Ny anton-draharahan'ny Eveka voalohany indrindra dia mitory Evanjely amin'ny olona rehetra noho ny fanampian'ny Fanahy Masina. Fahefana natolotra azy ireo avy any an-danitra sy ety an-tany io ka ny hampianatra ny firenen-drehetra sy ny hitory ny Vaovao Mahafaly amin'ny voaary manontolo no mamehy izany fahefana izany ; tanjona ny ahazoan'ny rehetra famonjena... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Solon-tenan'ny Eglizy eo amin'ny Diôsezy ny Eveka, noho ny fiombonany amin'ny Papa no maha-solon-tenan'ny Eglizy manontolo azy ampirasin'ny fiadanana sy fifankatiavana ary firaisan-kina. Ny Evekan'i Roma dia ny Papa. Izy no filoha sy fototra maharitra ary hita maso mampiray ny Eveka rehetra sy ny Kristiana. Ny Eveka dia mampandroso sy mitandro ny finoana ho iray... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Ny Papa izay manana ny fahefana feno amin'ny fitondrana sy ny fampianarana ny Eglizy no filohan'ny Eveka rehetra. Ny eveka rehetra dia miombona amin'io filohany io mba hahalavorary sy feno ny fahefan'ny Papa. Avy amin'i Kristy Lohan'ny Eglizy io fahefana io satria izy nanangana an'i Simôna ho vatolampy sy mpitana ny fanalahidy eo amin'ny Eglizy, nametraka azy ho Mpiandry ny andian'ondry... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Ao amin'ireo Eveka otronin'ireo pretra no mitoetra anivon'ireo mpino i Jesoa Kristy Tompo, Mpisorona fara-tampony. Mipetraka eo an-kavanan'Andriamanitra Ray Izy, kanefa tsy banga ny toerany eo afovoan'ny fivorian'ireo evekany. Ny fanamasinana Eveka dia manome feno ny sakramentan'ny Filaharana, mametraka adidy hanamasina sady hampianatra no hizaka... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Samy hafa fiaviana ireo Apôstôly fa nifankahazo fomba fiteny. Lasa fitaovana hanaratsiana ny hafa ny fandrosoan'ny fampiasana ny fitaovan-tserasera (FB, TikTok...). Ilàna fahaiza-mandanjalanja ny hevitra sy ranty atosaky ny tambazotra isan-karazany. Andraikitry ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra ny manoro ny ankizy sy ny mpianatra amin'ny fandanjalanjàna ny fampiasana ny teknlolojia mikasika ny serasera... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Alahady 08 jona 2025. Alahady Pantekôty : Mpankahery sy mpanazava ary mpampihavana, ny Fanahy Masina ; Avia, ry Fanahy Masina, fenoy Anao ny fonay mpino, ary ampireheto ao am-ponay ny afon’ny fitiavanao. Dimapolo andro lasa izay no nankalazàna ny Paka, ny Pantekôty toa izao no handraisana ny Fanahy Masina izay efa nomena ny Apôstôly, ho fanazavana ho an'ny saintsika ary ho hery ho an'ny fontsika, mba hijoro ho vavolombelon'i Jesoa Kristy. Ny Pantekôty no fahatanterahan'ny fampanantenana nolazain'i Jesoa Kristy tamin'ireo Apôstôly, dia ny nidinan'ny Fanahy Masina tamin'ireo Mpianany sy Masina Maria...
Matio no i Lévi ilay poblikana mpamory hetra, nanaraka avy hatrany an'i Jesoa rehefa niangavian'i Jesoa hanaraka Azy tamin'ny fandalovany ; izy no nanoratra ny Evanjely voalohany. Simon nomena ny fanampin'anarana hoe "Zelote" satria izy dia anisan'ny niaritra ny fanenjehan'ny Rômana tao amin'ny jody. Jodasy Iskariota, olon'i Crioth no voatonona farany amin'ireo Apôstôly... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Ho fitohizan'ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly ka haharitra ambara-pahatapitry ny taon-jato rehetra dia nanendry mpandimby ny Apôtsôly dia ny Eveka, izay mihaino ny Eveka dia mihaino an'i Kristy. Ny Eveka dia manana adidy handavorary sy hanatevina ny asa nataomboky ny Apôstôly, nanankinana ny andian'ondry manontolo, mampianatra ny foto-pinoana, Mpisorona... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
André dia avy any Betsaida, ary rahalahin'i Simona-Piera, mpanarato tahaka azy koa. Mpianatr'i Joany Baptiste izy io ary izy no iray amin'ireo roa mpianatra voalohany nanaraka an'i Jesoa. Jakôba : ilay lehibe na zokiny sy Joany zanak'i Zebede, mpanarato tao amin'ny reniranon'i Tiberiady ihany koa, nanaraka an'i Jesoa tsy nisalasala, nomen'i Jesoa fanampin'anarana hoe "zana-baratra"... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
I Jesoa Kristy no nanorin ny Eglizy tamin'i Piera sy ny Apôstôly, Kristy no lohany ary i Piera no filohany hita maso miaraka amin'ireo Apôstôly 12 lahy, izay vato fototra. Nanana fahefana tsy azo nolavina ny Apôstôly teo amin'ny Eglizy satria nomen'i Jesoa azy ireo izany, ary nampiariny tamin'ny alalan'ny fiaraha-mitantana ; ireo eveka amin'izao fotoana izao no dimbin'ireo... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
I Jesoa Kristy no Mpiandry ondry mandrakizay ary izy no lohan'ny Eglizy. Nifidy ny Apôstôly Izy ho mpiandry ondry hiara-hiasa aminy ary nirahiny ho an'ny amin'ny vazan-tany eran'izao tontolo izao. Ny Papa sy ny Eveka ihany no antsoina hoe Mpiandry ondry fa ny sisa rehetra dia mpiara-miasa amin'izy ireo avokoa. Rafitra an-tanan-tohotra "hierarchique" ny ao amin'ny Eglizy Katôlika fa tsy demôkratika... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Anisan'ny tena mampiavaka ny Eglizy Katôlika izay manana ny toetrany manokana (iray, masina, katôlika, apôstôlika) ny fananany rafitra maty paika sady matotra ka ijoroany hatrany am-piandohana hatramin'ny namoronan'i Kristy azy tamin'ny Apôstôly dia i Piera no filohany sy ireo dimbiny mandrak'ankehitriny. Ny Eglizy dia fiombonan'ny vahoakan'Andriamanitra, handraisana famonjena... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco