Maro ireo Sakramenta mamelona ny finoana tsy ho lefy ; miavaka indindra amin'izany ny Sakramentan'ny fanambadiana sy ny fifankatiavan'ny mpianakavy, ireo dia famantaram-pinoana lehibe ho an'ny Lahika. Mpanjakan'ny zava-boary ny olombelona. Ny fanompoana no lalana hanamasinan-tena ary ny fanetren-tena sy ny fandeferana no hatsaram-panahy entina mampanjaka an'i Kristy... Katesizy momba ny Lahika, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.
Ny hevitry ny hoe : Mpaminany dia hoe "mitory ny vaovao mahafaly, mitory ny tenin'Andriamanitra". I Jesoa dia mpaminany lehibe fa Izy no nanambara ny Fanjakàn'ny Rainy, tsy tamin'ny teniny ihany fa tamin'ny toe-piainany ihany koa. Tsy ireo mpandraharaha masina ao amin'ny Fiangonana ihany akory no mpitory teny fa ny Lahika ihany koa amin'ny alalan'ny finoana noraisany, vokatry ny toriteny... Katesizy momba ny Lahika, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.
Alahady 29 jona 2025 : Fankalazana manetriketrika an’i Masindahy Piera sy i Paoly, Apôstôly ; ianao no Piera (vatolampy) ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy. Masindahy Piera no nanankinan'i Jesoa ny Eglizy, tao Cesare an'i Filipo. Apôstôly roa lehibe tsy azo hampitahaina i Masindahy Piera sy Paoly : nanankinana ny Eglizy, nanely ny finoana, samy nijoro tamin'ny finoana. Nitety firenena maro tany Eorôpa i Masindahy Paoly, ary notapahan-doha tao Rome tamin'ny taona 76...
Ny apôstôlàn'ny lahika dia ny fandraisana an-tanana sy anjara mavitrika ataon'ny lahika amin'ireo asa famonjena ny olona iandraiketan'ny Fiangonana. Ny Fanahy Masina noraisina tamin'ny Sakramentan'ny Batemy sy ny Fankaherezana no apinga entina manatanteraka ny asa no maniraka. Ny Lahika rehetra dia manana adidy hitondra famonjena ho an'ny olona tsy ankanavaka... Katesizy momba ny Lahika, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.
Ireo mpisoron'i Kristy na ny Pretra na ny Eveka dia mandray anjara feno amin'ny fisoronan'i Kristy ilay Mpisoron'ny Avo indrindra, manolotra ny mofo sy divay ho Sorona velona sady masina hasandratra amin'Andriamanitra Ray. Ny asa rehetra atao dia vavaka fa iaraha-miasa amin'Andriamanitra ; ary tsy izay ihany fa ny fiainana manotolo koa dia vavaka. Izao tontolo izao dia tokony atolotry ny lahika amin'Andriamanitra... Katesizy momba ny Lahika, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.
Mitovy zo sy hasina ny olombelona rehetra eo anatrehan'Andriamanitra sy ny Fiangonana satria samy voaantso ho amin'ny Fahamasinana daholo na ny Eveka, ny Pretra na ny Diakra na ny Relijiozy na ny lahika. Na dia misy aza ireo voahosotra amin'ny laharana maha Eveka, maha Pretra sy maha Diakra dia ny andraikitra no tsy mitovy raha mitaha amin'ny Lahika fa ny antso dia mitovy... Katesizy momba ny Lahika, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.
Ny antsoina hoe : lahika dia ny kristianina rehetra tsy nandray ny Sakramentan'ny Filaharana ary tsy anatin'ny Fikambanan-dRelijiozy ankatoavin'ny Fiangonana. Izay rehetra vita Batemy ka iray amin'i Kristy sy ny Fiangonany tonga Mpisorona, mpanjaka ary mpaminany noho ny hasin'ny Batemy, ivelan'ny Sakramentan'ny Filaharana Masina sy ny satan-dRelijiozy, indrindra miasa sy mandray andraikitra... Katesizy momba ny Lahka, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.
Manana adidy lehibe isika Kristianina manampy ny Eveka sy ny Pretra, ny Diakra mamonjy fanahy, mandray an-tanana mampandeha ny Fiangonana. Samy manana ny fanomezam-pahasoavana nomen'Andriamanitra azy avy ny tsirairay ka ireny no hampiasaina araka ny toro-lalana pastôraly. Samy miasa araka ny anjarany ny tsirairay miombona amin'i Kristy mba ho Fiangonana, hitombo... Katesizy momba ny Lahka, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.
Antso tokana ihany no miantefa amin'ny olombelona rehetra dia ny antso ho amin'ny FAHAMASINANA. Ny lalana entina mamaly izany antso izany no misy sampanana maro ka anjaran'ny tsirairay ny misafidy izay lalana entiny manatratra izany fahamasinana antson'Andriamanitra ho an'ny olona rehetra izany. Ao ireo misafidy ny lalam-piainana amin'ny sakramentan'ny filaharana dia ny fiainana... Katesizy momba ny Lahka, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.
Ny maha Diakra dia ambaratonga zandriny indrindra amin'ny fandraharahana ao amin'ny Eglizy. Araka ny voasoritra ao amin'ny boky mitantara ny Asan'ny Apôstôly, ireo Apôstôly dia nanokana ny Diakra hanao ny raharaha fanompoana ao amin'ny Eglizy ary mazava tsara ny andraikitr'izy ireto tamin'izany dia ny fanompoana eo amin'ny litorjia, fizarana ny fanampiana ho an'ny mahantra... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Ny volana jona dia iray volan'ny "Teny Malagasy", misy ireo hetsika fiarovana izany, isan'ireny ny Edition Ambozontany, nanao ezaka ho fiarovana ny teny sy ny fomba Malagasy nandritdra ny 70 taona. Taloha 18 taona ny tanora dia efa matotra, ankehitriny anefa dia sokajiana mbola ao anatin'ny vanim-potoan'ny fialantsakana ny tanora. Azo heverina ho vokatry ny fanabeazana tsy mifandanja izany : ara-batana, saina, fanahy. Mitotongana hatrany ny fari-pahaizan'ny ankizy sy ny tanora malagasy, mila fandraisan'andraikitra avy amin'ny tsirairay... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Mampita ny fampihavanana sy ny fanamaivanana ny kristianina ny : ireo Kristianina manenina amin'ny fahotany ka mahatsapa fa marary azy izany ka manana faniriana hihavana amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny Sakramentan'ny fampihavanana noho ny fahefana tena feno omena azy ireo. Tsy irery velively ny Eveka fa eo mandrakariva ny pretra miombona aminy... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco