Ny angano dia lahabolana malagasy ambava. Ny angano dia manana ny mampiavaka azy eo amin'ny : Voalohany ny endriny ivelany ahitana ilay fanombohana "Indray andro hono ...  Fahiny ela be hono... Fahagolan-tany hono... ; faharoa ny mitatitra trangan-javatra ; fahatelo ahitana mpandray anjara lasitra : mahery fo, mpanampu, mpanohatra... ; fahaefatra ny fisian'ny zava-mahagaga ao aminy ; fahadimy fihafaran'ny toe-javatra ka ny ratsy fanahy tsy maintsy voasazy na voahitsy ary ny tsara fanahy mahazo valisoa. Ny angano dia tsy fitantara amin'ny andro maraina na antoandro fa amin'ny hariva alohan'ny ora fisakafoana. Ny arira dia angano misy fototra, azo antokoa ho marina tany am-boalohany fa efa niova be ihany ka tsy azo inoana araka ny tarehy isehoany ankehitriny.

Ny ohabolana dia andiam-pehezan-teny fampiasan'ny Malagasy amin'ny sehatra maro, mandritra ny fandraisam-pitenena na fifampiresahana. Ny ohabolana dia andiam-pehezan-teny roa na telo, mifampiankina amin'ny lafiny maro, mety ho arak'endrika, ara-kevitra, marihina anefa fa misy fanoharana, mitory fananarana, fihavanana, na toe-java-misy eo amin'ny fiaraha-monina. Raha hamorina izany dia tokony hanaja ireo voalaza ireo ary atao mazava hoe "Mivohy inona"...

Mamohehitra : avy amin'ny foto-teny " fohehitra" midika hoe zavatra mahatonga fahavoazana, mampidi-doza. Bakora : mpamari-toetra midika ho malemilemy na mivahavaha na koa miroraka. Migaboka dia mitovy hevitra amin'ny hoe mihavosa, mifaningoho, betsaka. Mariry : ringitra, zava-maniry tsy misy ravina. Ny hoe "Madagasikara" dia maro ny angon-kevitra milaza ny azy isan'izany ny voarakitra ao amin'ilay boky novokarin'ny ministeran'ny kolontsaina, momba ny fiandohan'ny teny "malagasy sy madagasikara". ohatra : ara-tantara dia Jiosy no tonga voalohany teo madagasikara ary nanambatra ireto teny ireto ho "madagasikara" Ma= Moa , Dag= trondro, Escar=Andriamanitra...

Ny fanorenana trano dia ilaina omena lanja ireo tanisaina ireto : ny toerana, ny fitodiky ny trano, ny fotoana hanorenana, ny ala saritraka, ary ny fomba hamoriana ny ankora entina hananganana azy. Ny toerana dia tokony manoloana ny tany voky, amin'ny toerana malalaka, tsy azon'ny rano ary tany mafy. Ny fitodiky ny trano dia kajiana mba ho miankandrefana izany hoe amin'ny lafiny andrefana no misy ny varavarana sy ny varavarankely, antony izany dia mba hatsara ny fidiran'ny masoandro sy ny rivotra. Ny fotoana fanorenana dia amin'ny andro main-tany sy araka ny vintan'ilay tompony : ny fototra dia eo anelanelan'ny fenomanana sy ny ravavolana ; ny fananganana rindrina dia eo anelanelan'ny tsinanana hatramin'ny fenomanana.

Ny lahabolana dia zava-kanto ventesina am-bava efa nisy teto Madagasikara talohan'ny nahatongavan'ny soratra. Ny lahabolana dia misy isan-karazany na isam-paritra na isam-poko, ohatra : toakatoaka, jijy, saova, sokela. Ny lahateny dia teny maro harindra, natao na hovoizana loha-hevitra iray ary arindra anaraka rafitra. Ny lahabolana na efa misy noraiketina an-tsoratra aza dia mijanona ho lahabolana hatrany, ny ankoatra izay dia literatiora.

Ny kanto dia ireo izay miataka amin'ny andavanandro, manintona, mandresy lahatra, maningotra ny fo sy fanahy, mahafinaritra, mateza dinihana. Ny endriky ny kanto dia mety ho rafitra ary mety ho lalana. Ny kanto dia zavatra soa, tsara, mahasondriana. Ny olona mpikanto dia olona miangaly amin'ireto ho lazaina ireo : rafitrano, sary sokitra, hosododo sy mpanao sary, mozika, literatiora, fiangaliana seho an-tsehatra ary ny mpanao sarimihetska, 

Ny "samirery" sy ny "samy irery" dia samy fampiasa, fa ity farany dia entina hanambarana tranga mitovy amin'ny olona tokana itovizana amin'ny maro, izay misy fampitahana. Ny voambolana "Afaka" sy ny "Azo" hampiasaina araka izao manarika izao, araka ny fihafaran'ny filaza madidy ny teny manaraka azy : Raha miafara amin'ny "A" dia hampiasaina ny "AFAKA", ohatra : Tonga - Tongava - afaka tonga ; raha miafara amin'ny "O" na "Y" dia "AZO" no fampiasa, ohatra : Atao - Ataovy- Azo atao. Voambolana mitovy ihany ny  "TOA sy ny  TOY" fa hampiasaina ny "TOA" rehefa miatomboka amin'ny "A" ny teny manaraka azy.

Ny fandroana dia andro manan-daza tamin'ny malagasy ary saika ahitana izany ny faritra samihafa. Ny fandroana dia andro natao hidiovana, hialana amin'ny loza sy ny rofy, andro hifamelana. Ny fandroana dia mifototra amin'ny rano izay midika ho "aina". Misy ny fombafomba sy ny dingana hatao mandritra ny fandroanaka : voalohany, ny fiomanana, faharoa ny ivon'ny fandroana ary ny fahatelo dia ny fitodiana. Ny "temim-pandroana" dia didy ary ny "fo tsy haritra" no didy nanalefaka io...

Manamarika ny fandroana sy ny faran'ny taona malagasy ary ny taom-baovao ny famonoana omby volavita. Ny atao hoe " omby volavita" dia omby miloko mena ary ahitana loko fotsy boribory mihendrika vola : ny handriny, ny trafony, ny kibony andaniny roa, ny rambony ary ny tongony havia sy havanana. Ny fanasinana ny mpanjaka dia atao amin'ny taom-baovao amin'ny alalan'ny "vola tsy vaky" ka mandritra izany izy no mirary hasina sy soa ny tenany. Amin'ny maha andro lehibe ny fandroana sy ny taom-baovao malagasy dia misy ny fifampizarana sy fifanolorana zavatra maro samihafa toy ny "jaka" fanome ny anabavy, ny anadahy ary ny vehivavy. Manana anjara asa sy toerana lehibe ny vehivavy nandritra ireo fotoana ireo...

Mikasika : entina hilazana zavatra miantefa mivantana. Mahakasika : entina hilazana zavatra miantefa ankolaka. Momba : mifanakaiky hevitra amin'ny hoe mikasika fa mivelatra kokoa ny hevitry ny hoe momba. "Samihafa" no hampiasaina rehefa misy fitanisana karazana fa "samy hafa" kosa raha toa ka manao fampitahana. Ny voambolana " tahaka - noho - araka - momba " dia tsy miova naoviana rehefa soratrana. "Anio" fiteny rehefa hiresaka ny ho avy, "androany" miteny izay efa lasa.

Ny literatiora dia teny eninta maneho hevitra sy/na fihetsem-po atao amin'ny fomba kato, am-bava na an-tsoratra. Ny literatiora haren-tsaina azo kirakiraina sy tahirizina. Ny literatiora dia avy amin'ny teny latina hoe "Literae" manana hevitra hoe "soratra" avy amin'izany no nahazoan'ny frantsay ny hoe "littérature" ka nadikan'ny malagasy ho "literatiora". Samihafa ny Ohabolana ny oham-pitenena, ny slam sy ny riankalo ary ny tononkalo. Lahabolana safiotra ny Tôkalo...

Ny 21 febroary no andro nofaritan'ny UNESCO hanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny tenin-dreny. Nanomboka tamin'ny taona 2000 no nanombohana ny fanamarihana izay atao isan-taona. Ny lohahevitra dia ny hoe : Fampiasana teknolojia amin'ny fampianarana mifototra amin'ny fiamaroan'ny teny : fanamby sy soa fanararaotra. Ny fitsipi-pitenenana dia adika amin'ny teny frantsay hoe "grammaire", ary ny fitipi-panoratana dia "orthographe". Ny teny dia fitaovana ampiasaina hifandraisana ao amin'ny firenena iray, fa ny fiteny dia ny fomba hanehoana ilay teny izay misy isam-paritra...

Sous-catégories

[Miara-dàlana] Zoma 1 aogositra 2025

• Mila mpitondra hafatra ho an'ny fanantenana izao tontolo izao, hoy ny Ray masina, tamin'ny fanokafana ny Jobilin'ny Tanora ny 29 jolay 2025... • Nosokafana androany maraina, tao amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny Jobilin'ny Tanora sy Andron'ny Tanora eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Nankalaza ny Taon-jobily ihany koa ny tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé, ny Tanora tao amin'ny Faritra Androna...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...