Bokin’i Sofonia 3, 1-2. 9-13
Izao no lazain’ny Tompo:
Loza ho an’ilay miodina sy voaloto,
dia ny tanàna fampahoriana!
Tsy nisy feo nohenoiny akory,
tsy nandray anatra izy,
tsy niankina tamin’ny Tompo,
tsy nanatona an’Andriamaniny.
Fa amin’izany ny firenena homeko molotra madio
hiantsoan’izy rehetra ny Anaran’ny Tompo
sy hanompoany Azy amim-piraisan-kina.
Avy any an-dafin’ny onin’i Etiôpia
ireo mpivavaka amiko, ireo naeliko,
hitondra ny fanatitra ho Ahy.
Amin’izany andro izany,
tsy ho henatra ho anao intsony
ny asanao rehetra izay nanotànao tamiko;
satria amin’izany hoesoriko hiala eo aminao
ireo izay nifaly tamim-pireharehana;
ary ianao tsy hiavonavona intsony eo an-tendrombohitro masina.
Havelako eo aminao ny vahoaka ambany sy manetry tena anankiray
izay hatoky ny Anaran’ny Tompo.
Ny sisa amin’i Israely dia tsy hanao ny tsy marina,
na hilaza lainga,
ary tsy hahitàna eo am-bavany intsony izay lela mandainga.
Fa hihinana sy handry fahizay izy ireo,
ary tsy hisy olona hanaitaitra azy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 33, 2-3. 6-7. 17-18. 19 sy 23
Izaho misaotra ny Tompo amin’ny fotoan-drehetra;
eo am-bavako lalandava ny fiderana Azy.
Ny Tompo hafinaretan’ny fanahiko:
mandrenesa, ry ory, ka mifalia!
Mibanjìna Azy, fa ho mirana;
ny tavanareo tsy hangaihay.
Ity ory: velona antso ka novalian’ny Tompo;
ny ahiahiny rehetra namonjeny azy.
Ny tavan’ny Tompo amin’ny mpanao ratsy,
mba hahavery tadidy azy eto an-tany.
Ny olo-marina vao miantso dia henon’ny Tompo;
ny ahiahiny rehetra esoriny aminy.
Ny Tompo eo anilan’ny torotoro fo,
sy mamonjy ny rera-tsaina.
Ny fanahin’ny mpanompony avotan’ny Tompo;
tsy hisy ho voasazy iray mifefy aminy.
Aleloia. Aleloia.
Mitadiava ny Tompo dieny mbola mety ho hita Izy;
miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 21, 28-32
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona nanao hoe:
“Ahoana ny hevitrareo?
Nisy lehilahy anankiray nanan-janaka roa lahy,
dia nanatona ny lahimatoa izy ka nanao taminy hoe:
Andeha, anaka, miasa any an-tanim-boaloboko anio.
Hoy izy: ‘Tsy handeha aho’,
kanjo nony afaka izany, nanenina izy ka nandeha ihany.
Dia nankeo amin’ilay iray indray izy
ka nilaza toraka izany koa.
Hoy io: ‘Handeha aho, tompoko’;
kanefa tsy nandeha izy.
Iza moa amin’izy roa lahy no nanao ny sitra-pon’ny rainy?”
Hoy ireo:
“Ny lahimatoa”,
dia hoy i Jesoa taminy:
“Izaho milaza marina aminareo
fa ny poblikanina sy ny vehivavy janga
no efa mialoha anareo ho amin’ny Fanjakan’Andriamanitra;
fa tonga teo aminareo
tamin’ny lalan’ny fahamarinana i Joany,
nefa ianareo tsy nino azy;
fa ny poblikanina sy ny vehivavy janga no nino azy;
ary ianareo, na dia nahita izany aza,
dia tsy mbola nanenina akory mba hinoanareo azy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Miantso ny olom-pirenena hampihatra ny fihetsika sakana manoloana ny firongatry ny Gripa mahery vaika miparitaka amin'izao fotoana izao ny fitondram-panjakàna. Ny ankizy moa no tena tratran'ity valan'aretina ity... ♦ Tsy nandany ilay volavolan-dalàna mifehy ny rafitry ny fanabeazana nolaniana omaly ny solombavambahoaka avy amin'ny antoko TIM... ♦ Tapitra ny fifampiresahana nikatsahana vahaolana tamin'ny tompon'andraikitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa hoy ireo solontenan'ny mpianatra avy amin'ny Université enina manerana ny nosy nanao ny kongresy teto Antananarivo...
Tanan-dehibe maro mponina indrindra ny eto Antananarivo renivohitra, ary tsy afa-miala amin'ny vokatry ny fiovan'ny toetrandro fa mila miatrika na mitady fomba fanalefahana ny voka-dratsiny. Ndeha isika hanova fomba fiainana hiarovana ny tranobe iombonana. Kajio ny tontolo iainana, rehefa tsy mandoto isika dia efa isan'ireo miaro ny tontolo iainana ihany. Ny vahaolana amin'ny fiovan'ny toetrandro dia miantomboka amin'ny fandraisan'andraikitry ny tsirairay noho izany dia samia isika manao ezaka toy ny : fambolen-kazo sy ny fanajana ny fahadiovana...
Bokin'i Izaia Mpaminany 35, 1-6a. 10
Hifaly ny efitra sy ny tany karankaina,
hiravoravo ny tany lemaka lava volo,
ary hamony tahaka ny narisisa;
hirakotra voninkazo sy hientan-kafaliana
ary hanao hoby firavoravoana izy.
Homena azy ny voninahitr’i Libàna
mbamin’ny hakanton’i Karmely sy i Sarôna.
Izy ireo hahita ny voninahitry ny Tompo,
sy ny famirapiratan’ny Andriamanitsika.
Hatanjaho ny tanana osa,
herezo ny lohalika mangozohozo!
Ilazao ny mitebiteby fo ataovy hoe:
“Makà hery fa aza matahotra.
Inty ny Andriamanitrareo;
tamy ny famaliana, famalian’Andriamanitra,
Tenany no ho avy, dia hamonjy anareo”.
Amin’izay dia hahiratra ny mason’ny jamba,
halady ny sofin’ny marenina.
Hitsambikina hoatra ny serfa ny mandringa,
hinantsanantsan-kafaliana ny lelan’ny moana.
Ho tonga ao Siôna amin’ny hobin-kafaliana
ireo navotan’ny Tompo;
firavoravoana mandrakizay no ho fehilohany;
fifaliana amam-piravoravoana no hahenika azy;
fa ny sento amam-pijaliana handositra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 145, 7. 8-9a. 9bd-10
Ilay mitandrina mandrakizay ny fahamarinana
sy manome rariny izay ampahoriana,
Ilay manome sakafo ny noana,
dia ny Tompo mamaha ny mpifatotra.
Tompo mampahiratra ny jamba,
Tompo mampitràka ny miondrika.
Tompo mpiaro ny vahiny,
tohan’ny kamboty sy ny tokan-tena.
Tompo tia ny olo-marina,
fa ny olon-dratsy aviliviliny.
Manjaka ny Tompo amin’ny taona mifandimby,
ny Andriamanitrao, ry Siôna, mandrakizay!
Taratasin’i Masindahy Jakôba Apôstôly 5, 7-10
Ry kristianina havana,
mahareta mandrapiavin’ny Tompo.
Jereo ange ny mpiasa tany,
izay manantena ny voka-tsoan’ny tany;
miandry amimpaharetana izy,
mandra-pahazony ny ranonorana aloha sy aoriana.
Aoka àry ianareo haharitra koa;
ary ankaherezo ny fonareo,
fa efa akaiky ny fiavian’ny Tompo.
Aza mifampimonomonona, ry havamalala,
fandrao dia helohina ianareo.
Indro, efa mby eo am-baravarana anie ny mpitsara!
Aoka ny mpaminany
izay niteny tamin’ny Anaran’Andriamanitra,
ry kristianina havana, no hataonareo fakan-tahaka
amin’ny fandeferana sy ny faharetana.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo:
nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny malahelo Aho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 11, 2-11
Tamin’izany andro izany,
nony ren’i Joany tao an-tranomaizina ny nataon’i Kristy,
dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany izy
hanao aminy hoe:
“Ianao va no Ilay ho avy,
sa mbola hafa no andrasantsika?”
Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:
“Mandehana ka lazao amin’i Joany,
izao zavatra renareo sy hitanareo izao:
mahiratra ny jamba, afaka ny mandringa,
sitrana ny boka, malady ny marenina,
atsangana ny maty, torîna amin’ny malahelo ny Evanjely,
ary sambatra izay tsy tafintohina noho ny amiko”.
Nony lasa ireo,
dia nilaza an’i Joany tamin’ny vahoaka i Jesoa,
nanao hoe:
“Hizaha inona no nalehanareo tany an’efitra?
Volotara hetsiketsehin’ny rivotra va?
Sa hizaha inona no nalehanareo tany?
Lehilahy tsara fitafiana va?
Indro any an-tranon’ny mpanjaka izay tsara fitafiana.
Sa hizaha inona àry no nalehanareo tany?
Moa mpaminany va?
Eny, hoy Izaho aminareo,
ary ambony noho ny mpaminany aza,
fa izy no ilay voasoratra hoe:Indro Aho
maniraka ny Anjeliko hialoha Anao
sy hamboatra ny lalanao!
Lazaiko aminareo marina tokoa
fa amin’izay natera-behivavy,
mbola tsy nisy nitsangana
izay lehibe noho i Joany Batista;
kanefa izay kely indrindra amin’ny Fanjakan’ny lanitra
no lehibe noho izy”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Mangetaheta famonjena ny olona, te hivoatra sy te handroso amin’ny lafiny maro tokoa ny Malagasy, siangy io no lesoka: samy maka ho azy sy ny ramatahora no miely sy manjaka... Mila Pretra izy ireo, tena Pretra fa tsy irony Fonctionnaires de Dieu irony. Koa ampirisihina isika, heindaka amin’ny zavatra eto an-tany, fa hampiasa azy ireny kosa mba ho fanampiana ny namana dia ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka. Midika izany fa mila fihavaozana avy ao anaty isika.
♦ Mitaky ny handinihan'ny antenimera mpanao lalàna ny sata mifehy ny mpiasam-panjakàna amin'izao fivoriana ara-potoana izao ny firaisan-kinan'ny sendika eto Madagasikara. Iray volana no omena ny fitondrana hamahana ireo olana fototra mianjady amin'ny mpiasa malagasy... ♦ Lany teny Tsimbazaza omaly ny volavolan-dalàna mifehy ny rafitry ny fanabeazana eto Madagasikara. Mitaky fifampidinihana momba azy io ny fitantanana nasiônalin'ny fanabeazana katôlika "DINEC"... ♦ Tanterahana eny amin'ny Hotel Panorama Andrianarivo ny andro ara-tsiansa ho an'ny sehatra momba ny fikarohana sy ny fampianarana ambony miara-miasa ho an'ny ala sy ny harena voajanahary "DPFB"....
Sabotsy 10 desambra 2022 — Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Taona A — Akaiky ny andron’ny Tompo, indro Izy fa ho avy hamonjy antsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 17, 10-13
Zoma 9 desambra 2022 — Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Taona A — Avia, ry Tompo, vangio am-piadanana izahay, mba hifalianay amin’ny fo lavorary — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 16-19
Alakamisy 8 desambra 2022 — Masina Maria notorontoronina tsy azon-keloka — Fankalazana manetriketrika — Arahaba, ry Maria feno hasoavana; ny Tompo ao aminao; nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 26-38
Alarobia 7 desambra 2022 — Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Taona A — Indro ho avy ny Tompo hanavotra ny vahoakany, sambatra izay vonona ny hitsena Azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 28-30
Talata 6 desambra 2022 — Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Taona A — Indro avy ny Mpanjaka, Tompon’ny tany, ary Izy no hanafaka antsika amin’ny jiogam-panandevozana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 18, 12-14
Alatsinainy 5 desambra 2022 — Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Taona A — Ampodio izahay, ry Tompo Andriamanitra ô; ny tavanao aseho, dia ho voavonjy izahay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 5, 17-26
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco