Ao anatin'ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivavy isika eto Madagasikara, ary isan'ireo manana izany zo izany ny vehivavy mpiasa an-trano. Manana ny zo sy mendrika hajaina ny vehivavy amin'ny lafiny maro. Iharan'ny herisetra amin'ny lafiny maro ny vehivavy mpiasa an-trano, tsy mahazo karama, fanetrena voninahitra, manginy fotsiny ny vono sy ny teny mahery. Maro ny mbola tsy ampy taona amin'ireo miroso amin'ny asa an-trano ka ireny dia hanentanana ny mpampiasa azy mba hitondra ireny mpanampy ireny ara-drariny toy ny fianakaviana sy zanaka mihitsy... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

♦ Efa tonga eto Madagasikara ny vaksiny ny andian’ny voalohany iadiana amin’ny MPox, maimaimpoana ny fanaovana izany ary an-tsitra-po hoy ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka… ♦ Misy ireo vondrona pôlitika mikarakara dinika, hanavaozana ny fanaovana pôlitika eto Madagasikara, mitombo isa ihany koa etsy ankilany ny antoko pôlitika. Tafatsangana ny antoko RPM… ♦ Dahalo an-jatony no nanafika tao amin’ny Fokontany Besevoka, Kaominina Isoanala, Distrika Betroka, omaly antoandro. Nampiasaina tamin’ny fanarahan-dia ny angidim-by an’ny Tafika Malagasy…

♦ Tonga eto Madagasikara ny vaksiny fanefitry ny MPox, olona 150.000 isa aloha no hisitraka izany amin’izao voalohany izao hoy ny fampitam-baovaon’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, androany…  ♦ Mikarakara dinika sava-ranonando hanavaozana ny fanaovana politika eto Madagasikara ny vondrona PANORAMA, androany, mila havaozina hoy izy ireo ny fanaovana politika mba ho tsy fitadiavana seza pôlitika fotsiny ihany… ♦ Dahalo an-jatony no nanafika Fokontany iray tany amin’ny Kaominina Isoanala, Distrika Betroka, androany. Niditra an-tsehatra naka ireo omby ireo lasan’ny dahalo ny angimby an’ny Tafika Malagasy…

♦ Tsy hionona fotsiny amin'ny tsenan'i AGOA fa hivelatra amina tsena any Europe sy Asie ary Moyen-Orient, isika hoy ny ministeran'ny Indostria sy ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina... ♦ Novatsian'ny Fanjakàna Japonnais vola mitentina 68 miliara Ariary hanatsarana ny kalitaon'ny fisitrahana herinaratra ho an'i Toamasina amin'ny alalan'ny tetik'asa TATOM ny ministeran'ny Angovo sy ny akoran'afo... ♦ Mbola eto Madagasikara mihitsy ny valan'aretina MPox ka mila hamafisina hatrany ny fitandremana sy ny fisorohana indrindra ho an'ireo olona marefo... ♦ Miantso mba hisian'ny filaminana sy hanamafy ny vavaka amin'izao karemy izao ny Nonce Apostolique any Koweït...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...