Lahatr'Andriamanitra ny isian'ny zava-mitranga sy izay tsy maintsy misy araky ny toetr'andro ankehitriny. Finoana no tsy maintsy hamaliana ny antso ; Andriamanitra no miantso hanohy ny fahariana, hiaro ny aina, asa entina mizaka ny tany, fitiavana sy fanajàna ny hafa. Miantefa amin'ny olombelona rehetra ny antson'Andriamanitra hiaina ny fifampitsinjovana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny Fiangonana sy ny fiantsoana ny olombelona" iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
♦ Natolotry ny Ministry ny Fanajariana ny Tany ny jeneraly Lylison René de Rolland ho an'ny mpandova ny tany mirefy 29 Ha mahery kely eny Antanandrano, kaominina Ankadikely, rehefa niadiana nandritra ny 26 taona, tamina orinasa tsy miankina iray... ♦ Tokony ho sahy hijoro hilaza ho antoko mpanohitra ireo antoko izay nanambara fa manohana ny fitondrana fanavaozana, nefa etsy andaniny mamely ankolaka sy manenjika ny fitondrana hoy ny filohan'ny fikambanana Za Gasy... ♦ Tsy mbola ampy mahavelona tokan-trano eto Madagasikara ny karama 1.000.000 Ariary isam-bolana amin'izao hoy ny CTM, Fiaraha-midiniky ny Mpiasa Malagasy...
Ny fahombiazana dia miainga amin'ny fanadiovana ary ny fanarenana marina dia ny tsy fiankinana amin'ny tsindry aloka avy any ivelany na ireo Malagasy mpambotry sy mpangorin-karena, mpanao ampihimamba fahefana. Ho fanavaozana ny firenena dia ilaina ny firaisan-kina, ny fahavonona, ary ny fanapahan-kevitra matotra. Ny tena ray aman-dreny dia ireo izay mitsinjo ny ho avin'ny taranany. Ny fisokafana sy fiaraha-miasa amin'ny hafa dia harena lehibe afahana mampandroso ny tena sy ny firenena... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Messe Chrismale sy fanavaozana ny tokim-panompoan'ny Pretra : teny amin'ny Ekar Antanimena, omaly, omaly no nanamasinana ireo Diloilo fampiasan'ny Eglizy katôlika amin'ny fanomezana Sakramenta... ♦ Madagasikara - Rosia : Noraisina teny amin'ny Toby Jeneraly Mounibou Ismaël, Bataillon Parachutiste, ireo fitaovana sy fanampiana ara-tafika... ♦ Fampiakarana Karama farany ambany : mitaky ny hamoahan'ny Fanjakàna ny didy fampiharana izany ny CTM, Fiaraha-midiniky ny Mpiasa Malagasy, ho an'ity taona 2026 ity...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco