Isan'ny didy mahavery ny olona any amin'ny afobe fandikàna ny didy faha-7 "Aza mangalatra, aza maniry fananan'olona" izany hoe ny maka na ny mitana na ny manimba tsy ara-drariny ny zavatr'olona. Antony izany dia noho ny tsy fahavitan'ny fanonerana ny fahotana. Fahotana mahafaty ny mangalatra sy ny manao izany an-tsitrapo. Tsara kokoa ny miala amin'ny fikasana hangalatra satria ny fanirina ihany koa dia efa heloka... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Ny fisoronana maha-mpandraharaha voahosotra na araka ny ambaratongam-pitondran'ny Eveka sy ny Pretra, sy ny fisoronana iombonan'ny mpino rehetra, na dia "samy manana ny fomba manokana avy aza, ny andaniny sy ny ankilany dia mandray anjara amin'ny fisoronana tokan'i Kristy", kanefa sady miavaka araka ny maha-izy azy, no "nalamina hifameno" ireo... Katesizy momba ny fampandrosoana ny Litorjia any amin'ny Diôsezy, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.
Amin'ny alalan'ny andraiki-panompoan'ny mpandraharaha voahosotra, singanina manokana ny Eveka sy ny Pretra dia manajary hita maso eo anivon'ny ankohonan'ny mpino ny maha-misy eo an'i Kristy, amin'ny maha-filohan'ny Eglizy Azy. Araka ny fomba fiteny mahafinaritr'i Masindahy Ignace d'Antioche, ny Eveka dia toy ny sary velon'Andriamanitra Ray... Katesizy momba ny fampandrosoana ny Litorjia any amin'ny Diôsezy, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.
• “Raha ny sitrapoko dia averina eto Madagasikara, hotsarain'ny Fitsarana Malagasy, Andriamatoa Ravatomanga Mamy sy ny Filoha teo aloha Rajoelina Andry”, hoy ny Filohanan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, ny Kolonely Randrianiriana Michaël tamin'ny fahitalavitra vahiny France 24 androany... • Hikarakara fikaonan-dohan'ny antoko politika ny 12 hatramin'ny 15 desambra 2025, eny amin'ny kianja mitafon'Ankorondrano, ny sehatra ifanakalozana momba ny politika SIAP sy ny KFIM... • Misy amin'ireo mpilatsaka an-tsitrapo tonga eto Madagasikara, no mitsikilo ny fitondram-panjakana, raha ny nambaran'ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina androany, nandritra ny fanamarihana ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Firotsahana an-tsitrapo...
Mampitombo ny vola miditra hoan’ny fianakaviana misehatra aminy ny fambolena voly maharitra toa ny voasary. Maro amin’ireo tantsaha ao amin’ny vovonam-pikambanana SOA MITAMBATRA faritra Amoron’i Mania no mifototra amin’izy io ankehitriny. Isan’izany Madame Njara ao amin’ny fikambanana fototra Soa Maniry ao Ambondromisotra distrikan’Ambatofinandrahana....
• Miantso ireo mpitolona ho tony, ny tanora mpanao politika Nambinina Raheriarimanana. Nambarany fa tsy mbola tokony hanomezan-tsiny ny fitondrana vaovao ny tsy nahatontosan'ny fanovana tao anatin'ny roa volana... • Miakatra indray ny vidin-tsolika eto Madagasikara, nanomboka androany. Nahitana fisondrotany avokoa ireo karazan-tsolika fampiasan'ny mpanjifa, mandritra ity volana desambra ity... • Manaitra ny Fitsarana ny fikambanana FIVATO, amin'ny didy izay avoakany. Misy ireo olona tsy meloka nefa ampidirina am-ponja, amin'izao fotoana izao, hoy ny Firaisamonim-pirenena mpiaro ny zon'olombelona...
Ny fambolen-kazo maharitra dia miaro ny rano sy ny tany, mampihena hafanana, ary manome fiainana ho an'ny taranaka. Misy ireo paik'ady tena ilaina : fisafidianana karazan-kazo mifanaraka amin'ny faritra, fanomanana zana-kazo, fanamboarana lavaka misy zezika natoraly, ary tsy azo adinoina ny fanaraha-maso isam-bolana. Ny Bôndy amin'ny alalan'ny fiofanana sy fifampitokisana iarahany amin'ny Centre Arrupe dia manabe sy manentana amin'ny fambolen-kazo ho tombontso ho an'ny taranaka... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Mandeha amin'ny toerana iray ny Kristiana mba hamonjy ny fiaraha-mivavaka hankalaza ny Eokaristia. Ny Tenan'i Kristy mihitsy no Loha mitarika, izay Izy no mpanao voalohany indrindra ny Eokaristia. Izy no mpisoromben'ny Fanekem-pihavanana Vaovao. Samy manao ny anjarany amim-pahavitrihana avokoa ny reheta amin'ny fankalazana : vaky teny, fizarana kôminio... Katesizy momba ny fampandrosoana ny Litorjia any amin'ny Diôsezy, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.
• Tokony omena sehatra amin'ny fanapahan-kevitra ny tanora amin'ny fanavaozana ny firenena. Nasongadina izany amin'ilay famelabelaran-kevitra niresahana ny fampandrosoana teny amin'ny UCM Ambatoroka... • Maromaro ireo fitokonana tao an-drenivohitra androany, noho ireo fitakiana samihafa. Nihetsika indray ny mpivarotra amoron-dalana, nitokona koa ny sendikan'ny mpiasan'ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony... • Tsy eken'ireo mpiasan'ny Madarail ny hivarotana tsikelikely ity orinasa ity amin'Andriamatoa Mamy Ravatomanga. Niroso tamin'ny fitokonana nanomboka androany ireo mpiasa, tamin'ny alalan'ny filanjana sora-baventy teny Soarano...
♦ Miantso ny olom-pirenena rehetra indrindra fa ny mpanao politika hifanome tanana hikatsaka ny tombontsoa iombonan'ny vahoaka ny Vovonana Iombonan'ny Tanora Malagasy (COJM) Mifanatona sy miresaka amin'ny mpitondra isan-tsokajiny moa izy ireo manoloana izany... ♦ Manaitra ny Fanjakàna foibe handefa ara-potoana ny vola fanampiana ny Kaominina ny Ben'ny tanànan'i Bemasoandro-Itaosy, Distrika Antananarivo-Atsimondrano ; tsy ampy isahanana ny fampandehanana ny fampandrosoana ny hetra miditra hoy izy... ♦ Nomarihana omaly ny andro eran-tany ho an'ny olona manana fahasembanana. Faritra isan'ny nankalaza izany Amoron'i Mania...
Ny fanovàna ny toe-tsaina dia fototry ny fahombiazana amin'ny lafiny maro. Izay hitan'ny maso no mandrafitra ny fo sy ny saina ary miainga amin'ireo ny hetsika manosika ny olona iray hanao zavatra. Ny fahitana fako miparika eny amin'ny arabe dia mikitika ny fisainan'ny olona mba handray andraikitra. Ny safidy sy ny talenta izay nomen'Andriamanitra ny tsirairay no mamaritra ny fivoarana na tsy ho an'ny olona iray... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Tsy manaiky ny fanaratsiana atao amin'ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena amin'izao fotoana izao ireo solombavambahoaka voafidy tany amin'ny Faritra atsimo-atsinanana. Misy ambadika politika mantsy izany hoy ny solombavambahoaka ao amin'ny Distrika Ifanadiana... ♦ Hampiasaina amin'ny fiara fitanteram-bahoaka indray ny karatra mena, rehefa tsy niasa intsony ny karatra maitso. Tetik'asa hisitrahan'ny olona manana fahasembanana sy ny zokiolona fivezivezena malalaka... ♦ Kapila mangirana osoka miisa 5.000isa no nodorana tao amin'ny Fokontany Morondava kaominina Antehiroka. maro no efa voasambotry ny BAP...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco