♦ Anatin'ny hetsika 16 andro hiadiana amin'ny herisetra mahazo ny tanora ny tetik'asa HAY ZARA hatramin'ny 10 desambra ho avy izao. Lohahevitra voizina "Ny herisetra ara-nomerika atao amin'ny vehivavy sy ny tovovavy"... ♦ Mitana anjara toerana lehibe amin'ny famaritana sy ny fitanisana ireo zava-misy eo ambonin'ny vohon-tany sy ny fifandraisany amin'ireo antotan-kevitra hafa momba ny mponina sy ny tontolo iainana manodidina ny fananana tahirin-kevitra ara-jeografia. Nisy ny atrikasa nandinihana ny momba izany... ♦ Nosatarina omaly ny fanadiovana faobe ny farihin'Antsimoparihy ao Ambohidratrimo...
Nisafidy hiresaka ny momba ny fahasalamana indray ny arofanina anio voalohan’ny volana desambra, andro eran-tany iadiana amin’ny SIDA. Isan’ny mankalaza izany rahateo isika eto Madagasikara isan-taona. Na dia mbola ambany aza ny tahan’ny olona mitondra ny tsimok’aretina VIH SIDA eto Madagasikara, mila mitandrina isika fa tsy re tsaika, ary misoko mangina toa ny ron-gisa ny fihanaky ny tsimok’aretina. Fanetriben’ny fampandrosoana mantsy ny fielezan’ny tsimok’aretina ao amin’ny firenena iray...
♦ Najanon'ny Filankevi-pilaminan'ny Vondrona Afrikana (CPS) ny sazy mampitoka-monina an'i Madagasikara eo anivon'ny Kaontinanta sy iraisam-pirenena. Miantso ny mpikambana ao amin'ny vondrona Afrikanina sy mpiara-miombon'antoka iraisam-pirenena hanohy ny fanohanana an'i Madagasikara isan'izany ny lafiny famatsiam-bola... ♦ Notanterahana ny sabotsy teo ny androm-paritra fanaovana vakisiny faobe ho an'ny alika sy ny saka iadiana amin'ny aretina haromontana ho an'ny Faritra Analamanga... ♦ Mila jerena vahaolana haingana ny resaka famatsiana herinaratra mba tsy ho io indray no fototra hampiongana ny fitondrana hoy ny TMP...
Ny fanavaozana ny Litorjia dia tsy revôlisiôna fa fiverenana amin'i Kristy izay miasa amin'ny mistery, amin'ny vahoakan'Andriamanitra izay mandray anjara, amin'ny kolontsaina sy fiteny izay manampy amin'ny fanehoana ny finoana. Izay rehetra tanteraka taorian'ny Kônsily - toy ny lamesa amin'ny fiteny eo an-toerana, vahoaka mihira sy mamaky, fanovana ny teiandro litorjika... Katesizy momba ny fanavaozana ny Litorjia, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
♦ Mitarazoka ny fiasan'ny fitondràna amin'ny fikarakaràna ny fikaonandoham-pirenena. Taraiky loatra raha afaka enim-bolana izao vao hotanterahina izany, hoy ny Randrana Sendikaly... ♦ Hotohizana ny fanadihadiana momba ny raharaha Ambohimalaza. Tsy hijanona fotsiny amin'ireo olona 4 voatazona am-ponja ny raharaha fa hotsaraina ireo "Paoa sôsy" hoy ny Ministry ny Fitsaràna omaly... ♦ Misy valan'aretina mifindra haingana be any amin'ny Disitrikan'i Vohipeno amin'izao. Sokajian'ny mpitsabo ho nendram-boalavo izy io, na ambaran'ny any an-toerana hoe "masakalina"... ♦ Maherin'ny 200 ireo olona namoy ny ainy noho ny tondra-drano any Indonésie...
Ny didin'Andriamanitra voalaza amin'ny didy faha-valo dia ny lainga araka izay voalaza hoe " Aza miampanga lainga, aza mandainga", izany hoe ny fandraràna ny miampanga lainga, ny mifosa, ny manendrikendrika, mitory olona tsy amin'ny rariny, mijoro ho vavolombelona tsy marina. Isan'ireo didy maro mpanitsakitsaka izy ity ; ny lainga dia heverin'ny maro ho maivana miohatra amin'ny halatra... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
♦ Nampidirina am-ponja, tsara ambina atsy Maorisy Andriamatoa Mamy Ravatomanga. Ny alatsinainy izao no andrasana hivoaka ny didim-pitsaràna, momba ny raharaha famotsiam-bola hanenjehin'ny Fanjakàna Maorisiana azy... ♦ Nahatratra 2000 mahery ireo antontan-taratasy voarain'ny Ministeran'ny Atitany ho an'ireo hotendrena ho lehiben'ny Faritra 24. Nifarana omaly ny fe-potoana fandraisana izany... ♦ Mbola ho sarotra ny hanapaka ny fifanarahana amin'ireo orinasa vahiny mpamatsy herinaratra ny Jirama, araka ny nambara teny Tsimbazaza hoy ny Sendikàn'ny Angovo sy ny Rano Malagasy (SMARM)...
Tokony halamina tsara ny fombafomba sy ny fiarahana amin'ny fankalazàna. Tokony hanaja ny fitovian'ny mpino rehetra eo anatrehan'Andriamanitra, tsy hijerena tavan'olona ny fankalazàna. Ny fombafomba dia manambara sy manampy amin'ny finoana fa tsy "teatra ara-panahy" ; amin'ny alalan'ny teny sy famantarana dia mampita ny misterin'ny famonjena ny Litorjia... Katesizy momba ny fanavaozana ny Litorjia, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
Tokony ho fohy sy mazava ary tsotra ny fombafomba anefa manankery ara-panahy. Tokony handray toerana lehibe ny Tenin'Andriamanitra amin'ny Litorjia. Ny Latina no fiteny fototra amin'ny Litorjia latina, saingy avela ampiasaina malalaka ny fitenin-drazana (langue vernaculaire) amin'ny ampahany sasany, amin'ny faneken'ny Eveka sy ny fiombonana amin'ny Ray Masina... Katesizy momba ny fanavaozana ny Litorjia, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
• Nanatanteraka fitsidiham-paritra voalohany, tany amin'ny Faritra Atsimo Andrefana, ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika'i Madagasikara, ny Kolonely Randrianirina Michaël, omaly alakamisy... • An'arivony ireo antontan-taratasy voarain'ny Minisiteran'ny Atitany, ho an'ireo maniry hotendrena ho Lehiben'ny Faritra 24 manerana ny nosy. Nifarana androany ny fanaterana izany... • Misy ny halatra sy ny fanodinkodinam-bola ao amin'ny orinasa JIRAMA. Misy tambajotra matanjaka mihitsy manao izany, raha ny nambaran'ny sendikan'ny mpiasa, nandritra ny fihaonana tamin'ny Solombavam-bahoaka teny Tsimbazaza omaly...
Tapa-kevitra hamokatra menaka vita amin’ny soza koa ireo tantsaha mpikambana ao amin’ny fikambanana Miara-Mizotra Boeny ao Ambatoboeny. Mampiroborobo ny fambolena soza ny tantsaha raha toa ka ny lojy fotsy, mainty maso, no nimasoan’izy ireo teo aloha. Manoloana ny fiovan’ny toetr’andro ka nampirongatra ny bibikely mpanimba voly tany aminy, dia nampiroborobo izay voly soza izay ny tantsaha tao amin’ny distrikan’i Ambatoboeny...
Ny soatoavina Malagasy dia fomba amam-panao, fihetsika, toetra, fomba ary foto-pisainana izay mifehy sy mitarika ny fitondran-tenan’ny tsirairay. Ireo no maha-izy azy ny firenena sy mamolavola ny fifandraisana eo amin’ny olona ao amin’ny fiaraha-monina. Ankehitriny anefa dia hita very sy mihalefy ireo noho ny rivo-baovao misy ankehitriny, ny teknôlôjia, ary ny faharefoan’ny fanabeazana. Noho izany dia ilaina ny mamerina, mampahatsiahy izany mba hisian’ny fitondran-tena mendrika sy lavorary. Azo ampiharina io manoloana ny fihanaky ny tsimok'aretina VIH/SIDA... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco