Tsy inihan'ny zaza na olona iray ny handitsaka am-pandriana. Ny teny mahery atao amin'ny zaza, ankizy na olon-dehibe izay manditsaka am-pandriana dia herisetra, ny tsara indrindra dia ny mamantatra ny mety ho anton'ilay tranga. Ny zaza mbola minono dia in-droa ambiny folo no mivalan-drano (pipi), tokony hisolo taty matetika ny zaza. Manomboka amin'ny faharoa taonan'ny zaza no tokony efa zarina hivalan-drano amin'ny toerana tokony hanaovana azy ny zaza. Ny mety ho antony : tsy fahazarana, fahataran'ny baiko ao amin'ny atidoha, tsy misy fahatsapana... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny fidiran’ny mpianatra eto Madagasikara dia tsy resaka fitaovam-pianarana sy saram-pianarana ihany, fa mifandray amin’ny toe-karena sy ny fiainan’ny tokantrano manontolo. Noho izany, ilaina ny fandaminana, ny fifampiresahana ary ny fametrahana laharam-pahamehana, mba hisorohana olona mety hiseho amin’ny fianaran’ny ankizy. Andraikitra iombonan’ny ray aman-dreny, ny sekoly, ny mpampianatra ary ny fiarahamonina ny fanohanana ny mpianatra. Ary amin’ny alalan’ny firaisankina sy fifanohanana no ahafahana miatrika ireo fanamby mba hisian’ny fahambiazana lavorary...
Manamarika ny "Jobily kristaly" miampy taona iray ny fandaharana "MBA HO VANONA", fandaharana nanabeazana sy mbola mandray anjara amin'ny tantsoroka ha-olom-banona ny mpihaino. Ho tohin'ny ezaka dia irina ny hananan'ny tsirairay fahasalamana sy fahavanonana, indrindra fihavaozana anatin'izao kihon-dalana lalovan'ny Firenena izao dia ny fanavaozana. Miainga amin'ny tsirairay ny fanavaozana, mifototra amin'ny fihavaozan'ny toe-tsaina sy ny fomba fijery miabo. Teboka kely indrindra azo hiaingàna ny fahadiovana, io ny handrafitra tsikelikely ny rafi-tsaina. Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo...
Efa misy ny ezaka vita mikasika ny fampitovian-jo ho an'ny lehilahy sy ny vehivavy, anefa mbola maro ihany koa no tsy tanteraka. Ny lalàna afahan'ny vehivavy misitraka zo sy lalàna miaro azy ireo dia maro no voadiaka sy tsy sitrahany. Ohatra mivaingana ny fampianarana sy ny fanabeazana, maro ny vehivavy tsy nomena fahafahana feno hianatra. Zava-dehibe anefa ny toerana sahanin'ny vehivavy, singa iray mampivelatra ny fianakaviana. Tokony misy fahafahana mitovy eo amin'ny lehilahy sy vehivavy, mba afahany mitombo sy mivoatra, samy mendrika fanajàna... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Hamerina ny lanjan’ny kafé teto Madagasikara toa ny nisy mialohan’ny taona 90 indray ny Fanjakàna Malagasy amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fambolena sy Fahaleovantena ara-tsakafo miaraka amin’ireo mpiara-miombona antoka eto an-toerana sy ny any ivelany. Tanjona ny hananan’ny kafé malagasy ny toerany eo amin’ny tsena iraisam-pirenena sy hanatsara ny fari-piainan’ny tantsaha mpamokatra amin’ny alalan’ny fampitomboana ny vola miditra amin’izy ireo.
Vonona hampiroborobo ny toekarena ao aminy amin’ny alalan’ny fizahan-tany ara-tontolo iainana noho ireo harena voajanahary ao aminy ny VOI ao amin’ny nosy Sakatia Nosy Be. Nitsidika ny sehatr’asan’ny Vondron’Olona Ifotony tao Anja sy Tsaranoro samy ao amin’ny distrik’Ambalavao faritra Matsiatra Ambony izy ireo mba hitondra traik’efa hoan’ny VOI any DIANA ankohatra ny ao Sakatia...
Mamaha olana an’ireo tantsaha mpikambana an’arivony ao aminy ny fijoroan’ny fikambanana Lanja Miakatra nandritra ny taona maro nijoroany. Fikambanana saro-piaro ary mampihatra ny famokarana ara-biolojia tsy mampiasa taharo simika amin’ny fambolena sy ny fiompiana ilofosan’izy ireo. Mifampizara traik’efa momba ny fikarohana amin’ny famokarana izy ireo mba afahana manatsara hatrany ny vokatra. Fahombiazana no azo tao anatin’izay 20 taona mahery nijoroan’ny fikambanna izay, indrindra ny fanatsaràna hatrany ny famokarana ny zezika kakana amin’ny alalan’ny fikarohana tsy mitsahatra...
Ny aretina mpahazo ny tenda dia aretina misy mandavan-taona, ary mety hahazo ny olona rehetra. Ny Aretin-tenda dia misy karazany maro: mety ho vokatry ny olana mahazo ilay kambon-tenda, amygdalite, pharyngite, laryngite... Ny anton'ny aretina dia fisian'ny tsimok'aretina na otrik'aretina manafika ny tenda, tsy fahazakana hatsiaka, tsy fahazakana sakafo sasatsasany. Ny tenda dia manomboka ao amin'ny ati-vava ka isan'izany ny kambon-tenda izay taova mpamorina hery fiarovana ho an'ny olombelona. ... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Efa mahasarika mpanjifa avy any ivelany ny Foara Iraisam-pirenena hoan’ny toekarena eny ambanivohitra eto Madagasikara na ny FIER MADA. Mpanjifa avy atsy Afrika Atsimo, any Belgique ary atsy amin’ny nosy La Reunion no efa nilaza fa ho avy hividy ny vokatry ny tantsaha. Nivoitra izany nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny FIER MADA andiany faha 27 amin’ity taona ity. Hetsika ara-toekarena tanterahana eny amin’ny kianjan’i Makis Andohatapenaka ao Antananarivo Renivohitra nanomboka ny alarobia 06 Aogositra hatramin’ny alahady 09 Aogositra izao...
Misy retsika mandray ny fanaintainana (recepteur de douleur) manaraka ny lalan-dra ao amin'ny karan-doha sy ny fonon'ny atidoha (meninge) ka raha misy zavatra manelingelina lalan-dra amin'io faritra io dia eo no hahatsapana ilay hoe "Marary loha. Tsy tokony hamaivanina ity aretina ity mampanaintaina ny loha, ary tsy tokony hihinana fanafody tsy nahazoana toromarika avy amin'ny mpitsabo. Misy tranga hafa mikasika ity aretina ity izay maneho sy fambara aretina hafa... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny fanajana ny kolontsaina fototra maha-Malagasy dia miteraka filaminana, azo tarafina amin'ny hasina sy ny lanjan'ny DINA eny amin'ny fiaraha-monina izany, izay mahery lavitra noho ny lalàna. Ny fitiavana dia azo ampifandrifiana amin'ny firaisan-tsaina, sy fifampatokisana sy fanajana ary fifanajana. Ny hitan'ny maso, ny tsapan'ny tanana ary ny ren'ny sofina dia samy mandrafitra ny rafin-tsaina maha olona. Ny hitan'ny maso ankehitriny no fomba tsotra anefa misy fahombiazana amin'ny fanentanana ny Malagasy ho amin'ny fiavaozana sy fanavaozana. Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo...
Misy hafatra ho an'ny tanora hiditra amin'ny sehatry ny fanambadiana ; ity voambolana farany ity dia ahitàna foto-teny "VADY", izay midika ho fameno ihany koa. Ny fiainana teo anivon'ny ray aman-dreny sy ny fianakavina dia efa sehatra lehibe hanomanana sy hiombanan'ny tanora, hiriso amin'ny fanambadiana, isan'ireny ny andraikitra madinika sy ny maro hafa izay omena hizarany... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco