• Raha atao indray mijery dia hita fa manao fandaniana fa tsy miheritreritra ny hampiasa vola na hampidi-bola anatin'ny fitondram-panjakàna ny mpitondra, anatin'ilay volavolan-dalàna mifehy ny teti-bolam-panjakàna 2025 hoy ny solombavambahoaka Rajerison Antoine...
  • Tafakatra 1 miliara Ariary ny fanodikodinam-bola nitranga tany amin'ny Faritra Asimo-Atsinanana nahakasika ny resakaa tsena-baro-panjakàna nitranga teo anelanelan'ny taona 2020 hatramin'ny taona 2022...
  • Any amin'ny 2.000 km miala amin'ny morontsirak'i Madagasikara any amin'ny ranomasimbe Indiana no misy ny foiben'ilay rivo-doza BHEKI, tsy mbola misy fiatraikany amin'ny toetry ny andro eto amin'ny nosy izy io...

  • Niakatra 10% ny tahan'ny fahatongavan'ny mpizahan-tany teto Madagasikara tamin'ity taona 2024 ity raha oharina tamin'ny taona 2023 hoy ny teo anivon'ny ôfisim-pirenena momba ny fizahantany ONTM...
  • Vondron-tobim-pileovan'ny zandarimariam-pirenena Menabe : Ramatoa iray sy ny vadiny no tratra niaraka taminà rongony milanja 300kg, tao anaty gony miisa 15 omaly alahady...
  • Gilles Hugon no hitantana vonjimaika ny ekipam-pirenena Malagasy mandritra ny lalao fahaenina farany hifanandrinany amin'ny Comores, mandritra ny fifanaitsanana amin'ny CAN atao any Maroc anio alina amin'y 8ora any an-toerana...

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma 10, 9-18

Avy amin’ny toriteny ny finoana, ary avy amin’ny tenin’Andriamanitra ny toriteny.

Ry kristianina havana,
raha manaiky amin’ny vavanao ianao
fa i Jesoa no Tompo,
sy mino amin’ny fonao
fa Andriamanitra nanangana Azy ho velona,
dia ho voavonjy ianao.
Satria ny finoana amin’ny fo
no ahazoana fahamarinana;
ary ny fanekena amin’ny vava
no ahazoana famonjena,
araka ny tenin’ny Soratra Masina hoe:

“Izay mino Azy tsy mba ho menatra.”

Tsy misy hafa na Jody na Jentily,
satria ny Tompo iray no iombonan’izy rehetra,
manan-karena ho an’izay rehetra miantso Azy;
fa izay rehetra hiantso ny Anaran’ny Tompo
no hovonjena.
Hatao ahoana àry no fiantso izay mbola tsy ninoana?
Hatao ahoana no fino izay mbola tsy re?
Hatao ahoana no fandre raha tsy misy mitory?
Ary hatao ahoana no fitory raha tsy misy irahina?
araka ny voasoratra hoe:

“Endrey ny hatsaran’ny tongotr’ireto mitory hasambarana!”

Tsy ny rehetra anefa no nanaiky ny Evanjely,
araka ny tenin’i Izaia hoe:

“Tompo ô, iza no nino ny teny notorìnay?”

Koa avy amin’ny toriteny ny finoana;
ary avy amin’ny tenin’Andriamanitra ny toriteny.
Fa hoy izaho:

“Sao dia tsy nandre izy ireo?”

Tsy izany akory:
lasa nanerana ny tany rehetra ny feony,
ary tonga hatramin’ny fara vazan-tany ny teniny.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 18, 2-3. 4-5

Ny soratra ataony no tsinjo eran-tany

Ny lazan’ny Tompo ambaran’ny lanitra,
ny asany kosa torìn’ny habakabaka.
Ny andro milaza amin’andro manaraka;
ny alina indray mitantara amin’ny alina.

Tsy teny lazainy, tsy volana ambarany;
tsy feo mba manako ho renesin’ny sofina.
Kanefa dia tsinjo eran-tany ny baikony;
miely tsy tana ny hafatra entiny.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Avia hanaraka Ahy, hoy ny Tompo fa hataoko mpanarato olona ianareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 4, 18-22

Nandao ny haratony niaraka tamin’izay izy ireo ka nanaraka Azy.

Tamin’izany andro izany,
nitsangantsangana teny amoron-dranomasin’i Galilea i Jesoa,
ary nahita olona mirahalahy,
dia i Simôna ilay atao hoe Piera sy i André rahalahiny,
nanarato teo amin’ny ranomasina,
fa mpanarato izy ireo.
Dia hoy Izy taminy:

“Avia hanaraka Ahy,
fa hataoko mpanarato olona ianareo.”

Dia nandao ny haratony niaraka tamin’izay izy ireo,
ka nanaraka Azy.
Dia mbola nandroso ihany Izy,
ka nahita olona mirahalahy hafa koa,
dia i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahiny
izay teo an-tsambo niaraka tamin’i Zebede rainy,
nanamboatra ny haratony;
ary nantsoiny izy mirahalahy.
Nandao ny haratony sy ny rainy
niaraka tamin’izay izy ireo,
ka nanaraka Azy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Fanambarana nosoratan’i Masindahy Joany Apôstôly (Apôk. 20, 1-4. 11 — 21, 2)

Notsaraina araka ny asany avy ny maty rehetra. Indro hitako nidina avy any an-danitra i Jerosalema vaovao.

Izaho Joany nahita anjely anankiray nidina avy any an-danitra,
izay nitana ny fanalahidin’ny lavaka tsy hita noanoa
sy rojo vy lehibe anankiray teny an-tanany.
Nosamborin’izy io ny Dragona, ilay menarana antitra, dia ny demony sy i Satana,
ka nafatony arivo taona, dia nazerany tao amin’ny lavaka tsy hita noanoa,
ary nohidiany tao sy nasiany tombo-kase teo amboniny,
mba tsy hamitahany firenena maro intsony, mandra-pahatapitry ny arivo taona;
fa rahefa afaka izany dia tsy maintsy hovahana kelikely indray izy aloha.
Dia nahita seza fiandrianana maro aho, izay nipetrahan’olona nahazo fahefana hitsara,
sy nahita ny fanahin’ireo notapahin-doha noho ny fanambaran’i Jesoa
sy noho ny tenin’Andriamanitra, mbamin’ny an’ireo tsy nivavaka tamin’ny Biby na tamin’ny sariny,
sy tsy nandray ny mariny na tamin’ny handriny na tamin’ny tanany,
fa efa velona ireo ka niara-nanjaka arivo taona tamin’i Kristy.

Rahefa izany, indro hitako itý seza fiandrianana lehibe fotsy mamirapiratra,
sy Ilay mipetraka eo amboniny;
ka ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany, fa tsy nisy hitoerany intsony;
ny maty rehetra koa, na kely na lehibe, hitako nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana.
Dia nisy boky maro novelarina, ary nisy boky iray hafa koa novelarina,
dia ny bokin’ny fiainana izany;
ka notsaraina araka izay voasoratra tamin’ireo boky ireo,
manaraka ny asany avy, ny maty rehetra.
Ny ranomasina namoaka ny maty tao aminy;
ny Fahafatesana sy ny Fonenan’ny maty koa namoaka ny azy,
dia samy notsaraina araka ny asany avy izy.
Ary ny fahafatesana sy ny afobe dia natsipy tany amin’ny farihy afo:
— izany no fahafatesana faharoa: ny farihy afo.
Ka izay rehetra tsy voasoratra tao amin’ny bokin’ny fiainana
dia natsipy tany amin’ny farihy afo avokoa.

Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho;
fa efa lasa ny lanitra voalohany, sy ny tany voalohany,
ary tsy nisy intsony koa ny ranomasina.
Dia indro hitako nidina avy any an-danitra ny tanàna masina avy any amin’Andriamanitra,
dia i Jerosalema vaovao, voahaingo toy ny vehivavy ampakarina,
voaomana hihaona amin’ny vadiny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 83, 3. 4. 5-6a sy 8a

Indro ny tranolain’Andriamanitra tonga eny amin’ny olona.

Manembona Anao lalandava ny foko.
Misento maniry ny kianjanao.
Endrey velon-kira mihoby ny foko,
mientana, faly miandra Azy Tompo.

Ny voromanidina ireny tsy lao,
ireo sidintsidina mbamin’ny fody,
mitoetra manila ny Otelinao,
ry Tompo Mpanjakan’ny tany tontolo.

Endrey ny hasanbaran’ny vahoakanao,
mihoby, midera tsy tapaka Anao.
Miravo tokoa ’zay mitoky aminao,
mavitrika, tojo ny lalan-kombana.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Miandrandrà ka asandrato ny lohanareo, fa efa akaiky ny fanavotana anareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 29-33)

Raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia fantaro fa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ireo mpianany nanao hoe:

“Jereo ny aviavy sy ny hazo rehetra:
raha vao hitanareo fa manaroka izy, dia fantatrareo fa akaiky ny fahavaratra.
Toy izany koa raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany,
dia fantaro fa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra.
Lazaiko marina aminareo fa tsy ho lany itý taranaka itý
ambara-pahatongan’izany rehetra izany.
Ho levona ny lanitra sy ny tany,
fa ny teniko tsy mba ho levona.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...