♦ Tsy maintsy hajaina ny 5 minitra tsy misy fisaorana, izay fepetra notapahan'ny Solombavambahoaka, mandritra ny fihaonany amin'ny Governemanta, etsy amin'ny CCI Ivato... ♦ Iray andro mialoha ny fitsarana ilay raharahan'ny Jeneraly misotro ronono mivady, nisy namono tany Antisrabe. Miahiahy tsindry amin'ny fitsarana ny fianakaviany... ♦ Misoko mangina avokoa ny isan'ireo olona mitondra ny tsimokaretina VIH Sida sy ireo tratran'ny Covid-19, eto amintsika...

"Raha misy maniry ny raharahan'ny pretra dia maniry raharaha tsara indrindra izy" (I Tim 3,1). Maro ireo asa sy andraikitra sahanin'ny pretra, akara izany, miavaka ny "fiofanana" arahina mialoha ny hirosoana amin'ny maha-mpandraharaha masina. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina "fiofanana", iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

♦ Lohahevitra maro mahakasika ny fiainan'ny vahoaka malagasy no nifampiresahan'ny filohan'ny eveka eto Madagasikara Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, tamin'ny Papa François omaly tany Vatican... ♦ Tontosa teny amin'ny Fitsarana tampony Anosy, androany, ny lanonam-pitsaràna nanatanterahan'ireo mpikambana vaovaon'ny CENI ny fianianany... ♦ Tsy tonga tamin'ny fampiantsoan'ny vaomiera misahana ny fiampangàna ny olona ambony, eny anivon'ny antenimieram-pirenena, ny olona nisy nitory sy ny vavolombelona tokony niaraka taminy...

Ny fanehoana fitiavana dia ilaina,  na eo amin'ny mpianakavy na eo amin'ny olona roa. Ndeha ho sokajiana toy ny fanadinana na enti-mody ny fanehoana fitiavana, inona no havoakan'ny fanombanan-tena nataontsika? Inona no tokony hatsaraina?  Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

Alahady 5 desambra 2021 — Alahady faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny halehany, dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 3, 1-6

♦ Efa fahita matetika ny famerenam-bola aorian'ny fanatanterahana tetikasa iarahana  amin'ny mpamatsy vola, hoy ny ministry ny fitantanam-bola, mikasika ny vola averin'ny Jirama amin'ny Banky iraisam-pirenena... ♦ Vola hatrany amin'ny 430 tapitrisa ariary no voaangona sy nentina nanampiana ireo mpiasa avy amin'ny faritra 13, tao anatin'ny tetik'asa Basket Fund "GEM-COVID-19"... ♦ Manoloana ny tsy fahampian'ny rotsak'orana amin'ny faritra maro dia mbola ho tohizana ny fandatsahana orana artifisialy...

♦ Voasoroka ny fifandonana teo amin'ny mpianatry ny Lycée Technique Alarobia sy ny Lycée Technique Mahamasina, noho ny fandraisana andraikitry ny mpitandro ny filaminana sy ny mpampianatra... ♦ Mbola olana ho an'ny sehatry ny asa amin'izao fotoana izao ny fivoaran'ny valan'aretina Covid-19. Nanamafy izany androany ny solontenan'ny OIT eto Madagasikara...

Tamin’izany andro izany, rahefa nidina avy tany an-tendrombohitra i Jesoa sy ny mpianany, dia nanontany Azy ny mpianany nanao hoe: "Ahoana àry no ilazan’ny mpanora-dalàna fa tsy maintsy ho avy aloha i Elia?" Ary namaly Izy ka nanao hoe: "Tsy maintsy ho avy tokoa i Elia ka hanavao ny zavatra rehetra. Nefa lazaiko aminareo fa tonga sahady i Elia, fa tsy fantatry ny olona izy, ka nanaovany izay sitraky ny fony. Ary ho tahaka izany koa no hampijaliany ny Zanak’Olona." Dia fantatry ny mpianatra tamin’izay fa i Joany Batista no nolazainy taminy.

Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe: "Amin’inona no hanoharako itý taranaka itý? Amin’ny ankizy madinika mipetraka eny an-kianja izay miantso ny namany, ka manao hoe: Nitsoka sodina taminareo izahay, nefa tsy nandihy ianareo; nanao hira mampalahelo izahay, nefa tsy nandòn-tratra ianareo. Fa tonga i Joany, tsy nihinana tsy nisotro, nataon’ny olona hoe: Azon’ny demony izy. Tonga indray ny Zanak’Olona, mihinana sy misotro, lazain’ny olona hoe: Lehilahy lian-kanina io, sady mpisotro divay sy sakaizan’ny poblikanina mbamin’ny olon-dratsy fiaina rehetra. Fa efa nohamarinin’ny asany ny Fahendrena."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe: "Lazaiko aminareo marina tokoa fa amin’izay natera-behivavy mbola tsy nisy nitsangana izay lehibe noho i Joany Batista; kanefa izay kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra no lehibe noho izy. Ary hatramin’ny andron’i Joany Batista no ho mankatý dia azo an-keriny ny Fanjakan’ny lanitra, ka ny mpanao an-keriny no mahazo azy. Fa ny Mpaminany rehetra sy ny Lalàna dia naminany hatramin’i Joany, ary raha mety mino ianareo dia izy no ilay Elia ho avy. Izay manan-tsofina hihainoana aoka hihaino."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Ahoana ny hevitrareo? Raha misy olona manana ondry zato, ka nania ny anankiray, moa tsy havelany eny an-tendrombohitra va ny sivy amby sivifolo; ka handeha hitady ilay nania izy? Ary raha sendra hitany izy, dia lazaiko marina aminareo fa iny anankiray iny aza no mahafaly azy noho ny sivy amby sivifolo tsy nania. Toy izany koa, tsy tian’ny Rainareo izay any an-danitra hisy very na dia ny anankiray amin’ireo madinika ireo aza."

Sabotsy 4 desambra 2021 — Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Manandrata feo eny amin’ny tendrombohitra, ianao izay mitory teny soa; indro fa tonga amin’ny heriny ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 35 — 10, 1. 6-8

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...