Ny mitantana firenena dia fandraisan'anjara ; ny kara-panondrom-pirenena dia midika fananana andraikitra sy adidy amin'ny fampandrosoana ny fiaraha-monina sy ny firenena. Ny fanantenana amin'ny mety ho fandrosoan'i Madagasikara dia miainga amin'ny tsirairay, ialàna lavitra ireo toerana sy fomba mamotika ny firenena toy ny fandrobana vola sy ny harena maro samihafa. Ny toe-tsaina dia singa iorenan'ny fomba amam-panao mitondra amin'ny fahavonona. Sotoavina tsara tazomina : fifanajàna, fahamarinana, fifampitokisana... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Ahemotra amin'ny volana febroary 2026 ny ZAIKABE FAHA-10 sy ny Kômity foibe faha-47, karakarain'ny FFKM izay nokasaina hatao ny 24 hatramin'ny 29 novambra 2025 izao, noho ny toe-draharaham-pirenena... ♦ Nisongadina tamin'ny filan-kevitry ny ministra omaly ny fanesorana olom-panjakàna ambony teo anivon'ny ministeran'ny vola sy ny fitantanam-bola sy ny nanafoanana ny didim-panjakàna nanendry ireo tompon'andraikitry ny DREN manerana ny Faritra 23... ♦ Sazy anterivozona 20 taona sy onitra 100 tapitrisa Ariary no azon'ireo olona telo voampanga tamin'ny famonoana an'i Rasazy Narindra araka ny didim-pitsaràna nivoaka omaly...

Ao amin'ny Litorjia, indrindra amin'ny Eokaristia dia i Jesoa Kristy no tena miasa : amin'ny endriky ny pretra manao ny fombafomba, amin'ny Sakramenta manome fahasoavana, amin'ny Tenin'Andriamanitra miteny amin'ny vahoaka, amin'ny vahoaka mivory amin'ny anarany. Jesoa Kristy dia ilay tena Mpisorona sy Otely hanaovana sorona... Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

• Tsy voatana ny daty saika hanaovana ny Zaikabe sy ny Komity Foibe FFKM, noho ny zava-misy eto amin'ny firenena... • Maro ireo mpiasam-panjakana ambony nesorina tamin'ny toerany, nandritra ny Filankevitry ny Minisitra notanterahana androany... • Halain'ny CNaPS ny SMDG, ho takalon'ny tsy fahefan'ity farany ny vola nosamboriny...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...