Fahefan'ny Fiangonana ny fankatoavana sy ny fampijoroana ny fitsipiky ny fikambanan-drelijiozy. Tsy mijanona hatreo amin'izay fotsiny anefa fa mbola zava-dehibe ihany koa, amin'ny fampiasana ny fahefana napetrak'Andriamanitra amin'ny Fiangonana, ny fandraisany ny voady ampahibemaso ataon'ireo relijiozy mandritra ny fankalazana ny Eokaristia. Toetra natokana ho an'Andriamanitra ny relijiozy... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.
Zava-dehibe ny maha iray tsy mivaky ny vahoaka Malagasy. Aoka hatsapa tena ny tafika Malagasy fa iray ihany ny tafika, fototra lehibe afahana miady amin'ny fahantrana, kolikoly. Zava-dehibe ihany koa ny fifankatiavana sy ny firaisan-kina. Ny fanabeazana dia miainga amin'ny zaza, manomboka amin'ny ireo asa fanao andavanandro ao an-tokantrano... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Ny relijiozy dia manaraka ny torohevitra, manao voady ampahibemaso ho ren'ny vahoakan'Andriamanitra. Ny relijiozy dia manana lehibe dia iny no maniraka azy ; ny diôseziana dia ny Eveka no maniraka azy amin'ny toerana iasany. Ny Relijiozy dia mandray sy makatoa ny fitsipi-piainana atolotr'ireo mpanorina ny fikambanana rahefa nalamina sy voadinika tsara... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.
Ny relijiozy dia fehezin'ny tompom-pahefana eo an-toerana, ireo fikambanana nankatoavin'ny Eveka eo ambany fahefan'ny Eveka eo amin'ny diôsezy iasany. Ny relijiozy fehezin'ny Evekan'i Rome irery dia izay nankatoavin'ny Papa mivantana ilay fikambanan-drelijiozy, miankina tanteraka amin'i Vatican, izany hoe ny Papa, amin'ny maha loha-laharana azy eo amin'ny Fiangonana... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.
Ny faneken'ny Papa no maneho fa ankatoavin'ny Fiangonana ny fijoroan'ny Fikambanan-drelijiozy iray. Adidin'ny Fiangonana ary isan'ireny relijiozy ny miandry ny vahoakan'Andriamanitra sy mitondra azy eny amin'ny fiainana tsara. Adidiny ihany koa ny mametraka lalàna sy mitantana amim-pahendrena araka ny Vaovao Mahafaly ; mampirisika ireo fikambanana handrafetana ny Vatan'i Kristy... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.
Tsy anatin'ny filaharam-pitondrana ao amin'ny Fiangonana ny fiainan-drelijiozy, manaraka ny torohevitry ny Vaovao Mahafaly ; tsy tafiditra amin'ny sakramentan'ny filaharana tahaka ny Eveka, Pretra sy Diakra. Na izany aza dia voatokana hanompo ny Tompo sy hanome voninahitra Azy ny tenan'ny relijiozy. Ny relijiozy dia manavao isanandro ny fanomezan-toky tamin'ny Batemy... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.
Ny relijiozy dia nanokan-tena ary nandao ny zavatra rehetra ary nanaraka an'i Jesoa Kristy, araka izay voalaza ao amin'i Matio 10, 28 : Indro izahay efa nandao ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao. Ny toe-piainan'ny relijiozy dia mikatsaka an'Andriamanitra irery ambonin'ny zavatra rehetra, ka hibanjina Azy sy hifikitra Aminy amin'ny fony sy ny sainy, no hirehi-pitiavana ho apôstôly, hiezaka hifarimbona amin'ny fanavotana... ... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.
Ny relijiozy manokan-tena hanahaka an'i Jesoa dia manao ny voadin'ny fanekena izy mba hanarahana ny torohevitry ny Vaovao Mahafaly. Amin'ny alalan'io voadin'ny fanekena io no anolorany ny sitrapony manontolo ho sorona amin'Andriamanitra. Entanin'ny Fanahy Masina ny relijiozy ka manaiky amim-pinoana ny Lehibeny... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.
Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina, misy farany ny zavatra rehetra, ny mahantra mbola hanana. Zava-dehibe ny fifamelàna, ny fahaiza-mihaino sy ny fifampitondrana am-bavaka. Manana adidy ny mpitondra manam-pahefana sy ireo mpanana hitsinjo izay rehetra hanarenana ny fiainan'ny vahoaka : famoronana asa. Manana adidy hanova sy hampivoatra ny toe-tsaina entina hitrandrahana ny harena nomen'Andriamanitra an'i Madagasikara, isika Malagasy rehetra... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Alahady 13 jolay 2025 - Alahady faha-15 mandavantaona — "D" : Akaiky antsika Andriamanitra ; Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko; ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy. Zava-poana ny fanarahana ny lalàna anefa tsy mahavita manolontena ho fanasoavana ny hafa ; ilaina ny fitiavana namana, sy ny fangorahana ny hafa. Ny tena fitiavana marina dia ny fanafohanana ny elanelana, tsy fitoviana na harena na fahefana. Mila fanatrentena ny fitiavana ny hafa. Ny namana tsara dia ireo izay mikaraka ny hafa, ireo maneho hatsaram-po, ireny no miteraka fifankatiavana sy finamanana lafatra...
Ny fanoloran-tena amin'ny fiainan-drelijiozy dia fanapahan-kevitra hanaraka an'i Jesoa Kristy akaikikaiky kokoa sy hanahaka ny fiainany madio, mahantra sy manetry tena. Ny Voady telo (fahadiovana natokana ho an'Andriamanitra, fahantrana ary fanekena) no maha-relijiozy. Tamin'ny alalan'ny torohevitry ny Vaovao Mahafaly no nampijoroana ny rafi-piainana maharitra... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.
Ny relijiozy dia manao ny voadin'ny fahantrana an-tsitrapo ; i Kristy, ilay nanaiky hahantra mba hampanan-kerena antsika amin'ny fahantrany, araka ny ambaran'i Masindahy Paoly ao amin'ny Taratasy faharoa ho an'ny Kôrintianina. Ny fiankinan'ny relijiozy amin'ny Lehibeny amin'ny fampiasana ny harena dia fanehoana ny fahantrana... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.
• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco