♦ Hanomboka anio eny Tsimbazaza ny fivoriana tsy ara-potoana ho an'ny parlemanta... ♦ Afaka nody rehefa nohadihadiana nandritry ny adim-pamantaranandro iray, teny amin'ny pôlisy misahana misahana ny heloka bevava teny Anosy, tamin'ny sabotsy teo, ny Jeneraly Ramakavelo Désiré... ♦ Naharitra roa taona be izao ny fisandohan'ny vehivavy iray ho pôlisy ka nahafahany nanondrana an-tsokosoko sokatra... ♦ Tsy nisy ny marimaritra iraisana nandritra ny dinika teo amin'ny delegasiôna iraniana sy amerikana, izay natao tany Islamabad ny faran'ny herinandro teo...

--- Enin-taona sy 18 andro aty aoriana, miverina sy iainana eto amin'ny tanin'nyRepoblikan'i Madagasikara indray ny hoe HAMEHANA. HAMEHANA hafaanefa fa tsy toa ilay HAMEHANA ara pahasalamana noho ny covid  izay nampiharina nanomboka ny 21 mars 2020 izay naharitra am-bolana maro. HAMEHANA ara-angovo vokatry ny olan'ny solika indray no nihatra nanomboka ny 7 avril teo ary haharitra 15 ANDRO izany. Na dia samy zava-nisy avy any ivelany aza no nitarika ireo HAMEHANA roa ireo teto amintsika dia tsy mitovy velively ny fisehoany. Tsy azo tsapain-tanana mantsy ny aretina covid kanefa tonga niara-niriaria tamintsika tsy mba nifanarahana.....saingy tena ilaina sy AKORA TSY AZO IALANA kosa ny SOLIKA izay mbola afarana....

---/...Higadona tsy ho ela indray ny voalohan'ny volana Mey, andro natokana ho fanamarihana ny fetin’ny asa. Raha ny tantara no zohina dia ny 20 jolay 1889 nandritra ny fihaonambé faharoan’ny  Sosialista maneran-tany no nanapahana ny voalohan’ny volana Mey ho andro natokana hanaovana fitokonana sy hetsiky ny mpiasa, ka ny tanjona dia ny hampihenana ny andro iasana ho adiny valo isan’andro.  Tanteraka ny fitakiana tany amin’ireo firenena Eropeana maro. Lasa andro natokana ho fitolomana sy fitakian’ny mpiasa madinika ny zon'ny mpiasa izany ny taonjato faha 20....

Ny Môdelin'ny fifandraisana dia alain-tahaka avy amin'ny fifandraisan'ireo olona telo nefa Andriamanitra tokana "Trinité Masina", izy ireo izay fianakaviana iray mifototra amin'ny fahamarinana lavorary sy ny fitiavana lavorary. Ny fahavalon'ny fifandraisana dia ny fandaingàna, fiolankolahana ary ny fankahalàna... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny fifandraisan'ny mpiarabelona" iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...