• Olona miisa 8 no tra-tehaky ny avy amin'ny zandary sampana misahana ny heloka bevava eny Fiadanana noho ny resaka halatra sy fanapohana solika tany amin'ny lalam-pirenena RN2...
  • Kaominina miisa 9 amina Faritany miisa 3 eto amin'ny nosy no hamerenana ny fifidianana ben'ny tanàna, tokony hanaja ny tany tan-dalàna ny Fanjakàna ka hanomana ny famerenana ny fifidianana hoy ny sampana hanaraha-maso SAFIDY...
  • Isika eto Madagasikara no mampiantrano ny atrik'asa andiany faha-30 momba ny vinavinan'ny taom-pahavaratra 2025 ho an'i Afrika na ny SARCOF-30 amin'ity taona ity...
  • Nametra-pialana omaly talata ny praiministra lehiben'ny governemanta Serbe, Milos Vucevic, taorian'ny hetsi-bahoaka naharitra 3 volana nitaky ny fametraham-pialany...

Misy ezaka toa tsy misy vokany, toa mangina Andriamanitra, ary izany dia mahatonga fahamainana. Noho izany dia kivy isika fa hoe tsy mivaly ny vavaka. Andriamanitra dia eo amin'ny fiainantsika mandrakariva, mankahery antsika ary mihaino ny vavaka ataontsika. Aza kivy na reraka fa aoreno ny finoana an'Andriamanitra, aoka hanana faharetana isika rehefa mivavaka... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

  • Tany amin'ny manodidina ny 170 km atsimo andrefan'i Toliara no nisy ny foiben'ilay faritra andro ratsy ao amin'ny Lakandranon'i Mozambika, tamin'ny 3 ora tolakandro teo. Mety hitombo hery miandalana izy ao anatin'ny 24 ora ka hivadika ho rivodoza...
  • Tokony hanaja ny tany tan-dalana ny mpitondra ka hanomana ireo fifidianana teny anivon'ny kaominina didian'ny Fitsarana misahana ny ady atao amin'ny fanjakana averiny, hoy ny Sampana Anaraha-maso SAFIDY...
  • Miteraka disadisa eny anivon'ny fiaraha-monina ny fifindra-monina mahakasika ny faritra atsimo sy Menabe. Ny tsy fahampian'ny sakafo sy ny rano ary ny toerana handraisana mpifindra monina no antony...

8 febroary 2025 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahefatra Mandavantaona— Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo. Izaho mahalala azy, ary izy manaraka ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 30-34)

7 febroary 2025 — Zoma, Herinandro Tsotra fahefatra Mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao; tariho amin’ny Fahamarinanao aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 14-29)

6 febroary 2025 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahefatra Mandavantaona — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 6-13)

5 febroary 2025 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahefatra Mandavantaona — Sokafy, ry Tompo ny fonay, mba hitandremanay ny tenin-Janakao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 1-6)

4 febroary 2025 — Talata, Herinandro Tsotra fahefatra Mandavantaona — Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 5, 21-43)

3 febroary 2025 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahefatra Mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 5, 1-20)

2 febroary 2025 — Ny nanolorana ny Tompo — Fankalazana manetriketrika — Fahazavana hanilo ny Jentily Izy, sady voninahitr’i Israely olonao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 2, 22-40)

Vakiteny voalohany

Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 17, 5-8)

Ho voaozona ny olona izay mitoky amin’olombelona, hosoavina ny olona mitoky amin’ny Tompo.

Izao no lazain’ny Tompo:
Ho voaozona ny olona izay mitoky amin’olombelona,
sy manao ny nofo ho sandriny, ary miala amin’ny Tompo ny fony!
Manahaka ny anjavidy eny an-tany lava volo izy,
ary rehefa misy hasambarana tonga, tsy ifaliany;
honina amin’ny tany karankaina any an’efitra,
any amin’ny tany sira, tsy misy mponina!
Hohasoavina ny olona mitoky amin’ny Tompo, sy manantena ny Tompo ho tokiny!
Manahaka ny hazo nambolena eo amoron-drano Izy,
mandatsaka ny vahany mankany amin’ny rano mandeha;
tsy matahotra rehefa tonga ny hainandro, sady maitso ravina mandrakariva;
tsy manahy izay taona fahamainana izy, ary tsy mitsahatra ny mamoa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 1, 1ab-2. 3. 4 sy 6

Tsy ho very mandeha izay rehetra mifefy aminao.

Endrey, sambatra loatra
izay tsy momba ny ratsy fanahy,
fa ny lalàn’ny Tompo no maminy,
io no saininy andro aman’alina!

Hazo amoron-drano velona izy:
ka miroborobo faniry,
mamoa ara-potoana, tsy mba malazo ravina:
izay rehetra ataony dia mahomby avokoa.

Ny ratsy fanahy kosa tsy izany velively;
akofa paohin-drivotra tsy maharitra eto an-tany.

Eny, fantatry ny Tompo ny lalan’ny olo-marina;
fa ny an’ny olon-dratsy mitondra any an-tevana.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 15, 12. 16-20)

Raha tsy nitsangan-ko velona i Kristy, dia foana ny finoanareo.

Ry kristianina havana, raha torìna ho nitsangan-ko velona àry i Kristy,
ahoana no ilazan’ny sasany aminareo hoe: tsy misy fitsanganan’ny maty?
Fa na dia i Kristy aza dia tsy nitsangan-ko velona, raha tsy mitsangana ny maty.
Ary raha tsy mitsangana ny maty, dia foana ny finoanareo;
mbola ao aminareo ihany ny fahotanareo, ary very ry zareo nody mandry ao amin’i Kristy.
Ka dia isika no fara fahoriana indrindra amin’ny olon-drehetra,
raha amin’ity fiainana ity ihany no anantenantsika an’i Kristy.
Tsy izany anefa, fa efa nitsangan-ko velona tokoa i Kristy,
ary Izy no santatr’izay efa nody mandry.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mitenena, ry Tompo, fa mihaino ny mpanomponao; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 17. 20-26)

Sambatra ianareo mahantra. Mila loza kosa ianareo mpanan-karena.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niara-nidina tamin’izy roa ambin’ny folo lahy
ka nankeo amin’ny tany lemaka izay nijanonan’ny mpianany maro
sy ny vahoaka betsaka avy tany Jodea rehetra sy Jerosalema,
ary ny tanin’i Tira sy i Sidôna amorontsiraka.
Tamin’izay, dia niatrana nijery an’ireo mpianany Izy, ka nanao hoe:

“Sambatra ianareo mahantra, fa anareo ny Fanjakan’Andriamanitra.
Sambatra ianareo noana ankehitriny, fa ho voky ianareo!
Sambatra ianareo mitomany ankehitriny, fa hifaly ianareo.
Ho sambatra ianareo raha hankahalain’ny olona, horoahiny amin’ny fikambanany,
hotevatevainy ary holaviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo
noho ny amin’ny Zanak’Olona.
Mifalia ianareo amin’izany andro izany ary miravoravoa,
fa indro lehibe ny valisoanareo any an-danitra;
fa tahaka izany koa no nataon’ny razany tamin’ny Mpaminany.
Fa mila loza kosa ianareo mpanan-karena, fa manana ny fahafaham-ponareo ianareo.
Mila loza ianareo izay voky ankehitriny, fa hitomany sy higogogogo ianareo.
Mila loza ianareo raha ataon’ny olona tsara laza,
fa tahaka izany no nataon’ny razany, tamin’ny mpaminany sandoka.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

{/tab}

  • Nijoro ny "SERA" ivondronan'ireo raiamandreny saika hanelanelana ny raharaham-pifidianana tamin'ny 2023. Nahery vaika avy hatrany ny fanenjehan'ireo mpomba ny fitondràna azy ireo...
  • Hadinina any Génève Suisse ny momba ny fanajàna ny zon'olombelona ataon'ny mpitondra eto Madagasikara. Ministra no misolo tena ny fitondràna Malagasy any an-toerana...
  • Miha-mitombo hery, ka ahiana hivadika rivo-doza ato anatin'ny 30 ora ilay faritra andro ratsy ao amin'ny lakan-dranon'i Môzambika. Miteraka fikorontanan'ny toetry ny andro an-dranomasina izy...
  • NIha-nahery vaika androany maraina ny fifandonana eo amin'ny tafi-panjakàna Congolais sy ny M23 any Goma, RDC. Tsy mahita izay halehany ny mponina manoloana io ady io...

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...