♦ Natokan'ny Fivondronamben'ny Eveka Katôlika eto Madagasikara hivavahana manokana ho an'ireo Malagasy havana matin'ny loza samihafa nitranga teto amin'ny firenena, ny andron'ny talata 28 desambra... ♦ Nisokatra nanomboka androany, mandray an-tanana ireo mararin'ny Covid-19 "forme modérée" ny CTC eny Soamandrakizay... ♦ Mitaky ny tsy hampiharana ny lalana vaovao mifehy ny fananan-tany, nolanian'ny parlemantera tamin'ity taona ity sy nankatoavin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana, ny Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra Nasionaly...
Hafaliana lehibe ny Noely satria ny fitiavan'Andriamanitra no tonga amintsika, hoy i P. Bizimana Innocent, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, tamin'ny firarian-tsoan'ny Noely 2021. Tonga ny famonjena izay midika tsy faharahavan'ny fiainana. Io fitiavana sy famonjena io no irariana hanjaka ao amin'ny fiainantsika, ka hifanampy mba hiainan'ny fiadanana sy ny fandriampahalemana.
Mirary ny rehetra hiaina ny fitiavana entin'ny Noely ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona. Ny olona mahitsy fandeha dia miaina amin'ny fitiavana sy mifampitsimbina, hoy izy, manalavitra ny fitiavan-tena sy ny fifampiandaniana. Tsy hohadinoin'ny Eglizy ihany koa ny mivavaka ho an'ireo zohim-pahoriana ankehitriny mba hampian'Andriamanitra sy hankahereziny izy ireo.
"Enga anie ny fahazavan’i Jesoa Zazakely hitondra fifaliana sy fiadanana ary fanantenana ho an’ny rehetra, indrindra ho an’ireo mahantra izay ao am-pon’ny Papa François", io no votoatin'ny firarian-tsoa nataon'ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara, Mgr Paolo Rocco Gualtieri, tamin'ny firarian-tsoa ho an'ny vahoaka Malagasy noho ny Noely 2021 sy ny Taona vaovao 2022. Mankahery azy ireo izy mba handroso hatrany ho amin'ny tontolon'ny Hazavana.
Nambaran'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondranam-ben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny firarian-tsoan'ny Noely fa tsy nahasakana ny fahatongavan'i Jesoa tonga eo anivontsika ny fahantran'ireo ray aman-dreniny, ka na eo aza ny fahoriana sy ny fahantrana iainantsika ankehitriny dia tonga miara-dia amintsika i Jesoa amin'izao Noely izao. Enga anie ho tany fialofana ho an'ny vahoaka malagasy rahatrizay ny tany izay injadian'ny mosary ankehitriny.
♦ Tontosa ny maraina teo ny fanaovam-beloma ara-miaramila ny Kolonely Rakotomiliharison Hery Fanomezantsoa... ♦ Ilaina ny fitandremana amin'ny fiatrehana ny fety satria ahiana tsy hijanona hiakatra indray ny antontanisa momba ny Covid-19 raha tsy tratra ny "pic", hoy ny mpitsabo... ♦ Samy nanao izay ho afany ny tsirairay manoloana ny fiatrehana ny fetin'ny Noely, raha ny fanadihadiana natao...
♦ Ho tanterahana anio amin'ny 10 ora maraina etsy amin'ny BANI Ivato ny fanaovam-beloma ara-miaramila ny Kolonely Rakotomiliharison Hery Fanomezantsoa... ♦ Arahanao ato anatin'izao vaovao izao ny resaka nataon'ny SEG, momba iny fianjeran'ny angidimby tany an-dranomasina iny... ♦ Tahina Malala Rambeloarisoa kosa no nahazo ny laharana voalohany tamin'ilay fifaninanana ohabolana an-tsarimihetsika...
♦ Hita androany tolakandro ny vatana mangatsiakan'ny mpanamory ilay angindimby nianjera tany an-dranomasina ny alatsinainy teo... ♦ Ny vintana sy ny fitahiana no nahavotra ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, raha ny fanazavana nentiny androany, nanoloana io loza io... ♦ Nozaraina androany ny valisoa tamin'ilay fifaninanana horonan-tsary fohy hanazavana ohabolana. Tetik'asa novolavolain'ny Média Don Bosco izy ity, novatsian'ny UNESCO vola...
♦ Takian'ny tranoben'ny tantsaha mpamokatra ny hisian'ny dinika hamahàna ny olon'ny bokin'omby amin'izao fotoana izao. Sahirana ny mpiompy amin'ny tsy fitovian'ny vidin'izy io any amin'ny kaominina samihafa... ♦ Tanora an'arivony no efa navokan'ny sekoly ambony ESCAM nandritra ny 25 taona nijoroany. Namoaka ny andiany vaovao indray izy ireo... ♦ Kaominina isan'ny misitraka ny fandaharan'asa ho fanatsaràna ny trano tomboka sy toeram-ponenana tsy zarizary eto Madagasikara, ny ao Moramanga...
Naseho an'ireo tantsaha tetsy amin'ny lemak'i Laniera ao amin'ny kaominina Sabotsy-Namehana distrika Antananarivo-Avaradrano ny fomba fanetsana amin'ny alalan'ny milina entin-tanana sy ny milina maneha amin'ny angovo. Milina natao hifanaraka amin'ny fomba fambolem-bary voizin'ny tetik'asa PAPRIZ izay eo ambany fiahian'ny MInisteran'ny Fambolena sy ny Fiompiana.
Mangina ny fanentanana amin'ny ady amin'ny Sida eto amintsika dia mihevitra ny olona fa efa foana izy. Mila hampiroboroboana ny fepetra fiarovana amin'ny fifindrany sy ny fanaovana fitiliana. Ireo tsy manao fitiliana kanefa mitondra tsimokaretina no mamindra fa ireo efa fantatra dia efa manaraka fitsaboana ny ankamaroany.
♦ Natokan'ny Fitondram-panjakàna ho andro fisaonam-pirenena ny anio tontolo andro ho fahatsiarovana ireo mpiray tanindrazana namoy ny ainy tamin'ilay sambo Francia rendrika tany Soanierana-Ivongo... ♦ Nasondrotra amin'ny laharam-boninahitra Général de Corps d'Armée ny Sekreteram-panjakàna miadidy ny zandarimaria ny Jeneraly Serge Gellé... ♦ Tafiakatra 83 ireo namoy ny ainy vokatry ny loza an-dranomasina nitranga tany Soanierana-Ivongo tamin'ny alatsinainy, 50 no avotr'aina...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco