Ny endrim-panabeazan'ny Ntaolo dia niainga tamin'ny ankohonana ary nivelatra tamin'ny fiaraha-monina. Ny atao hoe "Ntaolo" dia ireo mponina taloha, nipetraka tan'ivon-tany. Ny andron'ny Ntaolo dia niatomboka teo amin'ny andro nitondran'i Mpanjaka Andriamanelo hatramin'ny fitondran' i Radama-I, izay nampiditra ny finoana kristiana teo Madagasikara. Hatreo dia nantsoina hoe Malagasy isika. Ny endrim-panabeazan'ny Ntaolo dia nanasongadina ny fanahy tahotra sy ny fahendrena. Misy sokajy araka ny taona ny fanabeazana tamin'ny andron'ny Ntaolo ka ny Renibe sy ny Reny no tena miantsoroka ny fanabeazana ny zaza. Ny toerana hanabeazana dia : eo amorom-patana, eo amin'ny fahitra, eny an-tokontanibe...
Sôva dia karazan-tononkalo tsimihety mitsikera toe-javatra iray na mitantara toe-javatra iray amin'ny teny mirindra matetika miady rima. Ny foko Tsimihety sy ny Betsimisaraka-avaratra no tena tompon'ny Sôva. Lehilahy havanana sy efa manana fahaizana manokana ny mpiangaly sôva. Atao an-kavoriana ny sôva, mandritra ny fotoam-dehibe eo an-tanàna. Fanoritsoritana zavatra fahita sy iaraha-mahafantatra eo amin'ny fiainana an-davan'andro. Ny sôva dia ahitana fampitahana sy fitanisana : endrika na toetra ; hita amin'ny zavatra na biby. Tsy mitovy ny sôva, ny vakisôva, ny tandonaka, ny jijy, ny rija betsileo. Misy vehivavy antsoina hoe mpandrombo izay mandrisika an'ilay mpiventy... Ny lamako dia valanondranon'omby, fitaovana ilaina amin'ny sôva.
Ny teny malagasy dia teny iray ihany satria fototra iray no iorenany ara-pitispika. Ny teny malagasy dia misy fiteny maro, izay mampiavaka ny isam-paritra. Ny malagasy iombonana dia ireo voambolana teraka tamin'ny taona 1972 mba ho ampiasaina, avy amin'ny sehatra isan-tsokajiny sy faritra maro. Ny malagasy ôfisialy dia tsy azo hadika hoe teny imerina fa ireo teny ampiasaina amin'ny fitondran-draharaham-panjakana. Ny malagasy ara-penitra dia ireo izay manaraka ny lasitra na fitsipika. Ny sehatr'asa isan-karazany dia samy manana voambolana teknika ; ohatra : ordonnance didim-pitsarana (Fitsarana) taratasim-panafody (Fitsaboana). Ny teny malagasy dia sokajiana ho "teny teratany".
Ny hain-teny dia iray amin'ireo lahabolana malagasy ; araka izany dia lahabolana ambava izy. Ny hain-teny dia teny an'ohatra voaravaka ohabolana, mampiseho fahaizana sy fahakingana, nampiasain'ny Ntaolo tamin'ny fananarana na nifamalian'ny tanora nanao resa-pitiavana. izy ity ihany koa dia fomba filazan-javatra ankolaka amin'ny alalan'ny fanovana anarana na endri-javatra, ary filalaovana voan-teny. Mety hiseho amin'ny endrika fananarana na fanehoam-pitiavana na fanebahana matetika ny hain-teny. Maro ireo dingana tokony ho lalovan'ny olona vao tonga amin'ny fahaizana hain-teny ; manomboka amin'ny ankamantatra ary mihafara amin'ny fahaizana ohabolana vao afaka miampita amin'ny fifehezana ny hain-teny.
Ny fototra niavian'ny teny malagasy dia maro, niainga tamin'ireo asa-karoka isan-karazany. Ny teny malagasy dia misy ifamatorany amin'ny zava-boary, ary tsy kisendrasendra izany, miainga amin'ny fiheverana malagasy ; ohatra ny hoe "mila ravinahitra", eo koa ireo voambolana hanondroina ny olona " hazon-damosina, ravin-tsofina, laingon-tarehy, tendro-molotra, voa maso...". Mifandray ny teny malagasy sy ny riba : ny fisian'ny tenim-pihavanana no mampiavaka ny teny malagasy izay teny tsy mivatambatana. Ny tantara sy ny jeografia dia isan'ny manamarina ny fisian'ny loharano maro niavian'ny teny malagasy ; ara-tantara teo amin'ny frantsay sy ny anglisy, ara-jeografia dia toerana heverina ho seranana i Madagasikara ka tafiditra teto ny tenim-pirenena maromaro.
Ny taona iray dia misy fizarana efatra teo amin'ny malagasy : lohataona, fahavaratra, fararano, ririnina. Ny lohataona dia maharitra roa volana : septambra hatramin'ny oktobra ; ny fahavaratra dia manomboka ny volana novambra hatramin'ny volana marsa. Ny vanim-potoana fararano dia manomboka ny volana aprily miefa jona eo ho eo ; aorian'izay ny ririnina hatramin'ny volana Aogositra. Ny voly vary no tena mampiavaka ny malagasy, izay maro karazana : vary vaky ambiaty, vary aloha na vary asara na jeby, vary vatomandry, dista, alikômbô... Maro ny voambolana fampiasa amin'ny mikasika ny voly vary : tranon'ondry, akoro, vakin-doha, fandravonana, miavo-ketsa, manetsa, manitatra ny vary, mpampilefa reny, mampandainga zaza...
Ny fizaran-taona dia miatomboka amin'ny lohataona ary miafara amin'ny ririnina, misy fizarana efatra. Samy manana ny anjara asany ny lahy sy ny vavy amin'ny fikarakarana ny vary ; ohatra fady ho an'ny vehivavy indrindra ny bevohoka ny mamoaka vary avy ao an-tsopitra na lava-bary fa midika hoe manala zaza izany. Misy fomba fandrahoam-bary telo eto madagasikara : vary ampango na vary maina, vary sosoa na sabeda, vary fao na vary mifangaro ananana na ovy na zavatra hafa. Ny vary sosoa no tena entin'ny ntaolo nifampizarana noho ny hafaliana mba ho sosoa manantena, hitohizan'ny soa sy ny tsara. Samy hafa ny ranon'ampango sy ny rano-vola, ity farany dia tsy fahita any an-trano fa eny an-tsaha...
Ôkatra-harana dia endriky ny famadihana any amin'ny faritra betsimisaraka-avaratra, izany hoe any avaratra atsinanan'ny nosy. Ny ôkatra-harana fomba hamadihana ny satan'ny maty ho razana. Ao amin'ny faritra Betsimisaraka-avaratra : rehefa maty ny olona iray dia alevina an-tany, mandritra ny 5 taona eo ho eo, aorian'izay dia miroso amin'ny hoe manôkatra harana, izay fanadiovana ny taolambalo, ary raha efa izay dia tsy averina an-davaka intsony fa hafindra toerana. Harana= taolana...
NY famadihana dia famindrana toerana ny razana iray natao anirotra na avy amin'ny fasana hafa na ihany koa avy amin'ny faritra hafa ho amin'ny fasana iray. Ny fotoana fanaovana ny famadihana dia amin'ny vanim-potoana ririnina, izany hoe eo anelanelan'ny volana jona sy septambra, ka ny famongarana dia amin'ny faharavan'ny volana ary ny fanitrihana dia amin'ny tsinam-bolana. Ny fitaovana tena ilaina rehefa manatanteraka ny famadihana dia ny tsihy sy ny lamba. Misy dinga maromaro atao amin'ny fanatanterahana famadihana : ny fanomanana, fiantsoana ambiroa, famongarana, fanitrihana... Ireo dingana hisandratan'ny olona manomboka amin'ny fahafatesana : Maty (vatana mangatsiaka), an-dalana maha razana, aorian'ny famadihana dia lasa ho razana mitahy ary mety ho tonga amin'ny hoe zanahary.
Ny fombam-pitenena malagasy dia tsy mitovy amin'ny ohabolana satria ity farany ity dia fehezan-teny roa misy fanoharana ary hatarafana hanatra sy soatoavina maro. Ny fombam-pitenena dia andian-teny na fehezan-teny entina manohatra zavatra na trangan-javatra na olona na toetra. Ny fombam-pitenenana dia ampiasain'ireo mpampiasa azy mba hilazana zavatra ankolaka. Ny fombam-pitenena dia tsy azo heverina ho amin'izany toerany izany raha toa ka tsy voasedra tamin'ny fiaraha-monina sy nahatety vanim-potoana. Ohatra : Aina ity hoy Rainimanonja ; bingo mitehin-kiho...
Ny famoràna dia lanonana lehibe faharoa aorian'ny fandroana tamin'ny fomba malagasy. Ny famoràna dia fomba iray hampidirana ny zazalahy ho ao anaty fiaraha-monina. Ny taona hanaovana ny famoràna dia matetika isa tsy ankasa ary ny fahafito taona no betsaka manao. Ny "FITO" moa dia ahitana foto-tony hoe "ITO", midika hoe tapaka ; maro ny voambolana hilazana ny famoràna any amin'ny Faritra toy ny hoe savatse, sambatra, laza... Misy dingana maromaro amin'ny famoràna : mivaky volo, mifehy voatavo, mitohy temitra, mampaka rano... Misy dikany avokoa ireo karazana fitaovana hampiasaina amin'ny famoràna, natao mba hofirariana ny hasoa sy hatsara ny fiainan-ko avy ho an'ilay zazalahy...
Ny teknôljia dia fitaovan-tserasera fampiasa ankehitriny, izay faritana ho fampahalalana amin'ny alalan'ny kajy mifototra amin'ny rafimpamantarana roa loha "langage binaire". Maro ireo voambolana amin'ny teny malagasy azo ampiasaina amin'ny lafiny teknôlôjia : efijery, banky angona... Ny sikidy dia fampahalalana ny ho avy na manazava ny antony nisian-javatra iray. Ny sikidy dia fomba efa nisy hatramin'ny ela ary hita taratra ao anaty baiboly. Ny voa avy amin'ny hazo fano no fanaovana sikidy ary ny hazo fano no narafitry ny olona ao anatin'ny baiboly ho taberinakila tamin'izany andro izany. Ny mpisorombe ihany no mahazo misikidy araka ny voalaza ao amin'ny baiboly, misy heviny ny ORIMA sy ny TOMIMA.
• Mila mpitondra hafatra ho an'ny fanantenana izao tontolo izao, hoy ny Ray masina, tamin'ny fanokafana ny Jobilin'ny Tanora ny 29 jolay 2025... • Nosokafana androany maraina, tao amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny Jobilin'ny Tanora sy Andron'ny Tanora eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Nankalaza ny Taon-jobily ihany koa ny tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé, ny Tanora tao amin'ny Faritra Androna...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco