I Kristy ilay Masina no manamasina ny Fiangonana, nanolon-tena ho azy satria noraisiny ho toy ny vadiny ny Fiangonana. Ny Fiangonana dia Vahoakan'Andriamanitra misy ny Eveka, Pretra sy ny Lahika ary ny relijiozy ary mifototra sy mivondrona ao amin'i Kristy. Ny fanarahana ny toro-hevitry ny Evanjely no hevitra fototra iraisan'ny Relijiozy... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.
Ny Lahika dia tsy maintsy manaiky ho tantanina amin'ny fampianaram-pinoana mba tsy hivaona amin'ny lalana nosoritana ho azy, ny lalan'ny fahamasinana. Ny Eveka sy ny Pretra no mpampianatra ny Lahika voalohany. Fadiana ny manaraka na mivavaka amin'olona na mifototra amin'ny firehin-kevitra manokana... Katesizy momba ny antso - Loloha lanitra - ho amin'ny fahamasinana ao amin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Amin'ny maha mpiandry ondry ny Eveka dia tsy maintsy mijoro ho fakan-tahaka sy be herim-po izy amin'ny fanahafana an'i Jesoa Kristy ka hazoto sy hanetritena hatrany amin'ny fanatontosana ny adidiny. Amin'ny fanatanterahany amin-kitsim-po sy am-pitiavana ny asany, miampy ny hanitry ny fitiavam-bavaka ao aminy no hanamasinan'ny Eveka ny tenany... Katesizy momba ny antso - Loloha lanitra - ho amin'ny fahamasinana ao amin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Miseho amin'ny endrika maro ny fahamasinana, niainga tamin'ny safidim-piainana manokana ny famaliana ny antso ho amin'ny fahamasinana, ny maro nijanona ho lahika, fa ny sasany niroso tamin'ny fanokanan-tena ho pretran na relijiozy.Ho fikatsahana ny fahamasinana dia miara-misalahy sy mifanome tanana hifanompo sy hifampitondra mankany amin'Andriamanitra... Katesizy momba ny antso - Loloha lanitra - ho amin'ny fahamasinana ao amin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Lalan-kizorana hahatongavana any amin'ny "antso loloha lanitra" ho amin'ny fahamasinana ao amin'ny Eglizy ny fananana hatsaram-panahy. Tsy ezaky y nofo aman-dra no hahazoana io fahamasinana io fa fahasoavan'Andriamanitra izay mifototra indrindra amin'ny hatsaram-panahy. Olom-boafidin'Andriamanitra isika ka tsy maintsy mitafy famindram-po... Katesizy momba ny antso - Loloha lanitra - ho amin'ny fahamasinana ao amin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Adidy lehibe napetrak'Andriamanitra amin'ny olombelona dia ny fiarovana sy ny fikolokoloana ary hitahiry ny aina. Ny tompon'andraikitra eo amin'ny firenena iray dia miaro ny aina amin'ny fomba sy fitaovana rehetra, tsy manitsaka ny fiveralan'ny rohy-voahary. Ny adidy faharoa dia ny asa ; adidy iombonana ny mitory ny rariny sy ny marina. Ny saina dia fitaovana entina miaro ny aina... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Alahady 06 jolay 2025, Alahady faha-14, tsotra, mandavan-taona "D" : Matokia mitory ny Evanjely ; Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy, amin’ny Anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra ary voninahitra anie any amin’ny avo indrindra! Isika Kristianina ankehitriny dia nofidian'i Jesoa sy nirahiny hanohy ny fitoriana ny Fanjakan'Andriamanitra. Noho ny finoana izay noraisintsika sy ezahantsika ivelomana no mpialoha lalana azy Jesoa sy ho mpanomana ny hatongavany amin'ireo mbola tsy mahalala azy, atomboka eo amin'ny manodidina antsika. Ny fitoriana amin'ny fo manontolo no tian'ny Tompo...
Ny sitrapon'Andriamanitra dia ny hahamasina antsika. Io fahamasinana io ilay lazaina hoe "antso fototra sy lavorary indrindra" iantson'Andriamanitra antsikra rehetra. Natao ho an'ny olona rehetra tsy ankanavaka ny fahamasinana. Ao amin'ny Eglizy dia ny olona rehetra na ireo mpifandray amin'ny fitondrana na ireo andrasany "lahika" dia samy antsoina ho amin'ny fahamasinana... Katesizy momba ny antso - Loloha lanitra - ho amin'ny fahamasinana ao amin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Hoy Jesoa "Aoka ho lavorary ianareo tahaka ny fahalavorarian'ny Rainareo izay any an-danitra ; fa ara-baiboly dia mitovy tanteraka ny hoe "masina" sy ny hoe "lavorary". Noho izany dia sady antso no faniriana lalina ao amin'Andriamanitra ny hahamasina antsika. Ny fananana ny fahamasinana no fototry ny famonjena... Katesizy momba ny antso - Loloha lanitra - ho amin'ny fahamasinana ao amin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Ny atao hoe " Antso loloha lanitra" dia antso ho an'ny besinimaro, antso tsy hanavahana na iza na iza ao amin'ny Eglizy. Ny fahamasinana na ny fahalavorariana no antso 'Loloha lanitra" na hoe antso iombonana amin'ny Eglizy. Antso sy natokana ho an'olom-bitsy ary tsy hanavahana na iza na iza, fa natao ho an'izay ambaratonga rehetra misy ao amin'ny Eglizy... Katesizy momba ny antso - Loloha lanitra - ho amin'ny fahamasinana ao amin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Nandray ny fahasoavana manokana ho mpanamasina, ho mpampianatra ary mpiandry ondry, mpitantana ireo nandray ny Sakramentan'ny Filaharana, noho izany dia voatokana ho maka fanapahan-kevitra noho izy mpisolo toerana an'i Kristy. Ireo mpiandry ondry dia aoka hitantana ireo andian'ondry nankinina taminy amim-panajàna, am-pitiavana ary amim-pahendrena, indrindra rehefa manankina andraikitra amin'ireo Lahika... Katesizy momba ny Lahika, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.
Ny Lahika dia tokony ho tia sy hanaja ny zava-boary fa ireny indindra no maneho ny fahefan'Andriamanitra ary enti-midera sy manome voninahitra Azy Mpahary. Manaja ny Mpahary isika rehefa manaja ny zavatra nohariany. Tena manana adidy tsy azo ialàna ny isam-batan'olona manambatra ny hery, manaja ny kolontsaina voadion'ny Evenjely, manaja ireo soatoavina, manaja ny hasin'ny olombelona... Katesizy momba ny Lahika, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.
• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco