04 marsa — I Masindahy Casimir dia teraka ny taona 1458 tao Cracovie. Faharoan-janaky ny mpanjakan'i Pologne izy. Ny taona 1479 ka hatramin'ny 1481 dia nitantana an'i Pologne izy nandrita ny rainy nipetraka tany Lituanie.
03 marsa — Mbola vao folo taona monja i Guénolé dia nentin'ny ray aman-dreniny tany amin'ny trano fitokana-monina tao amin'ny nosy Lavret any Côtes-d'Armor. Ireo ray aman-dreniny ireo dia i Masindahy Fragan sy i Masimbavy Gwen. Tamin'ny taonjato fahadimy no niaina i Guénolé.
02 marsa — Raha lazaina ny tantaran'i Masindahy Charles le Bon dia zanak'i Knut, mpanjaka tao Danemark tamin'ny taonjato faha-11. Ny taona 1119 no notendrena ho comte tao Flandre i Charles rehefa tafaverina avy any amin'ny ady voalohany ho fanafahana ny Tany masina.
01 marsa — I Eudoxie dia misy ihany koa ny miantso azy hoe Eudocie na Eudocia. Martiry maty tamin'ny taona 114 izy io. Niaina nandritra ny nanjakan'ny Amperora Trajan i Eudoxie. Samaritanina nibebaka, vehivavy mpanan-karena niaina tao Héliopolis tany Liban ary niaina tao anatin'ny rendrarendran'izao tontolo izao.
Ny teny hoe Avent dia avy amin'ny teny latinina hoe:"adventus" izay midika hoe: "Ho avy". Manana tanjona roa ny vanim-potoanan'ny Fiaviana dia ny fotoana hiomanan'ny Kristianina amin'ny Noely ary fotoana hifantohan'ny saintsika amin'ny fiandrasana ny fiavian'ny tompo fanindroany amin'ny farandro. Miovaova isan-taona ny daty fanombohan'ny Fiaviana. Mizara herinandro efatra ary eo anelenelan'ny 27 Novambra sy 03 Desambra mazàna no fanombohany. Ny fanombohan'ny Avent, tamin'ny herinandro lasa teo no taom-baovaon'ny Eglizy, hidirana amin'ny taona litorzika vaovao, araka izany dia tafiditra indray ao anatin'ny taona litorzika, taona D isika izao.
13 febroary — Teraka tamin'ny taona 1260 tao Ornacieux (Isère) i Béatrice. Ny taona 1273 izy no niditra tao amin'ny fikambanan-drelijiozy nantsoina hoe "Chartreuse de Parménie". Taty aoriana dia nanorina trano fitokana-monina tao Eymeux izy.
12 febroary — Ny Félix resahana amin'ity andro anio ity dia ilay papa nodimandry tamin'ny taona 530. Tamin'ny mey 526 mantsy no maty tany an-tranomaizina ny papa Jean Voalohany izay voafonja noho ny fanenjehana nataon'ny mpanjaka Théodoric.
11 febroary — Natokan'ny Fiangonana hankalazana an'i Masina Maria niseho tany Lourdes ny 11 febroary. I Masina Maria izay nambara fa nanalefaka ny fijalian'ny olona maro teo amin'io toerana io ary nampihavana fanahy maro tamin'Andriamanitra.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco