Vakiteny voalohany

Boky Fanisana (Fanis. 11, 25-29)

Noho ny amiko va no ialonanao? Enga anie ka ho mpaminany avokoa ny vahoakan’ny Tompo.

Tamin’izany andro izany,
nidina teo amin’ny rahona ny Tompo dia niteny tamin’i Môizy;
nangalany ny Fanahy izay tao amin’i Môizy,
ka nataony tao amin’ny loholona fitopolo lahy,
naminany izy ireo raha vao tonga tao aminy ny Fanahy,
nefa tsy notohiziny izany.
Nisy olona roa lahy, atao hoe Eldada ny anankiray, ary i Medada ny anankiray,
nijanona teo an-toby;
ary tonga tao amin’izy ireo ny Fanahy;
anisan’ny voasoratra izy ireo nefa tsy nankany amin’ny trano lay,
ary naminany teo an-toby izy.
Dia nihazakazaka nilaza izany tamin’i Môizy ny zazalahy anankiray, nanao hoe:

“Maminany atsy an-toby i Eldada sy i Medada”.

Niteny niaraka tamin’izay i Jôsoe, zanak’i Nona,
mpanompon’i Môizy hatry ny fony tanora, ka nanao hoe:

“Ry Môizy tompoko ô, rarao izy roa lahy”.

Fa hoy ny navalin’i Môizy azy:

“Noho ny amiko va no ialonanao?
Enga anie ka ho mpaminany avokoa ny vahoakan’ny Tompo,
ary hataon’ny Tompo ao aminy ny Fanahiny”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 18, 8. 10. 12-13. 14

Mahafaly fo ny fitsipiky ny Tompo.

Ny lalàn’ny Tompo lavorary,
mamelombelona fanahy;
ny didin’ny Tompo mahatoky,
mampahendry olon-tsotra.

Ny tenin’ny Tompo madio,
maharitra mandrakizay;
ny fitsaràn’ny Tompo koa marina,
samy rariny avokoa.

Koa ny mpanomponao mankasitraka ireny,
fa tombontsoa ireny raha voatandrina.
Ny hadisoan’ny tena, tsy mba hita:
avelao ny ota izay tsy tandriko.

Ny avonavona iarovy ahy,
ity mpanomponao anie tsy ho voafehiny,
ka dia ho afaka amin’ny loto
sy ny hadisoana bevava.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Jakôba Apôstôly (Jak. 5, 1-6)

Ny harenareo efa lo.

Anareo mpanan-karena kosa indray izao:
Mitomania sy migogogogoa, fa indro ny lozanareo efa midona.
Ny harenareo efa lo;
ny fitafianareo efa lanin’ny kalalao;
ny volamena sy ny volafotsinareo efa harafesina;
ary ny harafesiny dia hiampanga anareo,
sy handevona ny nofonareo, toy ny afo.
Efa nanangona hatezerana ho anareo ho amin’ny andro farany ianareo.
Indro, mitaraina ny karaman’ny mpiasa nijinja ny taninareo izay nofetsenareo;
ary efa mby ao an-tsofin’ny Tompon’ny tafika ny fitarainany.
Nivelona teto an-tany tamin’ny hanim-py ianareo sy nanaram-batana tamin’ny fahafinaretana;
namoky ny fonareo tamin’ny andro fandringanana ianareo.
Nanameloka sy namono ny olo-marina ianareo, fa tsy nanohitra anareo izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sokafy ny fonay, ry Tompo, mba hitandremanay ny tenin’ny Zanakao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 37-42. 44. 46-47)

Izay tsy manohitra anareo, dia momba anareo. Raha ny tananao no manafintohina anao, tapaho izy.

Tamin’izany andro izany,
namaly ny tenin’i Jesoa i Joany ka nanao taminy hoe:

“Mpampianatra ô,
nahita olona anankiray nandroaka demony amin’ny Anaranao izahay;
nefa tsy namantsika ka noraranay”.

Fa hoy i Jesoa:

“Aza raranareo izy;
fa tsy misy olona hanao fahagagana amin’ny Anarako ka hanaratsy Ahy vetivety foana.
Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika.
Na iza na iza hanome rano eran’ny kapoaka anareo amin’ny Anarako,
satria an’i Kristy ianareo,
dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho very valisoa izy.
Ary na iza na iza hanafintohina ny anankiray amin’ireny madinika mino Ahy ireny,
dia tsaratsara kokoa ho azy ny hanantonana vato fikosohan-dafarîna amin’ny vozony,
ka havarina any anaty ranomasina izy.
Raha ny tananao no manafintohina anao, tapaho izy,
fa aleo kilemaina miditra any amin’ny fiainana ianao,
toy izay manan-tanan-droa avarina any amin’ny gehena,
dia any amin’ny afo tsy azo vonoina.
Ary raha ny tongotrao no manafintohina anao; tapaho izy,
fa aleo tapa-tongotra an’ila miditra any amin’ny fiainana ianao,
toy izay manana tongotra roa avarina any amin’ny gehen’afo tsy azo vonoina.
Raha ny masonao no manafintohina anao, esory izy,
fa aleo toka-maso miditra any amin’ny fanjakan’Andriamanitra ianao,
toy izay mana-maso roa avarina any amin’ny gehen’afo,
izay tsy mety maty ny olitr’izy ireo ary tsy azo vonoina ny afo”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

28 septambra 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 44b-45)

27 septambra 2024 — Masindahy Vincent de Paul, Pretra, Mpiaro faharoa an'i Madagasikara — Fankalazana — Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo, fa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy sy naniraka ahy hankahery ny torotoro fo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 35-38)

26 septambra 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no nanafoana ny fahafatesana sy nanambara ny fiainana amin’ny Evanjely — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 7-9)

25 septambra 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — Raiso ny tenin’Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin’olombelona anefa, fa araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 1-6)

24 septambra 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 8, 19-21)

23 septambra 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 8, 16-18)

22 septambra 2024 — Alahady Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 29-36)

Nilofo fatratra tamin'ny fiompiana kankana hamokarana zezika kankana ny fikambanana Lanja Miakatra nandritra ny 2 taona. Tsy mamihana samy irery ny voka-pikarohana ka nahitan'izy ireo tombotsoa ny mpitarika Ranaivoarison Basile na i Papa Bio. Maro ny voka-tsoa azon'ireo mpikambana amin'ny fampiasana ny zezika kankana...

♦ Mitsidika ny Diôsezin'i Toamasina ny Nonce Apostolique Mgr Thomasz Grysa. Fitsidihana pastoraly nanomboka omaly hatramin'ny alahady... ♦ Kandidà an'ny vovonana IRMAR amin'ny fifidianana ben'ny tanàna ao amin'ny Kaominina andrenivohitr'i Manakara ny Préfet an'i Manakara amperinasa Ramatoa Rakotomalala Béatrice... ♦ Miabo ny vokatra azo tamin'ny tetik'asa Harena voajanahary sy kijàna mamokatra tamin'ireo Faritra 3 niasany. Vokatra isany nisongadina ny famokarana vilo-maina avy amin'ireo bozaka manodidina ny faritra arovana Ankafobe sy ny fambolena apemba ho an'ny otri-bilona... ♦ Nanambara ny ministry ny fiarovana israeliana fa dingana vaovao amin'ny ady ny tranga misy any Liban...

Ny andraikitra sy ny adidy no maha-olona, ary indrindra maha olom-pirenena. Ny olom-pirenena dia indrindra ireo 18 taona na mahery. Ny safidy no fototry ny fiainana. Mba ho azo antoka ny fisian'ny fifanajàna sy ny filaminana dia ilaina ny fieken-tena fa diso, eo koa ny fanetrentena hifampiresaka. Mampandroso ny safidy tsara, izay vokatry ny fifampiresahana, fifanankalozan-kevitra...  Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Tsy mbola isan'ireo afaka hihazakazaka hifaninana ho ben'ny tanàna an'Antananarivo Renivohitra Andriamatoa Marc Ravalomanana. Nohamafisin'ny CENI omaly ny fanapahana navoakan'ny OVEC. Nohalavaina hatramin'n 26 septambra izao ny fe-potoana farany afahan'ireo maniry ho kandidà ben'ny tanàna mametraka ny antotan-taratasiny any amin'ny OVEC... ♦ Hampahafantatra ny dingana ataony manoloana ny fandavana ny firotsahan-ko fidian'ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny vovonana Firaisan-kina. Nanamafy ny SG antoko TIM fa tsy nisy ny fifanarahana natao tamin'ny fintatanana ankapoben'ny Hetra... ♦ Nanamarika ny andro eran-tany ho an'ny volobe isika teto Madagasikara omaly...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...