Bokin’i Joely Mpaminany (Joel. 1, 13-15 ; 2, 1-2)
Mietrà, mitolokoa, ianareo mpisorona;
midradradradrà ianareo mpanao fanompoana momba ny ôtely!
Avia hiari-tory mitafy lasàka, ianareo mpandraharahan’Andriamanitro,
fa ny fanatitra amam-panatitra araraka
dia voatana lavitra ny tranon’Andriamanitrareo.
Miantsoa fifadian-kanina;
mamoria fiangonana;
vorio ny loholona,
izay rehetra monina amin’ny tany,
ao an-tranon’ny Tompo Andriamanitrareo,
ka mitaraina amin’ny Tompo hoe:
“Indrisy itý andro itý!”
fa efa antomotra ny andron’ny Tompo!
Tamy toy ny fandravana avy amin’ny Tsitoha!
Tsofy ao Siôna ny anjomara;
ary ampanenoy ao an-tendrombohitro masina ny trômpetra.
Ary aoka hangovitra ny mponina rehetra amin’ny tany,
fa tonga ny andron’ny Tompo, fa efa antomotra!
Andro maizina sy manjombona,
andro mandrahona sy manjavona mainty!
Toy ny fahazavan’ny maraina, manerana ny tendrombohitra,
no iavian’itý firenena maro sady mahery,
tsy mbola nisy toy izany hatrizay hatrizay,
ary tsy hisy toy izany any aoriana any,
hatramin’izay taon-ko avy amin’ny andro mbola ho ela indrindra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 9, 2-3. 6 sy 16. 8-9
Midera ny Tompo amin’ny foko tontolo aho,
mitanisa ny asanao mahagaga rehetra,
mifaly sy miravo ao aminao,
miantsa ny Anaranao, ry Avo indrindra!
Faizinao ireo firenena; aringanao ny olon-dratsy;
ny anarany kosehinao ho faty mandrakizay!
Ireo firenena lavo an-kady nohadìna;
ny tongony, voasingotry ny harato nafenina.
He! jereo: mitoetra ny Tompon’izao rehetra izao;
mijoro ny Fiketraham-pitsarany:
mitsara an’izao tontolo izao ara-drariny Izy,
sy mifehy ny vahoaka araka ny hitsiny.
Aleloia. Aleloia.
I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no nanafoana ny fahafatesana sy nanambara ny fiainana tamin’ny Evanjely.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 15-26)
Tamin’izany andro izany,
rahefa avy nandroaka demony i Jesoa,
dia niteny ny sasany tamin’izay teo nanao hoe:
“I Belzeboba lehiben’ny demony
no androahany ny demony.”
Ary ny sasany kosa naka fanahy Azy
ka nangataka famantarana avy any an-danitra taminy.
Fa i Jesoa nahalala ny heviny ka nanao taminy hoe:
“Rava izay fanjakana miady an-trano;
mianjera mifanongoa ny trano;
ka raha miady an-trano àry i Satana,
ahoana no haharetan’ny fanjakany?
satria lazainareo fa i Belzeboba
no androahako ny demony.
Ary raha amin’ny herin’i Belzeboba àry no androahako ny demony,
amin’ny herin’iza kosa no androahan’ny zanakareo azy?
Koa izy ireo ihany no ho mpitsara anareo.
Fa raha ny rantsan-tanan’Andriamanitra
no androahako ny demony
dia efa tonga aminareo tokoa ny fanjakan’Andriamanitra.
Raha lehilahy matanjaka sy àry fiadiana tsara
no miambina ny tranony,
dia voaaro ny fananany rehetra;
fa raha tonga kosa ny mahery noho izy, ka mandresy azy,
dia sady hahalasa ny fiadiany rehetra izay nitokiany
no hizara izay nobaboiny.
Izay tsy momba Ahy, dia manohitra Ahy,
ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka.Raha mivoaka amin’ny olona ny fanahy maloto,
dia mandehandeha mitady fialan-tsasatra
eny amin’ny tanety maina izy,
ka nony tsy mahita dia manao hoe:‘Hody any an-tranoko izay nivoahako aho.’
Ary nony tonga izy dia mahita azy voadio sy voaravaka,
ka mandeha maka fanahy fito ratsiratsy kokoa noho izy,
dia miditra ireo ka mitoetra eo.
Ary ny faran’izany olona izany
dia tonga ratsiratsy kokoa noho ny voalohany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Ny fanagasiana dia tsy tamin'ny taona 1972 no niaingany fa efa taona maro talohan'izay ; ara-tantara dia tamin'ny taon-jato faha-XIV, noho ny fifandraisana marolafy nisy sy tsy maintsy natao toy ny varotra sy ny asa fivelomana nifototra tamin'ny fihazana hazandrano. Ireo teny nifandraisana tamin'ireo vahiny maro nifanerasera tamintsika Malagasy dia maro no nampiarana ny fanagasiana eo ny teny Sanskrit, Bantous, Swahili, Anglisy sy Frantsay. Araka ny lalan-tsaina noentin'ny Mpanoratra, Mpampianatra, Akademisianina. Andriamalala Emilson Daniel Tsiferana dia misy lafiny telo no afahana mihatrika ny fanagasiana dia ny ara-toe-tsaina, ara-pampianarana, ary farany ara-toe-karena...
12 ôktôbra 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 5-13)
Bokin’i Malakia Mpaminany (Malak. 3, 13-20a)
Mafy loatra ny teninareo mamely Ahy, hoy ny Tompo.
Ary hoy ianareo:
“Inona no resakay momba Anao?”
Izao no nolazainareo:
“Zava-poana ny manompo an’Andriamanitra;
inona no soa azontsika tamin’ny fitandremana ny didiny
sy tamin’ny fandehanana niory teo anatrehan’ny Tompon’ny tafika?
Fa ankehitriny indro ny tsy mivavaka no lazaintsika hoe: sambatra;
fa ambinina izay manao ny ratsy;
maka fanahy an’Andriamanitra izy, nefa afa-potsiny.”
Tamin’izany, izay natahotra an’Andriamanitra,
dia samy niresaka tamin’ny namany avy.
Ary ny Tompo kosa nihaino ka nahare Izy;
ary nisy boky fahatsiarovana nosoratana teo anatrehany,
ho an’ireo matahotra ny Tompo sy manaja ny Anarany.
Amin’ny andro efa omaniko, hoy ny Tompon’ny tafika,
ho raki-tsoa manokana ho Ahy ireo,
ary ho feno fitiavana azy Aho
ho toy ny mahafeno fitiavana ny olona amin’ny zanany manompo azy.
Ka dia ho hitanareo indray,
ny tsy fitovian’ny marina sy ny ratsy fanahy,
ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy.
Fa indro avy ny andro, mivaivay toy ny memy.
Ny mpiavonavona rehetra, sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho mololo,
ary ny andro izay ho avy no handoro azy, hoy ny Tompon’ny tafika,
ka tsy hasiany miangana na ny fakany na ny rantsany.
Fa ianareo kosa izay matahotra ny Anarako,
dia hiposahan’ny Masoandron’ny fahamarinana,
ka ho ao amin’ny tana-masoandrony ny fanasitranana.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 1, 1-2. 3. 4 sy 6
Endrey ny hasambaran’ny olona tsy manaraka ny hevitry ny ratsy fanahy,
tsy mandeha amin’ny Lalan’ny mpanota na monina amin’ny fonenan’ny mpaneso;
fa ny Lalàn’ny Tompo no sitrany;
ny Lalàny no saininy andro aman’alina!
Toy ny hazo maniry amoron-drano velona izy:
mamokatra ara-potoana, tsy malazo ravina;
izay rehetra ataony
mahomby avokoa!
Tsy mba toy izany ny ratsy fanahy:
fa mova tsy akofa paohin-drivotra!
Fa ny lalan’ny olo-marina, fantatry ny Tompo;
ny lalan’ny mpanota kosa mamery.
Aleloia. Aleloia.
Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 5-13)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Raha misy aminareo manan-tsakaiza
mankao aminy misasaka alina ka manao aminy hoe:‘Ry sakaiza,
ampisambory mofo telo aho,
fa misy sakaizako nandeha nivahiny ka tonga ao amiko,
nefa tsy manan-katolotra azy aho’,ary ilay tompon-trano kosa hamaly ka hanao hoe:
‘Aza manahirana ahy, fa ny varavarana efa mihidy;
izaho sy ny zanako efa tafandry
ka tsy afaka hifoha hanome anao aho.’Lazaiko aminareo,
fa raha maharitra mandondòna izy,
na dia tsy hifoha hanome azy noho ny fisakaizany aza ilay ao an-trano,
dia hifoha hanome izay ilainy noho ny fanaovany lemozy.
Ary hoy Izaho aminareo:
Mangataha, dia homena ianareo;
mitadiava, dia hahita;
mandondòna, dia hovohàna.
Fa izay rehetra mangataka no mahazo;
izay mitady no mahita,
ary izay mandondòna no vohàna.
Iza aminareo no ray hanome vato ny zanany,
raha mofo no angatahiny,
na hanome bibilava azy,
raha hazandrano no angatahiny,
na hanome maingoka azy,
raha atody no angatahiny?
Koa raha ianareo,
na dia ratsy toy inona aza,
mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo,
tsy mainka va ny Rainareo izay any an-danitra
no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy?”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Hanohy ny hetsika diabe am-pilaminana hatrany ny vondron'ireo kandidà ho filoham-pirenena anio. Tsy azo ekena ny hanomezana ny fahefana amin'ireo olom-bitsy hoy ny kandidà Andry Rajoelina... ♦ Hitohy anio ny fampihaonana tarihan'ny FFKM izay iarahany amin'ireo solotenan'ireo kandidà... ♦ Noho ny antony tsy miankina taminy indray no tsy nandraisany ny fahefana hoy ny filohan'ny Antenimieran-doholona Herimanana Razafimahefa... ♦ Maherin'ny 1.100 ireo maty vokatry ny fifandonana teo amin'i Hamas an'i Israely. Efa mihoatra ny 2.000 isa ireo naratra...
Ny aretina "drépanocytose" dia vokatry ny tsy fahatomombanan'ny sela mena ao anatin'ny vatan'ny olombelona iray. Ny olona mararin'ny "drépanocytose" no atao hoe "drépanocytaire". Ny manam-pahaizana manokana afaka mandray io aretina io dia ny sampandraharaha "hématologie". Ny endriky ny sela mena ho an'ny olona mararin'ny "drépanocytose" dia sahala amin'ny ila volana, fa tsy boribory ary mafy sy henjana ka misy fahasarotana ny hikorinan'ny ao anaty lalan-dra. Ny "drépanocytose" dia manaranaka ; 10% amin'ny malagasy no "drépanocytaire"...
♦ Efa raikitra ny fisamboran'olona ataon'ny mpitandro ny filaminana eny Ankazomanga sy ny manodidina nanomboka tamin'ny 11 ora sy 30 antoandro... ♦ Misy indray ny dinika fikatsaham-bahaolana tarihin'ny FFKM nanomboka ny antoandro teo, manoloana ny toe-draharaham-pirenena. Ireo solontena roa avy isaky ny kandidà no miatrika izany eny Ampandrana amin'izao ora izao... ♦ Efa voafehy ilay valan'aretina pesta nahafatesan'olona tany Ambohitsoa, Distrika Ankazobe. Hanazava ny momba izay eto ny solombavambahoaka voafidy tany an-toerana... ♦ Maty voatifitra vokatry ny savorovoro nitranga tao amin'ny fonja nitazomana azy tany Equateur ireo voafonja 6, voarohirohy tamin'ny famonoana ny kandidà ho filoham-pirenena...
♦ Milaza ho efa mahita loharano hizorana amin'ny dinika eto amin'ny firenena ny FFKM. Anjaran'ny CENI ihany no afaka mamory ireo mpanao pôlitika hoy koa ny Praiministry ny governemanta ifarimbonana Ntsay Christian... ♦ Hitohy anio indray ny fidinana an-dalambe hataon'ny vondron'ireo kandidà. Nisongadina omaly ny tsy fisian'ny fandatsahana baomba mandatsa-dranomaso avy amin'ny mpitandron'ny filaminana... ♦ Mihenjan-droa ny tady eo amin'Andriamatoa Raobelina Andry sy ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena manoloana ny fanapahana ny fifanarahana hampiasa ny Plazza eny Ampefiloha... ♦ Nosantarina nanomboka omaly ny fampodiana ireo miaramila Frantsay any Niger...
♦ Andrasana indray izay mety hiseho ao an-drenivohitra anio, manoloana ny toe-draharaha pôlitika. Nanome alalana ireo Solombavambahoaka sy ny vondron'ny kandidà hanao hetsika eny Antsonjombe ny Prefet-n'Antananarivo... ♦ Mbola tsy navoaka eny Fiadanana hatramin'ny omaly ny sekretera jeneralin'ny antoko TIM. Nambaran'ireo mpisolo vava azy fa efa mihoatra ny fe-potoana 72 ora voalazan'ny lalàna, afahana mitazona azy eny Fiandanana... ♦ Nitondra fanazavàna ny MInistry ny Fitsaraàna androany momba ny raharaha hanenjehana ny sekretera jeneralin'ny antoko TIM. Tsy marina ny filazàna fa tsy misy mpitsara mety mandray an-tanàna ny fitsaràna azy, hoy ny ministra...
♦ Milaza ny hampitombo ny isan'ny vahoaka manao diabe miaraka aminy, sy hanitatra ny hetsika any amin'ny Faritra, ny vondron'ireo kandidà, manomboka rahampitso... ♦ Mbola tsy navoaka eny Fiadanana, efatra andro tao aorian'ny nisamborana azy, ny Sekretera Jeneralin'ny antoko TIM. Nambaran'ireo mpisolo vava azy, fa efa mihoatra ny fe-potoana 72 ora, voalazan'ny lalàna, ahafahana mitazona azy eny... ♦ Nitondra fanazavana ny Minisitry ny Fitsarana, momba ny raharaha hanenjehana ny Sekretera Jeneralin'ny antoko TIM. Tsy marina ny filazana, hoy izy, fa tsy misy mpitsara mety mandray ny fitsarana azy...
♦ Hanentanan’i Ray Masina François ho an’ity volana ôktôbra ity ny mba hivavahana ho an’ny Eglizy, ahafahany mandray ny fihainoana sy fifanalalozan-kevitra ho fomba fiaina amin’ny ambaratonga rehetra… ♦ Nihaona tamin’ireo lahika mpikatroka, pretra, relijiozy, seminarista, ny Arsevekan’ny Toliara… ♦ Ny Fanahy Masina no tompon’anjara voalohany amin’izao Sinaody izao ka mitondra ny fiainan’ny Eglizy hiroso hatrany, hoy ny Papa François, tamin’ny fanokafana ny Sinaodin’ny Eveka ny 4 ôktôbra 2023…
11 ôktôbra 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahafito ampy roapolo Mandavantaona — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 1-4)
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco