Ny fanomezan-drà an-tsitrapo dia fihetsika tsotra nefa mahavonjy aina maro. Zava-dehibe ny fahalalana ny fepetra sy ny fizotry ny fanomezana rà, ary koa ny tombontsoa entiny, mba hanesorana ireo ahiahy sy hevi-diso mbola misy. Amin’ny ankapobeny, afaka manome rà ny olona rehetra 18 hatramin'ny 70 taona , milanja 50kg fara-fahakeliny, ary mahatsiaro salama. Ny toe-pahasalamana , ny "voyage"  izay natao ary ny tantara ara-pahasalamana vao haingana (antécédents médicaux récents) , dia tombanana amin’ny alàlan’ny fanontaniana apetraka amin’ny fanomezana rà.

Ny kolontsaina no mampiavaka ny firenena samihafa. Miandrandra fanavaozana ny Malagasy ary ny fiverenana amin'ny fanajana ny kolontsaina no fototra tsara hizorana amin'izany. Ny fifanajana sy ny fanajana dia soatoavina tsara mpampiavaka ny Malagasy; voalohany amin'ireny ny fanajana ny tena amin'ny alalan'ny fitondran-tena mendrika (fomba fiaina sy fomba fiteny). Ny fifanakalozan-kevitra, ny fifampiresahana dia vokatry ny fifanajana sy fanajana, mampitsiry fitiavana, ireny no mampitoetra ny fifanomezan-kasina ka hampilamina ny fiaraha-monina... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny volana jona dia volana manasaka ny taona ; iray volana hanajàna ny Fo Masin'i Jesoa ; Volana JONA dia iray volana ho an'ny ankizy ; Volana hanaovana ny fanadinana famindrana kilasy ; Volana hanombohan'ny fanadinam-panjakàna ; Volana hanandratana ny teny Malagasy izany hoe iray volan'ny teny Malagasy ; Volana misy andro iray momba ny MOZIKA sy ny KOLONTSAINA ; Volana hankalazana ny niverenan'ny fahaleovantena ho an'ny Firenena Malagasy... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

Eny anatin'ny fiaraha-monina eny dia maro ny olona manana toe-batana somary manahirana dia ny kibo lehibe. Antony : Betsaka loatra ny "Kalôria" ampidirina amin'ny sakafo anefa tsy lany nampiasain'ny vatana ka misy tavy manodidina ny nofo sy ny oditra mandrafitra ny kibo, na manodidina ny taova hafa. Adika ho lehibe ny kibon'ny olona iray raha mihoatra ireto ny revin'ny hodidin'ny kibo (tour de taille) 88 cm vehivavy 102 ho an'ny lehilahy. Ilaina hatrany ny manatona mpitsabo mba tsy hiteraka olana hafa indray ireo fomba isan-karazany hanenana ny kibo. Ny ... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Tsy nitsahatra nihena ny vokatra tantely teto amintsika tao anatin’ny 30 taona mahery araka ny antontan’isa misy. Raha nahatratra 5 alina taonina ny vokatra tany amin’ny taona 90. Nidina hatrany amin’ny 4 arivo Taonina izany ny taona 2024... Miovaovao ihany koa ny vokatra tantely nahondran’i Madagasikara nandritra izay fotoana izay. Nisy àry ny dinik’asa nasionaly notanterahana teto amintsika hamerenana indray ny toerana misy ny tantely eto Madagasikara...

Volana jona : volan'ny ankizy. 12 jona : Andro iraisam-pirenena iadiana amin'ny fampiasana zaza tsy ampy taona. Ho antsika eto Madagasikara dia ankizy efatra ao anatin'ny folo no efa niditra tamin'ny sehatry ny asa mialoha ny faha-18 taonany, araka ny fanadihadiana nataon'ny UNICEF. Sahiran-tsaina ny ray aman-dreny amin'ny fitaizana ny zanany, indrindra eo amin'ny fampifandanjana ny fisitrahan'ny ankizy ny zony sy ny fanabeazana tsy maintsy omena azy ireo.

Ny fahafantarana ny tantara dia isan'ny kitro ifaharan'ny Firenena sy ny fampandrosoana. Ezaka tsara tokony hatao ny fampidirana eny amin'ny sehatry ny fanabeazana sy ny fampianarana ny fampahafantarana ny tantaran'ny Firenena. Ny fananganan-tsaina dia mariky ny fahaleovan-tena, anefa isika ihany no tompon-tsafidy farany, na tena hiaina fahaleovan-tena tena izy isika na mbola hiankin-doha amin'ny hafa hatrany. Ny fifanajana sy ny fanajana dia fahendrena Malagasy, fototry ny fitiavana ary mahatsara ny rafi-piaraha-monina... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Raha mijery ny tontolo iainantsika eto Madagasikara, indrindra ny ety andrenivohitra dia hita sy tsapa fa miana ao anaty loto ny mponina. Antony maro no mety mahatonga izany fa ny ho resahatsika anio dia mikasika ny “sachet plastique” sy ny fiantraikany amin'ny tontolo iainana sy ny fahasalaman'ny mponina, ny zava-misy momba ny fampiharana ny lalàna misy, ary ireo safidy maharitra sy mora ampiasaina hisolo ny plastika amin'ny fiainana.

Ny volana jona dia 30 andro ho fankalazana ny fetin'ny fahaleovantena, ary indrindra ho an'ny teny Malagasy. Antom-pisian'ny 1 volan'ny teny Malagasy dia ny fanomezana hasina ny teny Malagasy. Ny tany, ny teny ary ny tantara dia mifandray ary mifamatotra amin'ny fiainan'ny firenena ary tombony afahana mampandroso sy hizorana any amin'ny fanavaozana. Anatin'ny volana jona no afahana maneho ny tena fitiavan-tanindrazana ka isan'ireny ny fananganan-tsaina Malagasy. An-dalana ho any amin'ny repoblika fahadimy isika anefa tsara ny mampatsiahy fa ny Lalàm-panorenana dia tokony hajaina sy omen-kasina... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Somary sarotra ny famaritana ny aretina mahazo ny fo satria maro ny taova manodidina ity taova ity ary indrindra ao anaty tratra. Mila famonjena faran'izay haingana ny fanaintainan'ny fo satria 30 hatramin'ny 120 minitra ihany no afahana mamonjy ity olana mpahazo ny fo ity. Mety ho fanaintainana eo amin'ny hatoka, sandry havanana, valanon-drano no fambara amin'ny olan'ny fo, fa tsy voatery ny fo mivantana, noho izany vao misy ireo fambara ireo dia tokony hanantona toeram-pitsaboana.... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Tsy manao ambanin-javatra amin’ny fampiroboroboana ny lalam-pihariana tantely iantsorohan’ireo mpikambana ao aminy ny tambazotran’ny Sendikan’ny Orina Ambanivohitra na ny Réseau SOA. Nikarakara atrik’asa nandalinan’ireo mpikambana ao aminy ny lalam-pihariana fiompiana tantely ireo ny faha 4 sy ny faha 5n’ny volana may teo. Atrik’asa natao teto an-drenivohitra teny amin’ny FOFIKRI Ilafy Antananarivo Avaradrano...

Maro ny voka-dratsy vokatry ny fihinanana paraky sy fifohana sigara, amin’ny tena sy ny manodidina, tsikaritra fa miha tanora ny mpanjifa azy ireo. Mahatratra eo amin’ny 4000 eo ny karazana poizina entin’ny setroka sigara: hhatra nicotine, goudron, monoxyde de carbone, cyanure d’hydrogène; etsy ankilany ny paraky dia manana taha mihoatra lavitra ny nicotine ao anatin’ny sigara telo fohana. Mila fiaraha-mientana ny ady amin’ny fifohana sigara sy fihinanana paraky... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...