny alina teo ny filoham-pirenena Slovenie, Ramatoa Natasa Pirc Musar. Hanao fitsidihana ara-panjakàna eto Madagasikara izy, manomboka anio... ♦ Miantso ny fitondram-panjakàna hitondra fanazavana momba ilay fifanarahana miaraka, hamokarana herinaratra nolazain'ny filoha tany Dubai ny Antoko TIM... ♦ Andro tsy fiasàna nefa handraisana karama ny amin'ny zomba 6 jona izao, araka ny fampitam-baovao avy amin'ny Ministeran'ny Asa... ♦ Voafidy ho filoham-pirenena vaovao any Pologne Andriamatoa Karol Nawrocki, kandidàn'ny Antoko nationaliste...
Anisan'ny tena mampiavaka ny Eglizy Katôlika izay manana ny toetrany manokana (iray, masina, katôlika, apôstôlika) ny fananany rafitra maty paika sady matotra ka ijoroany hatrany am-piandohana hatramin'ny namoronan'i Kristy azy tamin'ny Apôstôly dia i Piera no filohany sy ireo dimbiny mandrak'ankehitriny. Ny Eglizy dia fiombonan'ny vahoakan'Andriamanitra, handraisana famonjena... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
• Niditra an-tsehatra, ary niantso fitoniana manoloana ny fanoherana ny fanendrena Sefo Fokontany nitranga tao amin'ny Distrikan'i Vohipeno, ny Préfet an'i Manakara... • Miatrika ny fanadinana BEPC Katolika nanomboka androany, ny mpianatry ny Sekoly Katolika ambaratonga faharoa, avy amin'ny Diosezy 22 manerana ny nosy... • Nahitana fihenana hatrany amin'ny 20 % ny vokatra lojy mainty maso, ho an'ny Faritra Boeny...
♦ Raikitra ny fisamboran'Olom-pirenena maneho hevitra amin'ny Onjam-peo ao Vohipeno ny sabotsy teo. Resaka fanoherana fanoloana lehiben'ny Fokontany no anton'izany... ♦ Tokony atao ara-dalàna, raha tian'ny filoha handray anjara amin'ny fitantanana firenena ny zanany, hoy ny Pasteur Edouard Tsarahame... ♦ Nosokafana ny maraina teo ny fanamarihana ny fetim-pirenena. Mitaky fandavan-tena sy fitiavan-tanindrazana ny asa fampandrosoana hoy ny filoham-pirenena, nanatrika izany lanonana izany... ♦ Mahazo vahana indray ny fifindrà-monina antsokosoko avy any Frantsa mankany Royaume-Uni, maherin'ny 1.100 ireo mpifindra-monina...
Hanamarika ny andro maneran-tany ho an'ny tontolo iainana isika amin'ity herinandro ity. Ny 5 jiona izao ny marimarina kokoa, ary fanamarihana faha – 52, araka ny nametrahan'ny Firenena Mikambana azy ny taona 1973. 52 taona ‘zany izay no nivoizana foana fa tokony arovana ny tontolo iainana. Fotoana iray ny isaky ny 5 jiona, ahafahana manentana ny rehetra hiaro ny tontolo misy antsika. Anisan’ny loza mitatao ankehitriny ny fako plastika. Miompana amin'izany rahateo ny fanentanana ho an’ny andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana amin’ity taona ity. Mamotika ny rohy Voahary an-tanety sy an-dranomasina izy ireny. Mihena ny vokatra ara-pambolena, noho ny fiparitahany.
♦ Nomarihina omaly ny andro maneran-tany faha-59 ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Nampita hafatra ny eo anivon'ny FFKM omaly, nandritra ny fanokafana ny fanamarihana ny faha-45 taona. Hafatra mifantoka amin'ny zava-misy iainana ankehitriny eto amin'ny firenena... ♦ Niova indray nanomboka ny faran'ny herinandro teo ny vidin-tsolika. Fiovaovàna toy ny efa hita nanomboka tamin'ity fiandohan'ity taona ity, ho fampiharana ny fanitsiana ny vidiny eo amin'ny tsena iraisam-pirenena... ♦ Olona 31 no namoy ny ainy, any Rafah, avaratr'i Gaza, omaly Alahady, nisy tifitra tampoka niantefa tamina olona an'arivony...
Ao amin'ny Eglizy Katôlika, orthodoxe, anglikana ary ireo tatsinanana tsy katôlika dia misy Eveka avokoa ary izy ireny dia heverina ho toy ny dimbin'ireo Apôstôly 12 izay vato fototra nanorenan'i Kristy ny Eglizy. Taorian'ny Pantekôty dia nanomboka nitory ny Evanjely amin'izao tontolo izao izy ireny ary niombona teo ambany fitarihan'i Piera araka ny nanendren'i Kristy azy ho filohany... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
♦ Loha-laharana amin'ny lentan'ny fanabeazana eto Madagasikara ny mpianatra mivoaka amin'ny sekoly katôlika ka mila tazomina izany, amin'ny fanomezana fiofanana ireo mpampianatra... ♦ Mila vola hatrany amin'ny 300 tapitrisa Dôlara ny fanatanterahana Tondro-zotra ho an'ny jono sy ny toe-karena manga eto Madagasikara... ♦ Manao antso ho an'ny Fanjakàna hametraka pôlitika fanaraha-maso ny fanajàna ny lalàna voavao mifehy ny asa ny sendikan'ny mpiasa FISEMARE. Mila hajaina sy hampiharina izay voalazan'ny fehezan-dalàna hoy izy ireo... ♦ Ady any Gaza : Tsy maintsy manaiky ny fifanarahana hampitsahatra ny ady i Israely sy Hamas...
Ny Fiakarana, andro voadidy hohamasinina, dia 10 andro mialohan'ny pantekôty, andro nirotsahan'ny Fanahy Masina. Ny Diakra dia afaka mitso-drano ny ireo miroso amin'ny fandraisana ny Sakramenta Batemy sy ny Sakramenta Mariazy, raha toa ka mahazo alalana avy amin'ny Eveka na ny Pretra tompom-paritany. Ireo "Ministre ordinaire"-ny Sakramenta dia ny Eveka, ny Pretra ary ny Diakra... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco