♦ Mihamafy ny fahatapahan'ny herinaratra vokarin'ny orinasa JIRAMA ho an'ny ao an-drenivohitra sy ny manodidina. Tsy ampy 65% ny solika ampiasaina araka ny fanazavana vokatry ny haratsian'ny RN2, hitanterana azy miainga avy any Toamasina... ♦ Tsy marina ny vaovao miparitaka fa feno marary ny hôpitaly vokatry ny fiparitahan'ny valan'aretina hoy ny ao amin'ny Ministeran'ny fahasalamam-bahoaka. Tokony hanao fitiliana ny tsimok'aretina cornavirus ireo olona ahitàna soritr'aretina mba hamantarana ny fitsaboana... ♦ Mitohy ny fandaharan'asa ara-tsiansa, ireo mivondrona ao amin'ny DPFB. Nanavao ny fiaraha-miasa ny FOFIFA, ny oniversite an'Antananariivo ary ny CIRAD...

Ny olona manana toe-batana "matavy" dia azo ambara fa marary. Ny hatavezana dia fiangonan'ny tavy be loatra ao amin'ny vatan'ny olombelona iray. Azo ambara fa manaranaka ny hatavezana satria mifampiankina amin'ny fomba fiaina andavanandro sy mahazatra io aretina io. Misy karazan'ny roa io aretina io : ny voalohany dia ireo mihoatra lanja, ary ny faharoa dia ny matavy. Ny mahasamihafa azy ireo dia ny valin'ny kajy IMC : Mihoatra lanja raha mihoatra na mira 25 ny IMC, ary matavy rah mira na mihoatra ny 30 ny IMC an'olona iray. Ny fomba hikajiana azy : Lanja (kg) zaraina amin'ny halavana ambitomboina halavana. IMC 16-18,4 = tsy ampy lanja ; 18,5-24,9= antonony... Marefo ara-pahasalamana ny olona matavy...

♦ Ny alahady 12 febroary izao no hapetraka amin'ny toerana maha-Evekan'i Mahajanga azy i Mgr Zygmunt ROBASZKIEWICZ. Efa fantatra ny antsimpirihan'ny fandaharam-potoana momba izany... ♦ Tsy tontosa omaly ny fandinihana sy fandanian'ny Loholona ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakàna taona 2023. Nitokona noho ny fahataran'ny karaman'izy ireo ny mpiasa tao amin'ity andrim-panjakàna mpanao lalana ity... ♦ Niverina nanakan-dalana indray nanomboka ny alakamisy teo ireo olona mitaky ny zo amin'ny orinasa QMM ao Taolagnaro noho ny fanelingelenana ny asa fiveloman'izy ireo vokatry ny fitrandrahana ataon'ny orinasa...

♦ Ny alahady 12 febroary 2023 no hapetraka amin'ny toerana maha Evekan'i Mahajanga azy i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz... ♦ Miantso fikaonan-doha ny Foiben'ny Fanabeazana Katôlika, manoloana ny nandaniana ilay tolo-dalana fanavaozana ny rafi-pampianarana, teny Tsimbazaza. Tsy omena lanja ny fanabeazana, raha Solombavam-bahoana 13 no nandany izany, hoy ny Talen'ny DINEC... ♦ Efa ho telo herinandro izao no miverina miaina ao anaty “délestage” indray, ny ao an-tampon-tananan'i Morondava. Nanipy andraikitra any amin'ny Préfet, ny Talen'ny Jirama any an-toerana...

♦ Hotanterahana ny 12 febroary 2023 ny fametrahana araka ny fomban'ny Fiangonana an'i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz ho evekan'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Hankalazaina  ny 15 janoary 2023 ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Donatien Francis Randriamalala ao amin'ny Diosezin'Ambanja... ♦ Manentana ny kristianina maneran-tany, ny Papa François, amin'ity volana desambra ity, mba hahitan'ny sampan-draharaha miahy ny maha olona, olona vonona hikatsaka ny soa iombonana...

♦ Nanao fanambrana ny Holafitry ny mpanao gazety, manoloana ny raharaham-pitsarana sedrain'ny mpanao gazety miisa roa... ♦ Ho fantatra amin'izao faran'ny herinandro izao, ary handray ny asany amin'ny alatsinainy, ireo tompon'andraikitra vaovao handray ny fitantanana eo anivon'ny orinasa Jirama... ♦ Andro faharoa amin'ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Faritra na ny JIR, andiany fahadimy, izay atao any amin'ny Faritra Ihorombe, ny anio...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany 56, 1-3a. 6-8

Ny tranoko hatao hoe: Trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra.

Izao no lazain’ny Tompo:
Tandremo ny hitsiny ary araho ny rariny,
fa efa akaiky ny famonjeko, ary efa hiseho ny fahamarinako.
Sambatra ny olona hanao izany,
sy ny zanak’olombelona hifikitra mafy amin’izany,
ka hitandrina ny sabata, tsy mandika azy,
sy hifehy ny tanany tsy hanao ratsy akory!
Aoka ny hafa firenena efa nifikitra tamin’ny Tompo tsy hanao hoe:

“Hoesorin’ny Tompo marina aho,
tsy ho isam-bahoakany.”

Ary ny hafa firenena izay mifikitra amin’ny Tompo
mba hanompo Azy sy ho tia ny Anarany ary ho mpanompony;
izay rehetra mitandrina ny sabata fa tsy mandika azy,
sy miraikitra mafy amin’ny fanekeko,
dia hoentiko ho ao an-tendrombohitra masina,
sy hampifaliako ao an-tranoko fivavahana,
hankasitrahina eo ambony ôtely ny sorony dorana aman-tsorony:
fa ny tranoko hatao hoe:

“Trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra”

— teny marin’ny Tompo — izay mamory ny lasan-ko babo amin’i Israely!
Mbola hamory ny sasany koa Aho ho eo aminy,
hanampy ireo efa voavory sahady.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 66, 2-3. 5. 7-8

Hidera Anao ny vahoaka, ry Andriamanitra, hidera Anao ny vahoaka rehetra.

Hiantran’Andriamanitra anie isika hotsimbininy;
ka hataony mamiratra eo amintsika ny tavany.
Dia ho fantatry ny olona eran-tany ny herinao,
ka hanerana ireo firenen-drehetra ny vonjinao.

Aoka hifaly sy hiantsa ny firenena isan-tokony,
fa Ianao dia mitsara azy rehetra ireny ara-drariny.
Fa Ianao dia mitsara vahoaka araka ny hitsiny
sy manjaka amin’ireo firenen-drehetra isan-tokony.

Fa ny tany volena tsy misy izay tsy mamokatra.
Andriamanitra mantsy Andriamanitsika: mitsimbina.
Enga anie ka hitsimbina antsika hatrany Andriamanitra,
ka ho masina eran’ny vazan-tany ny Anarany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampodio izahay, ry Tompo Andriamanitray ô,
ny tavanao aseho dia ho voavonjy izahay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany 5, 33-36

I Joany dia jiro nirehitra sy nazava.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny Jody nanao hoe:

“Naniraka tany amin’i Joany ianareo, ary nanambara ny marina izy.
Tsy dia ny fanambarana avy amin’ny olona anefa no iankinako,
fa ny mba hahavoavonjy anareo no hilazako izany.
I Joany dia jiro nirehitra sy nazava,
ka nahafinaritra anareo sy nifalianareo vetivety ny fahazavany.
Fa manana fanambarana manoatra ny an’i Joany Aho,
satria ny asa nomen’ny Ray hovitaiko sady ataoko tokoa
no manambara fa iraky ny Ray Aho.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany 54, 1-10

Hoatra ny vady nafoy sy tra-pahoriana no ampodian’ny Tompo anao.

Mihobia an-kafaliana, ry momba, izay tsy niteraka;
mampisehoa hafaliana sy firavoravoana lehibe, ry tsy mba nihetsi-jaza;
fa ny zanak’ilay nariana no maro,
noho ny zanak’izay manam-bady, hoy ny Tompo.
Halalaho ny itoeran’ny lay, velaro ny ambaim-ponenanao,
aza hazonina fa alefaso ho lava ny tadinao,
ary aoreno mafy ny tsima-day!
Fa hitatra miankavanana sy miankavia ianao;
ary haka fonenana amin’ny firenena ny taranakao;
ary hanisy mponina amin’ny tanàna lao Izy.
Aza matahotra, fa tsy ho menatra ianao;
aza mangaihay, fa tsy hisy hahamenatra anao;
fa hanadino ny henatry ny fahatanoranao ianao;
ary tsy hahatsiaro intsony ny tondromaso, fony mpitondratena.
Fa ny vadinao dia ny Mpahary anao; Tompon’ny tafika no Anarany,
ary ny Mpanavotra anao dia Ilay Masin’i Israely.
Andriamanitry ny tany aman-danitra no iantsoana Azy.
Hoatra ny vady nafoy sy tra-pahoriana no ampodian’ny Tompo anao,
hoatra ny vadin’ny fahatanorana efa nisaorana, hoy ny Andriamanitrao.
Vetivety foana, kelikely foana no nahafoizako anao,
fa amin’indrafo lehibe kosa no amoriako anao.
Tamin’ny firehetan’ny hatezerako
no nanafenako vetivety ny tavako taminao,
fa amim-pitiavana mandrakizay kosa no angorahako anao,
hoy ny Tompo Mpanavotra anao.
Dia ho toy ilay ranon’i Nôe izany amiko,
nony nianiana Aho fa ilay ranon’i Nôe
tsy hiely intsony amin’ny tany:
toy izany koa no nianianako
fa tsy ho tezitra aminao na handrahona anao intsony Aho.
Na dia hihataka aza ny tendrombohitra ka hihozongozona ny havoana,
ny fitiavako tsy mba hiala aminao,
ary ny fanekem-pihavanako tsy mba hikorontana,
hoy ny Tompo ilay mangoraka anao.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 29, 2 sy 4. 5-6. 11-12a sy 13b

Izaho midera ny Tompo izay nanafaka ahy.

Izaho midera ny Tompo izay nanafaka ahy:
tsy navelanao hifalian’ny fahavaloko aho!
Ny fanahiko, ry Tompo ô, nakarinao avy any an-tSeoly;
novelominao aho izay efa nitsìtra tany an-davaka.

Antsao ny Tompo, ianareo mpivavaka! Isaory ny Anarany masina!
Indray mihelina Izy vinitra; tontolo fiainana manambina.
Hariva, mialin-tomany; maraina, velon-kalo.

Mandrenesa, ry Tompo, iantrao aho! Tompo ô, tahio aho!
Navadikao ho dihy ny toreoko.
Ry Tompo Andriamanitro ô, mandrakizay no isaorako Anao.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny halehany,
dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka 7, 24-30

I Joany no anjely manomana ny lalan’ny Tompo.

Nony lasa ny irak’i Joany,
dia nambaran’i Jesoa tamin’ny vahoaka ny aminy ka hoy Izy:

“Hizaha inona no nalehanareo tany an’efitra?
Volotara hozongozonin’ny rivotra va?
Sa hizaha inona no nalehanareo tany?
Lehilahy tsara fitafiana va?
Raha izay tsara fitafiana sy manao fiainana,
dia any an-tranon’ny mpanjaka no itoerany.
Sa hizaha inona no nalehanareo tany?
Mpaminany va?
Eny, hoy Aho aminareo, ary ambony noho ny mpaminany aza.
Fa Izy no ilay voasoratra hoe:
Indro Aho maniraka ny anjeliko eo anoloanao
mba hamboatra lalana eo alohanao.
Koa lazaiko aminareo fa amin’izay natera-behivavy
tsy misy mpaminany lehibe noho i Joany Batista,
nefa izay kely indrindra amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, no lehibe noho izy.
Ary ny vahoaka rehetra izay nandre azy mbamin’ny poblikanina
na dia nanamarina an’Andriamanitra, tamin’ny nandraisany ny batemin’i Joany;
fa ny Farisianina sy ny mpampiana-dalàna kosa
nanatsinontsinona ny fikasan’Andriamanitra ny aminy
tamin’ny nandavany ny batemin’i Joany.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany 45, 6b-8. 18. 21b-25

Ampidino, ry lanitra, ny andonao avy any ambony.

“Izaho no Tompo, ary tsy misy hafa.
Izaho no mamorona ny mazava, sy mahary ny maizina;
manao ny fiadanana sy mahary ny loza;
Izaho Tompo no manao izany rehetra izany.
Ampidino, ry lanitra, ny andonao avy any ambony;
ary aoka ny rahona
handatsaka ny fahamarinana toy ny ranon’orana!
Aoka ny tany hisokatra, hahavokatra ny famonjena,
ka hampitsimoka ny fahamarinana miaraka amin’izany!
Izaho Tompo no mahary ireo zavatra rehetra ireo.”

Izao no lazain’ny Tompo, izay nahary ny lanitra,
Izy dia ilay Andriamanitra namorona ny tany
sy nahavita ary nampiorina azy,
ka tsy nataony ho zava-mifanjevo foana,
fa nataony ho fonenana:

“Izaho no Tompo, ary tsy misy hafa!
Ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.
Izaho no Andriamanitra marina,
ary tsy misy mpamonjy afa-tsy Izaho.
Mitodiha aty amiko dia hovonjena ianareo,
ianareo rehetra mponina amin’ny tany,
fa Izaho no Andriamanitra ary tsy misy hafa.
Efa nianiana tamin’ny Tenako Aho;
ny marina no aloaky ny vavako, dia ny teny iray,
izay tsy hofoanana.
Ny lohalika rehetra handohalika amiko,
ary ny lela rehetra hianiana amiko.
Izao no hilazan’ny olona Ahy:
Amin’ny Tompo irery no mitoetra
ny fahamarinana sy ny hery!”

Hanatona Azy ny olona,
fa ho menatra kosa izay rehetra tezitra taminy.
Hohamarinina sy homem-boninahitra
ao amin’ny Tompo avokoa ny taranak’i Israely rehetra.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 84, 9ab-10. 11-12. 13-14

Ampidino, ry lanitra, ny andonao avy any ambony ary aoka ny rahona handatsaka ny fahamarinana.

Mba tiako tokoa ny handre Azy Tompo,
mirary fiadanana ho an’ireo tiany,
mirary fiadanana ho an’ireo olo-miandrandra ny tavany.

Akaiky izay mino Azy Tompo ny vonjy.
Honenan’ny lazany ety amintsika
koa indro mihaona tokoa ny indrafo sy ny fahamarinana.

Ny rariny ombam-piadanana hatrany,
ny hitsiny hita mitsiry amin’ny tany,
mitsinjo avy eny amin’ny rahon’ny lanitra koa ny rariny.

Handrotsaka orana anie Izy Tompo,
izay hampamokatra tsara ny tany
fa lalan-kizoran’ny Tompo ny rariny ombam-piadanana.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Tongava, ry Tompo, ary aza ela:
vahao ny fatoran’ny vahoakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka 7, 19-23

Ambarao an’i Joany izay rehetra renareo sy hitanareo.

Tamin’izany andro izany
niantso roa lahy tamin’ny mpianany i Joany
nalefany ho any amin’i Jesoa hanao aminy hoe:

“Ianao va no Ilay ho avy,
sa mbola hafa no handrasantsika?”

Nony tonga tany aminy ireo dia nanao hoe:

“Nirahin’i Joany Batista hankatý aminao izahay
hanontany raha Ianao no Ilay ho avy,
na mbola hafa no andrasantsika.”

Tamin’izay indrindra i Jesoa
dia nanasitrana olona maro
niferinaina tamin’ny aretina sy ny rofy ary ny fanahy ratsy,
sady nampahiratra jamba maro koa,
koa izao no navaliny an’ireto iraka:

“Mandehana lazao amin’i Joany izay zavatra renareo sy hitanareo:
mahiratra ny jamba, mandeha ny mandringa,
madio ny boka, malady ny marenina, mitsangan-ko velona ny maty,
torîna amin’ny mahantra ny Evanjely,
ary sambatra izay rehetra tsy ho tafintohina noho ny amiko.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Milaza ho tsy matahotra ny fitorian'ny GEL ny Transparency International eto amintsika, momba ilay raharaha fisiana kolikoly amin'ny fanondranana letchis. Efa nisy fanadihadiana 3 taona natao, talohan'ny namoahana iny fanairana iny, hoy Ramatoa Ketakandriana Rafitoson... ♦ Miakatra ny tahan'ny olona mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida eto Madagasikara. Mbola lavitra ezaka ny handresentsika ity aretina ity amin'ny 2030... ♦ Nitory ny fitondrana Malagasy sy ireo Andrim-panjakana rehetra tamin'ity Repoblika fahefatra ity, ny fikambanana Fiverenana Andoharano...

Manana drafitr'asa vaovao 2023-2025 hampandrosoana ny lalam-pihariana ronono manerana ny nosy ny Malagasy Dairy Board na ny MDB. Natolotra tamin'ireo mpisehatra samihafa misahana ny fiompiana indrindra ireo misehatra amin'ny lalam-pihariana ronono, tamin'ny alalan'ny atrik'asa teny Antanimena izany drafitr'asa vaovao izany ny 25 nôvambra 2022 teo... 

Vakiteny voalohany

Bokin’i Sofonia 3, 1-2. 9-13

Omena ny mahantra rehetra ny famonjena avy amin’ny Mesia.

Izao no lazain’ny Tompo:
Loza ho an’ilay miodina sy voaloto,
dia ny tanàna fampahoriana!
Tsy nisy feo nohenoiny akory,
tsy nandray anatra izy,
tsy niankina tamin’ny Tompo,
tsy nanatona an’Andriamaniny.
Fa amin’izany ny firenena homeko molotra madio
hiantsoan’izy rehetra ny Anaran’ny Tompo
sy hanompoany Azy amim-piraisan-kina.
Avy any an-dafin’ny onin’i Etiôpia
ireo mpivavaka amiko, ireo naeliko,
hitondra ny fanatitra ho Ahy.
Amin’izany andro izany,
tsy ho henatra ho anao intsony
ny asanao rehetra izay nanotànao tamiko;
satria amin’izany hoesoriko hiala eo aminao
ireo izay nifaly tamim-pireharehana;
ary ianao tsy hiavonavona intsony eo an-tendrombohitro masina.
Havelako eo aminao ny vahoaka ambany sy manetry tena anankiray
izay hatoky ny Anaran’ny Tompo.
Ny sisa amin’i Israely dia tsy hanao ny tsy marina,
na hilaza lainga,
ary tsy hahitàna eo am-bavany intsony izay lela mandainga.
Fa hihinana sy handry fahizay izy ireo,
ary tsy hisy olona hanaitaitra azy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 33, 2-3. 6-7. 17-18. 19 sy 23

Ity ory: velona antso ka novalian’ny Tompo.

Izaho misaotra ny Tompo amin’ny fotoan-drehetra;
eo am-bavako lalandava ny fiderana Azy.
Ny Tompo hafinaretan’ny fanahiko:
mandrenesa, ry ory, ka mifalia!

Mibanjìna Azy, fa ho mirana;
ny tavanareo tsy hangaihay.
Ity ory: velona antso ka novalian’ny Tompo;
ny ahiahiny rehetra namonjeny azy.

Ny tavan’ny Tompo amin’ny mpanao ratsy,
mba hahavery tadidy azy eto an-tany.
Ny olo-marina vao miantso dia henon’ny Tompo;
ny ahiahiny rehetra esoriny aminy.

Ny Tompo eo anilan’ny torotoro fo,
sy mamonjy ny rera-tsaina.
Ny fanahin’ny mpanompony avotan’ny Tompo;
tsy hisy ho voasazy iray mifefy aminy.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mitadiava ny Tompo dieny mbola mety ho hita Izy;
miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 21, 28-32

Tonga teto i Joany, fa ny mpanota no nino azy.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona nanao hoe:

“Ahoana ny hevitrareo?
Nisy lehilahy anankiray nanan-janaka roa lahy,
dia nanatona ny lahimatoa izy ka nanao taminy hoe:
Andeha, anaka, miasa any an-tanim-boaloboko anio.
Hoy izy: ‘Tsy handeha aho’,
kanjo nony afaka izany, nanenina izy ka nandeha ihany.
Dia nankeo amin’ilay iray indray izy
ka nilaza toraka izany koa.
Hoy io: ‘Handeha aho, tompoko’;
kanefa tsy nandeha izy.
Iza moa amin’izy roa lahy no nanao ny sitra-pon’ny rainy?”

Hoy ireo:

“Ny lahimatoa”,

dia hoy i Jesoa taminy:

“Izaho milaza marina aminareo
fa ny poblikanina sy ny vehivavy janga
no efa mialoha anareo ho amin’ny Fanjakan’Andriamanitra;
fa tonga teo aminareo
tamin’ny lalan’ny fahamarinana i Joany,
nefa ianareo tsy nino azy;
fa ny poblikanina sy ny vehivavy janga no nino azy;
ary ianareo, na dia nahita izany aza,
dia tsy mbola nanenina akory mba hinoanareo azy.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...