• Manao ezaka hatrany ho an'ny fiombonana sy ny fanatsarana ny kalitaon'ny fanabeazana omena ireo zanaky ny Fiangonana, ny eo anivon'ny DIDEC eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Loaharano velon'ny fanantenantsika ny Fanahy Masina, hoy ny Papa François, tamin'ny fampianarana nataony nandritra ny Audience générale, ny alarobia 11 desambra 2024...
  • Nihaona tamin'ny Filoham-panjakana Palestiniana, Mahmoud Abbas, ny Papa François ny alakamisy 12 desambra 2024...

  • Mihena hatrany ny herin'ilay rivodoza Chido. Tany amin'ny 135 km avaratra atsinananan'Antsiranana Voalohany no nisy ny foibeny tamin'ny 11 ora antoandro teo...
  • Samy mihiaka fandresena avokoa ny kandidàn'ny IRMAR sy ny kandidàn'ny TIM ao Antananarivo Renivohitra, eo am-piandrasana ny vokatry ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina farany teo...
  • Voamarina ny fisian'ny haromotana any amin'ny Faritan'i Toamasina, tao aorian'ny fitiliana natao teny amin'ny Institut Pasteur de Madagascar...

  • Nihena ny herin'ilay rivodoza Chido tao anatin'ny adiny enina farany. Na izany aza mbola sokajiana ho rivodoza mahery vaika hatrany izy. Tany amin'ny 251 km avaratra atsinananan'Antsiranana Voalohany no nisy ny foibeny tamin'ny telo ora maraina teo...
  • Milaza ny tsy hanaiky lembenana intsony antoko TIM, tao aorian'ny fifidianana teo. Nanjakan'ny barofo ny fifidianana, hoy Andriamatoa Ravalomanana Marc...
  • Avo roa heny ny vola nampidirin'ny asa tanana ao anatin'ny kitapom-bolam-panjakna tato anatin'ny efa-taona. Azo andikana ny lanjan'ny asa tanana malagasy izany, hoy ny Minisitera mpiahy...

  • Tany amin'ny 400 km atsinanana somary avaratra atsinananan'Antsiranana no nisy ny foiben'ilay rivodoza Chido, ny tolakandro teo. Nisy fiovana ireo filazana loza fanairana sy manambana ho an'ny Faritra Diana...
  • Barofo no nisy tamin'ny fifidianana omaly, fa tsy tsy fahatomombanana fotsiny, hoy Andriamatoa Marc Ravalomanana. Nilaza ny tsy haniky lembenana izy, ka niantso ireo mpanara-dia hiray hina...
  • Nahatratra 54 ireo nametraka antontan-taratasy maniry ny ho mpanazatra ny Barea. Teratany vahiny avokoa ny maro an'isa amin'izy ireo, hoy ny vaovao niparitaka androany...

  • Nitombo hery atsy amin'ny Ranomasimbe Indiana ka lasa rivo-doza mahery vaika i Chido. Tany amin'ny 610 km avaratra atsinanan'Antsiranana no nisy ny foibeny tamin'ny 9 ora maraina teo miaraka amin'ny rivotra 210 km/ora, arahana tafiotra 295 km/ora manakaiky ny foibeny...
  • Nahitam-bokatra ny sehatr'asa nataon'ny firaisamonim-pirenena misehatra amin'ny rano, fidiovana ary fanadiovana na ny OSCEAH. Hivoaka amin'ity volana desambra ity ny pôlitika narafitr'izy ireo momba ny rano...
  • Miasa amin'ny Faritra 12 eto Madagasikara ilay fandaharan'asa vaovao vatsian'ny FIDA vola. Tokantrano 130.000 no hisitraka tombontsoa amin'ny PROGRES...
  • Mpanao gazety miisa 54 no maty amperin'asa tamin'ity taona ity. Tompon'antoka tamin'ny fahafatesan'ny 18 tamin'ireo ny tafika israelianina hoy RSF...

  • Nizotra am-pilaminana ny fifidianana ben'ny tanàna sy ny mpanolontsaina eny anivon'ny kaominina natao omaly. Am-piandrasana ny vokatra vonjy maika tany amin'ny kaominina misy azy avy ny mpifidy...
  • Nisaotra ny vahoaka Malagasy nanefa ny adidiny ny filohan'ny CENI Dama Arsène Andrianarisedo. Miantso ny Malagasy hiandry am-pitoniana ny voka-pifidianana izy...
  • Volamena 13 kg mahery, saika ahondrana an-tsokosoko tany ivelany, no sarona tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato omaly. Teratany Malagasy nikasa handray ny sidina ho any Addis Abeba no nitondra ny entana...
  • Handrasana anio alakamisy ny anaran'izay ho praiministra frantsay handimby an'i Michel Barnier...

  • Mihamanatona ny morontsiraka avaratry ny nosy ilay rivodoza Chido, atsy amin'ny Ranomasimbe Indiana. Tany amin'ny 3203 km, somary avaratra atsinananan'Antsiranana no nisy ny foibeny tamin'ny 3 ora tolakandro. Hipaka amin'ny tapany avaratry ny nosy izy ny zoma izao...
  • Mahatsikaritra toe-javatra hafahafa momba ny lisitry ny mpifidy ampiasaina amin'ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy mpanolotsaina rahampitso, ny antoko Tiako i Madagasikara sy Ramatoa Ravolomanana Lalatiana. Manainga ny vahoaka ho mailo izy ireo manoloana izany...
  • Nitombo iray indray ny fandaharan'asan'ny Governemanta Malagasy, amin'ny alalan'ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fiompiana, vatsian'ny FIDA vola...

09 marsa — Niaina tao anelanelan'ny taona 1384 hatramin'ny taona 1440 i Masimbavy Françoise Romaine. Teraka tao Roma izy ary fianakaviana fanta-daza no nipoirany. Ny fiainany hatramin'ny fahazazany dia maneho ny fiombonana tamin'Andriamanitra, ary nanomana azy hanokan-tena ho an'i Kristy.

08 marsa — Raha fintinintsika fohy ny tantaran'i Masindahy Jean de Dieu dia teo amin'ny fahavalo taonany no nandao ny tokantranon-dray aman-dreniny izy. João Cidade no tena anarany ary teraka tao Portugal izy.

07 marsa — I Perpétue sy Félicité dia martiry afrikanina voalohany voarakitra an-tsoratra ny namonoana azy. I Perpétue dia "patricienne" fa i Félicité kosa dia andevo. Nangataka hatao batemy tamin'ny eveka tao Carthage izy roa ireo.

06 marsa — I Masimbavy Colette dia teraka tao Corbie tamin'ny taona 1381. Nodimandry tao Gand Belgique izy ny 06 marsa 1447. Io vanim-potoana niainan'i Colette io dia nomarihin'ny fisarahana teo amin'ny Fiangonana, izany hoe ny taona 1387 ka hatramin'ny taona 1417. Io ilay antsoina hoe "Grand Schisme". Nisy mantsy ny fifandonan'ireo papa telo tamin'izany: ny iray tao Roma, ny faharoa tany Avignon ary fahatelo tany Pise.

05 marsa — I Jean-Joseph de la Croix dia teraka tao amin'ny nosy Ischia ny taona 1654. Vao 16 taona izy no niditra tao amin'ny Fikambanan'ny Frera Madinika. Nitety an'i Italie nandritra ny 30 taona, nanaparitaka ny fanovana nisy tamin'ny fiainan'ny fikambanan'ny pretra izay nentin'i Pierre d'Alcàntara tao Espagne.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...