09 marsa — Niaina tao anelanelan'ny taona 1384 hatramin'ny taona 1440 i Masimbavy Françoise Romaine. Teraka tao Roma izy ary fianakaviana fanta-daza no nipoirany. Ny fiainany hatramin'ny fahazazany dia maneho ny fiombonana tamin'Andriamanitra, ary nanomana azy hanokan-tena ho an'i Kristy.
08 marsa — Raha fintinintsika fohy ny tantaran'i Masindahy Jean de Dieu dia teo amin'ny fahavalo taonany no nandao ny tokantranon-dray aman-dreniny izy. João Cidade no tena anarany ary teraka tao Portugal izy.
07 marsa — I Perpétue sy Félicité dia martiry afrikanina voalohany voarakitra an-tsoratra ny namonoana azy. I Perpétue dia "patricienne" fa i Félicité kosa dia andevo. Nangataka hatao batemy tamin'ny eveka tao Carthage izy roa ireo.
06 marsa — I Masimbavy Colette dia teraka tao Corbie tamin'ny taona 1381. Nodimandry tao Gand Belgique izy ny 06 marsa 1447. Io vanim-potoana niainan'i Colette io dia nomarihin'ny fisarahana teo amin'ny Fiangonana, izany hoe ny taona 1387 ka hatramin'ny taona 1417. Io ilay antsoina hoe "Grand Schisme". Nisy mantsy ny fifandonan'ireo papa telo tamin'izany: ny iray tao Roma, ny faharoa tany Avignon ary fahatelo tany Pise.
05 marsa — I Jean-Joseph de la Croix dia teraka tao amin'ny nosy Ischia ny taona 1654. Vao 16 taona izy no niditra tao amin'ny Fikambanan'ny Frera Madinika. Nitety an'i Italie nandritra ny 30 taona, nanaparitaka ny fanovana nisy tamin'ny fiainan'ny fikambanan'ny pretra izay nentin'i Pierre d'Alcàntara tao Espagne.
04 marsa — I Masindahy Casimir dia teraka ny taona 1458 tao Cracovie. Faharoan-janaky ny mpanjakan'i Pologne izy. Ny taona 1479 ka hatramin'ny 1481 dia nitantana an'i Pologne izy nandrita ny rainy nipetraka tany Lituanie.
03 marsa — Mbola vao folo taona monja i Guénolé dia nentin'ny ray aman-dreniny tany amin'ny trano fitokana-monina tao amin'ny nosy Lavret any Côtes-d'Armor. Ireo ray aman-dreniny ireo dia i Masindahy Fragan sy i Masimbavy Gwen. Tamin'ny taonjato fahadimy no niaina i Guénolé.
02 marsa — Raha lazaina ny tantaran'i Masindahy Charles le Bon dia zanak'i Knut, mpanjaka tao Danemark tamin'ny taonjato faha-11. Ny taona 1119 no notendrena ho comte tao Flandre i Charles rehefa tafaverina avy any amin'ny ady voalohany ho fanafahana ny Tany masina.
01 marsa — I Eudoxie dia misy ihany koa ny miantso azy hoe Eudocie na Eudocia. Martiry maty tamin'ny taona 114 izy io. Niaina nandritra ny nanjakan'ny Amperora Trajan i Eudoxie. Samaritanina nibebaka, vehivavy mpanan-karena niaina tao Héliopolis tany Liban ary niaina tao anatin'ny rendrarendran'izao tontolo izao.
Ny teny hoe Avent dia avy amin'ny teny latinina hoe:"adventus" izay midika hoe: "Ho avy". Manana tanjona roa ny vanim-potoanan'ny Fiaviana dia ny fotoana hiomanan'ny Kristianina amin'ny Noely ary fotoana hifantohan'ny saintsika amin'ny fiandrasana ny fiavian'ny tompo fanindroany amin'ny farandro. Miovaova isan-taona ny daty fanombohan'ny Fiaviana. Mizara herinandro efatra ary eo anelenelan'ny 27 Novambra sy 03 Desambra mazàna no fanombohany. Ny fanombohan'ny Avent, tamin'ny herinandro lasa teo no taom-baovaon'ny Eglizy, hidirana amin'ny taona litorzika vaovao, araka izany dia tafiditra indray ao anatin'ny taona litorzika, taona D isika izao.
Ny pôezia dia avy amin'ny teny grika hoe " poiêsis" midika hoe "famoronana". Ny endriky ny isan'an-dalana no mampiavaka ny "pôezia" satria manara-drafitra ; mety ho tsoatokana. Natamin'ny taona 1700-1770 no efa nisy mpanoratra atao hoe RAMANAGNATO. Misy ifandraisany ny "pôezia" sy ny "Slam" satria ity farany dia "pôezia" no niantombohany, manana endrika tsy miolaka, miendrika fifaninana, misy fitsipika. Ny tononkalo sy ny pôezia dia iray ihany, azo lazaina ihany koa hoe "soramonina"...
• Nosokafana ny 23 septambra 2025, ny taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Diosezin'Ambanja... • Tsy tapitra eo amin'ny fahafatesana ny tena fiainana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany momba ny misterin'ny Sabotsy Masina, tamin'ny alarobia lasa teo... • Minisitera tena ilaina, nefa saro-pady, ny fandroahana demony, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco