Boky Deterônômy (Det. 4, 1-2. 6-8)
Tamin’izany andro izany, i Môizy niteny tamin’ny vahoaka Israely nanao hoe:
“Ankehitriny, ry Israely,
henoy ny didy amam-pitsipika atoroko, hitandremanareo azy mba ho velona ianareo,
ka hiditra sy hanana ny tany nomen’ny Tompo Andriamanitry ny razanareo anareo.
Aza manampy izay andidiako anareo, na manala amin’ izany akory,
fa tandremo ny didin’ny Tompo Andriamanitrareo, izay andidiako anareo.
Koa tandremo sy tanteraho izany,
fa izany no saina amam-pahendrena ho anareo eo imason’ny firenena
izay handre izany lalàna rehetra izany, ka ho vaky hoe:
‘Vahoaka hendry sy manan-tsaina tokoa io firenena lehibe io!’
Fa iza tokoa moa no firenen-dehibe hanana andriamanitra akaiky azy,
tahaka ny maha-akaikintsika ny Tompo Andriamanitsika isaky ny iantsoantsika Azy?
Ary zovy no firenen-dehibe manan-didy amam-pitsipika marina,
toy izao lalàna ataoko eo anoloanareo anio izao?”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 14, 2-3a. 3bd-4ab. 4d-5
Dia izay mahitsy famindra
sy mitandro ny rariny:
ny fony misaina ny marina;
ny lelany tsy ekeny handainga.
Fady azy ny manisy ratsy
sy ny maneso ny miara-monina.
Ny olo-meloka tsy hasohasoany;
ny matahotra ny Tompo no hajainy.
Ny teny nomeny tsy ivadihany,
na voasingotra aza ny tenany.
Tsy mba maka zana-bola izy
na mandray tamby hahameloka ny marina.
Izay manao izany
tsy hihontsona mandrakizay.
Taratasin’i Masindahy Jakôba Apôstôly (Jak. 1, 17-18. 21b-22. 27)
Ry kristianina hava-malala, raiso amim-pahalemem-panahy ny fanomezan-tsoa rehetra
sy ny fahasoavana tanteraka rehetra avy any ambony,
ka midina avy amin’ny Rain’ny fahazavana,
izay tsy manam-piovaovana na aloka avy amin’ny fihodinana.
Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny tenin’ny fahamarinana Izy,
mba ho santatry ny zava-boaariny isika.
Ary raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo,
izay mahavonjy ny fanahinareo.
Aza mamita-tena amin’ny hevi-poana anefa,
fa miezaha ho mpanatanteraka ny teny, fa tsy ho mpihaino fotsiny.
Izao no fivavahana madio sy tsy misy tsiny eo anatrehan’Andriamanitra Ray:
ny manampy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany;
ary ny miaro tena tsy ho voaloton’izao tontolo izao.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Hanazava ny masom-panahintsika anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika; mba hahalalantsika ny fanantenana niantsoany antsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 1-8a. 14-15. 21-23)
Tamin’izany andro izany,
dia niangona teo amin’i Jesoa ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna sasany avy tany Jerosalema,
ka nahita ny mpianany sasany nihinana tamin’ny tanana tsy madio,
izany hoe tsy voasasa.
Fa ny Farisianina sy ny Jody rehetra dia tsy mihinana raha tsy efa voasasany tsara aloha ny tanany,
fa mitana ny fanaon-drazany izy;
ary raha avy any an-kianja izy dia tsy mihinan-kanina raha tsy efa nisasa.
Maro koa ny fomban-drazana hafa noraisiny hotanana,
dia ny fanasana ny kapoaka, ny tavoara, ny fanaka varahina, ary ny farafara fihinanana.
Ka dia nanontany Azy ny Farisianina mbamin’ny mpanora-dalàna nanao hoe:
“Nahoana ny mpianatrao no tsy mitandrina ny fanaon-drazana,
fa mihinana amin’ny tanana tsy misasa?”
Ary hoy ny navaliny azy ireo:
“Marina tokoa ny naminanian’i Izaia anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voasoratra hoe:
‘Ity firenena ity manaja Ahy amin’ny molony, fa manalavitra Ahy ny fony;
koa foana ny ivavahan’ireo amiko
satria didin’olombelona no ataony fampianarana’.
Ny didin’Andriamanitra afoinareo, fa ny fanaon’ny olona kosa tananareo”.
Ary niantso ny vahoaka nankeo aminy indray Izy ka nanao taminy hoe:
“Mihainoa Ahy ianareo rehetra, ka mahafantara.
Tsy ny zavatra avy any ivelany miditra ao anatin’ny olona no mahaloto azy,
fa izay mivoaka avy ao anatin’ny olona no mahaloto azy,
satria avy ao anaty, dia avy amin’ny fon’ny olona no iavian’ny sain-dratsy:
dia ny fakàm-badin’olona, ny fijangajangana, ny famonoana olona,
ny halatra, ny fahihirana, ny hasomparana, ny hafetsen-dratsy,
ny fijejojejoana, ny fialonana, ny vava ratsy,
ny fiavonavonana, ny fahadalana;
izany zava-dratsy rehetra izany no avy ao anatin’ny olona ka mahaloto azy”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Namelabelatra ny fandaharan'asa hanatanterahana ny PGE teny Anosikely indray ny Praiminisitra omaly. Tanjon'ny mpanohitra ny hanakanana ny asa fampandrosoana tanterahan'ny fitondram-panjakna, hoy Andriamatoa Ntsay Christian... ♦ Tsy misy antenaina ny fampandrosoana ny firenena anatin'ny fandaharan'asa natolotry ny Praiminisitra, hoy ireo Solombavam-bahoka Firaisankina. Kitoatoa ny fomba nandrafetana azy io, hoy izy ireo... ♦ Efa azo alaina ny taratasy fiantsoana ho an'ny fifaninanana handraisana ho mpandraharahan'ny fonja. Hanomboka ny 16 aogositra 2024 izany fifaninanana izany...
Raha resa-pinoana dia tena nanam-pinoana tokoa i Elia ary sahy nijoro vavolombelona tamin'ny finoany teo anatrehan'ireo manodidina azy izy. Ny hevitry ny anarana hoe "Ny Tompo no Andriamanitro" dia efa mitondra hery lehibe ho an'ny finoany an'Andriamanitra ary mifono hevitra lalina ny tsiambaratelon'ny iraka izay nataony. Tamin'ny alalan'ny afo no nanehoan'i Elia ny finoany ; nangataka tamin'Andriamanitra izy mba hirotsahan'ny afo mba handro ny sorona. Katesizy momba ny vavak'i Elia, iarahana amin'i P. Ramamonjisoa Herizo Elie.
♦ Nofaranan'ny Praiminisitra Ntsay Christian androany, teny Anosikely ny famelabelarany samirery nanoloana ireo Loholona, ny pôlitika ankapoben'ny fanjakana... ♦ Mbola tsy misy eto Madagasikara ny fampiasana fitaovam-piadiana nokleary sy simika ary biôlôjika, saingy efa misy ny fiomanana amin'ireo ambana samihafa... ♦ Afaka maka ny taratasy fiantsoana azy eny anivon'ny Biraom-paritry ny Fandraharahana ny Fonja, ireo mpifaninana mbola tsy naharay izany, amin'ny fandraisana ho mpandraharan'ny fonja...
♦ Fanamasinana pretra miisa roa avy amin'ny fikambanana Spiritains, no namaranana ny fihaonan'ireo avy ao amin'ny Lehibem-pikamabanana avy amin'ny faitra Afrika sy ny Ranomasimbe Indiana... ♦ Efa vonona tanteraka amin'ny fandraisana ireo mpizaika hiatrika ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly ny Arsidiôsezin'Antsiranana... Nanentana ny rehetra hiady amin'ny hevitra efa voavolavola dieny mialoha ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus omaly, fa hitana kosa ny saina misokatra...
Ny anarana hoe "Elia" dia midika hoe "Ny Tompo no Andriamanitra". Raha ny Soratra Masina no jerena dia ao amin'ny Boky voalohan'ny Mpanjaka 17 ka hatramin'ny Boky faharoa Mpanjaka 2 no ahitana ny mombamomba an'i Elia Mpaminany. Tsy hita taratra loatra ny niandohany ary ny tanjony ihany koa tsy hita mazava tsara satria izy moa noentin'ny kalesy nakany an-danitra, izay no mahatonga ny Soratra Masina milaza ho miandry ny hiverenany. Katesizy momba ny vavak'i Elia, iarahana amin'i P. Ramamonjisoa Herizo Elie.
Alahady faha-19 mandavantaona — B : Ilàna finoana ny Eokaristia ; Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako. Tahaka ny niainan'i Elia nandositra ny hatezeran’i Jezahela, dia ilaina ny finoana sy ny fahatokisana an'Andriamanitra, tamin'izany izy dia nahazo vatsy nahafahany namakivaky tany an'efitra, 40 andro sy 40 alina ; noho ny hery azony tamin’izany hanina izany, dia niakatra ny tendrombohitr’Andriamanitra izy. Nisalasala tamin'ny tenin'i Jesoa ny Jody, raha nilaza hoe Izaho no mofo velona izay nidina avy any an-danitra”. Hoy izy ireo: “Moa tsy i Jesoa zanak’i Jôsefa va ity, izay fantatsika ny rainy aman-dreniny?. Mitaky finoana ny Eokaristia...
I Jesoa kristy dia Jody ; izany hoe nanaraka ny fomba Jody sy ny fivavahana Jody ; noho izany dia isan'ireo nampiasa be ny Salamo teo amin'ny fiainany Izy. Porofon'izany, ohatra tamin'ny alakamisy masina dia voalaza fa rehefa avy nihinana niaraka tamin'ny mpianany i Jesoa sy avy nanorina ny Eokaristia dia nanao hira fiderana Izy sy ny namany ; torak'izany koa tamin'ny Jesoa teo amin'ny hazo-fijaliana dia niteny, teny maro avy ao amin'ny Salamo. Katesizy momba ny vavaka miaraka amin'ny Salamo, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.
♦ Ankizy sy tanora maherin'ny 15.000 no hiatrika ny Kôngresy Eokaristika hatao any Antsiranana ny 20 hatramin'ny 25 aogositra 2024... ♦ Nanolotra ny Fandaharan'asa Ankapoben'ny Governemanta teny amin'ny Lapan'i Tsimbazaza ny Praiminisitra Ntsay Christian, androany... ♦ Nivoaka ny efitrano fivoriana ny Solombavam-bahoka mpanohitra. Tsy ara-dalàna, hoy izy ireo, ny fanoloran'ny Praiminisitra ny PGE androany...
♦ Mpikambana avy amin'ny AFAFI/FET miisa 7.198 no hiatrika ny Kôngresy Eokaristika sy ny Fihaonambe Nasiônaly, izay hotanterahana any amin'ny Arsidiôsezin'Antsiranana. Miisa 15.000 kosa ireo mpizaika avy amin'ny Diôsezy isan-tsokajiny, ho tonga hanatrika ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly, ny 23 hatramin'ny 25 aogositra 2024... ♦ Feno 25 taona katroka ny Diôsezin'Ambositra. Ankalazaina amin'ny fomba manetriketrika izany, nanomboka androany... ♦ Nanavao ny antsony ny Papa François tamin'ny famaranana ny Audience générale tao amin'ny Efitrano Paul VI, tamin'ny alarobia teo...
♦ Namotsipotsitra ireo olana iainan'ny vahoaka amin'ny andavanandro ny Filoha Tokely Justin, nandritra ny kabary fanokafana ny fivoriana tsy ara-potoana teny amin'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Plastika avokoa ny 10%-ny fako 18.985 taonina isan-taona eto Madagasikara... ♦ Miditra amin'ny andro faharoa ny zaikabe ho an'ny Fikambanan'ny Vadi-miaramila, na ny FIVAMI. Vadi-miaramila miray hina, miara-mientana ho an'ny fampandrosoana, io no teny enti-manentana amin'izany...
Miroborobo etsy sy eroa ankehitriny ilay karazana fampiofanana atrehan'ny olona maro na ny " formation de masse". Tsy voafaritra mazava anefa ny fepetra maha fampiofanana azy,indrindra fa ny lasi-panofanana.
• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco