♦ Manana hafatra ny fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara ho an'ny mpiantsehatra rehetra... ♦ Voaantsoa eny amin'ny fitsaràna eny Anosy anio i Mehery Lanto Manandafy na i Malama, taorian'ny fitazomana azy am-ponja, izay efa ho roa volana... ♦ Nampidirina am-ponja eny Tsiafahy ny solombavambahoakan'i Mahabo teo aloha i Leva. Manara-maso akaiky ny fizotran'ny raharaha ireo olona nitory azy... ♦ Mpanao gazety iray avy amin'ny BBC no voasambotra sy voakasi-tanana teo am-panatanterahana ny asany, nandritra ny fandrakofana ny hetsika nanoheran'ireo sinoa ny pôlitika Zero covid any Chine...
♦ Manahy fanodikodinam-bola eo anivon'ny Jirama ny filohan'ny filan-kevi-pitantanan'ity orinasam-panjakàna ity. Vola 230 miliara Ariary ohatra no tombanana ho tsy niditra tao anatin'ny kitapom-bolan'ny Jirama, ka hisy ny "audit" atao... ♦ Manahy ny hisian'ny korontana aorian'ny fifidianana amin'ny taona 2023 ny Fiombonan'ny zanaka sy zivan'i Madagasikara na ny FIZAZIMA. Resy lahatra amin'ny tokony hirosoana amin'ny fikaonandoham-pirenena izy ireo... ♦ Mitaky ny hamoahana an'i Kadi Sento, mpikambana sendikà namoahan'ny fitsaràna didy fidirana an-tranomaizina herin-taona ny Randrana sendikaly. Efa nangataka amin'ny Praiministra ny amoahana azy ny OIT eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena, hoy ity vondrona sendikà ity...
Mila mitandrina ny olona rehetra satria misy mandavantaona ny covid-19 ary mety ho tratrany daholo ny sokajin'olona rehetra. Marihina fa ity coronavirus ity dia mety hiditra amin'ny : orona, maso, lalan-drivotra, sofina, ary mamonjy ny avokavoka. Rehefa tonga ao amin'ny avokavoka ny tsimokaretina dia miparitaka amin'ny vatana amin'ny alalan'ny lalan-dra. Maro ny taova tafian'io tsimokaretina io. Ny fambara : mikohoka, voan'ny sery, manavy, sempotra, reraka, mangovingovitra, miakatra ny tosi-dra... Ny fahavoazana mety hitranga : mivonto ny fo, marary ny voa, fahasimban'ny sarakaty ka mampihetsika ny toe-batana diabetika, misy tsy fahatomombanana ny saina, marary ny hoditra...
Ny vola no hozatry ny fiainana hoy ny fomba fiteny. Ny fitiavan-karena dia avahana mazava tsara amin'ny fampiasana ny vola ho toy ny fomba hahazoana fifaliana sy hiatrehana ny tena zava-misy eo amin'ny fiainana. Tena loza ny fiheverana fa ny zava-dehibe indrindra eo amin'ny fiainana dia ny vola. Maro ny zavatra tsy azo vidiana amin'ny vola. Katesizy momba ny fitiavana sy ny fiainana, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason.
Tsy vitsy no mieritreritra fa ny firotsahana amin'ny sehatry ny pôlitika no lalana ahazoana ny voninahitra sy ny fahefana. Ny olona tia voninahitra sy liam-pahefana dia mihidy ho an'ny tenany samirery, fa mampiasa ny olon-kafa mba ho amin'ny tombontsoany. Ny tena ilaina dia ny fahafahana mandray fepetra manoloana ny tranga vaovao atolotry ny fiainana. Katesizy momba ny fitiavana sy ny fiainana, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason.
Ny fiainana dia ny fampifanarahana ny finoana amin'ny atao. Ezahina tsy hisy fifanoherana izay tanterahina sy ny inoana. Mila resena sy alavirina izay rehetra mety ho endrika : fangalarana, fisolokiana, fanambakana, fanararaotana, risoriso, lainga. Ny zavatra ilaina dia ny firindràna tanteraka eo amin'ny eritreritra, ny teny ary ny fihetsika. Katesizy momba ny fitiavana sy ny fiainana, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason.
Ny fitiavana fotsiny ara-nofo dia endrika iray manalavitra sy manamaloka ny fahazoana ny hevitry ny Fitiavana marina. Misy ny mety alaim-panahy hilaza fa ny lafiny ara-nofo no tena porofo sy fisehoan'ny fitiavana ambony indrindra. Ny fitiavana ilàna tambiny ihany koa manosika ny olona hanimba ny tokony ho fandraisana ny Fitiavana marina. Katesizy momba ny fitiavana sy ny fiainana, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason.
Ny Fitiavana marina : fitiavana an'Andriamanitra sy ny fahatahorana Azy, ary koa, fitiavana ny hafa tahaka ny tena. Ity farany ity no fampiharana hita maso sy ren'ny fandrenesana ny fitiavana an'Andriamanitra izay tsy hita maso. Ny fitiavana dia natao ho an'ny olombelona tsy misy fanavahana : havana, namana, olona lavitra, ireo olona mpankahala antsika. Katesizy momba ny fitiavana sy ny fiainana, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason.
Ho antsika kristiana dia ny Fitiavana araka ny Evanjely ihany no hihainana amin'ny fiainana andavanandro. Voalohany amin'izany dia ny Fitiavana an'Andriamanitra ary ny faharoa dia ny Fitiavana ny namana. Ny vavaka no marika ho fitiavantsika an'Andriamanitra. Ny vavaka iombonana sy ny vavaka samirery no tokony himasoantsika mandrakariva. Katesizy momba ny fitiavana sy ny fiainana, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason.
Ny fitiavana araka ny Evanjely ihany no afaka manome lanja ny fiainana andavanandro. Ny Fitiavana araka ny Evanjely dia : ny fitiavana an'Andriamanitra, ny fitiavana ny namana, ny fanaovana asa soa tsy mitaky valiny, ny fitiavana ny fahavalo sy mivavaka ho azy, ary ny mahafoy ny aina tahaka an'i Kristy teo ambony Hazo Fijaliana. Katesizy momba ny fitiavana sy ny fiainana, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason.
♦ Lohahevitra miisa efatra (4) no nifantohan'ny fehin-kevitra tamin'ny fivoriana ara-potoanan'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana na ny Justice et Paix... ♦ Lany tsy nasiam-panovàna teny amin'ny Antenimeraram-pirenena ny volavolan-dalàna hifehy ny teti-bolam-panjakàna taona 2023. Ora dimy monja ny dinika sy ny ady hevitr'ireo solombavambahoaka miisa 95, nandaniana izany omaly... ♦ Tale ambony miisa 14 amin'ireo 48 isa nandalo tombana teo anivon'ny Jirama no noesorin'ny filan-kevi-pitantanana tamin'ny toerany. Tsy maintsy handalo "entretien" ny tale jeneraly, izay tsy mbola niverina niasa hatramin'izao...
♦ Entina aminao izao ny fehin-kevitra tamin'ny fivoriana ara-potoana nataon'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana... ♦ Lany teny amin'ny Antenimieram-pirenena androany tolakandro ny volavolan-dalana mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho an'ny taona 2023... ♦ 25 nôvambra 2022. Andro natokan'ny Firenena Mikambana, ho fanombohana ny Andro Iraisam-pirenena hiadiana sy hanafoanana ny herisetra mianjady amin'ny vehivavy...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco