Ny katarakta dia ny fahafotsian'ny anakandriamaso ka lasa manana olana amin'ny fahitana ny olona iray. Ny asan'ny anakandriamaso dia mandrindra ny fijery (accomodation), miantoka ny fandefasana ny hazavana makany amin'ny retsika ao anatin'ny maso. Ny katarakta dia isan'ireo antony iray mitarika amin'ny fahajambana. Fomba fisehony : sahirana rehefa mijery, manjavozavo ny fahitany... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Tsy azo ampiasaina amin'ny fanadiovana any an-tsekoly intsony ny Datura. Namoaka ranty miantso ireo mpitantana sekolim-panjakàna hanajanona ny fampiasana io zava-maniry io ny Ministry ny fanabeazam-pirenena... ♦ Nandiso ny vaovao miparitaka momba ny fahazoan'ny fanjakàna iranianina fiaramanidina tsy ara-dalàna ka mahatafiditra an'i Madagasikara amin'io raharaha io ny ACM. Namoaka fampitam-baovao momba izay ny ACM, omaly... ♦ Mitaky ny hamerenana ireo sendikalista roa amin'ny asa eo anivon'ny orinasa SMMC Toamasina ny FISEMARE. Tsy ara-dalàna ny nandroahana ireo mpiasa ireo, taorian'ny fitorian'ny orinasa hoy ity sendikà ity...
♦ Nihemotra ny fotoam-pitsaràna ny raharaha fifidianana ben'ny tanàna tany Toliara. Tsy tonga teny amin'ny Fitsaràna fandravàna didy Andriamatoa Rabehaja Jean, izay notoriana amin'izao raharaha izao... ♦ Nidoboka am-ponja ny lehilahy iray, anisan'ny lohandohany amin'ny tambazotra mpisoloky laza adina amina fanadinam-panjakàna. Manao dika mitovy avy amin'ny boky "Lauréat" izy amin'izany asa ratsiny izany... ♦ Mitaraina ireo mpiasan'ny fahasalamana amin'ny fanatanterahana ny asa. Mbola hisy hetsika hatao rehefa feno ny fepetra, hoy ny sendià SIS.F.M satria tsy mihaino mihitsy ny Ministera tompon'andraikitra...
Ny fiainan'ny relijiozy dia antso sy fanompoana mandra-maty ; rehefa manonona ny voady ampahibemaso ny relijiozy dia mitalaho amin'Andriamanitra sy ireo Olomasina ary ny rahalahy na rahavavy iray fikambanana aminy mba hanampy azy tsy hivadihany amin'ny teny nomeny. Tsy afa-misaraka ny Fiangonana sy ny fanarahana ny torohevitry ny Vaovao Mahafaly, isan'ireny ny relijiozy... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco