♦ Olona miisa 8 no voasambotra, nisy ny naratra vokatry ny fifandonana teo amin'ny vahoakan'i Toliara sy ny mpitandron'ny filaminana omaly alahady, tsy tontosa ny hetsika famoriam-bahoaka nokasain'ny solombavambahoaka Siteny Randrianasoloniaiko natao tao antampon-tanànan'i Toliara... ♦ Nahemotra amin'ny volana aogositra izao indray ny fahatongavan'ny kabeson'ny Ampanjaka Toera an-tanindrazana, tapaka izany taorian'ny fihaonan'ny solontenan'ny fianakaviana sy ny olom-boafidy tamin'ny filoha Andry Rajoelina... ♦ Tsy nahitana fiakarany ny vidin'ny lasantsy sy ny gazoaly raha niakatra 200Ariary isaky ny litatra ny solika fandrehitra...
Nohariana ny zavatra rehetra na ny lanitra na ny tany. Nirahina tety an-tany ny Zanaka ary, rehefa tontosa ny asa nanirahana ny Zanaka dia nirahin'ny Ray sy ny Zanaka ny Fanahy Masina mba hanamasina ny Eglizy. Ny andro Pantekôty no nidinan'ny Fanahy Masina mba honina ao amin'ny Eglizy sy ao am-pon'ny mpino... Katesizy momba ny Fanahy Masina manamasina ny Eglizy , iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
Raha tsy manana tanjona mazava ireo mpifankatia dia mety ho fitiavana voapoizina no hifampizaràna. Betsaka ny mpivady no tsy mifankafantatra tsara ka rehefa ao anaty tokan-trano vao tojo olana samihafa. Ny fitiavana dia tokony hanjakan'ny fifampiresahana, fifanankalozan-kevitra. Ny toerana tsara hanaovana ny vavaka : eo am-baravarana, an-dakozia, efitra fandriana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Alahady 06 aprily 2025 ; Alahady faha-5 - taona "D" karemy : FIAINAM-BAOVAO NY PAKA. Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo, ary manaova fo vaovao sy saina vaovao. Ny teny nivoaka tamin'ny vavan'i Jesoa dia sahala amin'ny sabatra maranitra natsatoka tamin'ny fon'ireo mpiampanga "Izay tsy manam-pahotana aminareo no aoka hitoraka azy voalohany". Mirongatra ho azy ao anatintsika ny fiheverena mitovy amin'ny farisianina sy ny mpanora-dalàna, mendrika ho saziana mafy ny manao tsy mety, izay valin-teny araka ny fo fotsiny ; amin'i Jesoa anefa dia ilaina ny fandanjalanjàna ny zavatra tokony hatao, fihetsika tsara natao ny hoe tsy hitsara fa hamonjy...
Atao hoe mahia ny olona iray rehefa tsy mifandanja ny halavany sy ny lanjany. Raha tojo fihenana tampoka na fahiazana dia tokony karohina ny antony nahatonga izany satria mety ho aretina na olona ara-pahasalamana hafa. Ny antony : tsy fahampian-tsakafo sy ny kalitaon-tsakafo tsy mifanaraka amin'ny filàn'ny vatana (glucide, protide, lipide, Vitamina A - D - E - K). Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Manoloana ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany any Toliara dia misy ny fanambarana navoakan'ny Arsidiôsezin'i Toliara... ♦ Malagasy hatrany amin'ny 240.000 no ho voakasika mivantana amin'ny fanapahan-kevitr'i Etazonia amin'ny resaka haban-tseranana hoy ny Randrana Sendikaly... ♦ Efa ôfisialy izao fa i Madagasikara no handray ny fihaonambe faha-8 ny tanora Afrikaéna mifandray, na ny "Youth Connect Africa Summit", izay ho tontosaina ny volana novambra 2025... ♦ Maherin'ny 39.000 ireo ankizy kamboty vokatry ny ady nanafihan'i Israely tany Gaza, nanomboka ny volana ôktôbra 2023 no mankaty...
• Manoloana ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany any Toliara dia misy fanambarana navoakan'ny Arsidiôsezin'i Toliara, entina amintsika eto... • Malagasy hatrany amin'ny 240.000 no hovoakasika mivantana amin'ny fanapahan-kevitr'i Etazonia amin'ny resaka haban-tseranana, hoy ny Randrana Sendikaly... • Efa ofisialy izao fa i Madagasikara no handray ny fihaonambe fahavalon'ny Tanora Afrikana Mifandray, na ny Youth Connect Africa Summit, izay hotontosaina ny volana novambra 2025...
• Efa matipaika ny fandaminana ny fandraisana ny Jobily Nasionaly ao amin'ny Diôsezin'i Miarinarivo... • Tsy maintsy mitady ny very Andriamanitra, hoy ny Papa François, tamin'ny fandalinam-pinoana natolony ny alarobia lasa teo... • Masindahy Joany Paoly II, mpivahiny tsy mahalala sasatra tamin'ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly...
8 avrily 2025 — Talata, Herinandro Fahadimy amin'ny Karemy — Ny tenin’Andriamanitra dia voa afafy, i Kristy no mpamafy; izay rehetra mahita Azy dia honina ao aminy mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 8, 21-30)
7 avrily 2025 — Alatsinainy, Herinandro Fahadimy amin'ny Karemy — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho; satria hatsaram-po no ao amin’ny Tompo, ary fanavotana lehibe — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 8, 12-20)
6 avrily 2025 — Alahady Fahadimy amin'ny Karemy — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo, ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 8, 1-11)
Mamokatra mangahazo 3 tapitrisa taonina eo ho eo Madagasikara araka ny tarehimarika ny taona 2022. Mahatratra eo amin’ny 7,5 taonina isaky ny hektara ny vokatra miakatra. Manodidina ny 4 hetsy hektara ny tany amokarana mangahazo eto amintsika. Natokana ho sakafon’ny olombelona ny ampahany amin’ny mangahazo eto Madagasikara. Ny 60 isanjato, manodidina ny 8 hetsy sy iray tapitrisa taonina kosa dia natao ho sakafon’ny biby fiompy...
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco