♦ Nizotra tamim-pilaminana amin'ny ankapobeny, ny andro voalohany tamin'ny fanadinam-panjakana BEPC. Heverina hivaly afaka tapa-bolana ny fanadinana, hoy ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena... ♦ Ho vita ao anatin'ny roa volana ny fotodrafitr'asa famatsiana rano fisotro madio, ho an'Anivorano Avaratra, any amin'ny Distrikan'Antsiranana II... ♦ Kara-tany faobe miisa 37000 no kendren'ny Tetikasa Tafita hozaraina amin'ity taona ity, eto Analamanga sy any Itasy, raha toa ka 14000 no efa voazara...
♦ Hibahan-toerana amin'ny vaovao entina amintsika izao ny akon'ny fanamasinana an'i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, ho Eveka Mpanampy ao amin'ny Diôsezin'i Morondava... ♦ Hafatra nentin'i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, mahakasika ny fandaminana amin'ny fisaorana an'i Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona sy ny fandraisana ny Arseveka vaovao...
Boky Jenezy (Jen. 21, 5. 8-20)
Efa zato taona i Abrahama tamin’ny nahaterahan’i Isaaka zanany.
Nihalehibe ny zaza dia notàzana.
Ary nanao fanasana lehibe i Abrahama tamin’ny andro nanotazana an’i Isaaka.
Ilay zanak’i Agara Ejipsianina naterany tamin’i Abrahama kosa,
hitan’i Sarà fa nihomehy, ka hoy izy tamin’i Abrahama:
“Roahy io andevovavy io sy ny zanany;
fa ny zanak’io andevovavy io
dia tsy mahazo miray lova amin’ny zanako,
amin’i Isaaka.”
Nampalahelo mafy an’i Abrahama izany teny izany,
noho ny amin’ny zanany.
Fa hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama:
“Aza atao mampalahelo anao ny amin’ny zaza sy ny andevovavinao,
fa na inona na inona angatahin’i Sarà, ekeo avokoa,
satria avy amin’i Isaaka no hiavian’ny taranaka hitondra ny anaranao.
Kanefa hotongaviko firenena ihany koa ny zanaky ny andevovavinao,
satria terakao izy.”
Dia nifoha maraina koa i Abrahama,
ka naka mofo sy rano eran’ny siny hoditra anankiray;
nomeny an’i Agara sy nataony teo an-tsorony ireo ary ny zaza koa,
dia nalefany izy.
Nandeha ravehivavy ka nirenireny tany an’efitr’i Bersabea tany.
Nony lany ny rano tamin’ilay siny hoditra,
dia nariany teo am-poto-kazo kely anankiray ny zaza;
ary lasa izy nipetraka lavidavitra tandrifiny
sahabo ho tra-tsipìka; fa hoy izy:
“Tsy tiako ny hahita ny hahafatesan’ny zaza.”
Koa nipetraka tandrifiny izy, dia nanandra-peo ary nitomany.
Andriamanitra nandre ny feon’ny zaza,
ka ny Anjelin’Andriamanitra tany an-danitra
dia niantso an’i Agara nanao hoe:
“Fa maninona izato ianao, ry Agara?
Aza matahotra fa efa henon’Andriamanitra ny feon’ny zaza,
ao amin’ny toerana misy azy.
Mitsangàna ianao, areno ny zaza, ka tantano izy;
fa hataoko firenena lehibe izy.”
Dia nampahiratin’Andriamanitra ny mason’i Agara,
nahita lavaka fantsakana izy,
ary nofenoiny rano tao ny siny hoditra,
dia nampisotroiny ny zaza.
Nomban’Andriamanitra ny zaza, ka nihalehibe;
ary nonina tany an’efitra izy,
sy tonga mpandefa tsipìka.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 33, 7-8. 10-11. 12-13
Itý ory: velona antso ka novalian’ny Tompo;
ny ahiahiny rehetra namonjeny azy.
Ny Anjeliny milasy manodidina
mba hamonjy izay matahotra ny Tompo.
Matahora ny Tompo ianareo masiny:
fa izay matahotra Azy tsy orin’inona.
Ny tremalahy no tonga mahantra sy noana;
izay mitady ny Tompo tsy orin-tsoa inona.
Avia, rey anaka, mihaino ahy
hampianariko ny tahotra ny Tompo!
Iza no olona mankamamy fiainana
sy maniry hahita andro mahasambatra?
Aleloia. Aleloia.
Andriamanitra nampihavana an’izao tontolo izao aminy indray tamin’ny alalan’i Kristy
sy nametraka indray ny teny fampihavanana tamintsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 8, 28-34)
Tamin’izany andro izany,
nony efa tonga teny am-pita tamin’ny tanin’ny Geraseny i Jesoa,
dia nisy lehilahy roa nidiran’ny demony,
nivoaka avy tamin’ny fasana, ka namantana taminy;
masiaka loatra izy ireo, ka tsy nisy sahy nihazo izany lalana izany.
Ary indreo izy niantso hoe:
“Mifampaninona izahay sy Ianao,
ry Jesoa Zanak’Andriamanitra?
Hampijaly anay alohan’ny fotoana va no nalehanao aty?”
Ary nisy kisoa betsaka iray dia, nihinana teny lavidavitra Azy teny,
ka nihanta tamin’i Jesoa ny demony nanao hoe:
“Raha dia roahinao hiala eto àry izahay,
mba alefaso amin’iretsy andian-kisoa iretsy.”
Ary hoy Izy taminy:
“Mandehana.”
Dia nivoaka ireo, ka niditra tamin’ny kisoa;
niaraka tamin’izay, nirifatra nivarina any anaty ranomasina ny kisoa rehetra,
ka maty tany anaty rano.
Ary nandositra ny mpiandry azy:
ka nony tonga tany an-tanàna, dia nilaza izany rehetra izany,
sy ny amin’ireo olona roa nidiran’ny demony.
Dia indreny ny mponina rehetra tao an-tanàna nivoaka nitsena an’i Jesoa,
ka nony nahita Azy, dia niangavy taminy mba hiala amin’ny faritaniny.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
4 jolay 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahatelo ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Fanahy sy fiainana ny teninao, ry Tompo; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 8, 23-27)
♦ Nilamina amin'ny ankapobeny ny tapakandro voalohany amin'ny BEPC... ♦ Miatra manomboka amin'ity alatsinainy ity ny antso nataon'ny sendika ivondronan'ireo teknisiana momba ny sarin-tany izay nanovo fahalalana tany Mantasoa. Antso amin'ny handraisan'ireo mpisehatra ity asa ity fepetra manoloana ny olana misy amin'ny tontolon'ny fandrefesan-tany ankehitriny... ♦ Andrasana rahampitso raha tsy misy ny fiovàna ny ho fanampahan-kevitry ny tendrom-pitsarana miady amin'ny kolikoly na ny PAC manoloana ilay vadin-tany nampidirina am-ponja vonjy maika any Mahajanga...
♦ Tontosa araka ny fomban'ny Eglizy, omaly alahady, ny fametrahana an'i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona ho Eveka Mpanampy ho an'ny Diôsezin'i Morondava... ♦ Maherin'ny 305.000 ny isan'ireo mpiadina BEPC manerana ny nosy. Hanomboka anio ary haharitra efatra andro ity fanadinam-panjakàna ity... ♦ Kandidà amin'ny fifidianana filoham-pirenena ho avy eo Andriamatoa Ravalomanana Marc, filoha mpanorina ny antoko Tiako i Madagasikara na ny TIM... ♦ Hihaona amin'ireo tompon'andraiki-panjakàna isan-tsokajiny ny filoha frantsay manomboka anio. Tanjona ny hamantarana ny antony niavian'ny herisetra ao Frantsa...
♦ Nifarana alina ny fivoriana ara-pototanan'ny andriam-panjakàna mpanao lalàna. Nanambara ny filohan'ny antenimieram-pirenena Razanamahasoa Christine nandritra ny lahateniny fa tsy avy amin'ny solombavambahoaka no tsy nahatanteraka ny fametraham-panontaniana tamin'ny govermanta... ♦ Tsy hanao sonia ilay fifanarahana ho an'ny fitondran-tenan'ny mpanao pôlitka novolavolain'ny FES ny antoko Humaniste Ecologiste... ♦ Tsy tokony hidiran'ny fitondram-panjakàna ny fanomezana ny fahazoan-dalana hanangona sy hanondrana lavanila hoy ny mpandraharaha iray avy any Antalaha Faritra Savà, Nassir Julien...
♦ Nandamoka ny fanonganana an'ireo mpikamban'ny birao maharitry ny antenimieram-pirenena miisa telo. Tsy nahatratra ny fetr'isa roa ampaha-telon'ny solombavambahoaka, ahafahana manongana azy ireo no nanaiky izany nandritra ny latsa-bato alina... ♦ Diso fanantenanana noho ny tsy fisian'ny fifanatrehana mivantana teo amin'ny solombavambahoaka sy ny mpikamban'ny governemanta ny solombavambahoaka sasany... ♦ Marihana anio ny andro eran-tany ho an'ny kaoperativa. Nolanian'ny antenimiera roa tonta, mpanao lalàna ny volavolan-dalàna momba ny Orinasa Kaooperativa, izay hitondra fanavaozana lehibe ho an'ny kaoperativa eto Madagasikara...
♦ Niato nandritra ny fito ora ny fivoriana teny amin'ny Antenimieram-pirenena androany. Heverina fa ho tanteraka anio alina ihany ny fanakatonana ny fivoriana ara-potoana voalohany... ♦ Voafidy ho mpikambana handrafitra ny HCEDED, Filankevitra ambony miaro ny demôkrasia sy ny tany tan-dalàna, solontena avy amin'ny Antenimieram-pirenena, Andriamatoa Zafilaza... ♦ Kendrena hiakatra hatrany amin'ny 30% ny vola ampidirin'ny indostria ao amin'ny arin-karena faobe eto Madagasikara, any amin'ny taona 2040, amin'ny alalan'ilay fifanarahana ara-indostria eo amin'ny fanjakana sy ny tsy miankina...
♦ Noraisina tao amin'ny Katedraly Kristy Mpanjaka Miarinarivo, tamin'ny alahady 25 jona 2023, i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, izay notendren'ny Papa François, ho “Administrateur Apostolique” ao amin'ny Diôsezin'i Miarinarivo... ♦ Hafatra feno fampaherezana no nentin'ireo ray aman-drenim-piangonana rehetra, nandritra ny fankalazana ny faha-27 taona niorenan'ny Radio Don Bosco, tamin'ny talata 27 jona 2023...
♦ Namoaka fehin-kevitra amin'ny hananganana Kômitin'ny Fanavotam-pirenena ny RMDM, izay namory ireo antoko ivelan'ny fitondrana ankehitriny... ♦ Namoaka fehin-kevitra ho fanarenam-pirenena amin'ny alalan'ny “Cellule de crise” koa ny SECES Sampana Antananarivo... ♦ Tsy nahazo fankatoavana ka natsahatra tamin'ny asany, ireo mpitari-dia teo aloha, eny amin'ny Rovan'i Madagasikara...
Boky Jenezy (Jen. 19, 15-29)
Tamin’izany andro izany nododonan’ny Anjely i Lôta nataony hoe:
“Mitsangàna ianao, ento ny vadinao sy ireto zanakao roa vavy eto,
fandrao dia maty ianao amin’ny loza hanasaziana ny tanàna.”
Mbola nitaredretra anefa izy,
dia noraisin’izy roa lahy tamin’ny tanany izy sy ny vadiny ary ny zanany roa vavy,
fa tian’ny Tompo ny hiaro azy,
dia nentiny izy, navoakany tany ivelan’ny tanàna.
Nony tafavoaka izy, dia hoy ny iray tamin’ireo Anjely:
“Mandosira fa mihatra amin’ny ainao izao,
ka aza miherika any ivohonao ary aza miato na aiza na aiza eny amin’ny tany lemaka;
mandosira any an-tendrombohitra, fandrao maty ianao.”
Hoy i Lôta tamin’izy ireo:
“Tsia, Tompoko,
efa nahita fitia eo imasonao ihany ny mpanomponao,
ary efa naneho hatsaram-po lehibe tamin’ny mpanomponao ianao,
tamin’ny namelomanao ny aiko;
nefa tsy afa-mandositra any an-tendrombohitra aho,
fa atahorako mihitsy ny ho tratry ny fandravana ka ho faty.
Jereo fa misy tanàna akaiky ialofako itsy, sady tanàna kely foana,
ka aoka re mba ho ao aho no handositra, fa kely rahateo io,
dia ho velona aho.”
Dia hoy izy taminy:
“Eny àry,
ekeko ihany koa ny fangatahanao tsy handrava io tanàna io.
Fa mandehàna faingana àry handositra ao
fa tsy afa-manao na inona inona aho,
raha tsy efa tonga ao ianao.”
Izany no anaovana ny anaran’io tanàna io hoe Segôra.
Niposaka tamin’ny tany ny masoandro, dia tonga tao Segôra i Lôta.
Tamin’izay dia nalatsaky ny Tompo tamin’i Sôdôma sy Gômôra ny solifara sy afo
avy any amin’ny Tompo any an-danitra,
ka nandrava ireo tanàna ireo, mbamin’ny tany lemaka rehetra,
sy ny mponina rehetra teo amin’ny tany.
Niherika ny vadin’i Lôta ka zary andry, sira.
Nifoha marainakoa i Abrahama
dia nankany amin’ilay toerana nijanonany teo anatrehan’ny Tompo.
Nitazana nankany Sôdôma sy Gômôra mbamin’ny tany lemaka rehetra izy,
ka nahita setroka niakatra avy amin’ny tany toy ny setroka avy amin’ny memy.
Nahatsiaro an’i Abrahama Andriamanitra raha nandrava ny tanàna teo amin’ny tany lemaka,
ka nanafaka an’i Lôta tamin’ny fikorontanana Izy,
nony nanakorontana ny tanàna nonenan’i Lôta.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 25, 2-3. 9-10. 11-12
Diniho aho, ry Tompo, tsikilovy;
sedrao ny saiko sy ny foko!
Ny hatsaram-ponao no anoloan’ny masoko;
ny fahamarinanao no izorako.
Aza aharo amin’ny mpanota ny fanahiko,
na amin’ny olon-tia ra ny aiko.
Ny tanany ilany mivimbina sampy;
ny ilany feno kolikoly.
Fa izaho madio fiaina.
Koa avoty, ry Tompo, iantrao!
Fa miara-mamindra amin’ny olo-marina aho,
ary misaotra ny Tompo ao am-piangonana.
Aleloia. Aleloia.
Fanahy sy fiainana ny teninao, ry Tompo;
Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 8, 23-27)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niondrana tamin’ny sambo kely ka narahin’ny mpianany.
Dia indro nisy tafio-drivotra mafy tamin’ny ranomasina,
ka efa safotry ny onjan-drano ny sambo kely, ary Izy anefa natory.
Dia nanatona Azy ny mpianany, ka namoha Azy nanao hoe:
“Tompoko, vonjeo izahay, fa maty.”
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Nahoana no saro-tahotra ianareo, ry kely finoana?”
Dia niarina Izy,
nandidy ny rivotra sy ny ranomasina, ka tonga tony dia tony ny andro.
Ary gaga ny olona, ka nanao hoe:
“Iza io Lehilahy io no manaiky Azy ny rivotra sy ny ranomasina?”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco