Ny votoatin'ny Sancrosanctum Concilium dia mizara toko 7 lehibe ka ireto ny telo voalohany : Ny fitsipika ankapoben'ny fanavaozana litorjika ; Ny Eokaristia Masina izay fanavaozana ny zotram-pivavahana tao amin'ny missel ; Ny sakramenta sy ny Sakramentaly, izay fanamafisana ny maha zava-dehibe ny fandraisana sakramenta...Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

Alahady faha-30 mandavantaona — D — Hohenoim-bavaka ny manetry tena ; Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao. Izaho misaotra ny Tompo lalandava; ny fiderana Azy eo am-bavako hatrany. Ny Tompo hafinaretan’ny fanahiko: mandrenesa, ry ory, ka mifalia. Ny Tompo tezitra amin’ny olon-dratsy ka hahavery tadidy azy eto an-tany. Ny Tompo mihaino izay miantso Azy, ny ahiahiny rehetra ataony misava. Ny Tompo eo anilan’izay mijaly ary namonjy ny rera-tsaina. Ny fanahin’ny mpanompony avotan’ny Tompo; tsy mba hisy sazy ho an’izay mifefy aminy...

♦ Hijanona ho an'ny Malagasy 100% ny orinasa Jirama ary tsy hisy ny fanesorana mpiasa hoy ny tale jeneraliny, tsy maintsy hirosoana hoy ity farany ilay drafi-panarenana efa natomboka ny volana jona 2024... ♦ Vonona hitondra anjara biriky amin'ny fanavaozana sy fanorenana ifotony ny firenena ireo manampahaizana manokana momba ny fitantanana ny raharaham-panjakàna sy fitantanam-bolam-panjakàna nivoaka teo anivon'ny ENAM... ♦ Miatraika amin'ny fandraisana an-tanana ireo marary ny fitokonana ataon'ireo interne en médecin eny anivon'ny Hopitaly HJRA, manome fe-potoana 72 ho an'ny tompon'andraikitra mahefa hitady vahaolana araka izany ireo mpitsabo...

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...