Manamasina sy mizaka ny ampahan'ny andian'ondrin'ny Tompo nankinina aminy ny pretra eo ambany fifehezan'ny Eveka. Mikatsaka sy mitsinjo mandrakariva ny hahasoa ny vahoakan'Andriamanitra miaraka amin'ny Eveka ka tsy tokony hiraviravy tanana na hiroro fo sy saina eo amin'ny Diôsezy misy azy amin'izany fikatsahana ny soa ho an'ny andian'ondriny nankinina taminy izany... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Fandraharahana ao amin'ny Eglizy ny maha pretra ; fandraharahana najoron'Andriamanitra ka mahatontosa ny ambaratonga samihafa. Ambaratonga tsy mitovy amin'ny eveka ny pretra fa eo ambaniny nanankinana fahatokisana amin'ny lafiny maro : fampianarana, fanamasinana, fitantanana, fitsinjarana ny fanompoana. Ny Pretra dia Mpisorona... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Mpanampy mahatoky sady mahefa ny Eveka ny Pretra : toy ny zanaka izy ireo ary sakaiza eo anatrehan'ny eveka. Ny Pretra ao amin'ny Eglizy katôlika dia ireo nandray ny sakramentan'ny filaharana tamin'ny alalan'ny fametrahan-tanan'ny eveka izay manamasina azy. Ho an'ny Eglizy Latina dia tsy manambady ny pretra fa ho an'ny tatsinanana dia manamasina pretra manambady izy ireo... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Hoy i Masindahy Igniace tamin'ny taon-jato faharoa hoe : amin'ny toerana misy ny Eveka no misy ny Eglizy ; tsy afaka hiteny Eglizy mihitsy raha tsy misy Eveka ary tsy "Valide" ny maha Eglizy ny Eglizy raha tsy misy Eveka. Ny fanamasinana eveka iray dia tanterahina ao anatin'ny fankalazana iray mba hanome lanja ny fandraisany ny raharaha maha eveka azy... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Toa an'Andriamanitra Raintsika, naniraka ny Zanany ho Mpiandry ondry dia Ray ny Eveka ; Raiamandreny eo anivon'ny Eglizy ary Raim-pianakaviana mitondra ny mpianakavy. Ny Mpiandry ondry tsara araka ny hamaritan'ny Tenin'Andriamanitra azy dia tonga hanompo fa tsy tompoina. Ny Kristianina dia manana adidy hiaino ny Eveka, ary tokony hanatanteraka izay ampianariny... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Ny fahefana mitantana iantsorohan'ny Eveka, izay marihina marihina fa izy vatan-tenany manokana ary tsy hikambanany amin'ny hafa dia avy amin'i Kristy. Azy manokana io fahefana io ary ara-dalàna sy faratampony. Ny Sakramenta Filaharana maha Eveka dia fahafenoan'ny maha mpisorona ao amin'ny laharan'ny Eglizy, ny Eveka dia manana ny zo masina sy adidy eo anatrehan'ny Tompo... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Ny fahantrana dia vokatry ny fitiavan-tena. Antony fahantrana : tsy manangom-bola mihitsy eo amin'ny fiainana, tia mividy zavatra mora, manao trosa lava, tsy mifanampy, miteraka aloha loatra anefa tsy mbola manana ninoninona, miandry foana ny hafa (mangataka lava), tsy mianatra sy tsy tia mamaky boky, tsy manana tanjona mazava, tsy manana fahazaranan-tsaina hamokatra, tsy mino hadingana fiovana, mora kivy... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Alahadin'ny Trinite Masina : Andriamanitra tokana fa olona telo - Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina, Andriamanitra ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy. Ny mistery dia tsy takatry ny saina sy tsy hay hazavaina hoy Masindahy Athanase : "raha Andriamanitra takatry ny sain'olombelona dia tsy Andriamanitra marina". Tamin'ny taon-jato fahatelo no nampiasana ny teny hoe "Trinité" voalohany, izay fitambaranà teny roa "Tri" sy "Unité", izany hoe telo anefa iray. Voalaza ao amin'ny Soratra Masina, ny maha tokana anefa olona telo an'Andriamanitra, na ao amin'ny Testamenta Taloha na Testamenta Vaovao...
Alahady manaraka ny Trinite Masina – Taona D : Fankalazàna ny vatana aman-dra masin’i Kristy ; sorom-pihavanana sy sakafo mampiray ny Eokaristia. Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra, hoy ny Tompo, izay mihinana amin’ity Mofo ity dia ho velona mandrakizay. Isaky ny mankalaza ny Eokaristia isika dia mitsaoka ny vantana aman-dran'i Jesoa Kristy, izay faratampony sy ivon'ny fiainan'ny Kristianina ; manambara ihany koa fa tsy Andriamanitra lavitra izy fa Andriamanitra miara-dalàna amin'ny olombelona mino Azy. Ny "procession" dia fanomezam-boninahitra ny Vantana aman-dran'i Kristy...
Na inona na inona fivoriana manotrona ny Alitara ka mifanaraka amin'ny fandraharahàna masin'ny Eveka dia fambaran'ilay fitiavana sy firaisan'ny Vatana izay hany azo anantenana famonjena. Ao amin'ny Eokaristia no anisan'ny sehatra hitoriana ny Vaovao Mahafaly, hanangonana ny mpino hankalazana ny Misterin'ny fanasan'ny Tompo, ireo rehetra miombona amin'izany dia atambatry ny vatan'i Jesoa... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Ny anjara raharahan'ny Eveka iray anisan'ny lehibe ary fahatelo dia ny fitantanana ka ny Diôsezy ankinina aminy no iandraiketany amin'izany fitondrana izany. Mizaka ny Fiangonana eo amin'ny toerana nankinina taminy ny Eveka satria solontena sy masoivohon'i Kristy. Takiana amin'ireo Eveka sy ny Pretra miara-miasa aminy ny fanoloran-tena feno tahaka ny fanoloran-tenan'i Jesoa... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Raha mampianatra ny Eveka dia miray mandrakariva amin'ny Papa amin'izany fampianarany izany izy ary mijoro ho vavolombelon'ny fahamarinana sy ny Eglizy. Ny Kristianina dia manaja izay fampianarana avy amin'ny Eglizy, miray saina sy miombon-kevitra. Tsy maintsy raisin'ny Kristianina amin'ny fo sy ny saina miaiky tanteraka ny fampianaran'ny Eveka mitondra azy... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco