25 nôvambra — Teraka manodidina ny taona 290, tao amin'ny fianakaviana andriana tao Alexandrie (Egypte), i Catherine, ary tao ihany no nodimandry, ny taona 307. Vehivavhy naraini-tsaina tokoa izy, ka ny fahalalana norantoviny sy nananany dia nahafahany nilahatra tamin'ireo pôeta sy filôzôfa nalaza tamin'ny fotoan'androny.

Zoma 25 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona  — Miandrandrà ka asandrato ny lohanareo, fa efa akaiky ny fanavotana anareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 29-33

♦ Nahemotra ny fampakarana fampanoavana, ireo mianadahy mpitarika ny Transparency International Initiative Madagascar, raha tokony ho androany... ♦ Hivaly rahampitso tolakandro ilay tombana natao tamin'ireo Tale ambony eo anivon'ny orinasa Jirama. Nanazava ny momba izany sy ilay fanakianan'ireo sendikan'ny mpiasa azy amin'io resaka io, ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoran'afo, androany... ♦ Harom-paosy amin'ny fomba mihaja no handikan'ny antoko Otrikafo ilay fampakarana ny hetran-trano ataon'ny Kaominina Antananarivo amin'izao...

♦ Mikasa hampiakatra ny vola miditra ao amin'ny kitapom-bolam-panjakàna amin'ny taona 2023 ny ao amin'ny fadintseranana malagasy. Miroso hatrany ny fanavaozana hoy ny tale jeneraly... ♦ Mitombo ny isan'ny tranga mitondra ny "cornavirus" ao Mahajanga. Miantso ny mponina hanamafy ny fiarovana ara-pahasalamana tsy hampihanaka ny aretina ny tompon'andraikitra... ♦ Misy ary ampy ny rano ao amin'ny Faritra Androy, toa izan koa ho an'ny Faritra Atsimo-Andrefana sy Atsimo-Atsinanana araka ny fanadihadiana nataon'ny manam-pahaizana manokana momba ny rano Rakotondrainibe Herivelo...

[Miara-dàlana] Zoma 4 jolay 2025

• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...