I Masina Maria dia nanaiky ny sitrapon'Andriamanitra, izy dia vehivavy virijiny nanaiky ny hafatr'Andriamanitra, ilay Eva vaovao. Miasa Andriamanitra ary mandamina ny zavaboahary ; tsy kisendrasendra ny fiainana eto an-tany fa misy Andriamanitra mitantana. Môdely ho antsika amin'ny finoana i Masina Maria, manana finoana mihalavorary hatrany, mihamatotra... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

Misongadina ny anjara toeran'i Masina Maria sy ny fiaraha-miaina tamin'ilay teny tonga nofo, tonga ho olombelona. Neken'ny Papa François ny fankalazana isaky ny alatsinainin'ny pentekôty an'i Masina Maria renin'ny Eglizy. I Masina Maria sy ny fanantenana no tena foto-dresaka amin'izao taonjôbily izao. Nifidy hampandray anjara antsika olombelona amin'ny asa-pamonjena Andriamanitra ary isan'izany i Masina Maria... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

Antsoina hoe "Renin'Andriamanitra" i Masina Maria satria niteraka ny zanak'Andriamanitra ho olombelona, ho ety ambonin'ny tany. Isan'ny vahoakan'Andriamanitra mila famonjena ihany koa i Masina Maria reniny. "Theotokos" dia hanondroana an'i Masina Maria, atao hoe "Renin'Andriamanitra", zava-boahary niteraka ny zanak'Andriamanitra, Andriaminitra sady olombelona i Jesoa... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

Jesoa Kristy dia olona iray, tonga teny tonga nofo, manana fomba roa satria sady tena Andriamanitra no tena olombelona ihany koa. Ny anjara asan'i Masina Maria manoloana ny tantaram-pamonjena dia mazava araka ny foto-pampianaran'ny Eglizy araka ireo lova-panahy voatahiry, miainga amin'ny Testamenta Taloha... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

Masina Maria dia olombelona tahaka antsika ihany na niaraka niaina tamin'i Jesoa aza, niaina izay iainan'ny olombelona rehetra. Masina Maria dia miandry famonjena toa antsika olombelona, ary zavaboahary toa antsika. Masina Maria dia nandray anjara tamin'ny fahatanterahan'ny tantaram-pamonjena. Masina Maria no nofidin'Andriamanitra ho reny hiteraka ny Zanany... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

Zava-dehibe ny maha iray an'izay rehetra miaina amin'izao tontolo izao ity. Ny olombelona dia iray ihany ary tokony ho tombontsoa iombonana daholo no hery manetsika ny tsirairay mba ho fampandrosoana ny isam-batan'olona. Ny tena fitiavan-tanindrazana dia fiombonana, mila manao ezaka ny rehetra mba tsy hosaratsarahan'ny finoana samy hafa, ary ny fivavahana dia tsy tokony hatao fitaovana hampisarahana ny olombelona...  Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Alahady faha-17 mandavantaona — D — Alahady 27 jolay 2025 : Izay mivavaka tsara, mivavaka amim-pitokiana sy faharetana ; Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana hamasino amin’ny fahamarinanao izahay. Andriamanitra ao amin’ny toerany masina ; mampiditra ny olony ao an-tranony, manome hery sy tanjaka ny vahoakany. Tsy natao hampahalalana an'Andriamanitra izay tokony hataony ny vavaka fa mba hahaizan'ny olombelona mijoro amin'ny maha-olombelona azy ; ny mivavaka dia miresaka amin'Andriamanitra, resaka vokatry ny fo, fitiavana. Ny fivavahana madio dia ny mpanampy ny kamboty sy ny mpitondra tena, ary ny miaro tena tsy ho latsaka amin'ny fahotana...

Ny fiainan'ny relijiozy dia antso sy fanompoana mandra-maty ; rehefa manonona ny voady ampahibemaso ny relijiozy dia mitalaho amin'Andriamanitra sy ireo Olomasina ary ny rahalahy na rahavavy iray fikambanana aminy mba hanampy azy tsy hivadihany amin'ny teny nomeny. Tsy afa-misaraka ny Fiangonana sy ny fanarahana ny torohevitry ny Vaovao Mahafaly, isan'ireny ny relijiozy... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.

Andriamanitra Trinite Masina, Andriamanitra Tokana Olona Telo no loharano ipoiran'ny fahamasinana ; noho izany dia hitombo voninahitra hatrany ilay Trinite Masina tokona tsy azo sarahana ipoiran'ny fahamasinana rehetra ao amin'i Kristy sy amin'ny alalan'i Kristy. Antso sy andraikitry ny Kristianina vita Batemy rehetra ny ho mpitory ny Vaovao Mahafaly manerana an'izao tontolo izao... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.

Mety hisy fiheverana tokoa ary maro mihitsy aza no manontany hoe tsy afaka miaina amin'ny tena maha-olona azy ny relijiozy. Tsy misakana velively ny fivelaran'ny maha-olona ny fanarahana ny torohevitry ny Vaovao Mahafaly, fa vao mainka azy tena mahasoa azy, na dia eo aza ny famoizana ireo haren'ny tany. Ny fandraisana ny torohevitry ny Vaovao Mahafaly dia manadio ny fo... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.

Ny fitoriana ny Fanjakàn'Andriamanitra amin'ny vahoaka nataon'i Jesoa dia tohizan'ny relijiozy amin'ireo manodidina azy. Tahaka izany koa ny fanasitranana ny marary. Tsy zovina amintsika ny fisian'ireo toeram-pitsaboana sy fikarakarana marary sahanin'ireo relijiozy sasany. Ny fitaomana ny olona hibebaka ka hanaovany soa, tahaka ny nataon'i Jesoa no isan'ny anjara adidin'ny relijiozy... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.

Ny relijiozy dia maneho marina an'i Kristy. Ny fiainan'ny relijiozy dia fanahafana tanteraka an'i Jesoa Kristy Tompoo, ilay nadio sy nahantra ary nanetry tena. Ny vavaka isanandro ataon'ny relijiozy hanamafisany ny fifandraisany amin'Andriamanitra dia fanehoana ny vavak'i Kristy tany an-tendrombohitra. Ny relijiozy dia antsoina ho tia an'Andriamanitra mihoatra ny zavatra rehetra... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...