Ny vady dia fameno, mifanampy amin'ny lafiny maro ; olona roa, lahy sy vavy, no mifanaky hanohy ny fiainana. Ny fanambadiana dia midika fahaleovan-tena, hanohizan'aina, olona mifanaiky an-tsitrapo, fitia mifamaly tsy an-tery. Ny fanambadiana dia fanapahan-kevitra eo anatrehan'ny fianakaviana, fiaraha-monina, fanjakàna, ary ny fiangonana, fanorenana fiainana vaovao sy ankohonana vaovao... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

Mifanaraka amin'ny tetiandro navoakan'ny Papa Ray Masina mikasika ny fankalazana ny taon-jôbily 2025, natokan'ny Eglizy ho jôbily ho an'ny olona manana fahasembanana, ny datin'ny 28 avrily 2025. Atao hoe "Sembana" ny olona iray raha toa ka mihena mandalo na maharitra ny fahafenoiny ara-batana na ara-tsaina, azo hatrany am-bohoka, na vokatry ny fahanterana na vokatry ny loza, hany ka lasa tsy lavorary ny fahaleovantenany, ny fianarany, sy ny asany... Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Vanim-potoana tsy mifanalavitra ny taom-baovao Malagasy sy ny paka samy mandalo fidiovana ary miafara amin'ny fifaliana, fiavaozana amin'ny lafiny maro (toetra - fo...) Ny saina sy ny fo mitambatra no  tonga fanahy amin'ny Malagasy. Samia miezaka hanatsahatra ny endriky ny faharatsiana, didy jadona, kolikoly tsimatimanota. Ny fahadiovana dia sady fanajànao ny tenanao no fanajàna ny hafa... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny fivoaram-piainan'ny tsirairay dia miankina amin'ny fahavononany handray ny fanabeazana homena azy. Ny hoe "mankatoa" dia ahitana foto-teny hoe "toa" manaiky amim-pitiavana. Tsapa amin'ny fihetsika sy ny teny ny fankatoavana ataon'ny zanaka ny ray aman-dreny. Ny antony mahatonga ny ankizy tsy hakantoa : ny fampitoviana ny fomba fiaina tamin'ny taona taloha sy ny ankehitriny... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

Eny amin'ny fiaraha-monina dia betsaka ny zaza Malagasy no miaina ao anatin'ny tsy fahampian-tsakafo ; porofo 53% ny zaza latsaky ny 5 taona no miaina izany. Ny tsy fahampian-tsakafo dia tsy mihatra amin'ny vatana ihany fa indrindra mahakasika ny saina. Ny tsy fahampian-tsakafo dia tsy fifandanjana na tsy fahampian'ny singa ilain'ny vatana entin'ny sakafo hoanina. Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Fambolena miaro ny tontolo iainana : mahaliana ny tanora Tafita any amin’ireo tanora nahazo tohana ara-piofanana avy amin’nytambazotra iraisam-pirenena misehatra amin’ny fampiofanana amin’ny famokarana sy ny tontolo ambanivohitra na ny RI-FAR sy ny Réseau SOA ny fahaza-manao noratovin’izy ireo.Nahita tombotsoa ireo tanora nampihatra ny fambolena miaro ny tontolo iainana sy ny fitantanana ny rano tao amin’ny fikambanana Soa Mitsinjo
ao amin’ny kaominina Antanetibe Mahazaza ato amin’nydistrikan’Ambohidratrimo.

Ny fianakaviana dia antso sy fanomezana manokana avy amin’Andriamanitra, toerana voalohany itomboan’ny fitiavana sy ny fanantenana. Toy ny zaridaina, mila fikarakarana sy fitiavana ary faharetana ny fiainam-pianakaviana mba hahafahana miaina sy manome aina vaovao ho an’ny tsirairay. Amin’ny alalan’ny Sakramenta, indrindra ny Mariazy sy ny Eokaristia, dia omban’Andriamanitra sy ampaherezina ny mpivady sy ny fianakaviana. Ankehitriny dia antsoina isika hikarakara sy hanatsara ny fifandraisana, ny fihavanana ary ny fahamasinana ao anatin’ny fianakaviana... Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Ao natin'ny "TENY" dia misy hery miafina, koa tokony hitandrina isika amin'ny "teny" lazaina : mety ho tso-drano ary mety ho ozona. Ny teny dia endrik'Andriamanitra ao amintsika olombelona noho izany dia tokony ho "TENY" famporisihana mitondra soa ho an'ny hafa no hatao fa tsy fandatsana sy fandrabirabiana. Ady lehibe ny ady ara-toekarena koa samia miezaka sy manome lanja ny haren'ny firenena... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny "andropause" dia fihenan'ny ely "testostérone" eo amin'ny lehilahy izay efa zokiolona. Ny andropause dia sady tsy tranga mitranga ara-potoana ary tsy voatery miaraka amin'ny soritr'aretina. Mihena tsikelikely ny taha sy ny kalitaon'ny testosterone. Ny hatavizana dia maha aingana ny fisehon'ny "andropause". Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

Atao hoe mahia ny olona iray rehefa tsy mifandanja  ny halavany sy ny lanjany. Raha tojo fihenana tampoka na fahiazana dia tokony karohina ny antony nahatonga izany satria mety ho aretina na olona ara-pahasalamana hafa. Ny antony : tsy fahampian-tsakafo sy ny kalitaon-tsakafo tsy mifanaraka amin'ny filàn'ny vatana (glucide, protide, lipide, Vitamina A - D - E - K). Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Mamokatra mangahazo 3 tapitrisa taonina eo ho eo Madagasikara araka ny tarehimarika ny taona 2022. Mahatratra eo amin’ny 7,5 taonina isaky ny hektara ny vokatra miakatra. Manodidina ny 4 hetsy hektara ny tany amokarana mangahazo eto amintsika. Natokana ho sakafon’ny olombelona ny ampahany amin’ny mangahazo eto Madagasikara. Ny 60 isanjato, manodidina ny 8 hetsy sy iray tapitrisa taonina kosa dia natao ho sakafon’ny biby fiompy...

Ny 23 avrily no andro fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny mpanoratra sy ny vaky boky. Efa misy fomba maro izao entina hanaovana ny vaky boky, indrindra vokatry ny fandrosoana ara-teknôlôjia. Isan'ny fitaovana manampy ny tsirairay hivelatra, hamantatra zava-baovao, afahana mampiana-tena, mampatoky tena manoloana ny olona, manampy amin'ny fahaizana manapa-kevitra... Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...