♦ Mitaky ny hanamafisana ny sazy ho an'ireo teratany vahiny mpitrandraka an-tsokosoko ny haren-dranomasina eto amintsika ny firaisamonim-pirenena malagasy... ♦ Misedra olana indray ny fitaterana solika mavesatra avy any Toamasina ampiasain'ny orinasa JIRAMA. Anton'ny fahatapahan-jiro mifandimby ho an'ny Tambazotra Iraisan'Antananarivo amin'izao fotoana izao... ♦ Laharam-pahamehana ny fampiharana ny fehin-kevitra tamin'ny drafi-pirenena momba ny fitsinjaram-pahefana miabo na ny PNDE, hoy ny COJM. Ny COJM izay vovonana iombonan'ny fikambanan'ny Malagasy Tanora...
♦ Ministeran'ny fahasalamana : Malagasy 8.300 isa, isan-taona no matin'ny fifohana sigara, mila hamafisina ny ady atao amin'ny fivarotana antsokosoko ny sigara... ♦ Fanondranana antsokosoko ny harena voajanahary : Fomba fiasa vaovaon'ireo tambazotra mpanao izany indray ny fampiasana ny tambazotran-tserasera "facebook" hanangonana izany... ♦ Lavon'ny balan'ny pôlisy avy amin'ny USI ny jiolahy telo lahy saika hanao fanafihana teny Ilafy, omaly talata faha-23 ny volana jolay, araka ny fampitam-baovaon'ny pôlisim-pirenena... ♦ Hanohy ny asa fampandehanan-draharaha mandrapaha-vita ny lalao olympique ny governemanta mpisolo-toerana ao Frantsa araka ny fanambarana nataon'ny filoha Frantsay...
Hatsarana ny fanabeazana dia mila mametraka tontolo misy fifampitokisana, atao mazava ny lalana haleha, maneho fandrisiana ny olona tarihana. Misy fepetra avy amin'ilay olona mpitarika mba ahafahany mandresilahatra ny olona entiny. Ny mpitarika dia tokony hanana fahamatorana, saina misokatra, fahaizana miara-miaina amin'ny olona, fahaizana mankasitraka, atao mifanahaka amin'ny fihetsika ny hafatra tiana hampitaina... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato : Fanambin'ny Filohan'ny Repoblika ny hampihena na hanafoana tanteraka ny kolikoly eny amin'ny fadin-tseranana... ♦ Azo atao ny misoroka ny fandanindaniam-poana ny volam-panjakàna amin'ny alalan'ny fanaraha-maso ireo fampiasam- bolam-panjakàna hoy ny tale jeneralin'ny Sampandraharaha misahana ny fitsirihana ara-bola... ♦ Filohan'ny fikambanan'ny mpianatra eny amin'ny Université Antananarivo : Nanao fanambarana nanatsikafona ireo olana maro misy eny anivon'ny anjerimanontolo... ♦ Teratany Irakiana miisa 10 nigadra tao amin'ny fonjan'i Al Hout ao Nassiriya no novonoina nahaton'ny fitondram-panjakàna tany an-toerana tamin'ny tady...
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco